2023
Miomana hanatrika fotoana any amin’ny tempoly
Desambra 2023


“Miomana hanatrika any amin’ny tempoly,” Liahona, des. 2023.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, desambra 2023

Miomana hanatrika fotoana any amin’ny tempoly

Sary
olona mandeha manatona ny Tempolin’i Ogden Utah

Sarin’ny Tempolin’i Ogden Utah nalain’i Mark Brunson

Ao amin’ireo tempolin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany isika dia afaka mandray fanekempihavanana sy ôrdônansy masina ho an’ny tenantsika sy ho an’ireo razambentsika. Manatrika fotoana any amin’ny tempoly isika mba hanehoana ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika an’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy. Afaka miomana hanatrika fotoana any amin’ny tempoly isika amin’ny fianarana sy fiainana ny filanzantsaran’i Jesoa Kristy. Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ireo tempoly dia jereo ilay lahatsoratra Fototry ny filazantsara hoe “Ny asa atao any amin’ny tempoly” ao amin’ny laharana Ôktôbra 2021 amin’ny Liahona.

Sary
teny eo ivelan’ny Tempolin’i Durban, Afrika Atsimo

Sarin’ny Tempolin’i Durban Afrika atsimo, nalain’i Matthew Reier

Ny Tranon’ny Tompo

Antsoina hoe “tranon’ny Tompo” ireo tempoly. Toerana masina izy ireo, izay ahafahantsika mahatsapa ny Fanahin’ Andrimanitra sy ny fitiavany antsika. Izy ireo koa dia toerana ahafahantsika manao fanekempihavanana ary mandray ôrdônansy manokana izay hanomana antsika hahazo ny fiainana mandrakizay. (Ny fanekempihavanana dia fampananatenana masina eo amin’ Andriamanitra sy ireo zanany.) Ny fahatokiana amin’ireo fanekempihavanantsika sy ny fandraisana ireo ôrdônansy ireo dia manampy antsika hanana fifandraisana manokana amin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.

Sary
zatovo mijoro eo ivelan’ny tempolin’i Guayaquil Equateur

Sarin’ny Tempolin’i Guayaquil Equateur nalain’i Janae Bingham

Iza no afaka manatrika fotoana any amin’ny tempoly?

Afaka manao batisa ho an’ny maty ireo mpikamban’ny Fiangonana manomboka ny taona izay handraisany 12 taona. Afaka mandray ny fanafiana masina ny mpikambana iray rehefa 18 taona raha kely indrindra, efa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny erintaona raha kely indrindra, ary maniry hanao fanekempihavanan’ny tempoly sy hitandrina izany (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, 27.2.2, ChurchofJesusChrist.org). Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay efa nandray ny fanafiana masina ho an’izy ireo dia azo fehezina (ho mpivady) ho mandrakizay ao amin’ny tempoly.

Fanekempihavanana sy ôrdônansy

Hanao fanekempihavanana ianao ary handray ôrdônansy ao amin’ny tempoly. “Ny fidirana amin’ny fifandraisana amin’ Andriamanitra araka ny fanekempihavanana dia mamatotra antsika Aminy amin’ny fomba izay mahatonga ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainana ho mora kokoa.” (Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 97). Ny ôrdônansy dia asa masina iray ara-batana tanterahana amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Manana heviny ara-panahy lalina ireo ôrdônansy. Ohatra, rehefa mandray anjara amina ôrdônansy ianao dia maneho amin’ Andriamanitra fa vonona handray sy hitandrina ireo fanekempihavanany.

Fiomanan’ny tena manokana

Miomana ara-panahy amin’ny fanarahana ireo fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra tamin’ny batisa. Azonao atao koa ny mandalina ireo loharanon’ny Fiangonana toy ny soratra masina sy ireo lahateny tamin’ny fihaonambe maneran-tany. Ny Temples.ChurchofJesusChrist.org dia manolotra fampahalalana mikasika izay miandry anao rehefa manatrika fotoana any amin’ny tempoly. Hita ao koa ny antsipirihany kokoa mikasika ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ary ny fampiasana tandindona any amin’ny tempoly.

Sary
eo ivelan’ny Tempolin’i Nauvoo Illinois

Sarin’ny Tempolin’i Nauvoo Illinois nalain’i Eve Tuft

Ny fampiasana tandindona

Matetika ny Tompo no mampianatra amin’ny fampiasana tandindona. Ohatra, ny batisa, izany hoe midina ao anaty rano ary avy eo mipoitra indray, dia toy ny hoe maty ilay ianao fahiny, ary teraka indray ilay ianao vaovao (jereo ny Romana 6:3–6). Manondro an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ireo ôrdônansin’ny tempoly. Mety ho sarotra ny mahatakatra ireo fampiasana tandindona rehetra amin’ny fotoana voalohany hanatrehanao fotoana any amin’ny tempoly, saingy afaka manohy mianatra ianao rehefa miverina mankany mandritra ny androm-piainanao.

Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Mba hahafahana miditra ny tempoly, dia mila miomana sy mendrika ianao. Afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ianao rehefa avy manao dinidinika amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana ary amin’ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiona. Ireo mpitarika ireo dia hametra andiana fanontaniana mba hiantohana fa miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao. Azon’ireo mpitarika anao resahana aminao mialoha ireo fanontaniana ireo.

Fiverenana any amin’ny tempoly ho an’ireo razambenao

Tian’ny Ray any An-danitra ireo zanany rehetra hanao fanekempihavanana aminy ary handray ôrdônansy masina. Ireo ôrdônansy ireo, tahaka ny batisa sy ny fanafiana masina dia tsy maintsy tanterahana any amin’ny tempoly ho an’ireo nodimandry tsy nandray ny filanzantsara. Afaka miverina any amin’ny tempoly ianao hanatanteraka ôrdônansy ho an’ireo olona efa maty ao amin’ny fianakaviana.

Hamoaka printy