Testamenta Taloha 2022
8–14 aogositra. Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: “Jehovah no Mpiandry ahy”


“8–14 aogôsitra. Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: ‘Jehovah no Mpiandry ahy,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“8–14 aogôsitra. Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Jesoa mandeha miaraka amin’ny ondry

The Lord Is My Shepherd [Jehovah no Mpiandry ahy], nataon’i Yongsung Kim, havenlight.com

8–14 aogôsitra

Salamo 1–2; 8; 19–33; 4046

“Jehovah no Mpiandry ahy”

Ity rindran-damina ity dia manolotra andinin-tsoratra masina mahafinaritra ao amin’ny Salamo izay hitahy ny ankizy, saingy aza mionona amin’izany ihany. Araho ny fitarihan’ny Fanahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Andro vitsivitsy mialoha dia manasà ankizy vitsivtsy hitondra sary nataon’izy ireo maneho ny zavatra vakian’izy ireo sy ny fianakaviany tao amin’ny Salamo tamin’ity herinandro ity, toy ny mpiandry ondry (jereo ny Salamo 23:1), na kapoaka (jereo ny Salamo 23:5), na fo (jereo ny Salamo 24:4). Asao izy ireo hiresaka momba ny sary nataony sy andininy iray avy ao amin’ny Salamo izay miresaka momba izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Salamo 19:1; 33:5

“Manambara ny voninahitr’ Andriamanitra ny lanitra.”

Ny Salamo 19 sy 33 dia mampianatra fa afaka mahita porofon’ny voninahitra sy ny hatsaran’ Andriamanitra manodidina antsika ao amin’ireo zavaboariny mahafinaritra. Ampio ireo ankizy hianatra hijery ny asan’ Andriamanitra eo amin’ny tontolo manodidiana azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa amin’ny ankizy sarina zavatra mahafinaritra izay noharian’ Andriamanitra, na miaraha mijery eo amin’ny varavarankely hijerevana ireo zavatra ireo. Anontanio ny ankizy ny zavatra tiany amin’ny zavaboarin’ny Ray any An-danitra. Vakio ny Salamo 19:1 na ny 33:5 dia anontanio ny ankizy ny fahatsapany momba ny Ray any An-danitra rehefa mahita ny zavaboariny izy ireo.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny zavaboarin’ Andriamanitra, toy ny “Tontolo mahafinaritra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 123). Asao ireo ankizy haka zavatra noharian’ Andriamanitra (toy ireo zavatra voalaza ao amin’ilay hira) ary manaova sarin’izany hozaraina amin’ny fianakaviany.

Salamo 23

“Jehovah no Mpiandry ahy.”

Raha afaka mianatra mbola kely ireo ankizy fa ny Tompo no mpiandry azy ireo dia azo inoana fa hanaraka Azy izy ireo “amin’ny lalan’ny fahamarinana.”

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo tahadikan’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity ny ankizy tsirairay, na omeo sary iray avy ao amin’ny pejin’ny asa atao ny tsirairay amin’izy ireo. Asao izy ireo hihaino eo am-pamakianao ny Salamo 23. Angataho izy ireo hanondro na hanangana sary iray rehefa ren’izy ireo voatonona ao amin’ilay salamo izany. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa mikarakara antsika i Jesoa, tahaka ny mpiandry ondry mikarakara ny ondriny.

  • Lazao amin’ny ankizy ny fomba sasany ahafantaranao fa tia anao ny Mpamonjy. Asao ireo ankizy hitsangana tsirairay ary hizara fomba sasany ahafantarany fa tia azy ireo i Jesoa. Miaraha mihira hira iray izay mety hanome hevitra azy ireo, toy ny “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 74–75).

Salamo 30:5

Afaka manova ny alahelo ho fifaliana i Jesoa Kristy.

Saintsaino ny fomba hanampianao ireo ankizy hahazo ny fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana momba ny fifaliana omen’i Jesoa Kristy antsika rehefa malahelo isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy mody hanao hoe mitomany rehefa mamaky ao amin’ny Salamo 30:5 ianao hoe: “Amin’ny hariva dia misy fitomaniana.” Avy eo dia asaivo mifaly izy ireo rehefa maheno ny hoe: “Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.” Averimbereno io andian-teny io dia lazao amin’ny ankizy fa noho i Jesoa Kristy dia afaka ny hiova ho fifaliana ny alahelo tsapantsika amin’ity fiaianana ity.

  • Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy ary lazao amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo zavatra nataony ho anao izay mitondra fifaliana ho anao. Omeo anjara hihazona ilay sary ny ankizy tsirairay ary hizara ny zavatra nataon’i Jesoa izay nitondra fifaliana ho azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Salamo 23; 27–28; 3246

Manome fiadanana sy tanjaka ary fitariha ahy ny Tompo.

