Liahona
Lamina iray ho an’ny firaisan-kina ao amin’i Jesoa Kristy
Ôktôbra 2024


“Lamina iray ho an’ny firaisan-kina ao amin’i Jesoa Kristy”, Liahona, ôkt. 2024.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, ôktôbra 2024

Lamina iray ho an’ny firaisan-kina ao amin’i Jesoa Kristy

Rehefa miray hina ao amin’i Jesoa Kristy tahaka ny vahoaka ao amin’ny 4 Nefia isika dia mandray ny toeran’ny fahasamihafana misy eo amintsika ny faniriantsika ho iray ary mitondra mankany amin’ny fahasambarana.

Christus statue [Ilay sarivongana Christus]

Miaina ao anaty vanim-potoana ahitana ny fitomboan’ny onjan’ny fifanjihirana sy ny fifandirana miparitaka manerana izao tontolo izao isika. Ireo hery mampisara-bazana ireo, ampian’ny teknolojia sy voizin’ireo olona toa lasa manana fo vato, dia mandrahona ny hameno ny fontsika amin’ny fanamavoana sy ny hanimba ny fifandraisantsika amin’ny fifandirana. Simba ny fifandraisana ara-piarahamonina. Mirongatra ny ady.

Ao anatin’izany sehatra iainana izany, ny tena mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia maniry fiadanana ary mikatsaka amim-pahavitrihana ny hanorina karazana fiaraha-monina hafa, fiaraha-monina izay mifototra amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Noho izany antony izany no nandidian’ ny Tompo antsika hoe: “Aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27). Marina tokoa fa ny firaisan-kina dia toetra mampiavaka ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy.

Ahoana no fomba hanoherana ny herin’ny fisaraham-bazana sy ny fifandirana? Ahoana hahatongavantsika amin’ny firaisan-kina?

Soa fa manome ohatra ho antsika ny 4 Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Io toko io dia mirakitra fohifohy ny fomba niainan’ny vahoaka taorian’ny namangian’ny Mpamonjy azy ireo sy nampianarany azy ireo ary nanorenany ny Fiangonany teo anivon’izy ireo. Io tantara io dia mampiseho ny fomba nanatanterahan’ireo olona ireo firaisan-kina feno fitiavana sy fiadanana, ary manome antsika lamina azontsika arahina mba hahazoana izany firaisan-kina izany.

Fiovam-po

Mamaky isika ao amin’ny 4 Nefia 1:1 hoe: “Efa nanangana ny Fiangonan’i Kristy teo amin’ny tany rehetra manodidina ny mpianatr’i Jesoa. Ary nanatona azy ireo [ny vahoaka] sy nibebaka marina tokoa tamin’ny fahotany.”

Miray hina manodidina ny Tompo sy i Jesoa Kristy Mpamonjy isika. Rehefa mianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ary ny Fiangonany ny olona tsirairay dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana ao am-pon’ny olona tsirairay ny Fanahy Masina. Avy eo isika tsirairay dia afaka manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy mba hanana finoana Azy sy hanaraka Azy amin’ny alalan’ny fibebahana.

Toy izany no hanombohan’ny dian’ny fiovam-pon’ny olona iray, lavitr’ireo faniriana feno fitiavan-tena sy feno fahotana ary mankany amin’ny Mpamonjy. Izy no fototry ny finoantsika. Ary rehefa mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra isika tsirairay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36), dia lasa hery mampiray hina eo amin’ny fiainantsika Izy.

Ireo fanekempihavanana

Ny rakitsoratra ao amin’ny 4 Nefia dia nanohy nilaza fa ireo izay tonga tao amin’ny Fiangonana sy nibebaka tamin’ny fahotany dia “natao batisa tamin’ny anaran’i Jesoa; ary ireny dia nandray koa ny Fanahy Masina”. (4 Nefia 1:1). Nanao fanekempihavanana izy ireo, fifandraisana miavaka sy mamatotra tamin’ Andriamanitra.

Rehefa manao fanekempihavanana sy mitandrina izany isika dia mitondra ny anaran’ny Tompo eo amintsika tsirairay. Fanampin’izany dia mitondra ny Anarany eo amintsika amin’ny maha vahoaka koa isika. Ireo rehetra izay manao fanekempihavanana sy miezaka mitandrina azy ireo dia lasa vahoakan’ny Tompo, dia ny Hareny manokana (jereo ny Eksodosy 19:5). Araka izany ny isam-batan’olona sy isika miaraka dia mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny fifandraisana mifototra amin’ny fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra dia manome antsika foto-pisainana itoviana ary famaritana itoviana ny maha-izy azy antsika. Rehefa mamatotra ny tenantsika amin’ny Tompo isika dia manampy antsika Izy hanana “ny fo[ntsika] mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan[tsika] samy [isika]” (Môzià 18:21).

