Avia, hanaraka Ahy
7–13 septambra. 3 Nefia 1–7: “Atrakao ny lohanao ary mahereza”


“7–13 septambra. 3 Nefia 1–7: -Atrakao ny lohanao ary mahereza,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“7–13 septembra. 3 Nefia 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
Hitan’ny Nefita ilay andro tsy nisy alina

Andro iray, alina iray, ary andro iray, nataon’i Jorge Cocco

7–13 septambra

3 Nefia 1–7

“Atrakao ny lohanao ary mahereza”

Nahita famantarana mahagaga ny Nefita, kanefa rehefa nandeha ny fotoana dia adinon’izy ireo ny zavatra niainan’izy ireo (jereo ny 3 Nefia 2:1). Hanampy anao hahatsiaro ny zavatra niainanao ara-panahy ny firaketana ny zavatra tsapanao eo am-pandalinana ny 3 Nefia 1–7.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Amin’ny lafiny iray dia fotoana nampientanentana mba ho lasa mpino an’i Jesoa Kristy izany. Tanteraka ireo faminaniana, izany hoe ireo famantarana lehibe sy ireo fahagagana teo anivon’ny vahoaka dia nilaza fa ho teraka tsy ho ela ny Mpamonjy. Tetsy an-kilan’izay, dia fotoana nampitebiteby ireo mpino ihany koa izany satria, na dia teo aza ireo fahagagana rehetra, dia nisisika nilaza ireo tsy mpino fa “efa dila ny fotoana” hahaterahan’ny Mpamonjy (3 Nefia 1:5). Ireo olona ireo dia nahatonga “hotakotaka eran’ ny tany” (3 Nefia 1:7) ary nametraka daty mihitsy aza mba hamonoana ireo mpino rehetra raha toa ireo famantarana naminanian’i Samoela ilay Lamanita (alina tsy misy haizina) ka tsy mitranga.

Tao anatin’ireo toe-javatra sarotra ireo ny mpaminany Nefia dia “nahery nitalaho tokoa tamin’ Andriamaniny ho an’ ny olony” (3 Nefia 1:11). Ny valin-tenin’ny Tompo dia mitondra fitaomam-panahy ho an’izay mety ho olona miatrika fanenjehana na ahiahy ary mila mahafantatra fa handresy ny haizina ny hazavana: “Atrakao ny lohanao ary mahereza; fa indro, … Izaho dia hanatanteraka izay rehetra efa nampiteneniko tamin’ ny vavan’ ny mpaminaniko masina” (3 Nefia 1:13).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

3 Nefia 1:4–21; 5:1–3

Hanatanteraka ny teniny rehetra ny Tompo.

Mety ho inona no tsapanao araka ny fieritreretanao azy raha hoe iray tamin’ireo mpino nandritra ilay fotoana resahina ao amin’ny 3 Nefia 1–7 ianao? Mety ho toy ny ahoana, ohatra, izany hoe niandry ilay alina tsy misy haizina izay hanambara ny fahaterahan’ny Mpamonjy, kanefa fantatrao fa hovonoina ho faty ianao raha tsy nitranga ilay izy? Eo am-pamakianao ny 3 Nefia 1:4–21 sy 5:1–3, dia tadiavo ny zavatra nataon’i Nefia sy ireo mpino hafa mba hihazonany ny finoana nandritra ireo fotoan-tsarotra ireo. Ahoana no nitahian’ny Tompo azy ireo? Inona no zavatra nianaranao ka afaka manampy anao rehefa ianao no miandry ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo?

3 Nefia 1:22; 2:1–3

Ny fanadinoana ireo zavatra niainana ara-panahy dia mahatonga ahy ho mora azon’ny fakam-panahin’i Satana.

Mety hieritrertitra ianao fa ny fahitana zavatra mahagaga tokoa toy ny alina tsy misy haizina dia hiraikitra ao an-tsainao mandritra ny fotoana maharitra ary ho fototra iorenan’ny fijoroanao ho vavolombelona. Saingy ny fahatsiarovana ireo famantarana sy ireo fahagagana izay hitan’ny Nefita dia toa adino teny nony niafarany rehefa nandeha ny fotoana. Inona no nahatonga azy ireo nanadino, ary inona no vokatry ny fanadinoana? (jereo ny 3 Nefia 1:22; 2:1–3).

Inona no ataonao mba hahatsiarovana sy hanavaozana ny fahitanao ireo fahamarinana ara-panahy? Ohatra, eritrereto ny fomba ahafahan’ny fandraisana an-tsoratra ireo zavatra niainanao ara-panahy manampy anao. Ahoana no hizaranao ny zavatra hitanao amin’ireo olona akaiky indrindra anao mba hanampiana azy ireo hino?

