Avia, hanaraka Ahy
16–22 septambra. 2 Korintiana 8–13: -Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra-


“16–22 septambra. 2 Korintiana 8–13: -Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“16–22 septambra. 2 Korintiana 8–13,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Jesoa miresaka amin’ny ankizy kely iray

16–22 septambra

2 Korintiana 8–13

“Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra”

Rehefa mamaky ny 2 Korintiana 8–13 ianao dia eritrereto ireo olona ampianarinao ary manomàna asa atao izay hanampy azy ireo hahafantatra ireo fitsipika ao amin’ireo toko ireo. Dia vakio avy eo ity rindran-damina ity mba hahitana hevitra fanampiny.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Inty misy fomba iray hanasana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany tao amin’ny 2 Korintiana 8–13. Angataho ny vitsivitsy amin’izy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny andian-teny iray tena tiany avy amin’ny vakiteny nataony, ary avy eo dia angataho ny mpianatra sisa hitady izany ao anatin’ny soratra masiny. Asao ny mpianatra hizara ny antony maha-manan-danja ireo andian-teny ireo aminy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Korintiana 8:1–15; 9:6–15

Mizara amim-pifaliana izay ananany ny Olomasina mba hitahiana ny mahantra sy ny sahirana.

  • Nandidy ny Olomasiny Andriamanitra hikarakara ireo sahirana, ary ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny 2 Korintiana 8–9 dia afaka mitondra aingam-panahy ho an’ny mpianatrao amin’ny ezaka ataony. Mba hanampiana azy ireo hahita ireo andalan-tsoratra masina ireo dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe fanontaniana tahaka ny hoe Nahoana isika no manome? sy ny hoe Ahoana no tokony ho fomba hanomezantsika? Afaka mitady valinteny ao amin’ny 2 Korintiana 8:1–15 ny antsasaky ny mpianatra ary ilay antsasany iray hafa mitady ao amin’ny 2 Korintiana 9:6–15. (Afaka manazava ianao fa ao amin’ny toko 8, andininy 1–5 i Paoly dia nilaza fa ohatra amin’ny falalahan-tanana ireo Olomasina tao Makedonia.) Ahoana no mety hanampian’ireo fitsipika nampianarin’i Paoly antsika hikarakara tsara kokoa ny mahantra sy ny sahirana?

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba hanomezan’ny Tompo ny zavatra ilain’ireo Olomasina eo amin’ny ara-nofo dia misy loharanom-pitaovana maro voatanisa ao amin’ny “loharanom-pitaovana fanampiny.” Azonao atao tsara ny manome andraikitra ny mpianatra vitsivitsy hanadihady ny iray na ny maromaro amin’ireo loharanom-pitaovana ireo ary hizara ny heviny momba izany. Moa ve ny mpianatra afaka mahita hevitra ao amin’ny 2 Korintiana 8:1–15; 9:6–15 izay maneho fa nikarakara ny mahantra tahaka izay ataontsika amin’izao fotoana izao ireo Olomasina tamin’ny andron’i Paoly?

2 Korintiana 11:13–33

Mikatsaka ny hamitaka ireo mpaminany sandoka.

  • Koa satria isika, tahaka ireo Olomasina Korintiana, dia mety ho mora alaim-panahy hanaraka fampianaran-diso daholo, dia afaka mahazo tombony avy amin’ny fanadihadiana ny fampitandreman’i Paoly ny Korintiana momba ny “mpaminany sandoka” isika. Mety hahita ohatra amin’ny fampianaran-diso izay mitaona antsika amin’izao fotoana izao ny mpianatra ao amin’ny hafatry ny Loholona Quentin L. Cook hoe “Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa” (Liahona, nôv. 2016, 40–43). Azonao atao tsara ny manendry olona iray hamaky io hafatra io mialoha ary hizara amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra ampianarin’izany mikasika ny fomba ahafahantsika miala amin’ny “vato fahatafintohinana” izay mitarika antsika hiala amin’ny filazantsara. Inona no fampianarana hafa fahita eto amin’izao tontolo izao izay mety hitarika antsika hiala amin’ny fahamarinan’ny filazantsara? Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanadihady ny 2 Korintiana 11:21–33 dia hizara ny zavatra nianarany avy amin’ireo andininy ireo momba ny tena “mpanompon’i Kristy.”

2 Korintiana 11:3; 13:5–8

Tokony “handinika” ny fahatokiantsika ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.

  • Indraindray ny mpikamban’ny Fiangonana dia mahatsapa ho vesaran’ireo adidy tsy maintsy atao eo amin’ny fiainana, ka anisan’izany izay mety ho heverin’izy ireo fa adidy tsy maintsy hatao amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany. Ny torohevitr’i Paoly hoe “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia” dia afaka manampy anao sy ny mpianatrao hifantoka amin’ny “fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy” (2 Korintiana 13:5; 11:3). Azonareo atao tsara ny miara-mamaky ny 2 Korintiana 11:3 ary mifanakalo hevitra momba izay mety ho hevitra fonosin’ilay andian-teny hoe “fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy”. Azonao atao koa ny mangataka ny mpianatra haka sary an-tsaina fa nasaina izy ireo hanoratra ny famaritana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho an’ny gazety iray, ka tsy mihoatra ny teny 100 no ampiasaina amin’izany. Omeo fotoana izy ireo hanoratana ny famaritany, dia avelao izy ireo hifampizara ny zavatra nosoratany. Raha mila fanampiana izy ireo dia afaka mijery ny Jaona 3:16–17; 3 Nefia 27:13–21; ary ny Miorim-paka ao amin’ny finoana . Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa izy ireo ka mijanona ho mahatoky amin’ireo fitsipika fototry ny filazantsara.

