Avia, hanaraka Ahy
18–24 febroary. Matio 5; Lioka 6: -Sambatra hianareo-


“18–24 febroary. Matio 5; Lioka 6: -Sambatra hianareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“18–24 febroary. Matio 5; Lioka 6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Toriteny teo an-tendrombohitra

Toriteny teo an-tendrombohitra, nataon’i Jorge Cocco

18–24 febroary

Matio 5; Lioka 6

“Sambatra hianareo”

Raketo ireo zavatra tsapanao ara-panahy rehefa mandalina ny Matio 5 sy ny Lioka 6 ianao. Ho tonga ny fanambarana rehefa mikatsaka ny hanome izay ilain’ny mpianatrao ianao. Ity rindran-damina ity dia afaka manome hevitra fanampiny.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Nilaza ny Filoha Joseph Fielding Smith fa ny Toriteny teo an-tendrombohitra no “[toriteny] tsara indrindra tamin’ireo izay efa notoriana hatreto araka ny fahalalantsika azy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 234). Nahoana ny mpianatra no mahatsapa fa marina izany? Inona no azon’izy ireo zaraina?

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 5:1–12

Ny fifaliana maharitra dia tonga avy amin’ny fiainana tahaka izay nampianarin’i Jesoa Kristy sy izay niainany.

  • Ny Toriteny nataon’ny Mpamonjy teo an-tendrombohitra, izay nataony ho an’ireo mpianany tena akaiky Azy aloha voalohany indrindra, dia manomboka amin’ireo andian-teny antsoina hoe ny Fahasambarana, izay nanasan’i Kristy antsika hieritreritra indray ny dikan’ny hoe miaina fiainana sambatra, dia fiainana feno fifaliana maharitra. Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fifaliana maharitra dia afaka mangataka ny mpianatra ianao mba hizara ny zavatra mahafaly azy ireo. Araka ny voalazan’ireo Fahasambarana, dia inona no nolazain’i Jesoa fa mahatonga ny olona iray ho “sambatra,” na faly mandrakizay? Inona no maha samy hafa ny fampianaran’i Jesoa amin’ireo fomba hafa hanaovan’ny olona ezaka hahazo fifaliana?

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo teny toy ny hoe madio am-po na mpampihavana, dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo teny ao amin’ny andininy 3–12. Dia asao avy eo ny mpianatra hilaza izay mifanohitra amin’ny teny tsirairay sy ny zavatra nianarany momba ny tsirairay amin’ireo teny amin’ny alalan’ny fanaovana izany. Angataho hisaintsaina izay azon’izy ireo ovaina ny mpianatra mba ho lasa ilay karazan’olona voafariparitra ao amin’ireo andininy ireo. Inona no zavatra resahan’ny 3 Nefia 12:3, 6 izay manampy amin’ny fahatakarantsika ny Matio 5:3, 6?

  • Fomba iray hafa hamakafakana ireo andininy ireo ny fanasana ny mpianatra tsirairay handalina soratra masina fanampiny momba ny iray amin’ireo Fahasambarana ary hizara ny zavatra nianarany amin’ny rehetra. Ahoana no hanehoan’ny olona iray fantatr’izy ireo an’izany fitsipika izany?

Toriteny teo an-tendrombohitra

Toriteny teo an-tendrombohitra, nataon’i Frank Adams

Matio 5:14–16

Tokony ho fahazavan’izao tontolo izao ny mpianatry ny Mpamonjy.

  • Inona no tsapan’ireo mpianatrao rehefa mamaky ny teny nolazain’i Jesoa izy ireo hoe izy ireo “no fahazavan’izao tontolo izao”? Inona no dikan’ny hoe manafina ny fahazavantsika “ao ambanin’ny vata famarana”, ary nahoana isika no mety ho alaim-panahy hanao izany? Mety hankahery ny teny nolazain’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Iza no efa “fahazavana” ho an’ireo mpianatrao?

  • Mieritrereta fomba iray hanehoana ny fampianaran’i Kristy hoe isika no fahazavana ho an’izao tontolo izao. Afaka mampiseho sarin’ny tanàna iray mirehitra jiro amin’ny alina ve ianao? Afaka mitondra jiro fanao am-paosy ve ianao dia hanafina izany ao ambanin’ny harona iray? Nahoana ny Mpamonjy no mampitaha ny mpianany amin’ny fahazavana? Ahoana no ahafahantsika mampiasa io fahatakarana io mba ho fahazavana ho an’ny hafa? (Jereo ny F&F 103:9–10). Ny mpianatra dia afaka miresaka na milalao an-tsehatra ireo fomba hahafahan’ny fahazavan’ny filazantsara mamiratra eo amin’ny fiainan’izy ireo sy mitahy ny hafa.

  • Ny soratra masina sasany izay afaka manome hevitra fanampiny amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ny fahazavana dia ahitana ny 3 Nefia 18:24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24; 84:44–47; 88:50, 67; ary ny 93:36–40. Ny mpianatra ihany koa dia mety hankafy ny fihirana hira ao amin’ny fihirana momba ny fahazavana, toy ny “Christ est ma lumière” and “Brillante étoile, étoile du matin,” Cantiques, nos. 50, 52. Inona no zavatra fanampiny entin’ireo hira sy soratra masina ireo mba hampitomboana ny fahatakarantsika ny Matio 5:14–16?

Matio 5:17–48

Nampianatra lalàna ambonimbony kokoa izay afaka mitarika antsika mankany amin’ny fahatanterahana i Jesoa Kristy.

  • Ny toe-javatra niainana izay voalaza ao amin’ny Matio 5 dia niseho tamin’ny andron’ny Tompo manokana, kanefa natao ho an’ny rehetra ny fitsipika nampianariny. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny zavatra ifandraisan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo, dia asao izy ireo hifidy ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto ary hieritreritra ohatra amin’ny andro maoderina izay maneho ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy: andininy 21–24; 27–30; 33–37; 38–39; 40–42; ary 43–44. Afaka manao izany tsirairay na ao anatin’ny vondrona izy ireo dia mizara ny ohatra hitany amin’ny iray kilasy.

  • Ny zatovo dia mety hankafy ny fanaovana kilalao fampifandraisan-javatra izay manampy azy ireo hahita fa manolo ny lalàn’i Mosesy ny fampianaran’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny Matio 5:21–48. Afaka mamorona andiana karatra kely ianao, izay ahitana andian-teny miantomboka amin’ny hoe “Efa renareo fa” (mamariparitra ny lalàn’i Mosesy) avy ao amin’ny Matio 5:21–44. Mamorona andiany iray hafa ahitana andian-teny avy amin’ireo andinin-tsoratra masina izay miantomboka amin’ny hoe: “Izaho kosa milaza” (mamariparitra ny lalàna ambony kokoa an’i Kristy). Apetraho mihohoka ireo andiana karatra roa ireo, dia avelao ny mpianatra iray hifidy ny iray amin’ireo karatra ahitana hoe “Efa renareo fa”, ary avy eo dia haka iray avy amin’ilay andiany iray hafa mba hitady izay azo ampiarahana aminy. Tohizo mandra-pahavitan’ny mpianatra mampifandray ny lalàn’i Mosesy amin’ny fampianarana vaovao avy amin’i Kristy. Resadresaho isaky ny karatra mifandray tsirairay avy ny antony ilàna ny fampianaran’ny Mpamonjy amin’izao androntsika izao.

  • Ahoana no fomba hahafahanao manampy ny mpianatra hahita fa ny didy nomen’ny Mpamonjy mba ho “tanteraka”, araka izay nohazavain’ny Filoha Russell M. Nelson, dia midika hoe “feno” na “lavorary”? (Matio 5:48; “Perfection Pending,” Ensign, nôv. 1995, 86–88). Inty misy hevitra: tapatapaho ho lasa piozila ny sarin’i Jesoa anankiray, dia asao ny mpianatra hanoratra fampianarana iray avy ao amin’ny Matio 5 ao ambadiky ny sombin-tsary tsirairay avy, izay tsapan’izy ireo fa hitaoman’ny Fanahy azy mba hampihariny eo amin’ny fiainany. Avelao izy ireo hiara-hiasa hamita ilay piozila. Ahoana no hanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika ho lasa “feno” na “lavorary”? (Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahasoavana”).

  • Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hametraka tanjona mba hanatanteraka asa araka ny bitsiky ny Fanahy azon’izy ireo eo am-pandalinana ny Matio 5. Eritrereto ny fomba azonao hanarahana maso ny fandraisana andraikitra tamin’io fanasana natolotra io amin’ny lesona manaraka.

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa fitaomam-panahy hamaky ny Matio 6–7 mandritra ny herinandro ho avy, dia azonao lazaina amin’izy ireo fa ny Filoha Harold B. Lee dia niantso ny Toriteny tao an-tendrombohitra hoe “ny lalam-panorenana hananana fiainana tonga lafatra” (Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee [2000], 200).

resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 5; Lioka 6

Ny fahatongavana ho fahazavana.

Ny Loholona Robert D. Hales dia nampianatra hoe: “Efa naka fotoana ve ianao hieritreretana fa mety ho ianao ilay fahazavana nirahin’ny Ray any An-danitra hitarika olona iray hafa hody soamantsara any Aminy na mba ho fanilo avy lavitra mba hanoro ny lalana miverina amin’ilay lalana ety sy tery, izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay? Fanilo ny fahazavanareo ary tsy tokony hitsahatra hirehitra mihitsy izany na tsy tokony hitarika ireo izay mitady ny lalana mody amin’ny lalan-diso” (“That Ye May Be the Children of Light” [Takariva amorom-patana tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young 3 nôv. 1996], 9; speeches.byu.edu).

Mikatsaka ny fahatanterahana.

Ny Filoha Harold B. Lee dia nampianatra hoe: “Ianao ve dia hihevitra fa ny Mpamonjy dia nandroso tanjona izay tsy azo tratrarina ka noho izany dia mihomehy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hiaina hanatratra izany fahatanterahana izany? Tsy azo heverina ny hahatongavantsika amin’izany toetran’ny fahatanterahana izay noresahan’ny Tompo izany eto amin’ny fiainana an-tany, saingy eto amin’ity fiainana ity isika no manorina ny fototra hanorenantsika zavatra any amin’ny mandrakizay, ka noho izany dia tsy maintsy maka antoka isika fa miorina amin’ny fahamarinana, amin’ny fahitsiana, ary amin’ny finoana ny fototra iorenantsika” (Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee, 195).

Hoy ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Tsy ho tanteraka eo no ho eo ny [fahalavorariana], fa kosa andalana anampy andalana, fitsipika anampy fitsipika, ohatra anampy ohatra, ary na dia izany aza dia tsy mbola ho tontosa tanteraka mandritra ny fiainantsika eto amin’ ity tany ity izany. … Kanefa mametraka ny fototra isika eto. Eto isika no ampianarina an’ireo fahamarinana tsotra ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ao anatin’ity toetry ny fizahan-toetra ity, mba hanomana antsika amin’izany fahatanterahana izany. Adidiko, adidinao, ny ho tsaratsara kokoa noho ilay izaho omaly, ary ho anao ny ho tsaratsara kokoa noho ilay ianao omaly, ary ho tsaratsara kokoa rahampitso noho ilay ianao androany” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 234–35).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampitomboy ny fandraisana anjaran’ny mpianatra. Maro ireo asa azo atao miaraka, na ao anatina vondrona kely maromaro, na tsiroaroa, na hanaovana adihevitra. Mampiasà fomba isan-karazany hamelana ny olona handray anjara, izay mety tsy afaka handray anjara amin’ireo fomba sasany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 33.)