Avia, hanaraka Ahy
15–21 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: -Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra-


“15–21 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: -Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“15–21 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

I Kornelio miresaka amin’i Petera

15–21 jolay

Asan’ny Apostoly 10–15

“Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra”

Atombohy amin’ny famakiana ny Asan’ny Apostoly 10–15 ny fiomananao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanampiana ireo ankizy hizara ny zavatra ianaran’izy ireo sy iainan’izy ireo dia azonao atao ny mangataka azy ireo mba hizara ireo zavatra izay ataony mba hampisehoana fa mino an’i Jesoa Kristy izy ireo.

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Asan’ny Apostoly 10:34–35

Tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra.

Ny fotopampianarana tena manan-danja iray izay na ny ankizy kely aza dia afaka mahatakatra azy dia ny hoe ny olona tsirairay avy dia zanak’ Andriamanitra ary tia ny zanany rehetra Izy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ny sary I Kristy sy ireo zazakely avy amin’izao tontolo izao (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 116) eo am-pamakianareo ny Asan’ny Apostoly 10:34–35. Hazavao fa nandritra ny vaninandron’i Petera dia nino ny olona sasany fa andiana olona sasany ihany no tian’ Andriamanitra, saingy nianatra i Petera fa tia ny zanany rehetra Andriamanitra, ary tiany hianatra ny filazantsara ny rehetra .

  • Asao ny mpianatra mba hanao ny sarin’ny tenany. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa tia azy ireo tsirairay avy sy ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra, na manao ahoana na manao ahoana ny endriny na avy aiza izy ireo.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira momba ny fitiavana ny hafa, ohatra amin’izany ny “Je viens vers toi” (Chants pour les enfants, 78–79). Asao izy ireo hizara ny fomba hahafahany mampiseho fitiavana ho an’ny olona tsirairay, na dia ireo izay tsy mitovy amin’izy ireo aza, izany hoe tahaka ny nataon’i Jesoa.

  • Asao mialoha ny ray aman-drenin’ny ankizy tsirairay avy mba hizara toetra tsara vitsivitsy izay mampiavaka ny zanany. Zarao amin’ny ankizy rehetra ao an-dakilasy ny valintenin’izy ireo, dia mijoroa ho vavolombelona fa tia ny ankizy tsirairay avy ny Ray any An-danitra.

  • Tondroy tsirairay ny ankizy ary lazao ny hoe: “Tia an’i [anarana] ny Ray any An-danitra.” Avelao ny ankizy hifandimby hifanondro dia hifampilaza izany fehezan-teny izany.

Asan’ny Apostoly 11:26

Kristianina aho satria mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy.

Ireo ankizy ampianarinao dia mety hahafantatra fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia antsoina matetika hoe Môrmôna satria mino ny Bokin’i Môrmôna isika, saingy mahafantatra ve izy ireo fa Kristianina ihany koa isika satria isika dia mino an’i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny mpianatra ny Asan’ny Apostoly 11:26 . Hazavao fa ny olona izay mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy dia antsoina hoe Kristianina, noho izany dia Kristianina isika.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny “L’ Eglise de Jésus Christ” (Chants pour les enfants, 48) . Tokony hanao ahoana ny fihetsitsika any am-piangonana sy any an-tsekoly ary any an-tokantrano noho ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy antsika sy noho ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonany?

  • Avelao ny ankizy handoko ilay baoritra kely famantarana sy fasiana anarana ao amin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity ary hitondra izany mody.

Asan’ny Apostoly 12:1–17

Mihaino sy mamaly vavaka ny Ray any An-danitra.

Ny tantaran’ilay anjely izay nanafaka an’i Petera tao an-tranomaizina dia mampianatra amin’ny fomba mahery vaika fa mamaly vavaka ny Ray any An-danitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny tantaran’i Petera izay nafahana tao an-tranomaizina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:1–17 eo am-pamintinanao an’ilay tantara. Ahoana no namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataon’ireo izay nivavaka ho an’i Petera?

  • Mihirà hira iray momba ny vavaka, ohatra amin’ny izany ny “Le front baissé” (Chants pour les enfants, 19) dia mamorona fihetsika atao mba hanampiana ny ankizy hianatra hivavaka. Asao ny mpianatra hizara ohatra amin’ireo zavatra azon’izy ireo isaorana ny Ray any An-danitra sy angatahana Aminy amin’ny alalan’ny vavaka.

  • Mampisehoa sarin’olona mivavaka (ohatra, jereo ao amin’ny, Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 111 sy 112) eo am-pizaranao ny zavatra niainana iray izay namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataonao.

    vehivavy sy ankizivavy mivavaka

    Tia antsika sy mamaly ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra.

