Avia, hanaraka Ahy
28 ôktôbra–3 nôvambra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona: -Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao-


“28 ôktôbra–3 nôvambra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona: -Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“28 ôktôbra–3 nôvambra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
vehivavy telo mijoro eo ivelan’ny tempoly

28 ôktôbra–3 nôvambra

1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao”

Vakio ny 1 sy 2 Timoty; ny Titosy; ary ny Filemona sady eritrereto ireo mpianatrao. Ireo eritreritra sy fahatsapana izay tonga ao aminao dia hanampy anao amin’ny fitarihana ireo mpianatra hahita ireo andinin-tsoratra masina ilaina, ary hitondra ny Fanahy ao amin’ny kilasinao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Tena afaka manampy ny mpianatra ny mifampihaino ny resaka mikasika ny fahombiazana hitany sy ny fanamby nahazo azy ireo tamin’ny fandalinany soratra masina na samirery izany na niaraka tamin’ny fianakaviana. Diniho ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fiangaviana ny mpianatra hiresaka mikasika izay zavatra mety tsara eo amin’ny fandalinan’izy ireo soratra masina.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

1 sy 2 Timoty; Titosy

Hanampy antsika tsy ho voafitaka ny fahatakarana ny fotopampianarana marina.

  • Ny mpianatrao dia miaina ao anatin’ny fotoana izay hampianarana fotopampianarana diso maro. Niaina fotoana tahaka izany ihany koa i Timoty sy Titosy, ka noho izany angamba dia afaka mahazo tombontsoa amin’ny torohevitra nomen’i Paoly azy ireo ny mpianatrao. Ireo andalan-tsoratra masina sasany ahitana ireo torohevitr’i Paoly dia hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.” Azonao omena iray avy amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo ny mpianatra tsirairay ho vakiny, ary tendrena hizara izay nianarany mikasika ny maha zava-dehibe ny fotopampianarana marina (jereo ny Almà 31:5).

1 Timoty 4:10–16

Raha toa isika ka “ohatra ho an’ny mino,” dia afaka mitarika ny hafa ho eo amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.

  • Mety tsy takatry ny mpianatrao ny herin’ny ohatra tsara izay asehon’izy ireo. Diniho ny hanasana azy ireo hiresaka mikasika ny fomba nanehoan’ny olona fantany, ka anisan’izany ny mpiara-mianatra aminy, ohatra tsara amin’ny maha mpianatr’i Kristy azy. Mety hanatsara ny fifanakalozan-kevitra raha toa soratanao eny amin’ny solaitrabe ireo teny ao amin’ny andininy 12 izay manoritsoritra ny fomba hahatonga antsika ho ohatra —fiteny (izay mety midika ihany koa hoe fitondrantena na zavatra atao), fitiavana, finoana, ary fahadiovana. Afaka mifampiresaka ny mpianatra ny amin’ny fomba hahafahantsika ho lasa ohatra ho an’ny mino amin’ireo lafiny ireo.

2 Timoty 1

“Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.”

  • Ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, dia nasaina ny mpianatrao hikaroka ao amin’ny 2 Timoty ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty ho fankaherezana azy tamin’ny fotoana nanompoany. Asao ny mpianatra hizara izay mety ho hevi-baovao hitany, na omeo minitra vitsy izy ireo hitadiavany sy hizarany ny torohevitr’i Paoly (ahitana ohatra tsara ny ao amin’ny toko 1). Afaka mizara traikefa ihany koa izy ireo raha efa nanampy azy ireo Andriamanaitra handresy ny tahotra sy hanome azy ireo “fanahy … mahery sy fitiavana ary fahononan-tena” [2 Timoty 1:7).

2 Timoty 3

Ny fandalinana soratra masina dia hanampy antsika handresy ireo loza hitranga amin’ny andro farany.

  • Rehefa avy nampitandrina an’i Timoty i Paoly mikasika ireo “andro mahory” izay ho avy dia nijoro ho vavolombelona izy mikasika ny hery sy ny maha zava-dehibe ny soratra masina (jereo ny 2 Timoty 3:1, 14–17). Mba hanombohana ny fifampiresahana mikasika ny maha zava-dehibe ny soratra masina amin’ny fotoan-tsarotra, dia azonao asaina ny mpianatra hamerina hijery ny famaritana nataon’i Paoly ny amin’ny fahoriana amin’ny andro farany ao amin’ny 2 Timoty 3:1–7. Avy eo izy ireo dia afaka mitady sy mizara soratra masina izay nanampy azy ireo hitandrina amin’ny loza toy izany (ny ohatra sasany dia voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”). Amin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny fandalinantsika soratra masina niaro antsika tamin’ny olana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

  • Ny fandalinana ny torohevitr’i Paoly mikasika ny herin’ny soratra masina dia mety ahafahan’ny mpianatra hifankahery eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Angamba afaka mamaky ny 2 Timoty 3:14–17 ny mpianatra ary hamantatra ireo fitahiana sy fiarovana izay tonga amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina. Avy eo dia afaka mizara traikefa izy ireo raha efa tanteraka tamin’izy ireo ireo fitahiana ireo noho izy ireo nandalina soratra masina. Azonao atao ihany koa ny manome fotoana fohy handalinan’izy ireo izay zavatra azon’izy ireo atao mba hananana traikefa tsara kokoa amin’ny soratra masina, na ho azy ireo manokana izany na iarahan’ny fianakaviana.