Maro amin’ireo Salamo no mijoro ho vavolombelona ireo fitahian’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika. Azonao ampiasaina ny Salamo hanampiana ireo ankizy hianatra matoky Azy sy hitodika any Aminy.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ny Tompo dia . Asaivo misafidy soratra masina iray na mihoatra amin’ireto manaraka ireto ny ankizy: Salamo 23:1; 27:1; 28:1; 28:7; 32:7; 46:1. Asao izy ireo hameno ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe amin’ny fampiasana ny zavatra ianaran’izy ireo avy amin’ireo soratra masina ireo. Ampio ireo ankizy hifanakalo hevitra ny zavatra ampianarin’ireo tandindona ireo momba ny Tompo.

  • Ampisehoy sarina ondry iray ireo ankizy. Asaivo mitanisa zavatra vitsivitsy ilain’ny ondry iray izy ireo mba ho velona sy salama, ary amporisiho izy ireo hijery ao amin’ny Salamo 23:1–4 hitady hevitra. Avy eo dia mampisehoa sarina ankizy iray. Inona no ilaintsika mba ho azo antoka sy salama ara-panahy? Miaraha mamaky ny Salamo 23 dia anontanio ny ankizy ny fomba azo ampitahana ny zavatra ataon’ny mpiandry ondry ao amin’io salamo io amin’ny zavatra ataon’i Jesoa Kristy amintsika.

Sary
Tempolin’i Concepción Chile

Mila madio ara-panahy isika mba hiditra eo anatrehan’ny Tompo.

Salamo 24:3–4

Mba hiditra ny tempoly dia mila “madio tanana sy mahitsy fo” isika.

Rehefa miandrandra ny hiditra ny tempoly ireo ankizy indray andro any dia ampio izy ireo hahatakatra fa afaka miomana izy ireo amin’ny fahatongavana ho madio ara-panahy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy sarina tempoly ireo ankizy. Asao izy ireo hamaky ny Salamo 24:3 ary hitady teny izay mampahatsiahy azy ireo ny tempoly. Avy eo dia iaraho mamaky ny andininy 4 hianarana ny hoe iza no afaka miditra ny tempoly (hazavao ireo teny izay tsy faheno). Ahoana no fomba mampaloto ny tanantsika? Ahoana no fomba mampaloto ara-panahy ny tanantsika sy ny fontsika? Ahoana no fomba fanasantsika tanana? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Mpamonjy antsika hanadio ny tanantsika sy ny fontsika ara-panahy? (Raha manampy dia hazavao fa ny hoe “tanana” ao amin’ireo andininy ireo dia mety haneho ireo zavatra ataontsika azy ny “fo” dia mety maneho ny faniriantsika.)

  • Jereo miaraka amin’ny ankizy ireo fepetra takiana mba hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny Russell M. Nelson, “Hafatra famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 120–22; na manasà mpikambana iray ao amin’ny episkôpà hiresaka momba ireo fepetra takiana ireo amin’ny kilasy). Asao ireo ankizy hisafidy zavatra iray izay tsapan’izy ireo fa tokony hataony mba hiomana ny ho mendrika ny hiditra ny tempoly.

Salamo 46:10

“Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.”

Afaka manampy antsika hanorina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika hoe velona Andriamanitra ny fakana fotoana mba hanajana sy hitoniana, na dia eo aza ny sahotaka manodidina antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ireo ankizy hitadidy ny andalana voalohany amin’ny Salamo 46:10 manao hoe: “Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra.” Resaho amin’izy ireo ny mety ho dikan’ny hoe “mitsahara”, na ara-batana na ara-tsaina. Zarao amin’ireo ankizy ny zavatra niainana iray izay nitsaharanao ka nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray any An-dantra. Asao ireo ankizy hizara zavatra izay efa niainan’izy ireo. Nahoana ny fitsaharana no fomba manan-danja ahafantarana hoe velona Andriamanitra?

  • Asao ireo ankizy hiaraka hijery aminao ny zavatra ataon’izy ireo ao anatin’ny andro iray. Ampio izy ireo hieritreritra fomba mandritra ny andron’izy ireo izay ahafahan’izy ireo mitsahatra ka hahatsapa ho akaiky ny Ray any An-danitra. Amporisiho izy ireo hametraka tanjona iray mba hampiasa izany fotoana izany mandritra ny herinandro ho avy mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Ray any An-danitra.

  • Asao ireo ankizy hitanisa zavatra vitsivitsy azontsika atao mba hahafantarantsika manokana fa tena misy ny Ray any An-danitra ary tia antsika Izy. Asao izy ireo hisafidy zavatra avy amin’ilay lisitra ka tiany hatao.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hisafidy andininy iray tian’izy ireo avy ao amin’ireo salamo izay noresahantsika androany. Amporisiho izy ireo hizara izany andininy izany amin’ny havana na namana iray.

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha amin’ny zavatra ilain’ny ankizy. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia manana anjara toerana miavaka ianao hahatakatra ny zavatra ilain’ireo izay ampianarinao. Ny zavatra niainanao, ny fahazaranao miaraka amin’ireo ankizy, ary ny fitarihan’ny Fanahy dia hanampy anao hahafantatra hoe asa atao enti-mianatra inona no hita fa tena manorina ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.

Hamoaka printy