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Asan’ny Apostoly 10:34–35; 15:6–11

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”

Ireo ankizy izay ampianarinao dia mila mahatakatra fa tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra, na manao ahoana na manao ahoana ny endriny na avy aiza izy ireo, ary na inona na inona ny safidy ataony.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ireo mpianatra raha toa afaka mamantatra izy ireo hoe manao ahoana ny olona iray avy amin’ny fijerevana ny endriny fotsiny na ny faminavinana fotsiny hoe avy aiza izy. Araka ny Asan’ny Apostoly 10:35, dia ahoana no hanapahan’ Andriamanitra fa ny olona iray dia “ankasitrahany”?

  • Iaraho mamaky miaraka amin’ny ankizy ny Asan’ny Apostoly 10:34–35; 15:6–11. Hazavao fa tamin’ny andron’i Petera dia nino ireo Jiosy fa nanavaka ireo olona izay tsy Jiosy Andriamanitra (ireo olona ireo dia antsoina hoe Jentilisa). Saingy nampianatra i Petera fa tia ny zanany rehetra Andriamanitra, na ny Jiosy izany na ny Jentilisa. Hirao miaraka ny “Zanaky ny Ray aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, 113). Asao ny ankizy mba hampiasa ny anaran’izy ireo rehefa sendran’ny teny hoe aho ahy.

  • Asao ny ankizy hizara zavatra miavaka iray momba ny olona iray hafa ao an-dakilasy. Hazavao fa ilay filazana hoe “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” dia midika fa tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra, ary satria tia azy ireo Izy dia maniry Izy ny mba handrenesan’ny zanany rehetra ny filazantsara.

Asan’ny Apostoly 11:26

Ny atao hoe Kristianina dia olona mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa ny teniny sy zavatra ataony dia maneho fa Kristianina izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Asan’ny Apostoly 11:26; 3 Nefia 27:3–8; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4. Soraty hoe Kristianina eo amin’ny solaitrabe dia asio tsipika ilay ampahany milaza hoe “Kristy.” Asaivo zarain’ny ankizy ny zavatra eritreretiny ho dikan’ny hoe Kristianina.

  • Asaivo milaza ireo vondrona isan-karazany izay misy azy ireo ny ankizy, toy ny fianakaviany na ny kilasin’ny Kilonga. Asao izy ireo hizara ireo antony ankasitrahan’izy ireo ny maha-Kristianina azy ireo sy ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy ireo. Ahoana no hanehoantsika amin’ny hafa fa Kristianina isika?

  • Mampisehoa zavatra na sary vitsivitsy izay maneho fahamarinana mampiavaka ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, toy ny sary mampiseho tsodranon’ny fisoronana ohatra. Asaivo maka ny iray amin’ireo zavatra na sary ny ankizy iray dia asaivo fariparitany ny maha-fitahiana izany ao amin’ny Fiangonantsika. Hazavao fa mpikambana amina fiangonana maro samy hafa ny Kristianina manerana an’izao tontolo izao, saingy isika kosa dia mpikambana ao amin’ilay fiangonana natsangan’i Jesoa Kristy fony Izy tety an-tany.

  • . Asao ny ankizy hanao ny sarin’ny zavatra izay azony atao mba ho Kristianina tena izy.

Asan’ny Apostoly 12:1–17

Rehefa mivavaka amim-pinoana aho dia hamaly ny Ray any An-danitra.

Saintsaino ireo fotoana namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataonao. Ahoana no hahafahanao mampiasa ireny traikefa ireny mba hampianarana ny ankizy fa ny Ray any An-danitra dia hihaino sy hamaly ny vavaka ataon’izy ireo amin’ny fombany sy ny fotoany manokana?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hanao kilalao an-tsehatra ny tantaran’ilay anjely nanavotra an’i Petera tao an-tranomaizina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:1–17 eo am-pitantaranao an’ilay tantara amin’ny alalan’ny teninao manokana.

  • Anontanio ny ankizy ny eritreritr’izy ireo momba ny dikan’ny hoe “nahery nangataka tamin’ Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 12:5). Tamin’ny fomba ahoana no namaliana ny vavaka nataon’ny olona? Asao ny ankizy hizara zavatra niainany ka namaly ny vavaka nataony manokana na nataon’ny fianakaviany ny Ray any An-danitra. Azonao atao ihany koa ny mizara zavatra niainanao ka namaliany ny vavaka nataonao tamin’ny fomba izay tsy araka ny niandrasanao na nirianao. Mijoroa ho vavolombelona fa tia antsika Andriamanitra, ary hamaly ny vavaka ataontsika amin’ny fomba sy amin’ny fotoana izay tsara indrindra ho antsika Izy.

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Omeo ny ankizy ny sary na zavatra iray izay azony atao talaky maso any an-tokantranony mba ho fampahatsiahivana ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hiara-hivavaka.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana nampanantenaina. Rehefa manasa ankizy ao amin’ny Kilonga mba hiaina fitsipika iray ianao dia zarao ny fampanantenana nomen’ Andriamanitra an’ireo izay miaina izany fitsipika izany. Ohatra, afaka mijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana nampanantenaina izay voarainao rehefa nikatsaka valim-panontaniana tamin’ny alalan’ny vavaka ianao.