“6–12 mey. Lioka 12–17; Jaona 11: -Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)
“6–12 mey. Lioka 12–17; Jaona 11,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019
6–12 mey
Lioka 12–17; Jaona 11
“Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very”
Eo am-pamakianao ny Lioka 12–17 sy ny Jaona 11 dia katsaho ombam-bavaka ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra ho fantatrao sy hataonao. Ny fandalinanao ireo toko ireo dia mety hanokatra ny fonao amin’ireo hafatra izay natao ho anao.
Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao
Saika amin’ny toe-javatra rehetra ny 99 amin’ny 100 dia raisina ho tena tsara, saingy tsy izany no izy rehefa maneho ireo zanaka malalan’ Andriamanitra ireo isa ireo (jereo ny FF 18:10). Amin’io lafiny io, na dia fanahy iray aza dia mila fikarohana lalina sy mafy “mandra-pahita[ntsika] azy” (Lioka 15:4), araka ny nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny fanoharana momba ilay ondry very. Avy eo dia afaka manomboka ny fifaliana, satria “hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ny olona marina sivy amby [sivifolo], izay tsy misy tokony hibebahany” (Lioka 15:7). Raha toa tsy rariny izany dia ilaina ny mahatadidy fa, raha ny marina, tsy misy olona tsy mila mibebaka. Mila famonjena avokoa isika rehetra. Ary isika rehetra dia afaka mandray anjara amin’ilay fanavotana, miara-mifaly ho an’ny fanahy tsirairay izay avotra (jereo ny FF 18:15–16).
Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina
Tokony hanankina ny foko amin’ny zavatra manan-danja mandrakizay aho fa tsy amin’ny zavatr’izao tontolo izao.
Nahoana Andriamanitra no niteny hoe “Ry adala” tamin’ny olona niasa mafy sy nahomby izay nanorina trano fitehirizana lehibe ary nameno izany tamin’ny vokatry ny asany? (jereo ny Lioka 12:16–21). Ao amin’ireo toko ao amin’ny Lioka ireo ny Mpamonjy dia nampianatra fanoharana maro izay afaka manampy antsika hampifantoka ny saintsika mihoatra ny zavatr’izao tontolo izao ka mankany amin’ny mandrakizay. Voatanisa eto ny sasany amin’izany fanoharana izany. Ahoana no hamintinanao ny hafatry ny tsirairay amin’izany? Inona araka ny eritreritrao no lazain’ny Tompo aminao?
-
Ilay [mpanankarena] adala (Lioka 12:13–21)
-
Ilay fanasana lehibe (Lioka 14:12–24)
-
Ilay zanaka adala (Lioka 15:11–32)
-
Ilay mpitandrina tsy marina (Lioka 16:1–12)
-
Ilay [mpanankarena] sy i Lazarosy (Luke 16:19–31)
Jereo koa ny Matio 6:19–34; 2 Nefia 9:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10.
Faly ny Ray any An-danitra rehefa hita ireo izay very.
Efa mba nanontany tena ve ianao hoe inona no zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba an’ireo izay nanota na “very”? Ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna dia nitsikera an’i Jesoa noho Izy nifanerasera tamin’ny olona toy izany. Ho valin’izany dia nitantara fanoharana roa i Jesoa izay hita ao amin’ny Lioka 15, dia ny fanoharana momba ilay ondry very sy ilay farantsa kely very ary ilay zanaka adala.
Rehefa mamaky ireo fanoharana ireo ianao dia manaova lisitra ahitana ny zavatra mitovy sy ny zavatra tsy mitovy eo amin’izy ireo. Ohatra, afaka mitady ny zavatra very ianao sy ny antony nahavery izany, ny fomba nahitana azy ary ny fihetsiky ny olona rehefa hita izany. Inona no hafatr’i Jesoa ho an’ireo izay “very”, tafiditra ao anatin’izany ireo izay tsy nieritreritra hoe very? Inona no hafany ho an’ny olona izay mikatsaka ireo very?
