Avia, hanaraka Ahy
Tovana D: Ireo vavolombelona telo


“Tovana D: Ireo vavolombelona telo” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“Tovana D,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana 2020

Tovana D

Ireo vavolombelona telo

Nandritra ny dimy taona mahery, hatramin’ny fotoana namangian’ny anjely Môrônia an’i Joseph Smith voalohany tamin’ny 1929, dia i Joseph no hany olona navela hahita ireo takela-bolamena. Izany dia nahatonga fitsikerana sy fanenjehana mavaivay avy tamin’ireo izay nino fa namitaka olona izy. Koa eritrereto anie ny hafaliana tsapan’i Joseph, teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna, rehefa fantany fa ny Tompo dia hamela olona hafa hahita ireo takela-bolamena ary izy ireo ihany koa dia “hanambara ny fahamarinan’ilay boky sy ny zavatra ao anatiny” (2 Nefia 27:12–14; jereo koa ny 2 Nefia 11:3; Etera 5:2–4).

Tamin’ny jona 1829 , i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary i Martin Harris dia nangataka lalana mba ho izy ireo no ireo vavolombelona telo nambaran’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny faminaniana. Notovin’ny Tompo tamin’izy ireo ny faniriany (jereo ny FF 17) ary nandefa anjely iray izy izay nampiseho azy ireo ireo takelaka. Ireo lehilahy telo ireo dia lasa fantatra amin’ny hoe Vavolombelona Telo, ary ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo voasora-tanana dia hita amin’ny tahadika rehetra ny Bokin’i Môrmôna.1

Nohazavain’ny Filoha Dallin H. Oaks ny antony maha-manan-danja ny fijoroana ho vavolombelon’ireo Vavolombelona telo: “Mbola fanambarana manan-kery lehibe hatrany ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo momba ny Bokin’i Môrmôna. Ny tsirairay tamin’izy telo dia nanana antony ampy sy fahafahana nandà ny tenivavolombelony raha toa ka diso izany, na nanova ireo antsipirian-javatra raha nisy diso tamin’izany. Araka ny fantatry ny maro, noho ny tsy fifankahazoana na ny fialonana izay nahatafidiran’ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, dia nesorina tsy ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny tsirairay tamin’ny vavolombelona telo, teo ho eo amin’ny valo taona taorian’ny namoahana ny tenivavolombelona nomen’izy ireo. Samy nandeha tamin’ny lalany izy ireo, tsy nanana finiavana iraisana hanohana tanjona iombonana. Kanefa mandra-pahafatin’izy ireo—vanim-potoana teo amin’ny 12 ka hatramin’ny 50 dimampolo taona taorian’ny fanesorana azy ireo tsy ho mpikambana intsony—dia tsy nisy na iray aza no nivadika tamin’ny tenivavolombelona nomeny na nilaza zavatra izay mety niteraka ahiahy mikasika ny fahamarinany.”2

Mandra-pahafatin’izy ireo, ireo olona telo ireo dia tsy voahozongozona tamin’ny fahatokian’izy ireo tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny Bokin’i Môrmôna.

Oliver Cowdery

Fotoana fohy taorian’ny namerenana nanao batisa an’i Oliver Cowdery tao amin’ny Fiangonana ary fotoana fohy talohan’ny nahafatesany dia namangy azy ny misiônera iray, Elder Jacob Gates, izay nandalo tao Richmond, Missouri raha handeha hanompo amin’ny fotoana feno tany Angletera. Nanontanian’i Elder Gates an’i Oliver ny amin’ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Toy izao no nitantaran’ny zanakalahin’i Elder Gates ny fihetsik’i Oliver:

“Toa nampihetsim-po lalina tokoa an’i Oliver ny nanontaniana azy momba ny fijoroany ho vavolombelona. Tsy namaly na dia teny iray monja aza izy, fa nitsangana avy teo amin’ny seza lava malemilemy nipetrahany izy nankeny amin’ny fitoeram-boky, naka Bokin’i Môrmôna iray izay anisan’ireo natonta voalohany, namadika ny pejy teo amin’ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo, ary namaky tamin’ny fomba faran’izay manetriketrika ireo teny izay nosoniaviny tamin’ny anarany efa ho roapolo taona lasa. Nijery ny raiko izy sady niteny hoe: -Ry Jacob, tiako hotadidianao ny teny izay lazaiko anao. Efa olo-mody aho izao koa inona moa no tombontsoako amin’ny hitenenako lainga aminao? Fantatro,- hoy izy, -fa ity Bokin’i Môrmôna ity dia nadika tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’Andriamanitra. Nahita ny masoko, nandre ny sofiko, ary voakasika ny fahatakarako, koa fantatro fa ny zavatra izay nijoroako ho vavolombelona dia marina. Tsy nofy na zavatra tsy misy dikany noforoporonin’ny saina izany—tena nisy izany.-”3

David Whitmer

Tao anatin’ny fahanterany i David Whitmer no tonga saina tamin’ny siosion-dresaka fa hoe nandà ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna hono izy. Nohamasifin’i David Whitmer indray an-taratasy ny fijoroany ho vavolombelona ka navoaka tamin’ny gazety teo an-toerana nantsoina hoe Richmond Conservator:

“Mba ho fantatr’izao tontolo izao ny fahamarinana dia maniry sy mijoro aho amin’izao fotoana izao, toy ny taloha, raha eo amin’ny fotoana farany amin’ny fahavelomako, ary amin’ny fahatahorako an’Andriamanitra, ny hanao fanambarana ampahibemaso indray mandeha sy ho an’ny rehetra fa:

“Tsy mbola nisy fotoana nandavako velively ilay tenivavolombelona, na ny ampahany amin’izany, hatramin’izay namoahana izany niaraka tamin’ny Boky izay maha-iray amin’ireo vavolombelona telo ahy. Ireo izay mahafantatra tsara ahy dia mahafantatra tsara fa nijanona ho mahatoky mandrakariva tamin’izany tenivavolombelona izany aho. Ary tsy misy olona tokony ho diso fihevitra na hiahiahy ny amin’ny hevitro momba izany. Averiko hamafisina indray ny fahamarinan’ny teny rehetra nambarako tahaka ny nanambarana izany fahizay.

“-Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino,- tsy finonoam-poana izany! Izay voasoratra dia voasoratra—ary izay mamaky ny Bokin’i Môrmôna dia aoka izy hahatakatra.”4

Martin Harris

Tahaka an’i Oliver Cowdery, dia nisy fotoana i Martin Harris nandao ny Fiangonana kanefa niverina nony farany ary naverina natao batisa. Tamin’ny fahanterany dia fantatry ny olona fa nitondra tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna teny an-tanany sy nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany tamin’ireo rehetra izay nihaino azy izy: “Fantatro fa tena marina mihitsy ny Bokin’i Môrmôna. Ary na dia handà ny fahamarinan’izany boky izany aza ny olon-drehetra, izaho kosa dia tsy sahy manao izany. Tafatoetra ny foko. Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko! Fantatro ary tsy isalasalako izany.”5

Toy izao no nosoratan’i George Godfrey, izay olom-pantatr’i Martin: “Ora vitsy talohan’ny nahafatesany dia … nanontaniako izy [Martin] raha tsy mba misy na dia hoe ampahana hosoka na famitahana kely fotsiny aza tamin’ireo zavatra nosoratana sy nambara momba ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Ka dia namaly toy ny fanaony hatrany izy … sy niteny hoe: -Tsy hosoka ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro ny zavatra fantatro. Hitako ny zavatra hitako ary reko ny zavatra reko. Nahita maso ny takela-bolamena nanoratana ny Bokin’i Môrmôna aho. Nisy anjely iray niseho tamiko sy niseho tamin’ny hafa ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ilay rakitsoratra, ary mety ho efa olona manan-karena aho raha nandainga sy nianiana lainga ny amin’ny tenivavolombelona ambarako ankehitriny, saingy tsy afaka ny hijoro ho vavolombelona ankoatra izay efa nataoko sy ataoko amin’izao aho satria marina ireny zavatra ireny.-”6

“Vavolombelona maro araka izay heveriny ho mety”

Tena mahatalanjona tokoa ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo raha jerena ny zavatra niainan’izy ireo fony izy ireo navitrika tao amin’ny Fiangonana sy efa niala ny Fiangonana.7 Nandritra izany rehetra izany i Oliver sy i David ary i Martin dia tsy nitsahatra nijoro ho vavolombelona ny amin’ny zavatra niainan’izy ireo sy nijoro ho vavolombelona fa nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny ny Bokin’i Môrmôna. Ary tsy izy ireo ihany.

Fahiny i Nefia dia nanambara hoe: “Koa hiroso amin’ ny famoahana ny tenin’ ilay boky ny Tompo Andriamanitra; ary eo am-bavan’ ny vavolombelona maro araka izay heveriny ho mety no hampiorenany ny teniny” (2 Nefia 27:14). Ankoatra ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo, ny Tompo ihany koa dia nifidy vavolombelona valo hafa mba hahita maso ireo takelaka. Ao anatin’ny tahadika tsirairain’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa ny tenivavolombelon’izy ireo. Tahaka an’i Oliver, sy i David, ary i Martin, ireo Vavolombelona Valo dia nitoetra ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny tenivavolombelon’izy ireo ny amin’ireo takela-bolamena.

I William E. McLellin izay anisan’ireo niova fo voalohany tao amin’ny Fiangonana dia nahafantatra manokana ny maro tamin’ireo vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna. Nandao ny Fiangonana i William taty aoriana kanefa mbola nisy fiantraikany lalina taminy hatrany ireo teny vavolombelona mandresy lahatra reny avy tamin’ireo vavolombelona.

“Te hanontany aho ankehitriny,” hoy i McLellin raha nanoratra tamin’ny faramparan’ny fotoana nahavelomany, “ahoana moa no ahafahako hisalasala manoloana ny andiana vavolombelona mahatoky toy ireo izay manambara tenivavolombelona amim-pahamarinana sy manetriketrika toy izany? Nahita anjely sy nanambara ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ny olon-drehetra ireo lehilahy ireo nandritra ireo taona tsara indrindra teo amin’ny fiainany. Ary lehilahy valo no nahita sy nikasika ireo takelaka. Noho izany ireo lehilahy rehetra ireo dia nahafantatra avokoa fa marina tsara tokoa ny zavatra nambaran’izy ireo. Nanao izany izy ireo tao amin’ny fahatanorany, ary ankehitriny dia zavatra mitovy amin’izany tanteraka ihany no ambarany amin’izao fahanterany izao.”8

Na dia tsy nahita ireo takela-bolamena tahaka ireo Vavolombelona Telo aza isika dia afaka mandray hery avy amin’ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo. Na dia nohosoram-potaka aza ny laza tsara nananan’izy ireo ary notandindomin-doza ny ain’izy ireo noho ny fijoroany ho vavolombelona dia nijanona ho mahatoky tamim-pahasahiana tamin’ny tenivavolombelony mandra-pahafatiny ireo lehilahy mitazona ny teniny ireo.

  1. Raha hamaky ny amin’ny zavatra niainan’izy ireo dia vakio ao amin’ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, Boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018), 73–75.

  2. Dallin H. Oaks, “The Witness: Martin Harris,” Ensign, mey 1999, 36.

  3. Jacob F. Gates, “Testimony of Jacob Gates,” Improvement Era, mar. 1912, 418–19.

  4. In Lyndon W. Cook, ed., David Whitmer Interviews: A Restoration Witness (1991), 79.

  5. Ao amin’ny Mitchell K. Schaefer, “The Testimony of Men: William E. McLellin and the Book of Mormon Witnesses,” BYU Studies, vol. 50, no. 1 (2011), 108; capitalization standardized.

  6. George Godfrey, “Testimony of Martin Harris” (unpublished manuscript), quoted in Eldin Ricks, The Case of the Book of Mormon Witnesses (1961), 65–66.

  7. Ohatra, jereo ny Olomasina, 1:182–83.

  8. Ao amin’ny Schaefer, “Testimony of Men,” 110.

Hamoaka printy