Avia, hanaraka Ahy
3–9 febroary. 2 Nefia 1–5: “Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay”


“3–9 febroary. 2 Nefia 1–5: -Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“3–9 febroary. 2 Nefia 1–5” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
Nandao ny saha Edena i Adama sy i Eva

I Adama sy Eva, nataon’i Douglas Fryer

3–9 febroary

2 Nefia 1–5

“Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay”

Atombohy amin’ny famakiana ny 2 Nefia 1–5 sy ny firaketana ny zavatra tsapanao ny fiomananao ara-panahy. Betsaka noho ny fotoana anananao hifanakalozana hevitra ao anatin’ny fotoam-pianarana iray ny fitsipika ao anatin’ireo toko ireo, koa araho ny Fanahy rehefa miomana ianao ary henoy tsara ireo hevi-dehibe zarain’ireo olona ao amin’ny kilasy mba hanampiana anao hamantatra ny fitsipika izay tokony hifantohana sy ny fomba hitarihana ny resaka.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Azo inoana fa efa nanisy marika na nandray an-tsoratra farafaharatsiny ny andininy iray ao amin’ny 2 Nephi 1–5 ny ao amin’ny kilasinao. Mba hanombohana ny kilasy dia azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara ireo andininy izay nanan-danja tamin’izy ireo. Asao ny olona ao amin’ny kilasy hamintina fitsipika ara-potopampianarana iray izay ianaran’izy ireo ao amin’ireo andininy nozaraina.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Nefia 2:11–30

Malalaka isika ny hanao zavatra araka ny nahimpontsika.

  • Matetika loatra ny olona mampiasa ny fahafahany misafidy mba hanaovana izay hampijaly ny hafa. Koa nahoana ary ny fahafahana misafidy no manan-danja be amin’ny Ray any An-danitra? Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fanontaniana io ary afaka mitady ny valiny ao amin’ny 2 Nefia 2:11–30 ny olona ao amin’ny kilasy ary hanoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe. Amin’ny fomba ahoana no hampihenan’ny fahavalo ny lanjan’ny fahafahantsika misafidy? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Mpamonjy antsika “hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay”? (2 Nefia 2:27). Miaraha mihira fihirana momba ny fahafahana misafidy toy ny hoe “Sachez que chacun peut choisir” (Cantiques, no. 155), ary asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hanampy ao amin’ny lisitr’izy ireo ny hevi-baovao azony avy amin’ilay fihirana.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mamaritra fepetra manan-danja efatra izay mampisy ny fahafahana misafidy. Ity misy fomba iray ahafahanao miorina eo amin’izay mety nianaran’ireo olona ao amin’ny kilasy tany an-trano: Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fepetra manan-danja efatra. Dia asao avy eo ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara zavatra voambara ao amin’ny 2 Nefia 2 izay mampianatra ny antony mahatonga ireo fepetra ireo ho manan-danja amin’ny fahatongavantsika tahaka an’ Andriamanitra.

2 Nefia 2:15–29

Ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia ampahany manan-danja amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Maro ny Kristiana no mino fa zava-doza ny Fahalavoana ary i Eva dia nanao fahadisoana goavana. Ireo andininy ao amin’ny 2 Nefia 2 dia manazava fahamarinana momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ary izy ireo dia mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia manavotra antsika amin’ny Fahalavoana. Fomba iray hifanakalozana hevitra momba ireo hevitra ireo ny fanasana ireo olona ao amin’ny kilasy mba hikaroka ao amin’ny 2 Nefia 2:15–25 ary hitanisa ireo fahamarinana izay ianarany momba ny zavatra nitranga tao amin’ny Sahan’i Edena. Inona no hevitra hafa hitan’izy ireo ao amin’ilay teny nolazain’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”? Tamin’ny fomba ahoana no nanavotan’i Jesoa Kristy antsika tamin’ny Fahalavoana? (jereo ny 2 Nefia 2:6–8, 26–29).

  • Rehefa avy manao asa tahaka ilay iray teo aloha ianao dia azonao atao ny mampiseho fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ary hanasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny heviny:

    • Amin’ny fomba ahoana ny fampianaran’i Lehia ao amin’ireo andininy ireo no manitsy ny fiheveran-diso ananan’ny olona momba ny Fahalavoana?

    • Amin’ny fomba ahoana no maha-fitahiana ny Fahalavoana?

    • Amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana marina ny Fahalavoana no manampy antsika hahatakatra ny filantsika an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

    • Inona no antony iray mahafeno fankasitrahana anao noho ny safidin’i Adama sy i Eva tao amin’ny Sahan’i Edena?

    • Amin’ny fomba ahoana ny safidinao ho tonga teto an-tany no mitovy amin’ny safidin’i Adama sy Eva hihinana ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy?

    • Inona no tanjon’izao fiainana izao? Nahoana ny Fahalavoana no nilaina hahatratrarana io tanjona io?

2 Nefia 4:15–35

Afaka mitodika amin’ Andriamanitra isika ao anatin’ny fahalementsika.

  • Ny asa soratr’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 4:15–35 dia afaka mitondra fanantenana sy fampiononana ho antsika rehefa mahatsapa ho tototr’ireo olantsika sy fahalementsika isika. Angamba azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mandeha tsiroaroa mamerina mijery ireo andininy ireo ary hitady andalan-tsoratra izay azon’izy ireo ampiasaina mba hampiononana olona iray izay mahatsapa ho vesaran’ny fahoriany. Dia azon’ny mpinamana tsirairay avy eo ny mizara ireo andalan-tsoratra ireo amin’ny iray kilasy. Mety misy olona iray ao amin’ny kilasinao afaka mizara zavatra niainana iray ka tao anatin’izany izy dia nahazo fampiononana tamin’ny fitodihana tamin’ Andriamanitra tahaka ny nataon’i Nefia.

