Avia, hanaraka Ahy
13–19 janoary. 1 Nefia 8–10: “Manatòna ka mihinàna amin’ny voa”


“13–19 janoary. 1 Nefia 8–10: -Manatòna ka mihinàna amin’ny voa,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“13–19 janoary. 1 Nefia 8–10,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
Ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina

Ny fahitan’i Lehia, nataon’i Steven Lloyd Neal

13–19 janoary

1 Nefia 8–10

“Manatòna ka mihinàna amin’ny voa”

Mialoha ny hamakiana ny hevitra aroso ato amin’ity rindran-damina ity dia vakio ny 1 Nefia 8–10 ary eritrereto ireo fanamby sy fahafahana atrehan’ireo olona ampianarinao. Raketo ireo zavatra tsapanao mikasika ireo fitsipika avy amin’ireo toko ireo izay tokony hifantohanao ao an-dakilasy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Misy fampiharana maro amin’izao androntsika izao ny fahitan’i Lehia. Eo am-piandohan’ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny hevitra tonga ao an-tsain’izy ireo rehefa mamaky io fahitana io. Amporisiho izy ireo hizara andininy manokana sy dikan’izany izay hitany ho an’ny fiainan’izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Nefia 8:10–16

Rehefa miaina ny fitiavan’ Andriamanitra isika dia maniry ny hanampy ny hafa hiaina izany koa.

  • Zavatra voajanahary ny mizara ny zavatra tiantsika amin’ny olon-tiantsika, saingy indraindray dia hitantsika fa sarotra ny mizara ny filazantsara. Mety hanampy ny olona ao amin’ny kilasy hahita fahafahana hizarana ny filazantsara ny fifanakalozan-kevitra momba ny fahitan’i Lehia. Azonao atao ny manome voankazo iray ho an’ny olona iray ao amin’ny kilasy ary mangataka azy mba handresy lahatra ny ambin’ny kilasy mba hihinana tsy tapaka io voankazo io. Amin’ny fomba ahoana io lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana io no mitovy amin’ny zavatra niainan’i Lehia ao amin’ny 1 Nefia 8:10–16? Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Lehia izay hanampy antsika rehefa mizara ny filazantsara isika? Mandritra ny fifanakalozan-kevitra dia azonao atao ny mizara ilay horonan-tsary “Les bonnes choses à faire connaître” (ChurchofJesusChrist.org).

  • Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny voan’ilay hazo dia tandindon’ny fitahian’ny Sorompanavotana” (“Nofin’i Lehia: Mihazona mafy ny anja-by,” Liahona, ôkt. 2011, 34). Miresaha mialoha amin’ny olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy ary asaivo mandinika ny 1 Nefia 8:11–16 izy ireo ka hieritreritra fanontaniana tahaka ireto: Ahoana no hanoritsoritako ny hamamiana nentin’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainako? Tamin’ny fomba ahoana no niantsoako ny hafa hanandrana ny hamamin’izany? (Jereo ny andininy 15). Tamin’ny fomba ahoana no nanasan’ny hafa ahy hikatsaka ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? Voataona hanao inona aho rehefa mamaky ny 1 Nefia 8:11–16? Asao ireo mpikambana ireo mba hizara ny valintenin’izy ireo mandritra ny fotoam-pianarana, ary asao ny olona rehetra ao amin’ny kilasy mba hanome ny heviny mandritra ny fifanakalozan-kevitra.

Sary
Ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina

Minerva K. Teichert (1888-1976), The House of the World, 1954, sary hosodoko eo ambony masonite, 88.9 x 121.92 sentimetatra. Mozean’ny zava-kanto ao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young

1 Nefia 8:19–38

Ny tenin’ Andriamanitra dia mitarika antsika ho amin’ny Mpamonjy ary manampy antsika hahatsapa ny fitiavany.

  • Fomba iray hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fahitan’i Lehia ny manasa olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy hanao ny sarin’ilay fahitana eny amin’ny solaitrabe, ka ny 1 Nefia 8:19–38 no atao tari-dalana. Na azonao aseho ny sarin’ny fahitan’i Lehia ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Azonao asaina avy eo ny olona tsirairay ao amin’ny kilasy mba hitady andininy izay manome fanazavana ny iray amin’ireo tandindona eo amin’ilay sary, ireo fanazavana ireo dia hita ao amin’ny 1 Nefia 11:4–25, 35–36; 12:16–18; ary 15:21–33, 36. Rehefa mizara ny zavatra hitany ny olona ao amin’ny kilasy dia asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny zavatra ampianarin’ireo tandindona ireo antsika. Ohatra, inona no ampianarin’ilay trano malalaka sy midadasika antsika momba ny avonavona? Inona no ampianarin’ny anja-by antsika momba ny tenin’ Andriamanitra? Afaka miresaka momba ny fomba nanampian’ny fahitan’i Lehia azy ireo hanatona an’i Kristy ihany koa izy ireo. Ahoana no fahitantsika ny tenantsika ao amin’ilay fahitana?

  • Hafatra iray lehibe ao amin’ny fahitan’i Lehia ny maha-zava-dehibe ny tenin’ Andriamanitra, izay asehon’ny anja-by. Mba hanampiana amin’ny fanamafisana izany hafatra izany dia azonao zaraina ho vondrona efatra ny olona ao amin’ny kilasy ary asao ny vondrona tsirairay hianatra momba ireo andian’olona efatra hitan’i Lehia, araka ny hazavaina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” sy ao amin’ny 1 Nefia 8:21–23, 24–28, 30, ary 31–33. Dia avelao ny olona ao amin’ny kilasy mba hifampizara ny zavatra nianaran’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny manome minitra vitsivitsy ny olona ao amin’ny kilasy mba hisaintsaina ny zavatra tsapany fa tokony ataony mba hahazoana antoka fa “[m]ihazona mafy ny anja-by” izy ireo (1 Nefia 8:30).