  • Mba hanampiana ny mpianatra “handinika” ny fomba azon’izy ireo hanatsorana ny fiainany mba ho mpianatra tsaratsara kokoa dia azonao zaraina amin’izy ireo ny teny nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Afaka mifanakalo hevitra ny mpianatra mikasika ny fomba azon’izy ireo hampiharana ny fanasan’ny Filoha Uchtdorf “[Hifantoka] amin’ireo fotopampianarana, fitsipika ary fampiharana fototry ny filazantsara”. Inona no hevitra hafa ananan’ny mpianatra mikasika ny fomba ahafahantsika manadihady ny tenantsika mba hahazoana antoka fa miorim-paka tsara amin’ny finoana isika?

2 Korintiana 12:5–10

Ny fahasoavan’ny Mpamonjy dia ampy hanampiana antsika hahazo hery ao anatin’ny fahalementsika.

  • Inona no holazainao amin’ny namana iray izay nivavaka mba hohamaivanina ny rofiny ara-batana, saingy mahatsapa izy fa toa tsy novaliana ny vavaka nataony? Asao ny mpianatra hisaintsaina io fanontaniana io eo am-pamakiany amim-pahanginana ny 2 Korintiana 12:5–10. Aorian’izay izy ireo dia afaka mizara hevitra avy amin’ireo andininy ireo, izay mety hanampy ao anatin’io toe-javatra io. Izy ireo ihany koa dia afaka mizara zavatra niainana izay nahazoan’izy ireo hery tao anatin’ny fahalemena tamin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy. Inona no fiantraikan’izany traikefa azon’izy ireo izany teo amin’ny fiainany?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatrao hamaky ny Galatiana dia afaka manontany azy ireo ianao raha mahafantatra olona niala tamin’ny filazantsara. Raha misy izany dia ho ilain’izy ireo ny mamaky ny fomba nanasan’i Paoly ireo Galatiana izay niala tamin’ny filazantsara mba hiverina.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

2 Korintiana 8–13

Ny fomban’ny Tompo amin’ny famatsiana ny mahantra sy ny sahirana.

Afaka manatsotra ny fomba hoentintsika miaina ny filazantsara isika.

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe:

“Tsy mila hasarotina, rahalahy sy anabavy ny fiainana ny filazantsara.

“Tena mahitsy izany. Azo hazavaina toy izao:

  • “Mitarika antsika hino an’ Andriamanitra sy hatoky ny fampanantenany ny fihainoana am-piniavana ny tenin’ Andriamanitra.

  • “Rehefa matoky kokoa an’ Andriamanitra isika dia ho heniky ny fitiavana Azy sy ny hafa bebe kokoa ny fontsika.

  • “Maniry ny hanaraka an’ Andriamanitra sy hampifanaraka ny asa ataontsika araka ny teniny isika noho ny fitiavantsika Azy.

  • “Noho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra dia maniry ny hanompo Azy isika. Maniry ny hitondra fitahiana eo amin’ny fiainan’ny hafa isika ary hanampy ny mahantra sy ny sahirana.

  • “Rehefa manohy hatrany ny dia eo amin’ity lalan’ny maha-mpianatra ity isika dia hanana faniriana bebe kokoa hianatra ny tenin’ Andriamanitra.

“Ary dia hitohy hatrany izany, ny dingana iray dia hitarika any amin’ny manaraka ary hameno antsika amin’ny finoana, fanantenana ary fiantrana tsy mitsaha-mitombo izany.

“Tsotra sy mitondra soa mahafinaritra amin’ny fomba mahafinaritra izany.

“Ry rahalahy sy anabavy, raha toa ka mieritreritra ianao fa tsy mandaitra loatra aminao ity filazantsara ity dia manasa anao aho hiato kely, hanombantombanana ny fiainanao amin’ny fijery avo avy eny amin’ny fiaramanidina ary hanatsotra ny fanamoranao ny hoe maha-mpianatra. Mifantoha amin’ireo fotopampianarana, fitsipika ary fampiharana fototry ny filazantsara. Mampanantena anao aho fa hitarika sy hitahy anao eo amin’ilay lalana izoranao hahatongavana any amin’ilay fiainana feno fahombiazana Andriamanitra, ary hitondra soa ho anao tokoa ny filazantsara” (“Mitondra soa izany,” Liahona, nôv. 2015, 22).

Manatsara ny fampianarantsika

Miaraha miasa amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana. “Ny olona izay manana hery tena mahery vaika itarihana olona iray—ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy—dia matetika ireo izay ao an-tokantranony. Noho ny maha-ivon’ny fiainana sy fianarana ny filazantsara ny tokantrano, dia tena hahomby ny ezaka ataonao hanatanjahana ilay mpianatra iray rehefa miara-miasa amin’ny … olona ao anatin’ny fianakaviana akaiky ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8).

Hamoaka printy