Avia, hanaraka Ahy
9–15 septambra. 2 Korintiana 1–7: -Mihavàna amin’ Andriamanitra anie hianareo-


“9–15 septambra. 2 Korintiana 1–7: -Mihavàna amin’ Andriamanitra anie hianareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“9–15 septambra. 2 Korintiana 1–7,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Jesoa Kristy

9–15 septambra

2 Korintiana 1–7

“Mihavàna amin’ Andriamanitra anie hianareo”

Atombohy amin’ny famakiana ny 2 Korintiana 1–7 ny fanomananao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ny sasany amin’ireo ankizy ampianarinao dia mety nanoratra taratasy tamin’ity herinandro ity momba ny maha-ohatra tsara ny amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ny olona iray ao amin’ny fianakaviany. Raha nanao izany izy ireo dia asao mialoha mba hozarainy mandritra ny fotoam-pianarana izay nosoratany. Na asaivo mizara ny zavatra hafa nianarany ireo ankizy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

2 Korintiana 1:3–4

Mampionona ahy ny Ray any An-danitra ary afaka mampionona ny hafa aho.

Ahoana no ahafahanao manome fitokisana ho an’ireo ankizy hoe hampionona azy ireo ny Ray any An-danitra? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandrisika azy ireo mba hampionona ny hafa?

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà ao an-dakilasy zavatra izay manome fampiononana, toy ny hoe bodofotsy na famonosana fery. Anontanio ny ankizy hoe inona no mampionona azy ireo rehefa malahelo na matahotra na manana olana izy ireo. Iaraho mamaky amin’ireo ankizy ny 2 Korintiana 1:3–4 ary hazavao amin’izy ireo fa ny “fahoriana” dia teny hafa iray entina milaza ny olana sarotra. Mizarà fomba vitsivitsy izay efa nampiononan’ny Ray any An-danitra anao, ary mijoroa ho vavolombelona fa hampionona ireo ankizy ihany koa Izy.

  • Mampisehoa sarin’olona atao batisa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, nos. 103 sy 104) eo am-pamakianao ny 2 Korintiana 1:4 sy ny Môsià 18:8–9 amin’ireo ankizy. Hazavao fa rehefa atao batisa isika dia mampanantena ny hampionona ny hafa. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny torohevitr’i Paoly mba “[h]ampionona izay rehetra mitondra fahoriana”?

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo manampy olona iray mila fanampiana. Avelao izy ireo hanazava hoe fomba ahoana no ahafahan’ny fanaovana ireo zavatra ireo mampionona ny hafa.

2 Korintiana 2:7–8, 10

Afaka mamela ny hafa aho.

Misafidiana amin’ireto asa atao manaraka ireto, na manaova izay anao manokana, mba hampatanjahana ny fanirian’ireo ankizy mba hamela ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao amin’ireo ankizy fa tian’i Paoly ireo Olomasina Korintiana mba hamela lehilahy iray izay nanota. Vakio ny 2 Korintiana 2:7–8, 10, ary asao ireo ankizy mba hametraka ny tanany eo amin’ny fony isaky ny maheno ny ireo teny hoe: mamela sy namela.

  • Angataho ny ankizy mba hanao tantara an-tsehatra ny fihetsika mety hasetrin’izy ireo rehefa misy olona manao haratsiam-panahy. Avelao izy ireo hifandimby hiteny hoe “azafady” sy “mamela anao aho”. Ahoana no hanampiantsika ny olona hahafantatra fa mamela azy ireo isika? Hazavao fa fomba iray azo hanaovana izany ny “[manaiky mandray] amin’ny fitiavana” na mampiseho fitiavana ho azy ireo (2 Korintiana 2:8).

2 Korintiana 4:1–2

Mino aho fa tokony ho marin-toetra.

Nampianatra i Paoly fa ireo mpanompon’i Kristy dia tsy mandainga amin’ny hafa, izy ireo dia efa “[nandà] ny zavatra takona mahamenatra”. Saintsaino ireo fomba ahafahanao mampatanjaka ny fanirian’ireo ankizy mba ho marin-toetra amin’ny zavatra rehetra.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny andian-teny hoe: “Mino isika fa tokony ho marina” (Ireo fanekem-pinoana 1:13). Soraty amin’ny taratasy atao fehin-tanana azon’ny ankizy haingona sy hanaovana any an-trano ity andian-teny ity. Hazavao fa ny marin-toetra dia midika hoe milaza ny marina.

  • Asaivo manangana ny tanany roa ireo ankizy rehefa miteny zavatra izay marina ianao ary mampidina ireo tanany rehefa miteny zavatra tsy marina ianao. Milazà zavatra tsotra kanefa miharihary, toy ny hoe “Alahady ny andro androany” na “manana orona telo aho”. Avereno imbetsaka izany ka avelao ny ankizy hifandimby hilaza zavatra marina na diso. Nahoana no tsara ny marin-toetra?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

2 Korintiana 1:3–4

Mampionona ahy ny Ray any An-danitra ary afaka mampionona ny hafa aho.

