Avia, hanaraka Ahy
07–13 janoary Matio 1; Lioka 1: -Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao-


“7–13 janoary. Matio 1; Lioka 1: -Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“7–13 janoary. Matio 1; Lioka 1,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
I Maria sy i Elizabeta

7–13 janoary

Matio 1; Lioka 1

“Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao”

Alohan’ny hamakinao izay mety ho fitaovana fanampiny hoenti-mandalina, dia vakio sy saintsaino ny Matio 1 sy ny Lioka 1, dia raketo ireo zavatra ara-panahy tsapanao. Avelao ny Fanahy hitarika ny fanomananao. Dia hadihadio avy eo ireo hevitra ato amin’ity rindran-damina ity sy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hijerena ny Matio 1 na ny Lioka 1, dia asao izy ireo hizara ny andinin-tsoratra masina tiany indrindra sy hanazava ny fahamarinana ara-potopampianarana nianaran’izy ireo. Mety hahatsapa ianao fa hanampy ny fijerena fohifohy ireo zava-nitranga ao amin’ireo toko ireo aloha mba hahafantarana ny sahan-kevitr’ireo andinin-tsoratra masina nozaraina.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 1:18–25; Lioka 1:5–80

Miasa amin’ny alalan’ireo zanany mahatoky ny Ray any An-danitra mba hanatanterahana ny tanjony.

  • Antenaina kokoa ny hahazoan’ny mpianatra traikefa manan-danja eo am-pandalinana ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity raha misintona lesona avy amin’ny zavatra niainan’ireo olona hitany ao amin’ny soratra masina izy ireo. Mba hanampiana azy ireo hanao izany dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ireo olona ao amin’ny Matio 1 sy ny Lioka 1, miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina miresaka momba ireo olona ireo, toy izao manaraka izao:

    Asao ny mpianatra hifidy olona iray izay tian’izy ireo hianarana bebe kokoa ny momba azy, hamaky ireo andinin-tsoratra masina notanisaina, ary hizara amin’ny olona ao an-dakilasy ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny zavatra niainan’izany olona izany. Inona no azontsika atao mba hanarahana ny ohatra feno fahatokiana nasehon’io olona io?

    Sary
    I Gabriela miseho amin’i Maria

    Ny Fiarahabana, nataon’i John Scott

  • Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra lalina kokoa momba ny toetran’i Maria sy ny anjara asany ao amin’ny drafitry ny Ray, dia afaka miara-mamaky ny Lioka 1:26–38, 46–56 ianareo mba hitady ireo zavatra nolazain’i Maria, izay mampahafantatra zavatra momba ny toetrany. Inona koa no ianarantsika momba an’i Maria? Inona no azony ampianarina antsika momba ny fanekena izay sitrapon’ Andriamanitra mikasika antsika?

Lioka 1:5–25

Tonga amin’ny fotoana nomanin’ Andriamanitra ireo fitahiana avy Aminy.

  • Mety misy olona ao amin’ny kilasinao, izay miaina amim-pahamarinana tahaka an’i Elizabeta sy i Zakaria, kanefa tsy nahazo fitahiana iray izay nandrandraina. Inona no azonao atao hanampiana azy ireo hianatra avy amin’ny ohatr’i Elizabeta sy i Zakaria? Afaka manomboka izany ianao amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hanoratra ireo fitahiana antenain’izy ireo. Dia afaka manadihady ny Lioka 1:5–25 izy ireo avy eo mba hitady ireo lesona azon’izy ireo ianarana avy amin’i Elizabeta sy i Zakaria momba ny fiandrasana ny Tompo. Afaka mamaky sy misaintsaina ireo teny nindramina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ihany koa izy ireo. Amporisiho izy ireo hanoratra ny zavatra nianarany eo akaikin’ilay fitahiana andrandrainy ary, raha azo atao tsara, dia hizara ny heviny.

  • Inona no ohatra hafa mikasika ny fiandrasana ny fotoan’ny Tompo izay azon’ny mpianatra zaraina avy amin’ny fiainan’izy ireo manokana, na avy amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina? Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ireo?

Lioka 1:26–38

“Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra.”

  • Indraindray ny mpianatra dia mety hanontany tena, tahaka izay nataon’i Maria, ny amin’ny fomba ahafahana manatanteraka ny drafitr’ Andriamanitra ny amin’izy ireo, na ny fampanantenana nomeny azy ireo. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa azo tanterahina avokoa ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra, dia azonao haseho ilay sary hoe Ny Fiarahabana: Niseho tamin’i Maria ny anjely Gabriela (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 28) ary asao izy ireo hiara-hamaky ny Lioka 1:26–38. Inona no azontsika ianarana mikasika ny fandresena ny zavatra izay toa tsy azo tanterahina amin’ny alalan’ny fandalinana ny teny nolazain’i Maria sy ny asa nataony? Asao ny mpianatra hizara zavatra niainana izay nanampian’ Andriamanitra azy ireo hanatanteraka zavatra izay noheverin’izy ireo fa tsy azo tanterahina.

