Avia, hanaraka Ahy
14–20 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: -Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mpampahery ahy’


“14–20 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: -Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mpampahery ahy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“14–20 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

I Paoly mampanoratra taratasy avy ao amin’ny fonja

14–20 ôktôbra

Filipiana; Kolosiana

“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mpampahery ahy”

Atomboy vakina ny Filipiana sy Kolosiana, ary halalino amim-bavaka ny fotopampianarana izay tian’ny Tompo hampianarinao. Avelao ny Fanahy no hitarika anao rehefa mieritreritra ireo fanontaniana sy loharano izay azonao ampiasaina hampianarana io fotopampianarana io ianao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ny mpianatra hanoratra teny na andian-teny iray eny amin’ny solaitrabe, izay mamintina ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Filipiana sy Kolosiana, ary hanazava izany safidin’izy ireo izany. Amporisiho izy ireo hizara andinin-tsoratra masina ao anatin’ny fanazavany.

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Filipiana 2:1–5, 14–18; 4:1–9; Kolosiana 3:1–17

Ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia tonga “vaovao” rehefa miaina ny filazantsarany.

  • Azonao atao ny manampy ny mpianatrao hijery ny dikan’ny hoe “manary ny toetra taloha” ary “mitafy ny toetra vaovao” amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Kolosiana 3:9–10). Mba hahafahana manao izany dia azonao atao ny mampiseho zavatra tranainy sy zavatra vaovao (toy ny voankazo efa lo sy vao notazana, na akanjo vaovao sy tonta). Ny mpianatra dia afaka mifampiresaka mikasika ny fomba hahatongavantsika ho “vaovao” amin’ny alalan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fahavononantsika hiaina ny filazantsarany. Mandritra io fifampiresahana io dia asao ny antsasaky ny mpianatra handalina ny Filipiana 2:1–5, 14–18; 4:1–9 ary ny antsasany hafa handalina ny Kolosiana 3:1–17, ka hamantatra ireo toetoetry ny hoe “toetra taloha” sy ny hoe “toetra vaovao.” Azonao atao ihany koa ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara hoe ahoana ny fomba nahafahan’ny fananan’izy ireo finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fiainan’izy ireo ny filazantsara nanampy azy ireo ho tonga olom-baovao. Ireo soratra masina hafa izay azonareo iarahana mijery dia ahitana ny Romana 6:3–7 ; sy ny Môsià 3:19 ary ny Almà 5:14, 26.

Filipiana 4: 1–13.

Afaka mahita fifaliana ao amin’i Kristy isika, na inona na inona toe-javatra iainantsika.

  • Na dia samy hafa amin’ny an’i Paoly aza ny toe-javatra iainantsika, dia azontsika atao ny mianatra avy amin’ny fahavononany ho faly sy ho ravoravo amin’ny toe-javatra rehetra teo amin’ny fiainany. Mba hanombohana fifampiresahana mikasika ity lohahevitra ity, dia afaka mamerina mijery ny sasany amin’ireo fitsapana niainan’i Paoly ianao (jereo ohatra ny, 2 Korintiana 11:23–28). Avy eo dia afaka miangavy ireo mpianatra ianao hamerina hijery ny Filipiana 4:1–13 ary hitady ny torohevitra nomen’i Paoly izay manampy antsika hifaly, na dia amin’ny fotoan’ny fitsapana aza.

    Raha te hijery lalina kokoa an’ity lohahevitra ity ianao dia mety ho azonao atao ny mangataka mpianatra iray hizara tantara na teny mitaona fanahy avy ao amin’ny lahateny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy” (Liahona, nôv. 2016, 81–84). Ahoana no fomba nahitan’ireo olona tao amin’ny lahatenin’ny Filoha Nelson fifaliana na dia teo aza ireo toe-javatra sarotra niainan’izy ireo?