Ny fahatsiarovana ny fomba nampiononan’ Andriamanitra ireo ankizy dia afaka manentana azy ireo mba hampionona ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Eo am-pamakianao ny 2 Korintiana 1:3–4, dia angataho ireo ankizy mba hihaino ny valin’ny fanontaniana hoe: “Inona no ataon’ Andriamanitra ho antsika”? Ampio ireo ankizy hanao lisitra ny fomba izay hampiononan’ Andriamanitra antsika. Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainan’izy ireo rehefa nalahelo na sahiran-tsaina na natahotra izy ireo ka nampiononin’ Andriamanitra.

  • Asao ireo ankizy hizara ireo fomba izay ahafahantsika mampionona ny hafa. Omeo fotoana izy ireo hieritreretana olona izay fantany fa mila fampiononana ary hanao drafitra mba hanolo-tanana ho an’io olona io.

2 Korintiana 2:5–11

Afaka mamela ny hafa aho.

Mety ho sarotra ny mamela ny hafa rehefa ratsy fanahy amintsika izy ireo. Ireo ankizy ampianarinao anefa dia hahatsapa fitiavana sy fiadanana ary fahasambarana rehefa mianatra mamela heloka izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ireo ankizy fa nisy olona iray tany Korinto izay nanota sy “nampalahelo” ireo Olomasina (jereo ny 2 Korintiana 2:5). Angataho ireo ankizy mba hikaroka ao amin’ny 2 Korintiana 2:7–8 ny zavatra tian’i Paoly hataon’ireo Olomasina.

  • Zarao ny zavatra niainanao tamin’ny namelanao olona iray, na namelan’ny olona iray anao, ary zarao ny fahatsapanao taorian’izany.

2 Korintiana 5:6–7

“Finoana no andehana[ko] fa tsy fahitana”.

Saintsaino ny fomba ahafahanao mamporisika ireo ankizy mba hitandrina ireo didin’ Andriamanitra na dia tsy mahita ireo fitahiana izay iriany eo no ho eo aza izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny 2 Korintiana 5:6–7 sy ny Almà 32:21 ary asaivo tadiavin’izy ireo ny teny sy ny andian-teny izay manampy amin’ny famaritana ny finoana. Asao ireo mpianatra mba hanoratra ny famaritana hitany sy hamaky izany mafy ary hametraka izany eny amin’ny solaitrabe.

  • Tapeno ny mason’ny ankizy iray, ary asaivo manoro ny lalana ireo ankizy hafa mba hanampiana azy hanao asa iray toy ny hoe manorina tilikambo amin’ny biriky kilalao, na manambatra poizila na mandehandeha eran’ny efitrano. Ahoana no anampian’ity asa atao ity antsika hahatakatra ny dikan’ny hoe “finoana [an’ Andriamanitra] no handehanana”

  • Zarao ny zavatra niainanao iray izay nanananao finoana an’ Andriamanitra. Asao ny ankizy hizara izay mety ho traikefa nananany amin’ny fandehanana am-pinoana.

2 Korintiana 7:8–11

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitarika ahy hibebaka.

Mandeha ho azy ho an’ireo ankizy ny mahatsiaro menatra na afa-baràka rehefa tratra manao zavatra tsy mety izy ireo. Ampio izy ireo hanavaka izany fahatsapana izany amin’ny alahelo araka an’ Andriamanitra, izay mitarika mankany amin’ny fibebahana marina.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa ao amin’ny 2 Korintiana 7:8–11, i Paoly dia miresaka momba ny taratasy izay nosoratany teo aloha ho an’ireo Olomasina, izay mampitandrina azy ireo am-pahasahiana ny amin’ny fahotan’izy ireo. Iaraho vakiana ireo andinin-tsoratra masina ireo. Nahoana i Paoly no faly fa nahatsapa alahelo ireo Olomasina? Hamafiso fa ity karazana alahelo ity dia antsoina hoe alahelo araka an’ Andriamanitra.

  • Asaivo mikimpy ireo ankizy ka hieritreritra fotoana iray izay nanaovany zavatra tsy mety ary tsy nampilamin-tsaina azy ny amin’izany. Asao izy ireo hanontany tena hoe: “Nahoana aho no tsy nilamin-tsaina?” Soraty eny amin’ny solaitrabe ny antony sasantsasany mahatonga ny olona tsy hilamin-tsaina rehefa avy nanao zavatra ratsy, toy ny hoe: “Natahotra ny ho bedy aho” na “menatra aho ny amin’izay eritreretin’ny olona momba ahy” na “fantatro fa diso fanantenana tamiko ny Ray any An-danitra”. Iza amin’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe no mety ho “alahelo araka an’ Andriamanitra?” Nahoana ny alahelo araka an’ Andriamanitra no tsara noho ny karazana alahelo hafa izay mety ho tsapantsika aorian’ny fanaovantsika zavatra tsy mety?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Lazao amin’ireo ankizy fa azon’izy ireo zaraina amin’ny fianakaviany any an-trano ny iray amin’ireo asa natao androany tao an-dakilasy, mandritra ny takarivan’ny mpianakavy ohatra.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampisehoa soratra masina. Misafidiana andininy iray izay hitanao fa manan-danja ary apetraho ao an-dakilasy amin’ny toerana ahafahan’ny ankizy mahita azy matetika izany. Azon’ny mpianatra atao ny mifandimby misafidy soratra masina haseho.

Hamoaka printy