Jereo koa ny Almà 5:6 ; Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,” Liahona, nôv. 2015, 65–68.

3 Nefia 2:11–12; 3:1–26; 5:24–26

Ny Tompo dia mampatanjaka ny Olomasina manoloana ny loza ara-panahy.

Amin’izao androntsika izao, dia mazàna isika no tsy mifanehitra amin’ny andiana mpangalatra izay manery antsika hiala ny tokantranontsika ary hivondrona amin’ny toerana iray. Saingy mifanehitra amin’ny loza ara-panahy kosa isika, ary ny zavatra niainan’ny Nefita dia mety ahitana lesona izay afaka manampy antsika. Tadiavo ireo lesona ireo eo am-pamakianao ny 3 Nefia 2:11–12 sy ny 3:1–26.

Ao amin’ny 3 Nefia 5:24–26 isika dia mamaky momba ny fanangonana ny vahoakan’ny Tompo amin’izao andro farany izao. Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba hanangonan’ny Tompo ny olony amin’izao fotoana izao?

Jereo koa ny “Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo: Hafatra avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson sy Rahavavy Wendy W. Nelson,” 3 jona, 2018, ChurchofJesusChrist.org; “Isiraely—Ny fanangonana ny Isiraely,” Torolalana ho an’ny soratra masina, scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

3 Nefia 5:12–26; 7:15–26

Mpianatr’i Jesoa Kristy aho.

Aminao, inona no dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy? (jereo ny FF 41:5). Ao amin’ny 3 Nefia 5:12–26, i Môrmôna dia nampitsahatra ny famintinany ny rakitsoratry ny Nefita ary nanambara fa mpianatr’i Jesoa Kristy izy. Ary avy eo izy ao amin’ny 3 Nefia 7:15–26 dia nitantara ny asa fanompoana nataon’ny mpianatra iray hafa, dia ny mpaminany Nefia. Inona no hitanao ao amin’ireo andalan-tsoratra masina roa ireo ka manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe mpianatr’i Kristy?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

3 Nefia 3:13–14, 25–26

Inona no nataon’ireo Nefita mba hiarovany tena tamin’ny fahavalo izay nifanehitra taminy? Inona no ataontsika mba hahatonga ny tokantranontsika ho toerana iray azo antoka sy ho fiarovana amin’ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao?

3 Nefia 2:1–3; 6:15–17

Mba hanampiana ny fianakavianao hianatra ny fomba hahafahan’i Satana mamitaka antsika, dia manaova sarina vatana iray, ary eo am-pamakian’ny fianakavianao ny 3 Nefia 2:1–3 sy ny 6:15–17, dia asio marika ny faritra samihafa amin’ny vatana izay voalaza ao. Araka ireo andininy ireo dia inona avy ireo fomba hakan’i Satana fanahy antsika mba hanadino an’ Andriamanitra sy hiverina amin’ny fahotana?

3 Nefia 4:7–12, 30–33

Inona no nataon’ireo Nefita rehefa nahita ny jirik’i Gadiantôna nanatona izy ireo? Inona no azon’ny fianakaviantsika ianarana avy amin’ny Nefita rehefa miatrika toe-javatra sarotra isika? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny teny nolazain’ny Nefita taorian’ny nanampian’ny Tompo azy ireo tao anatin’ny fotoan-tsarotra nolalovany?

3 Nefia 5:13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5

Vakio ny 3 Nefia 5:13 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5, dia mifanakaloza hevitra momba ny dikan’ny hoe mpianatr’i Kristy. Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao tsara ny miresaka momba ireo fotoana izay nahitan’izy samy izy fa mpianatra tokoa izy ireo. Raha manana zanaka mbola kely ianao dia azonao atao ny manamboatra mari-pamantarana eo amin’ ny tratra izay milaza hoe: “Mpianatr’i Jesoa Kristy aho,” ary mamela azy ireo mitondra ilay mari-pamantarana eo amin’ny tratra isak’izay hitanao fa manaraka ny Mpamonjy izy ireo.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny fianakavianao mba hampitaha ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo. Hoy i Nefia hoe: “Efa nampihariko taminay ny tenin’ny soratra masina rehetra mba ho tombontsoanay sy ho fianarana ho anay” (1 Nefia 19:23). Mba hanampiana ny fianakavianao hampitaha ny soratra masina amin’ny tenany, dia azonao atao ny manasa azy ireo hisaintsaina ny zavatra mety ho nataon’izy ireo raha anisan’ireo mpino izay resahana ao amin’ny 3 Nefia 1:4–9 izy ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21.)

Sary
Hitan’ny Nefita ilay andro tsy nisy alina

Andro iray, alina iray, ary andro iray, nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy