Avia, hanaraka Ahy
21–27 septambra. 3 Nefia 12–16: “Izaho no lalàna sy fahazavana”


“21–27 septambra. 3 Nefia 12–16: -Izaho no lalàna sy fahazavana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“21–27 septambra. 3 Nefia 12–16,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

i Jesoa maneho ny Apôstôly roa ambin’ny folo

Nefia fahatelo: Ireto roa ambin’ny folo izay efa nofinidiko ireto, nataon’i Gary L. Kapp

21–27 septambra

3 Nefia 12–16

“Izaho no lalàna sy fahazavana”

Ny olona tsirairay avy ao amin’ny kilasinao dia azo inoana fa nahita zavatra miavaka sy manan-danja ho azy ireo tao amin’ireo fampianarana mahery vaika maro nomen’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 12–16. Avelao ny olona ao amin’ny kilasy hizara ireo fitsipika izay nanaitra azy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanomezana fahafahana ny olona tsirairay hizara izay nohalalininy tao amin’ny 3 Nefia 12–16 dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo laharana 12 hatramin’ny 16. Dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mikaroka ao amin’ireo toko ireo andininy izay hitany fa manan-danja ary manoratra ny laharan’andininy eo ambanin’ny laharan’ny toko mifandraika amin’izany eny amin’ny solaitrabe. Misafidiana andininy vitsivitsy mba ho vakiana miaraka, ary ifanakalozy hevitra ny antony maha-manan-danja azy ireo.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

3 Nefia 12–14

Ny fampianaran’ny Mpamonjy dia maneho amintsika ny fomba hahatongavana ho mpianatra marina.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso ny hamintinana andalan-tsoratra masina ao amin’ny 3 Nefia 12–14 mba hamenoana ilay andian-teny hoe “Ny mpianatr’i Jesoa Kristy tena izy dia …” Azonao anontaniana raha toa misy olona ao amin’ny kilasy izay nahavita an’io asa atao io te hizara ny zavatra nianarany. Na azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ilay fehezan-teny tsy feno: 3 Nefia 12:3–16, 38–44; 13:1–8, 19–24; ary 14:21–27 (na andalan-tsoratra masina hafa hitanao nandritra ny fandalinanao manokana). Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny misafidy andalan-tsoratra masina iray ho vakiana, na samy irery izany na ao anaty vondrona, ary mandroso fomba iray hamenoana ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe miainga avy amin’izay ampianarin’ireo andininy ireo. Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ary angamba hanoratra izay hataony mba hanarahana an’i Jesoa Kristy amim-pahatokiana kokoa noho izay nianaran’izy ireo avy amin’ireo andininy ireo.

  • Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hahatakatra ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 12:48 dia azonao atao ny manasa ny iray na maromaro amin’izy ireo mba handalina ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland manao hoe “Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany” (Liahona, nôv. 2017, 40–42) mialoha ny fotoam-pianarana ary hizara hevitra izay hanampy azy ireo hahatakatra ny hevitr’io andininy io.

3 Nefia 12:21–30

Ny eritreritsika dia mitarika amin’ny fanaovana zavatra.

  • Ny fifanakalozan-kevitra momba ny 3 Nefia 12:21–30 dia afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasy hahita fa ny fifehezana ny eritreritsika dia afaka manampy antsika hifehy ny zavatra ataontsika. Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra dia azonao soritana eny amin’ny solaitrabe ny tabilao iray izay ahitana lohateny toy ny hoe Zavatra tiantsika sorohana ary Eritreritra na fihetseham-po mitarika amin’ireo zavatra ireo. Dia azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hikaroka ny 3 Nefia 12:21–22 sy 27–30 ary hanomboka hameno ilay tabilao. Inona koa no zavatra atao sy eritreritra hafa izay azon’ny olona ao amin’ny kilasy ampiana eo amin’ilay lisitra? Amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika “tsy hisy amin’ireo zavatra ireo havelan[tsika] hiditra ao am-pon[tsika]”? (3 Nefia 12:29). Ahoana no hahafahantsika mandroaka azy ireo rehefa miditra izy ireo? Aorian’ny famakiana ny torohevitry ny Filoha Ezra Taft Benson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny,” dia manorita tabilao vaovao ahitana ny lohateny hoe Asa tahaka ny an’i Kristy izay tiantsika hampiroboroboana ary Eritreritra mitondra amin’izany ary fenoy miaraka amin’ny olona ao amin’ny kilasy izany.

3 Nefia 13:1–8, 16–18

Tsy maintsy atao ho amin’ny tanjona marina ny fanompoana sy fitsaohana ataontsika.

  • Ny fandalinana ny 3 Nefia 13 dia manolotra fahafahana ho an’ny olona ao amin’ny kilasy mba handinika ny antony hanaovan’izy ireo asa tsara. Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra dia azonareo vakiana miaraka ny andininy 1–2 sy 16 ary azonao zaraina ity famaritana ny hoe mpihatsaravelatsihy ity: “Mpitady toerana; ny teny Grika [izay ampiasaina ao amin’ny Testamenta Vaovao] dia midika hoe -mpilalao an-tsehatra,- na -olona izay … manitatra fihetsika iray”. Ny olona iray na roa ao amin’ny kilasy dia mety hankafy ny filalaovana an-tsehatra toy ireny hoe manome ny mahantra na mifady hanina izy ireo. Nahoana ny fitadiavana toerana na filalaovana an-tsehatra no fanoharana tena tsara momba ny fihatsarambelatsihy? Ahoana no ahafahantsika maka antoka fa ny fanompoana sy vavaka ary fifadian-kanina ataontsika dia vokatry ny fo ary tsy misy fihatsarambelatsihy?

