Avia, hanaraka Ahy
12–18 ôktôbra. 3 Nefia 20–26: “Zanaky ny fanekempihavanana [ianareo]”


“12–18 ôktôbra. 3 Nefia 20–26: -Zanaky ny fanekempihavanana [ianareo],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“12–18 ôktôbra. 3 Nefia 20–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Kristy miseho amin’ireo Nefita

Sary maneho an’i Kristy miseho amin’ireo Nefita nataon’i Andrew Bosley

12–18 ôktôbra

3 Nefia 20–26

“Zanaky ny fanekempihavanana [ianareo]”

Matetika i Jesoa no mampiasa ny teny hoe hadihadio rehefa miresaka momba ny soratra masina (jereo ny 3 Nefia 20:11; 23:1, 5). Inona no hadihadinao rehefa mamaky ny 3 Nefia 20–26 ianao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa mahare olona mampiasa ny teny toy ny hoe mpianakavin’i Isiraely, ianao dia mahatsapa ve ianao hoe miresaka momba anao ry zareo? Taranak’i Isiraely ara-bakiteny ny Nefita sy ny Lamanita—niantomboka tany Jerosalema mihitsy aza ny tantaran’izy ireo—saingy tamin’ny sasany tamin’izy ireo i Jerosalema dia mety ho toy ireny hoe “tany iray kosa izay lavitra, tany iray tsy fantatsika” (Helamàna 16:20). Eny, “sampan’ny hazon’i Isiraely” izy ireo kanefa “very niala tamin’ny fotony” ihany koa izy ireo (Almà26:36; jereo koa ny 1 Nefia 15:12). Saingy rehefa niseho tamin’izy ireo ny Mpamonjy dia naniry ny hahalala Izy fa tsy very izy ireo. “Avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely ianareo,” hoy Izy, “ary avy amin’ny fanekempihavanana [ianareo]” (3 Nefia 20:25). Mety hiteny zavatra mitovitovy amin’izany aminao Izy amin’izao fotoana izao, satria “avy amin’ny fanekempihavanana” ihany koa izay olona vita batisa sy manao fanekempihavanana Aminy, na inona na inona firazananao na aiza na aiza toerana onenanao. Midika izany fa rehefa miresaka momba ny mpianakavin’i Isiraely i Jesoa dia miresaka momba anao Izy izay. Ho anao ilay torolalana mba hitahy “ny firenena rehetra amin’ny tany” (3 Nefia 20:27). Ho anao ilay fanasana manao hoe “mifohaza indray ary tafio ny herinao” (3 Nefia 20:36). Ary ho anao ilay fampanantenana sarobidy nomeny manao hoe “Fa tsy hiala aminao kosa ny hatsaram-poko, tsy hoesorina koa ny fanekempihavanan’ny fiadanako” (3 Nefia 22:10).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

3 Nefia 20–22

Hanao asa iray lehibe sy mahatalanjona Andriamanitra amin’ny andro farany.

Nanome fampanantenana miavaka sasantsasany an’ireo valalabemandry ny Mpamonjy ary naminany ny amin’ny hoavin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany, ka anisan’izany ianao. Araka ny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson dia: “Anisan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo isika. Tombontsoa ho antsika ny handray anjara manokana amin’ny fanatanterahana ireo fampanantenana ireo. Tena mampientanentana tokoa ny miaina amin’ny vanim-potoana toy izany.” (“The Gathering of Scattered Israel,” Ensign or Liahona, Nov. 2006, 79).

Mitadiava faminaniana momba ny andro farany ao amin’ireo tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 20–22. Inona amin’ireo faminaniana ireo no tena mampientanentana anao? Inona no zavatra azonao atao mba hitondrana fanampiana hahatanteraka ny faminaniana ao amin’ireo toko ireo?

Jereo fa ny 3 Nefia 21:1–7 dia milaza fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna (“ireo zavatra ireo” ao amin’ny andininy 2 sy 3) dia famantarana iray fa efa nanomboka ho tanteraka sahady ny fampanantenan’Andriamanitra. Inona avy ireo fampanantenana ireo ary amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fahatanterahan’izy ireny?

Jereo koa ny Russell M. Nelson “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

3 Nefia 20:10–12; 23; 26:1–12

Tian’ny Tompo aho hanadihady ny tenin’ny mpaminany.

Manambara ny zavatra tsapan’i Jesoa momba ny soratra masina ny teniny sy ny asa ataony manerana ireo toko ireo. Inona no zavatra ianaranao momba ny soratra masina ao amin’ny 3 Nefia 20:10–12; 23; sy 26:1–12? Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay mitaona anao “[hanadihady] ireo zavatra ireo amin’ny fahazotoana”? (3 Nefia 23:1).

3 Nefia 2224

Mamindra fo amin’ireo izay miverina any Aminy Andriamanitra.

Ao amin’ny 3 Nefia 22 sy 24, ny Mpamonjy dia mindrana ny tenin’i Isaia sy ny an’i Malakia izay feno kisary mazava sy fampitahàna toy ny fanorenana vita amin’ny vato marevaka, sy volafotsy voadio, ary ny varavaran’ny lanitra. Mety ho mahaliana ny manao ny lisitr’izy ireo. Inona no ampianarin’ny tsirairay avy amin’izy ireo anao momba ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny vahoakany? Ohatra, ny 3 Nefia 22:4–8 dia mampitaha an’Andriamanitra amin’ny lehilahy iray izay manambady ary ny vahoaka no ramatoa vadiny. Mety hitaona anao hieritreritra momba ny fifandraisanao manokana amin’ny Tompo ny famakiana mikasika ireo sarin-teny ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nahatanteraka ireo fampanantenana tao amin’ireo toko ireo teo amin’ny fiainanao? (jereo indrindra indrindra ny 3 Nefia 22:7–8, 10–17; 24:10–12, 17–18).

3 Nefia 25:5–6

Tokony hitodika any amin’ireo razambeko ny foko.

An-jato taonany maro no efa niandrandran’ny Jiosy maneran-tany fatratra ny fiavian’i Elia. Fantatry ny Olomasina fa efa niverina i Elia, izay niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 1836 (jereo ny FF 110:13–16). Efa elalela ihany izay no nanaovana ny asa fampodiana ny fon’ny zanaka amin’ny rainy, dia ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Inona avy ireo zavatra niainanao izay nanampy nampitodika ny fonao tamin’ireo razambenao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

3 Nefia 22:2

Afaka manao trano lay natao tanana ianareo rehefa avy mamaky io andininy io ary miresaka ny amin’ny maha-toy ny trano lay any an-tany foana ny Fiangonana. Inona no mety ho dikan’ilay hoe “halava[na] ny tadi[ny]” sy ny hoe “hamafi[sina] ny tsatòka[ny]”? Ahoana no hanasantsika ny hafa hahita “fialofana” ao amin’ny Fiangonana?

3 Nefia 23:6–13

Raha toa ny Mpamonjy ka hanadihady ny amin’ireo rakitsoratra notanan’ny fianakaviantsika dia ho inona no fanontaniana mety hapetrany? Misy trangan-javatra na zavatra niainana ara-panahy manan-danja ve ka tokony horaketintsika? Izao angamba no fotoana tsara hanaovana rakitsoratry ny fianakaviana na hampidirana zavatra ao anatin’izany ka hiara-hikaondoha momba ny zavatra hampidirina ao anatin’izany. Mety ho tian’ireo ankizy madinika ao amin’ny fianakaviana ny manaingo ny boky firaketanareo amin’ny sary na sary natao tanana. Nahoana no zava-dehibe ny mirakitra ireo traikefa ara-panahy niainan’ny fianakaviantsika?

3 Nefia 24:7–18

Toy ny ahoana no fisehon’ny fitahiana avy tamin’ny fandoavana fahafolonkarena teo amintsika? Mety hanampy ny fianakavianareo hamantatra ireo fitahiana ireo ny hafatry ny Loholona David A. Bednar mitondra ny lohateny hoe “Ny varavaran’ny lanitra” ( Liahona, nôv. 2013, 17–20).

3 Nefia 25:5–6

Ahoana no hanampianao ny olona ao amin’ny fianakavianao hampitodika ny fony amin’ireo rainy? Azonao atao ny manome andraikitra ireo olona ao amin’ny fianakavianao mba hianatra momba ny iray amin’ireo razambeny sy hizara amin’ny olona hafa rehetra oa amin’ny fianakafaviana ny amin’ny zavatra nianaran’izy ireo (jereo ny FamilySearch.org). Na koa azonareo atao ny miara-miasa mikaroko razambe iray izay mila ôrdônansin’ny tempoly sy manao drafitra ny ho any amin’ny tempoly mba hanaovana ireo ôrdônansy ireo.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Ny Loholona Neal A. Maxwell dia nampianatra hoe: “Ny toetranao dia hita taratra any amin’ny fampianarana ampitainao.” “Ho tsaroana kokoa ireo toetranao … noho ny fahamarinana miavaka iray nampitaina nandritra ny lesona iray” (“But a Few Days” [lahateny ho an’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny sampana miandraikitra ny fampianarana ao amin’ny Fiangonana, 10 sept, 1982], 2). Raha te hitory fitsipiky ny filazantsara iray ianao dia iaino araka izay tsara indrindra vitanao izany fitsipika izany.

Sary
i Jesoa Kristy miara-mamaky ny rakitsoratry ny Nefita amin’i Nefia

Ento aty ny rakitsoratra, nataon’i Gary L. Kapp

Hamoaka printy