Mazava ho azy fa tsara foana ny tsy lasa very. Raha niresaka momba ny Lioka 15:7 ny Loholona James E. Talmage dia nanoratra hoe: “Tsy misy manamarina ilay tsoan-kevitra hoe ny mpanota nibebaka dia tiana kokoa noho ny marina izay nahatohitra ny fahotana” (Jesus le Christ [1916], 461). Kanefa nanota avokoa isika rehetra ary mila fanavotana, ary ny hafatra feno fankaherezana ao amin’ireo fanoharan’ny Mpamonjy dia ny hoe isika tsirairay dia afaka mibebaka sy miverina amin’ny fahamarinana, satria ny fanirian’ Andriamanitra dia ny tsy hisian’ny fanahy ho very na dia iray aza.
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16 .
Inona no fampianaran’i Kristy ao amin’ny fanoharana momba ilay mpitandrina tsy marina?
Nanazava lesona iray azontsika ianarana ny Loholona James E. Talmage avy amin’ilay fanoharana: “Manàna fahazotoana, satria ny fotoana ahafahanao mampiasa ny harenanao eto an-tany dia ho lasa tsy ho ela. Mandraisa lesona na dia amin’ireo tsy marin-toetra sy ireo ratsy aza. Raha toa izy ireo ka malina tokoa amin’ny fitsinjovana na dia ny hoavy fotsiny ihany aza, tsy mainka va ianao izay mino ny hoavy mandrakizay no tokony ho malina kokoa ka hitsinjo izany! Raha tsy nianatra fahendrena sy fahamalinana ianao amin’ny fampiasana ny –mamôna tsy marina,– ahoana no ahafahana matoky anao amin’ny harena maharitra kokoa?” (Jesus le Christ, 464).
Ny fankasitrahana noho ireo fitahiana azoko dia hitondra ahy akaiky kokoa an’ Andriamanitra.
Raha anisan’ny iray tamin’ireo boka folo ianao, mety niverina ve ianao araka ny eritreritrao mba hisaotra ny Mpamonjy? Inona no fitahiana fanampiny azon’ilay boka nankasitraka noho ny fankasitrahany? Inona no fiantraikan’ny fankasitrahanao eo amin’ny fiainam-panahinao? Mety hahasoa anao ny manoratra ao anaty diary ireo zavatra maha-feno fankasitrahana anao, araka ny fanazavan’ny Filoha Henry B. Eyring tao amin’ny hafany hoe “O Remember, Remember” (Ensign na Liahona, nôv. 2007, 66–69).
I Jesoa Kristy no Fananganana amin’ny maty sy Fiainana.
Ny fahagagan’ny fananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty dia vavolombelona matanjaka sy tsy azo lavina fa i Jesoa dia tena Zanak’ Andriamanitra marina sy ilay Mesia nampanantenaina. Teny na andian-teny na antsipirian-javatra inona ao amin’ny Jaona 11:1–46 no manamafy orina ny finoanao fa i Jesoa Kristy dia “fananganana ny maty sy fiainana”? Inona no fiantraikan’izany fahalalana izany eo amin’ny fiainanao sy ireo safidy ataonao?
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:
Takatry ny ao amin’ny fianakavianao ve hoe ahoana izany very zavatra izany, na hoe very? Ny firesahana ny zavatra niainan’izy ireo dia mety hanomboka fifanakalozan-kevitra mikasika ny fanoharana momba ilay ondry very sy ilay vola very. Na azonareo atao ny manao kilalao fangalampiery. Ahoana no hanampian’io lalao io antsika hahatakatra ireo fanoharana ireo?
Ahoana no ahafahantsika ho tahaka ilay ray ao amin’io tantara io rehefa misy olon-tiantsika very? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ilay zanaka lahimatoa izay afaka manampy antsika ho tahaka an’i Kristy kokoa? Amin’ny fomba ahoana no itovian’ilay ray ao amin’io fanoharana io amin’ny Ray any An-danitra?
Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakavianao hampihatra ny tantaran’ireo boka folo dia azonao asaina izy ireo hanoratra fankasitrahana miafina ka hametraka izany manerana ny trano. Azonareo atao ihany koa ny miaraka mihira ny “Isao ireo fitahiana,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 16, ary mifanakalo hevitra ny amin’ireo fitahiana efa azon’ny fianakavianao.
Azon’ny fianakaviana atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy.
Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.