Ny rariny, ny fitoviana, ary ny fanampiana ny mahantra

Mitohy toy izao ilay tantara ao amin’ny 4 Nefia: “tsy nisy fifandirana na fifanjihirana teo anivony, ary ny olona tsirairay dia nifampitondra araka ny hitsiny tokoa teo amin’izy samy izy”.

“Ary niarahany nanana avokoa ny zavatra teo anivony; koa tsy nisy na mpanefoefo na mahantra, na mpifatotra na olona afaka, fa efa natao afaka avokoa izy ary mpandray anjara amin’ny fanomezam-pahasoavana avy any an-danitra”. (4 Nefia 1:2–3).

Ao amin’ireo fifampiraharahantsika eto an-tany dia tian’ny Tompo isika mba handeha amin’ny rariny sy ny hitsiny ary tsy hanao saina hifetsy na hanararaotra ny tsirairay (jereo ny 1 Tesaloniana 4:6). Rehefa manakaiky kokoa ny Tompo isika dia “tsy ho ao an-tsain[tsika] ny hifandratra fa ny hiaina kosa amim-pilaminana sy hamaly ny olona tsirairay avy araka izay sahaza azy” (Môzià 4:13).

Nandidy antsika koa ny Tompo mba hikarakara ny mahantra sy ireo mila fanampiana. Tokony “hifampizara amin’ny harena izay ananan[tsika]” isika mba hanampiana azy ireo, araka ny fahafahantsika manao izany, tsy mitsara azy ireo (jereo ny Môzià 4:21–27).

Isika tsirairay avy dia tokony “hihevitra ny rahalahiny ho toy ny tenany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24). Raha te ho vahoakan’ny Tompo sy hiray hina isika, dia tsy tokony mifampitondra ho toy ny mitovy fotsiny ihany, fa tsy maintsy mifampijery ho toy ny mitovy ihany koa ary mahatsapa ao am-pontsika fa mitovy isika, mitovy eo anoloan’ Andriamanitra, mitovy lanja mitovy sy mitovy hery anaty.

Fankatoavana

Ny lesona manaraka avy ao amin’ny 4 Nefia dia hita amin’ity teny tsotra ity: “Nandeha kosa araka ny didy izay efa noraisiny avy tamin’ny Tompony sy Andriamaniny” (4 Nefia 1:12).

Nampianarin’ny Tompo ireo olona ireo ny Fotopampianarany, nanome azy ireo didy Izy ary niantso mpanompo mba hitantana azy ireo. Iray amin’ireo tanjony tamin’ny fanaovana izany ny fakana antoka fa tsy hisy fifandirana eo anivon’izy ireo (jereo ny 3 Nefia 11:28–29; 18:34).

Ny fankatoavantsika ny fampianaran’ny Tompo sy ireo mpanompony dia manan-danja amin’ny fahatongavantsika ho iray. Tafiditra ao anatin’izany ny fanolorantenantsika hankatò ilay didy hoe hibebaka isaky ny lavo isika ary hifanampy rehefa miezaka ny hanao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isan’andro.

olona mijery soratra masina ao anatina fivoriana iray

Miaraka mivory

Manaraka izany dia mianatra isika fa ny vahoaka ao amin’ny 4 Nefia dia “nitozo tamin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka, ary tamin’ny fiarahana nivory matetika mba hivavaka sy handre ny tenin’ny Tompo” (4 Nefia 1:12).

Mila miara-mivory isika. Ireo fivoriam-pivavahana ataontsika isan-kerinandro dia fahafahana manan-danja ho antsika mba hahitana tanjaka, na ho an’ny tena manokana na miaraka. Mandray ny fanasan’ny Tompo isika, mianatra, mivavaka, miara-mihira ary mifanohana. Ny fivoriam-piangonana hafa koa dia manampy amin’ny famolavolana fahatsapana ho miombona sy finamanana ary tanjona itoviana.

