“3–9 aogositra. Almà 43–52: -Miorina mafy ao amin’ ny finoana an’ i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)
“3–9 aogositra. Almà 43–52,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020
3–9 aogositra
Almà 43–52
“Miorina mafy ao amin’ ny finoan an’ i Kristy”
Mety ho toy ny hoe tsy manan-danja manokana aminao ireo zava-mitranga tantaraina ao amin’ny Almà 43–52 . Kanefa tahaka ny ao amin’ny soratra masina rehetra, dia manana hafatra ho anao ny Tompo. Katsaho ombam-bavaka izany.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Rehefa mamaky ireo teny any am-piandohan’ny Almà toko 43 isika hoe: “Ary ankehitriny dia iverenako ny fitantarana ny ady teo amin’ ny Nefita sy ny Lamanita,” dia toa mandeha ho azy ny fametrahana fanontaniana hoe nahoana i Môrmôna no nampiditra ireo tantara momba ny ady ireo kanefa voafetra ny toerana azony nanoratana teo amin’ireo takelaka (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:5). Marina tokoa fa misy ady maro amin’izao andro farany izao, kanefa misy lanjany lehibe mihoatra ny fitantarana paik’ady sy zava-doza momba ny ady fotsiny ao anatin’ny teniny. Ny teniny ihany koa dia manomana antsika amin’ny ady izay “hirotsahantsika rehetra” (Cantiques, no. 161), dia ilay ady ataontsika isan’andro hanoherana ny herin’ny ratsy. Tena misy io ady io, ary misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika mandrakizay ny vokatr’izany. Tahaka ireo Nefita, isika dia “nentanin’ ny foto-kevitra tsaratsara kokoa,” dia “ny Andriamani[tsika], ny fivavahan[tsika] sy ny fahafahan[tsika] ary ny fiadanan[tsika], ny [fianakaviantsika].” I Môrônia dia niantso izany hoe “ny foto-kevitry ny Kristiana,” izay foto-kevitra iadiantsika amin’izao fotoana izao (Almà 43:45; 46:12, 16).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Ireo ady ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra ahy momba ny ady ataoko amin’ny ratsy.
Ny famakiana mikasika ireo ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita dia mety ho manan-danja kokoa aminao raha mitady zavatra mira zotra amin’izany eo amin’ny ady ataonao manokana ara-panahy ianao. Eo am-pamakianao ny Almà 43–52, dia jereo ny zavatra nataon’ny Nefita ka nahatonga azy ireo hahomby (na tsy hahomby). Dia saintsaino avy eo ny fomba azonao hampiasana ny zavatra nianaranao mba hanampiana hivoaka ho mpandresy amin’ny ady ara-panahy ataonao. Rehefa mandalina andininy tahaka ireto manaraka ireto ianao dia soraty ny eritreritrao momba ny fomba azonao hanarahana ny ohatr’ireo Nefita:
-
Almà 43:19. Vonona niaraka tamin’ny fitaovam-piarovana ny Nefita. (Afaka miezaka ny hanomana ny tenako hanana fitaovam-piarovana ara-panahy aho.)
-
Almà 43:23–24. Nikatsaka ny fitarihan’ny mpaminany izy ireo.
Jereo ihany koa ny fomba niezahan’ireo Lamanita sy Nefita mpiendaka nandresy ny Nefita. Ireo zavatra ireo dia afaka mampitandrina anao mikasika ny fomba mety hiezahan’ny fahavalo manafika anao. Eo am-pandalinanao dia soraty ny fomba mety hanafihan’i Satana anao amin’ny fomba mitovy amin’izany:
-
Almà 43:8. Nikatsaka ny hamoky hatezerana ny vahoakany i Zerahemnà mba hahazoany fahefana teo amin’izy ireo. (Rehefa lasa tezitra amin’ny olona hafa aho dia manome fahefana an’i Satana eo amiko.)
-
Almà 43:29. Nikasa ny hamarina ny Nefita ho amin’ny fanandevozana ny Lamanita.
Rehefa miezaka ny hahatoky tahaka an’i Môrônia aho dia ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.
Maniry ny ho afaka ny ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa ve ianao ary hampihena ny herin’ny fahavalo eo amin’ny fiainanao? Fomba iray hanaovana izany ny fanarahana ny fananarana ao amin’ny Almà 48:17 mba “[h]itovy [a]min’i Môrônia.” Mifantoha amin’ny toetra sy ny asan’i Môrônia izay voalazalaza manerana ny Almà 43–52 ary indrindra indrindra fa ao amin’ny 46:11–28 sy 48:7–17. Inona no manaitra anao momba io “lehilahy … mahery” io? Ahoana no hahafahan’ny toetra sy ny asa toy ny azy mampihena ny herin’ny devoly eo amin’ny fiainanao? Saintsaino ny zavatra tsapanao fa tokony hataonao mba hanarahana ny ohatr’i Môrônia sy ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.
Maka fanahy sy mamitaka antsika tsikelikely i Satana.
Fantatr’i Satana fa tsy vonona ny hanao fahotana lehibe na hino lainga be ny ankamaroantsika. Noho izany dia mampiasa lainga sy fakam-panahy feno hafetsena izy mba hitarihana antsika hirotsaka amin’ny fahotana izay toa bitika, ary maro araka izay heveriny fa ho ekentsika. Manohy manao izany izy mandra-pialantsika lavitra ny fiarovana avy amin’ny fiainana amim-pahamarinana.
Afaka mahita io ohatra io ianao ao amin’ny tantaran’i Amalikià mamitaka an’i Lehôntia, izay hita ao amin’ny Almà 47. Eo am-pandalinanao, dia saintsaino ny fomba mety hanandraman’i Satana mamitaka anao, araka ny voalazan’ny Loholona Robert D. Hales:
“Nanosika an’i Lehôntia i Amalikià mpamadika mba -hidina- ary hihaona aminy eny an-dohasaha. Kanefa rehefa niala ny havoana i Lehôntia, dia nomeny poizina -tsikelikely- izy mandrapahafatiny ary lasan’i Amalikià ireo miaramilany (jereo ny Almà 47). Amin’ny alalan’ny adihevitra sy fiampangana no hamporisihan’ny olona sasany antsika hiala eo amin’ilay toerana misy fiarovana. Eo amin’izany toerana misy fiarovana izany no itoeran’ny hazavana. … Toerana azo antoka izany” (“Fahasahian’ny Kristiana: takiana amin’ny maha-mpanara-dia,” Liahona, nôv. 2008, 74).
(jereo koa ny 2 Nefia 26:22; 28:21–22.
Mitondra fiarovana ny firaisan-kina.
Ao amin’ireo toe-javatra misy voarakitra ao amin’ny fiantombohan’ny Almà 50, dia toy ny tsy haharesy ny Nefita mihitsy ny Lamanita. Ny akanjo fiarovan-tena, ireo manda, ary ny fanambarana ny herin’ny Nefita dia nahatonga azy ireo ho toy ny tsy azo resena mihitsy (jereo ny Almà 49:28–30 sy 50:17–20). Saingy vetivety ny Lamanita dia nahazo ny maro tamin’ny tanànan’izy ireo, anisan’izany ireo izay nohamafisin’i Môrônia (jereo ny Almà 51:26–27). Ahoana no nitrangan’izany? Tadiavo ireo valin-teny rehefa mamaky ireo toko ireo ianao (jereo indrindra indrindra ny Almà 51:1–12). Saintsaino ny fampitandremana mety hatolotr’io tantara io anao sy ny fianakavianao.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:
Almà 45:2–8
Ny fiarahana mamaky ireo andininy ireo dia mety hitaona ny fianakavianao hanao fifanakalozan-kevitra hifanaovan’ny tsirairay amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana, tahaka ny nataon’i Almà tamin’i Helamàna.
Almà 46:12–22
Ny fanevan’ny fahafahana dia nitaona ny Nefita hitandrina ny didin’ Andriamanitra sy hiaro ny finoan’izy ireo. Inona ny zavatra mitaona antsika mba hanao toy izany koa? Azon’ny fianakavianao atao tsara ny mamorona ny fanevan’ny fahafahana anareo manokana, saina misy teny na sary izay mampahatsiahy anareo hitandrina ny didin’ Andriamanitra isan’andro.
Almà 48:7–9; 49:1–9; 50:1–6
Rehefa mamaky mikasika ny toera-mimanda nataon’ny Nefita ny fianakavianao dia afaka miresadresaka momba ny fomba hanamafisanareo ny tokantranonareo hanoherana ny fahavalo ianareo. Mety ho tian’ny ankizy ny manorina toera-mimanda avy amin’ny zavatra toy ny seza sy bodofotsy, na afaka ataon’izy ireo sary izay fahazoany an-tsaina ny endriky ny toera-mimandan’ny Nefita.
Almà 51:1–12
Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny zavatra mety hitranga eo anivon’ny fianakaviantsika rehefa misy fifandirana ao? Ahoana ahafahantsika mampitombo ny firaisan-kinantsika?
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.