  • Azon’ny mpianatra atao tsara ny mitady torohevitra ao amin’ny Filipiana 4 izay afaka manampy azy ireo rehefa miatrika fitsapana izy ireo. Azonao omena karatra kely fandraisana naoty izy ireo, hahafahany manoratra ny zavatra hitany. Asao izy ireo hametraka izany amin’ny toerana hahitany izany rehefa mila izany izy ireo.

  • Indraindray ny hira dia manatsara ny fahatakarantsika ny soratra masina. Ohatra, rehefa avy mamaky ny Filipiana 4:7, 13, dia azonareo hiarahana mihira ny “Où pourrais-je chercher?” na ny andininy voalohany amin’ny “Seigneur, je te suivrai” (Cantiques, lah. 68, 141). Inona no hitan’ny mpianatra hoe fifandraisana misy amin’ny tonon’ireo hira ireo sy ny Filipiana 4:7, 13? Azon’ny mpianatra atao tsara ny mizara traikefa izay nahatsapany “ny fiadanan’ Andriamanitra izay mihoatran’ny fahatakarana rehetra” na nahatsapany ho nohatanjahina “tamin’ny alalan’i Kristy” raha nanatanteraka zavatra izay tsy tokony ho vitan’izy ireo mihitsy. Ny traikefan’ny Loholona Jay E. Jensen ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny,” dia mety hanampy amin’ny fanentanana ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo andininy ireo.

  • Koa satria mihanaka be ny ratsy amin’izao fotoana izao, dia afaka hahazo tombotsoa ny mpianatrao avy amin’ny torohevitr’i Paoly hoe “hihevitra” ireo zavatra izay madio, mahatehotia, tsara laza, misy hatsaram-panahy na misy dera (Filipiana 4:8). Azonao atao tsara ny manome an’ny mpianatra tsirairay (na vondrona mpianatra kely) ny iray amin’ireo toetra voatanisa ao amin’ny Filipiana 4:8 na ny Fanekem-pinoana1:13. Afaka mampiasa ny Torolalana ho an’ny Soratra masina izy ireo tsirairay avy hitadiavana soratra masina mikasika ireo toetra nomena azy ireo, ary hizara amin’ny mpianatra ny zavatra hitan’izy ireo. Afaka mizara ihany koa ohatra amin’izany toetra izany izay hitany eo amin’ny fiainan’ny olona izy ireo. Ahoana no ataontsika raha “hikatsaka ireny zavatra ireny”?

Kolosiana 1:12–23; 2:3–8

Raha toa ny finoantsika ka “mamaka” ao amin’i Kristy dia hohatanjahina isika hahatohitra ny fitaoman’izao tontolo izao.

  • Ny teny vavolombelon’i Paoly hita ao amin’ny Kolosiana 1:12–23; 2:3–8 dia manome fahafahana tsara ho an’ny mpianatra handalinana sy hanamafisana ny finoan’izy ireo manokana. Azon’ny mpianatra atao ny mikaroka ireo andininy ireo mba hahitana ireo zavatra izay manamafy ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Inona no dikan’ny hoe “mamaka sy miorina eo amin’i [Jesoa Kristy]”? (Kolosiana 2:7). Ilay sarina hazo ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia hanampy ny mpianatra hiresaka mikasika an’io andininy io. (Jereo ihany koa ny Neil L. Andersen, “Tadio ara-panahy,” Liahona, mey 2014, 18-21.) Inona no mety hampatanjaka na hampalemy ny fakan-kazo iray? Nahoana no manamafy orina antsika hanohitra ny fitaoman’izao tontolo izao ny hoe “mamaka na miorina amin’’i [Jesoa Kristy]?” (jereo ny Kolosiana 2:7–8; jereo ihany koa ny Helamàna 5:12; Etera 12:4).