Fitiavana

Avy eo ilay rakitsoratra ao amin’ny 4 Nefia dia manome antsika ilay mety ho fanalahidy lehibe ho an’izany rehetra izany, tsy azo tratrarina ny firaisan-kina raha tsy eo izany zavatra izany: “Tsy nisy fifandirana teo amin’ny tany, noho ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ny vahoaka” (4 Nefia 1:15).

Tonga ny fiadanana ho an’ny tena manokana rehefa mitia an’ Andriamanitra marina isika, amin’ny alalan’ny fankatoavana feno fanetren-tena. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ny fitiavana an’ Andriamanitra mihoatra noho ny olona na ny zavatra rehetra hafa dia fepetra izay mitondra fiadanana sy fampiononana sy toky ary fifaliana tena izy. Rehefa mampitombo ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy isika dia hanaraka ho azy ny fitiavana ny fianakaviana sy ny namantsika.

Ny fifaliana lehibe indrindra azontsika hiainana dia rehefa heniky ny fitiavana ho an’ Andriamanitra sy ho an’ireo zanany rehetra isika.

Ny fiantrana, ilay fitiavana madion’i Kristy, no fanefitry ny fifandirana. Izany no toetra fototra ananan’ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy. Rehefa mampanetry ny tenantsika eo anatrehan’ Andriamanitra isika ary mivavaka amin’ny herin’ny fontsika manontolo dia hanome antsika ny fiantrana Izy (jereo ny Môrônia 7:48).

Rehefa mikatsaka ny hanana ny fitiavan’ Andriamanitra mitoetra ao am-pontsika isika rehetra dia ho toy ny mandeha ho azy tanteraka amintsika ilay fahagagan’ny firaisan-kina.

Ny maha tahaka an’ Andriamanitra antsika

Farany, ny vahoaka ao amin’ny 4 Nefia dia naneho famantarana ny firaisan-kina izay mila ny fifantohantsika: “Tsy nisy mpandroba, na mpamono olona, tsy nisy koa Lamanita, na izay mety ho fombafomban’ny -ita; fa izy kosa dia iray, zanak’i Kristy ary mpandovan’ny fanjakan’ Andriamanitra” (4 Nefia 1:17).

Ireo anarana izay nampisaraka ny olona nandritra ny an-jato taonany maro dia nisitaka manoloana ilay mpamaritra ny maha-izy azy maharitra sy maha-olom-banona bebe kokoa. Nijery ny tenany sy ny olon-kafa rehetra araka ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo.

Mety ho tsara sy manan-danja amintsika ny fahasamihafana sy tsy fitoviana. Saingy ilay mpamaritra ny maha-izy antsika manan-danja indrindra dia ireo izay mifandray amin’ny fiaviantsika sy ny tanjontsika araka an’ Andriamanitra.

Samy zanak’ Andriamanitra isika tsirairay avy mialoha ny zavatra hafa rehetra. Faharoa, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia zanaky ny fanekempihavanana isika tsirairay avy. Ary fahatelo, isika tsirairay dia mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. Mamporisika antsika rehetra aho mba tsy hamela mpamaritra hafa “handiso toerana, hanolo toerana, na ho lohalaharana mialohan’ireo fiantsoana telo maharitra ireo”.

fianakaviana miara-mipetraka eo amin’ny tany

Aoka ho iray

Andriamanitra dia nanasa ny rehetra hanatona Azy. Misy toerana ho an’ny rehetra ao. Mety ho samy hafa isika amin’ny kolontsaintsika, ny pôlitika, ny foko, ny zavatra tiana ary amin’ny fomba maro hafa. Saingy rehefa miray hina ao amin’i Jesoa Kristy isika dia manjavona ny fahasamihafana toy izany ka mandray ny toeran’izany ny faniriana lehibe ananantsika ho iray, mba hahafahantsika ho Azy.

Raiso am-po ireo lesona ampianarina ao amin’ny 4 Nefia. Rehefa miezaka ny hampiditra ireo singa manan-danja eo amin’ny firaisan-kina ireo eo amin’ny fiainantsika isika tsirairay avy, dia mety ho toy izao no ho voalaza momba antsika, tahaka ny efa voalaza momba azy ireo: “Marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tanan’ Andriamanitra” (4 Nefia 1:16).

Fanamarihana

  1. Mba hianarana misimisy kokoa momba ny dikan’ny hoe manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy ny fitahiana avy amin’izany dia jereo ny Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay”, Liahona, ôkt. 2022, 4–11.

  2. Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny Mandrakizay”, (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022), Médiathèque de l’’Évangile.