  • Rehefa avy namantatra ireo asa tsara voalaza ao amin’ny 3 Nefia 13:1–8 sy 16–18 dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mifanakalo hevitra momba ny hoe inona no mety hanosika ny olona iray hanao ireo zavatra ireo na zavatra hafa izay angatahin’ Andriamanitra hataontsika. Inona no ho lazaintsika ny olona iray izay manontany antsika ny antony hanaovantsika zavatra tsara? Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny zavatra mandrisika azy ireo manokana amin’ny fanaovana asa tsara tahaka ireo. Ahoana no hahafahantsika hadio amin’ny zavatra manosika antsika hanao asa tsara?

3 Nefia 14:7–11

Raha mikatsaka “zavatra tsara” avy amin’ny Ray any An-danitra isika dia hahazo izany.

  • Mba hahatakarana ilay fanasana avy amin’ny Tompo hoe mangataka, mitady, ary mandondona, dia mety hanampy ny manadihady ny hevitr’ireo teny ireo. Inona no hevitr’ireo teny tsirairay ireo mikasika ny zavatra asain’ny Tompo hataontsika? Ahoana ny fomba angatahantska, itadiavantsika, ary andondonantsika? Tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’ireo fampanantenana ao amin’ny 3 Nefia 14:7–8 teo amin’ny fiainantsika? Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ihany koa ny manao famerenana ny torohevitry ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hitadiavana ireo fanontaniana napetrany ary ny fanasana nomeny. Omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy mba hisaintsaina sy hanoratra ny valiny omen’izy ireo amin’ny fanontaniany ary ny drafitr’izy ireo mba hampihatra ny fanasany.

  • Mety tsy hazava tsara amin’ny olona sasany ao amin’ny kilasy ny tian’ny Mpamonjy nolazaina rehefa niteny Izy hoe: “Fa izay rehetra mangataka no mahazo;” (3 Nefia 14:8). Nahoana ny vavaka sasany no toa tsy voavaly, ary nahoana isika indraindray no mahazo valiny izay tsy iriantsika? Ny famerenana ny sasany amin’ireto soratra masina manaraka ireto miaraka amin’ny rehetra dia mety hanampy hamaly ireo fanontaniana ireo: Isaia 55:8–9; Helamàna 10:4–5; 3 Nefia 18:20; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–9; 88:64. Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny zavatra hitany. Afaka miantraika amin’ny fomba fivavahantsika amin’ny fomba ahoana ireo hevi-baovao ireo?

sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ny olona ao amin’ny kilasy amin’ny famakiana ny 3 Nefia 17–19 any an-tokantrano dia azonao asaina izy ireo mba haka sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany maheno ny Mpamonjy mivavaka ho azy ireo sy ho an’ny fianakaviany izany. Ao amin’ireo toko ireo izy ireo dia hamaky momba ny vahoaka iray izay niaina izany traikefa masina izany.

sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Afaka mifehy ny eritreritsika isika.

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

“Ampitoviana amin’ny sehatra iray ny eritreritra ka fizarana iray isaky ny mandeha ihany no azo lalaovina eo ambonin’izany. Etsy andaniny dia miezaka mametraka eo ambonin’ilay sehatry ny sainao ny zavatra izay hitahy anao ny Tompo izay tia anao. Etsy ankilany dia miezaka mametraka eo ambonin’ilay sehatry ny sainao ny zavatra izay hanozona anao ny devoly izay mankahala anao.

“Ianao no mpandrindra ilay sehatra, ianao no manapa-kevitra ny amin’izay eritreritra hijoro eo ambonin’ilay sehatra. … Ho lasa izay eritreretinao ianao, izay avelanao hijoro tsy tapaka eo ambonin’ny sehatry ny sainao. …

“Raha ny eritreritra no maha-isika antsika, ary raha tokony hitovy amin’i Kristy isika, dia tsy maintsy manana eritreritra araka ny an’i Kristy isika” (“Think on Christ,” Ensign, Apr. 1984, 10–11).

Te hiresaka aminao Andriamanitra.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Hanokatra inona ho anareo ny fikatsahana ataonareo? Inona no fahendrena tsy anananareo? Inona no tsapanareo fa ilainareo fantarina na takarina haingana? Araho ny ohatry ny Mpaminany Joseph. Mitadiava toerana mangina azonareo aleha foana. Manetre tena eo anoloan’ Andriamanitra. Aborahy amin’ny Rainareo any An-danitra izay ao am-ponareo. Mitodiha any Aminy mba hahazoana valim-panontaniana sy fampiononana.

“Mivavaha amin’ny anaran’i Jesoa momba ny zavatra manahirana ny sainareo, ny tahotrareo, ny fahalemenareo, eny, ny zavatra tena irin’ny fonareo. Dia mihainoa avy eo! Soraty ny eritreritra izay tonga ao an-tsainareo. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanareo ary araho asa izay bitsihin’ny Fanahy aminareo fa tokony hataonareo. …

“Tena te hiresaka aminareo ve Andriamanitra? Eny! … Mamporisika anao aho hampitombo ny fahafahanao ara-panahy amin’izao fotoana izao handray fanambarana ho an’ny tenanao manokana,. …

“Eny, mbola maro ireo zavatra tian’ny Rainao any An-danitra ho fantatrao.” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra hifanohana. “Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao dia loharano manan-karena fijoroana ho vavolombelona, hevi-baovao ary traikefa eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Asao izy ireo hifampizara sy hifampahery” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).