1 Nefia 10:17–19

Hanambara fahamarinana amintsika Andriamanitra rehefa katsahintsika amim-pahazotoana izany.

  • Ny zavon’ny haizina izay manamatroka ny lalantsika sy ireo feo maneso avy amin’ilay trano malalaka sy midadasika dia mety hampahasarotra ny fahitantsika ilay fahamarinana. Mety hanampy ny famakiana miaraka ny ohatr’i Nefia tamin’ny fikatsahany fahamarinana. Azonao atomboka amin’ny fangatahana ireo olona ao amin’ny kilasy mba hijery ireo hafatra mampikorontan-tsaina alefan’izao tontolo izao ny fifanakalozan-kevitra. Ohatra, inona ireo hevitra araka izao tontolo izao izay nampitandreman’ireo mpaminany sy apôstôly antsika tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo? Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo dingana narahin’i Nefia mba hahazoany ny fijoroana ho vavolombelona nananany manokana momba ny fahamarinan’ny nofin’ny rainy (jereo ny 1 Nefia 10:17–19; 11:1). Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony rehefa mikatsaka fahamarinana isika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny 1 Nefia 11–15 dia asao izy ireo mba hijery ny ifandraisan’ireto sary manaraka ireto amin’ny nofin’i Lehia: i Jesoa zazakely, hazofijaliana, ny renin’ireo vehivavy janga, vahoaka mivory hiady, ary boky.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Horonan-tsary mikasika ny Bokin’i Môrmôna.

Manehoa horonan-tsary izay maneho ireo tantara avy amin’ireo toko ireo (jereo ny amboarana horonan-tsary mikasika ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Bibliothèque de l’Évangile).

Vondron’olona efatra ao amin’ny nofin’i Lehia.

Vondrona 1.“Ao amin’ny 1 Nefia 8:21–23 dia mianatra momba ilay vondron’olona voalohany isika izay nandroso hatrany sy nanomboka nandeha tamin’ilay lalana nitondra nankany amin’ny hazon’ny fiainana. Na dia izany aza, rehefa tafalatsaka tao amin’ny zavon’ny haizina izy ireo, izay maneho ny “fakam-panahin’ ny devoly” (1 Nefia 12:17), dia tsy nahita lalana izy ireo ka dia nirenireny sy very. Mariho fa tsy misy ny filazana momba ny anja-by eo amin’ireo andininy ireo. Ireo izay tsy mahalala na manamaivana ny tenin’ Andriamanitra dia tsy hanana ilay kômpà avy any amin’ Andriamanitra izay manondro ny lalana mankany amin’ny Mpamonjy.”

Vondrona 2.“Ao amin’ny 1 Nefia 8:24–28 dia mamaky momba ny vondron’olona faharoa isika izay nahita ny lalana ety sy tery izay mitondra any amin’ny hazon’ny fiainana. Ity vondrona ity dia –nibosesika hatrany namakivaky ilay zavon’ny haizina, nihazona tamin’ny anja-by na dia mandra-pahatongany ka nihinanany tamin’ny voan’ny hazo aza– (andininy 24) Kanefa rehefa nandrabiraby ireto vondron’olona faharoa ireto ireo olona teny amin’ny trano mijoalajoala sy malalaka izay miraratra tokoa ny fitafiany dia –menatra izy ireo– ary –nianjera tamin’ny lalana voarara izy ka very– (andininy 28). … Na dia nanana finoana sy fanoloran-tena ary ny tenin’ Andriamanitra aza izany vondrona izany dia mbola very ihany tamin’ny farany—satria angamba izy ireo tsindraindray fotsiny ihany vao namaky na nandalina na nandinika ny soratra masina.”

Vondrona 3.“Ao amin’ny andininy 30 no hamakiantsika momba ireo vondron’olona fahatelo izay nandroso hatrany –nihazona mafy ny anja-by mandra-pahatongany sy nandohalihany ary nihinanany tamin’ny voan’ny hazo.– Ny andian-teny fototra eto amin’ity andininy ity dia ny hoe nihazona mafy ny anja-by. Ilay vondrona fahatelo koa dia nandroso hatrany tamim-pinoana sy tamim-paharesen-dahatra; kanefa tsy nisy ny filazana hoe nirenireny izy ireo na lavo tany amin’ny lalana voarara, na very. Angamba ity vondron’olona fahatelo ity dia namaky sy nandalina ary nandinika ny soratra masina hatrany. … Io no vondrona izay tokony hiezahantsika hikambanana.”

Vondrona 4.“Ilay vondrona fahefatra dia tsy nikatsaka ny ho eny amin’ilay hazo, fa ilay trano lehibe sy makadiry no toerana tena faran’izay tian’izy ireo hahatongavana kosa (Jereo ny 1 Nefia 8:31–33).”

(David A. Bednar, “Nofin’i Lehia: Mihazona mafy ny anja-by,” Liahona, ôkt. 2011, 34–36.)

Manatsara ny fampianarantsika

Manehoa fahatokiana eo anatrehan’ireo zavatra ambony takina. Misy mpianatra sasany izay tsy manana fahatokian-tena eo amin’ny fahaizany mandalina manokana ny filazantsara. Omeo fanantenana ny olona ao amin’ny kilasy fa rehefa miezaka mianatra amin’ny tenany manokana izy ireo dia hampianatra azy ireo ny Fanahy Masina. Azonao atao ny manoro hevitra ny amin’ny fomba hanampiana azy ireo hanomboka hanao izany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 29–30.)

Hamoaka printy