  • Mety fantatry ny mpianatrao ireo filôzôfia sy fombandrazan’ny olona izay mety “mambabo” ny finoan’olona iray an’i Jesoa Kristy, noho izy ireo mifanipaka amin’ny fahamarin’ny filazantsara sy mampananosarotra kokoa ny fiainana izany (Kolosiana 2:8). Azon’ny mpianatra atao tsara ny manao lisitra ny sasantsasany amin’izy ireo (mety hanampy ny hevitra natolotry ny Loholona Dallin H. Oaks, hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”). Avy eo dia azonao resahana hoe ahoana no ahafahan’ny fiorenam-paka amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy manampy antsika hanaraka ny torohevitr’i Paoly hoe: “Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesôsy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa” (Kolosiana 2:6). Ahoana no fomba hahafahantsika mifanohana eo amin’ny ezaka ataontsika amin’ny fanarahana ny Mpamonjy fa tsy ireo fombandrazana dison’izao tontolo izao?

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Moa ve efa nisy teo amin’ireo mpianatrao nenjehina noho ny finoany ny filazantsara? Teneno azy ireo fa ny 1 sy ny 2 Tesaloniana dia ahitana ireo torohevitra izay nomen’i Paoly an’ireo Olomasina izay niaina teo anivon’ny fanenjehana nivaivay kanefa nijanona ho mahatoky.

resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Filipiana; Kolosiana

Fiadanana mihoatra noho ny fahalalana rehetra.

Fony tao amin’ny Fitopololahy ny Loholona Jay E. Jensen dia nizara ity traikefa ity:

“I Quinton zafikelinay lahy dia nanana fahasembanana maro hatrany ambohoka ary niaina nandritra ny roatokom-bolana monja. Nandritra izany fotoana izany dia niditra sy nivoaka ny hôpitaly foana izy. Izaho sy Rahavavy Jensen dia nonina tany Argentine tamin’izany fotoana izany. Tena te-ho eo akaikin’ny zanakay tokoa izahay hampahery azy ireo sy mba hahazo fampaherezana avy amin’izy ireo ihany koa. Zafikely tianay izy io ary nirianay ny ho eo akaikiny. Nivavaka no hany azonay natao, ary tena nataonay tamin-kafanam-po tokoa izany!

“Tany am-panaovana fitsidihina ny misiôna izaho sy Rahavavy Jensen no nandre fa maty i Quinton. Nijoro teo amin’ny lalan-tsaran’ny trano fiangonana iray izahay ary nifamihina sy nifampahery. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa nahazo toky avy amin’ny Fanahy Masina izahay, izay fiadanana mihoatra noho ny fahalalana rehetra ary mitohy hatramin’izao andro izao (jereo ny Filipiana 4:7). Vavolombelona ihany koa izahay ny amin’ilay fanomezan’ny Fanahy Masina izay tsy hay faritana izay hita teo amin’ny fiainan’ny zanakay lahy sy ny vinantovavinay ary ny zanak’izy ireo izay hatramin’izao andro izao dia miresaka momba izany fotoana izany ao anatin’ny finoana sy fiadanana ary fampiononana lehibe tokoa” (“Ny Fanahy Masina sy ny Fanambarana,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 78)

Ny fitsipiky ny filazantsara sy ny fombandrazan’ny olona.

Ny loholona Dallin H. Oaks dia nampahafantatra fombandrazana maron’izao tontolo izao izay mifanipaka amin’ny fahamarinan’ny filazantsara (jereo ny “Repentance and Change,” Ensign na Liahona, nov. 2003, 37–40):

  • Tsy firaharahiana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

  • Tsy fanatrehana afa-tsy indraindray any am-piangonana na fanatrehana fotsiny fa tsy mandray anjara

  • Fandikana ny Tenin’ny Fahendrena

  • Tsy fahamarinan-toetra

  • Fikatsahana “fisondrotan-toerana” eo amin’ny antso ato am-piangonana

  • Kolontsain’ny fianteherana amin’ny hafa toy izay handray ny andraikitry ny tena

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà hira. Ny mozika masina dia manasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Afaka miteraka tontolo feno fanehoam-panajana izany ary mitaona amin’ny asa sy ny fanolorantena. Eritrereto hoe ahoana no hampidirana ny “mifampianara ka mifananara amin’ny salamo sy ny fihirana” ao amin’ny fotoam-pianaranao (Kolosiana 3:16; jereo ihany koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22).