  • Ny fiainan’ny Mpamonjy dia naneho ilay fahamarinana nambaran’i Gabriela hoe: “Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra” (Lioka 1:37). Mba hanehoana io fitsipika io, dia afaka manasa ny mpianatra ianao hieritreritra ireo fotoana nanatanterahan’ny Mpamonjy ireo zavatra izay toa tsy azo tanterahina rehefa nanao ny sitrapon’ny Rainy Izy (jereo ohatra ny Jaona 9:1–7). Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba fiasan’io fitsipika io eo amin’ny fiainany, dia azonao atao ny manasa azy ireo hisaintsaina fanontaniana toy izao manaraka izao: Inona no miova eo amin’ny fiainanao rehefa mahafantatra fa tsy misy zavatra tsy azo tanterahina rehefa miaraka amin’ Andriamanitra? Ahoana no hanovan’izany ny fomba hanompoanao ao am-piangonana? Ny fomba hanovan’izany ny fomba hifandraisanao amin’ny fianakavianao? Mety hanampy ihany koa ny fampitahana ny Lioka 1:37 amin’ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Marka 14:36.

Matio 1:18–25; Lioka 1:26–55

Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy

  • Tanjona fototr’i Matio sy i Lioka ary ireo mpanoratra hafa ny Filazantsara ny hijoro ho vavolombelona fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy. Ahoana no hahafahanao manampy ny mpianatra hahafantatra io tanjona io ao amin’ireo toko voalohany indrindra mihitsy izay hovakin’izy ireo ao amin’ny Testamenta Vaovao? Inty misy hevitra iray: Zarao ho vondrona maromaro na ho tsiroaroa ny olona ao an-dakilasy, dia omeo vondron’andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Matio 1 na ny Lioka 1 ny vondrona tsirairay. Asao izy ireo hitady ireo zava-nitranga na teny izay manamafy orina ny finoany ny asa masina nanirahana an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy ary hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra hitany. Ireo andinin-tsoratra masina azonareo aroso dia ahitana ny Matio 1:18–25 sy ny Lioka 1:26–38, 39–45, 46–55. Omeo sosokevitra ny mpianatra fa rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao izy ireo amin’ity taona ity, dia afaka manao ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina izay mijoro ho vavolombelona fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy. Azonao atao miaraka amin’ny mpianatra aza io lisitra io.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny Matio 2 sy ny Lioka 2 hiomanana amin’ny fotoam-pianarana amin’ny herinandro manaraka, dia azonao atao ny mandroso sosokevitra fa raha mamaky ombam-bavaka ny tantara momba ny nahaterahan’ny Mpamonjy izy ireo, dia hahazo hevi-baovao, eny fa na dia efa namaky izany imbetsaka aza izy ireo teo aloha.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 1; Lioka 1

Miandry ny Tompo.

Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Ny finoana … dia ahitana ny fatokisana ny fotoan’ Andriamanitra, satria hoy Izy hoe: -Tsy maintsy mitranga amin’ny fotoany avy ny zava-drehetra.- (FF 64:32.)” (“Lest Ye Be Wearied and Faint in Your Minds,” Ensign, mey 1991, 90).

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe:

“Samy asaina miandry amin’ny endriny samy hafa isika tsirairay. Miandry valim-bavaka isika. Miandry zavatra isika, izay heverintsika amin’izany fotoana izany fa tena rariny sy tsara ho antsika tokoa, ka tsy azontsika an-tsaina mihitsy ny antony hanemoran’ny Ray any An-danitra ny fahazoana ilay valiny.

“Tadidiko ny fotoana niomanako mba hiofana ho mpanamory fiaramanidina mpiady. Nandany fotoana marobe tamin’ny fanombohana ny fiofananay ho miaramila tamin’ny fanatanjahan-tena izahay. … Nihazakazaka izahay, dia nihazakazaka, ary nihazakazaka bebe kokoa hatrany.

“Teo am-pihazakazahako dia nanomboka nahatsikaritra zavatra aho, izay tsoriko etoana fa nanahirana ny saiko. Matetika aho no voasongon’ireo lehilahy mpifoka sigara sy mpisotro toaka ary mpanao ireo zavatra rehetra mifanohitra amin’ny filazantsara, indrindra indrindra fa mifanohitra amin’ny Tenin’ny Fahendrena.

“Tsaroako aho nieritreritra hoe: “Andraso kely aloha! Angaha moa aho tsy tokony hoe hihazakazaka ary tsy ho sasatra?’ Kanefa dia reraka aho, ary resin’ireo olona izay tsy nanaraka mihitsy ny Tenin’ny Fahendrena. Hibabohako fa nanahirana ny saiko izany tamin’izany fotoana izany. Nanontany tena aho hoe marina ve ilay fampanantenana sa tsia?

“Tsy tonga teo no ho eo ny valin’izany. Kanefa dia nianatra aho tamin’ny farany fa ny fampanantenan’ Andriamanitra dia tsy voatery ho tanteraka haingana sy araka izay mety antenaintsika foana, fa tonga araka ny fotoany sy ny fombany. Taona maro taty aoriana dia afaka nahita porofo mazava aho mikasika ireo fitahiana ara-nofo azon’ireo izay mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena—ankoatra ireo fitahiana ara-panahy izay azo avy hatrany noho ny fankatoavana ny lalan’ Andriamanitra na inona izany na inona” (“Mitozoa ao amin’ny faharetana,”Liahona, mey 2010, 58).

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny olona ao amin’ny kilasy handalina ny soratra masina any an-trano. Fomba iray azonao handrisihana ny fandalinana soratra masina any an-trano ny fanomezana fotoana an’ireo olona ao amin’ny kilasy hizara ireo zavatra hitany sy ireo hevi-baovao azony avy amin’ny fandalinany manokana sy ny fandalinan’ny mpianakavy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 29.)

Hamoaka printy