“27 aprily–3 mey. “Môsià 7–10: -Tamin’ny herin’ny Tompo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)
“27 aprily–3 mey. Môsià 7–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019
27 aprily 29–3 mey
Môsià 7–10
“Tamin’ny herin’ny Tompo”
Ity rindran-damina ity dia afaka ny ho loharanom-pitaovana manan-danja, saingy izany dia tokony ho hanampy, fa tsy hanolo, ny fanentanam-panahy raisinao rehefa mandalina ny Môsià 7–10 ianao.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Asao mba hizara
Mety hanampy matetika ny mifanakalo hevitra miaraka amin’ny iray kilasy ireo fitahiana raisin’ireo olona ao amin’ny kilasy rehefa manao ny fonenan’izy ireo ho ivon’ny fianarany filazantsara izy ireo. Andininy inona avy ao amin’ny Môsià 7–10 no nisaintsainin’ireo olona ao amin’ny kilasy na noresahiny tany an-tranony nandritra ity herinandro ity? Tamin’ny fomba ahoana izany no niantraika tamin’ny fiainan’izy ireo?
Ampianaro ny fotopampianarana
Rehefa mitodika any amin’ny Tompo sy matoky Azy ary manompo Azy isika, dia hanafaka antsika Izy.
-
Raha nandalina ny Môsià 7:14–33 ireo olona ao amin’ny kilasy dia mety nitaona azy ireo hibebaka sy hitodika any amin’ny Tompo mba hahazo fahafahana ny zavatra niainan’i Limia. Mba hitarihana fifanakalozan-kevitra dia afaka manasa olona iray ao amin’ny kilasy ianao mba ho tonga any an-dakilasy ka vonona ny hamintina ny fomba nahalatsaka ireo vahoakan’i Limia tao anatin’ny fanandevozana Afaka mizara ny zavatra nianarany avy tamin’i Limia momba ny fananana finoana sy fanantenana ny Mpamonjy ny hafa. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fampahatsiahivana nataon’i Limia momba ny fomba nanafahan’ Andriamanitra ny vahoakany? (Jereo ny andininy 19–20). Azonao atao ny mangataka ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara tantara ao amin’ny soratra masina na zavatra niainana iray manokana ka nitaona azy ireo hahatoky an’ Andriamanitra.
-
Ny olona ao amin’ny kilasinao dia manana ny fahafahana hitaona ny hafa hitodika amin’ Andriamanitra rehefa ao anatin’ny famatoran’ny fahotana na ny fijaliana avy amin’ny fahoriana hafa izy ireo. Mety hanampy angamba ny mandalina ny fomba nitaoman’i Limia ny vahoakany. Afaka mamaky ny fanoritsoritana ao amin’ny Môsià 7:20–25 momba ny fanandevozana ny vahoakan’i Limia izy ireo ary hieritreritra olona iray fantany izay misedra ny famatoran’ny fahotana. Avy eo izy ireo dia afaka mamantatra ireo fahamarinana izay nampianarin’i Limia ao amin’ny Môsia 7:18–20, 33 tamin’ny vahoakany. Ahoana no hanarahantsika ny ohatr’i Limia rehefa mamporisika ny olona tiantsika hatoky an’ Andriamanitra isika?
-
Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra bebe kokoa ny fanampiana omen’ Andriamanitra antsika ao anatin’ny fahoriana dia afaka miaraka mihira sy miresaka an’ilay fihirana “Ry Mpanavotra” (Fihirana sy hiran’ny ankizy pejy 9) sy fihirana iray hafa manoritsoritra ny fomba hanafahan’ny Mpamonjy antsika ianareo. Inona no zavatra ampian’ny Môsià 7:17–20; Etera 12:27; ary 2 Korintiana 12:7–10 amin’ny fahatakarantsika? Angamba afaka mizara zavatra niainana izay nanafahan’ny Tompo azy ireo, na dia tamin’ny fomba kely aza, ireo olona ao amin’ny kilasy noho ny fanehoan’izy ireo finoana Azy.
Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra ny olona.
-
Ao amin’ireo andininy ireo i Limia dia manazava fahamarinana vitsivitsy izay nampianarin’i Abinadia izay sarotra tamin’ny vahoaka ny nanaiky azy. Inona avy ireo fahamarinana azon’ny olona ao amin’ny kilasy fantarina ao amin’ireo andininy ireo? Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba fahitantsika an’ Andriamanitra sy ny tenantsika?
Manome mpaminany sy mpahita ary mpanambara mba ho tombontsoan’ny olona ny Tompo.
-
Nanana fahafahana hanazavana tamin’i Limia momba ny anjara asan’ny mpahita sy hijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara i Amôna. Azonao atao ny manazava fa amin’izao androntsika izao ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no tohanana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ahoana no ahafahantsika milaza amim-pahasahiana, tahaka an’i Amôna, momba ny hoe ilaina ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara? (Jereo ny Môsià 8:13–18). Angamba afaka manomana zavatra haely eny amin’ny tambazotra ifaneraserana ireo olona ao amin’ny kilasy izay mety hanampy ny hafa hahatakatra ny anjara asan’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Inona no zavatra norenesintsika tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo izay azontsika zaraina amin’ny namantsika, ny havantsika, ny manodidina antsika mba hampianarana azy ireo momba ny antony ilàna ny mpaminany?
-
Ho vokatry ny famakiana ny Môsià 8:12–19 dia azonao na ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara ny fijoroanareo ho vavolombelona momba ny mpaminany, tahaka ny nataon’i Amôna, na koa ny fankasitrahanareo noho ny fanambarana nataon’ireo mpaminany, tahaka ny nataon’i Limia (jereo ny Môsià 8:19).