  • Anisan’ny fomba iray hamerenana mijery ny 2 Nefia 4 ny fanasana mialoha ny fotoana olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy mba ho vonona hizara ireo andininy sy andian-teny avy ato amin’ity toko ity. Asaivo mizara ny zavatra ataony rehefa mahatsapa ho tototry ny fahalemeny izy ireo. Azo ampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ny fihirana momba ny fampiononana tahaka ny “Où pourrais-je chercher?” (Cantiques, no. 81). Ohatra, azon’ireo olona ao amin’ny kilasy zaraina ny fomba anamafisan’ilay fihirana ny ohatra nasehon’i Nefia amin’ny fianteherana amin’ny Tompo mandritra ny fotoana mahakivy.

2 Nefia 5

Ao amin’ny fiainana ny filazantsara no ahitana ny fahasambarana.

  • Na dia eo aza ireo fanamby izay natrehan’i Nefia sy ny olony, dia afaka nanorina fiarahamonina izay mifototra amin’ireo fisipika mitarika any amin’ny fahasambarana izy ireo. Inona no fitsipika hitan’ireo olona ao amin’ny kilasy tao amin’ny fandalinan’izy ireo ny 2 Nefia 5 izay anisan’ny nitondra ilay fahasambarana niainan’ny Nefita? Azonao omena taratasy ny olona ao amin’ny kilasy ary asao izy ireo hikaroka ao amin’ny 2 Nefia 5 ireo fitsipika izay mitarika amin’ny fahasambarana ka hanoratra izany. Inona no maha-samy hafa ny fomba fitadiavan’izao tontolo izao fahasambarana amin’ny fomba hitantsika ao amin’ny 2 Nefia 5? Inona no tanjona azon’ny olona ao amin’ny kilasy apetraka mba hampiharana ny iray amin’ireo fitsipika ireo?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Lazao ireo olona ao amin’ny kilasy fa ny 2 Nefia 6–10 dia ahitana ny iray amin’ireo toriteny tsara indrindra momba ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina rehetra. Azonao atao ihany koa ny mizara andininy iray hitanao tao amin’ireo toko izay mampientanentana anao ny hamaky izany.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Tafiditra tao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ny Fahalavoana.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Tamin’i Adama sy i Eva nandray ny didy voalohany dia tao anatina toetram-piovana izy ireo, tsy tao amin’ny tontolon’ny fanahy intsony saingy manana vatana ara-nofo izay tsy mbola mety maty sy tsy mbola afaka miteraka. Tsy afaka nanatanteraka ilay didy voalohany nomen’ny Ray izy ireo raha tsy nandika ilay sakana manasaraka ilay fahasambarana tao amin’ny Sahan’i Edena sy ireo fitsapana mahatsiravina ary ireo fahafahana mahavariana an’ny fiainana an-tany. …

“… Ny mpaminany Lehia dia nanazava fa –raha tsy nandika lalàna i Adama dia tsy ho lavo izy– (2 Ne. 2:22), fa ho tafatoetra kosa tao amin’ny toetra izay nahariana azy.

“… Efa tao anatin’ny drafitra ny Fahalavoana, hoy ny namaranan’i Lehia azy, satria –ny zava-drehetra dia efa natao araka ny fahendren’ Ilay mahafantatra ny zava-drehetra– (2 Ne. 2:24).

“I Eva no nandika voalohany ireo fetra tao Edena mba hanombohana ny toetry ny fiainana eto ambonin’ny tany. Ny zavatra nataony, na inona na inona endrik’izany, dia tena fandikan-dalàna saingy zavatra nilaina tena manan-danja mandrakizay mba hanokafana ny varavarana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Nampiseho ny fahendreny i Adama tamin’ny fanaovana torak’izany. Noho izany dia –Lavo i Adama [sy i Eva] mba hisian’ ny olona– (2 Ne. 2:25).

“Ny Kristianina sasany dia manameloka an’i Eva tamin’ny zavatra nataony, ka maneho fehin-kevitra fa izy sy ireo zanany vavy dia malemy noho izany. Tsy manao izany ny Olomasin’ny Andro Farany! Noho ny fahalalana avy amin’ny fanambarana, dia mankalaza ny zavatra nataon’i Eva ary midera ny fahendreny sy ny risi-pony tao anatin’ilay fotoan-dehibe antsoina hoe Fahalavoana isika. …

“Ireo fanambarana maoderina dia mampiseho fa ireo ray aman-drenintsika voalohany dia nahatakatra ny nilàna ny Fahalavoana. Nanambara i Adama hoe: –Isaorana anie ny anaran’ Andriamanitra fa noho ny nandikako lalàna dia mahiratra ny masoko, ary hanam-pifaliana aho eo amin’ity fiainana ity ary ao amin’ny nofoko indray no hahitako an’ Andriamanitra– (Mosesy 5:10)” (“The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nov. 1993, 72–73).

Manatsara ny fampianarantsika

Tolory tanana ireo izay tsy manatrika. Ny fampianarana dia tsy vitan’ny fifanakalozan-kevitra mandritra ny alahady fotsiny, mitaky fanompoana am-pitiavana sy fitahiana ny hafa amin’ny filazantsara izany. Angamba afaka mieritreritra olona iray izay tsy manatrika ianao ka hanome fanasana manokana ho azy mba handray anjara amin’ny lesona manaraka. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8–9.)

Hamoaka printy