-
Ny Mpaminany Joseph Smith no ilay mpahita izay mitarika ity fotoampitantanana ity (jereo ny F&F 21:1). Azonao atao ny mangataka ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny zavatra ianarany avy amin’ny famaritan’i Amôna ny mpahita (jereo ny Môsià 8:13–18). Avy eo izy ireo dia afaka mifanakalo hevitra momba ny maha-mpahita an’i Joseph Smith. (Ny F&F 135:3 sy ny Mosesy 6:36 dia afaka manampy mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity.)
Afaka miatrika ny fanambintsika “[amin]’ ny herin’ ny Tompo” isika.
-
Miverina indroa ilay andian-teny hoe “tamin’ny herin’ny Tompo” ao amin’ny firaketan’i Zenifa ny amin’ny vahoakany sy ny ady nataon’izy ireo tamin’ny Lamanita, ao amin’ny Môsià 9:14–19 sy ny 10:6–10. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao angamba ny mamakafaka ireo andinin-tsoratra masina ary hizara ny fahatsapany ho dikan’io andian-teny io. Ahoana no ahazoantsika “ny herin’ny Tompo”? Amporisiho ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara zavatra niainana izay nahombiazan’izy ireo tamin’ny fiatrehana “tamin’ny herin’ny Tompo” ny fanamby.
Misy fiantraikany any amin’ny taranaka ny safidintsika.
-
Azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hamaky am-pahanginana ny Môsià 10:11–17 ary hitady ireo fomba fiantraikan’ny safidy sy ny finoan’ny razamben’ny Lamanita tamin’izy ireo. Inona no ambaran’izany momba ny mety ho vokatry ny safidy ataontsika amin’ny hafa? Ahoana no tiantsika hamaritana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika afaka taranaka iray na roa? Angamba afaka manoratra ny sasany amin’ireo zavatra vitsivitsy tian’izy ireo hampidirina ao anatina famaritana toy izany ny olona ao amin’ny kilasy.
-
Lesona tsotra izay ampiasana zavatra azo tsapain-tanana, tahaka ny daomy maromaro milahatra, dia afaka maneho ny mety ho vokatry ny safidin’ny olona iray amin’ny taranany. Dia azonao atao avy eo ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy hamaky ny Môsià 10:11–17 ary hifandinika ny fomba fiantraikan’ny safidy nataon’ireo razambeny taonjato maro talohan’izany tamin’ny finoana sy ny toetran’ireo Lamanita. Ny tantaran’ny Loholona Donald L. Hallstrom hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny,” dia ohatra iray hafa azonao zaraina. Afaka mieritreritra tantara avy amin’ny fiainan’izy ireo na ny fianakaviany ireo olona ao amin’ny kilasy momba ny olona iray marina izay nitondra fiantraikany tsara tamin’ny taranaka.
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Tamin’ity herinandro ity ireo olona ao amin’ny kilasy dia nianatra momba ny vokatra ratsin’ny safidin’ireo Lamanita tamin’ireo zanany. Avelao ireo olona ao amin’ny kilasy hahafantatra fa ao amin’ny Môsià 11–17 izy ireo dia hamaky momba ny olona nanova ny fiainan’olona maro noho ny fahamarinan-toetrany.
Loharanom-pitaovana fanampiny
Misy fiantraikany any amin’ny taranaka ny fanapahan-kevitsika.
Ny Loholona Donald L. Hallstrom dia nizara ny fomba nitahian’ny fahamarinan-toetran’ireo ray aman-drenibeny ny taranaka aty aoriana:
“Ny ray aman-drenibeko dia nanana zanaka lahy anankiray (ny raiko) sy vavy anankiray. … Nanambady ny [zanak’izy ireo vavy] tamin’ny 1946 ary bevohoka efa-taona taorian’izany. Misy zavatra lehibe manokana ho an’ny ray aman-dreny ny fiandrasana zanaka vavy iray (eto dia vavy tokana) hiteraka voalohany. Tsy nisy nahafantatra hoe kambana ny tao an-kibony. Indrisy fa samy maty izy sy ireo zaza kambana ireo tamin’ny fotoana niterahany.
“Tena nalahelo izaitsizy ireo ray aman-drenibeko. Ny alahelon’izy ireo anefa dia tonga dia nampitodika azy ireo tany amin’ny Tompo sy ny Sorompanavotany. Izy ireo dia tsy nijanona tao anatin’ny fametraham-panontaniana hoe nahoana no nitranga izany, iza no homena tsiny, fa nifantoka kosa tamin’ny fiainana feno fahitsiana. Tsy mba nanan-karena, tsy mba nanana toerana ambony teo amin’ny fiarahamonina, tsy mbola nanana antso ambony tato am-piangonana velively izy ireo, fa Olomasin’ny Andro Farany feno fanoloran-tena tsotra fotsiny. …
“Ny fahatokian’i Dadabe Art sy i Bebe Lou, indrindra rehefa niatrika fahasarotana, dia nisy fiantraikany tamin’ireo taranaka efatra nifandimby taty aoriana. Nisy fiantraikany mivantana sy lalina tamin’ny zanany lahy (ny raiko) sy ny reniko izany rehefa maty ny zanaky ny ray aman-dreniko, ny zanak’izy ireo farany, vokatry ny fahasarotana teo am-piterahana. Maty teo amin’ny faha-34 taonany izy, 10 andro taorian’ny niterahany ary namela zaza 4, 10 andro ka hatramin’ny 8 taona. Noho ilay ohatra efa hitany teo amin’ny taranaka teo aloha dia tsy nihambahamba ny ray aman-dreniko nitodika tany amin’ny Tompo mba hahazo fankaherezana” (“Turn to the Lord,” Ensign or Liahona, May 2010, 78–79).