Filemona

Mifamela heloka ireo mpanaradia an’i Kristy.

  • Mialoha ny hanombohanao ny resaka mikasika ny Epistily ho an’i Filemona, dia afaka miangavy mpianatra iray ianao hizara fampahalalana sasantsasany mikasika an’i Filemona sy Onesimosy mpanompony (misy famaritana fohy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Azonao zaraina ho vondrona roa ny mpianatra avy eo, dia omeo iray amin’ireto fanontaniana ireto ny vondrona tsirairay: Inona no fitoviana misy hitanao teo amin’ny zavatra tian’i Paoly natao ho an’i Onesimosy sy ny zavatra tian’i Mpamonjy natao ho antsika? Raha sarotra tamin’i Filemona ny namela heloka ny andevony izay nitsoaka, dia ahoana no nanamoran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny famelan-keloka? Rehefa avy nizara izay zavatra nianarany ireo vondrona, dia hevero ny hanasana ireo mpianatra hizara andinin-tsoratra masina na traikefa izay nanampy azy ireo hahatakatra kokoa ny famelan-keloka. Ny hafatry ny Loholona Kevin R. Duncan ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manatsara ity fifanakalozan-kevitra ity.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ny mpianatra hamaky ny Epistily ho an’ny Hebreo dia anontanio azy ireo raha toa mahafantatra olona iray izy ireo izay mahatsapa fa Andriamanitra dia lavitra sy mitokatokana, ary tsy azo ifandraisana. Lazao azy ireo fa hahita andininy izy ireo ao amin’ny Hebreo 1–6 izay azon’izy ireo zaraina amin’ny olona mba hanehoana fa Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy dia Olona be famindram-po izay te hanampy antsika rehefa mijaly isika.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona

Torohevitr’i Paoly mikasika ny fotopampianarana marina.

Ireo soratra masina izay miaro antsika amin’ny fahoriana amin’ny andro farany dia nofaritana ao amin’ny 2 Timoty 3:2.

Ireo fahoriana amin’ny Andro Farany

Ireo Soratra Masina izay miaro antsika

Ireo fahoriana amin’ny Andro Farany

Fitiavan-tena

Ireo Soratra Masina izay miaro antsika

Jaona 15:12–13

Ireo fahoriana amin’ny Andro Farany

Mpitsiriritra

Ireo Soratra Masina izay miaro antsika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:123

Ireo fahoriana amin’ny Andro Farany

Mpirehareha

Ireo Soratra Masina izay miaro antsika

Môsià 2:24–25

Ireo fahoriana amin’ny Andro Farany

Mpieboebo

Ireo Soratra Masina izay miaro antsika

Almà 5:27–28

Ireo fahoriana amin’ny Andro Farany

Mpiteny ratsy ny Fanahy Masina

Ireo Soratra Masina izay miaro antsika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:64

Ireo fahoriana amin’ny Andro Farany

Tsy mpanaja ray aman-dreny

Ireo Soratra Masina izay miaro antsika

Efesiana 6:1–3

Ireo fahoriana amin’ny Andro Farany

Tsy mahay mankasitraka

Ireo Soratra Masina izay miaro antsika

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19

Ireo fahoriana amin’ny Andro Farany

Tsy masina

Ireo Soratra Masina izay miaro antsika

Deotoronomia 7:6

Ny diloilo manasitran’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no manampy antsika hamela heloka ny hafa.

Nampianatra ny Loholona Kevin R.Duncan hoe:

“Tsy misy olona miaina ka tsy ho tratran’ny vokadratsin’ny tsy firaharahiana na fitondrantena manafintohina na fihetsika feno fahotana mihitsy aza, izay ataon’ny hafa, amin’ny fotoana izay tsy fantatra. Zavatra samy ananantsika rehetra io.

“Mahavelom-pankasitrahana fa Andriamanitra, noho ny fitiavany sy ny famindram-pony an’ireo zanany, dia nanomana fomba hanampiana antsika hamakivaky ireo zavatra iainana eo amin’ny fiainana ireo, izay matetika sarotra. Nanome fomba ahatafavoahana Izy ho an’ireo izay iharan’ny faharatsiana ataon’ny hafa. Nampianatra antsika Izy hoe afaka mamela heloka isika! …

“Taona maro lasa izay, raha nanamboatra fefy aho, dia nisy silaka hazokely tafiditra tao amin’ny rantsantanako. Zara raha niezaka ny nanaisotra ilay hazokely aho ary nihevitra aho fa afaka ilay izy, saingy toa tsy izay no izy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voarakotry ny hoditra naniry ilay silaka hazokely, ka lasa nisy nibontsina teo amin’ny rantsantanako. Nanelingelina ilay izy ary indraindray narary.

“Taona maro taty aoriana dia nanapa-kevitra ny hanao zavatra aho nony farany. Ny hany nataoko dia nanisy diloilo tamin’ilay mibontsina fotsiny ary nofonosiko bandy manodidina azy. Nataoko matetika izay zavatra izay. Tsy azonareo an-tsaina ny hatairako rehefa nivoaka avy tao amin’ny rantsantanako ilay silaka hazokely indray andro teo am-panaisorako ilay bandy.

“Nampahalefaka ilay hoditra ilay diloilo ka nampivoaka ilay zavatra kely izay niteraka fanaintainana nandritra ny taona maro. Rehefa afaka ilay silaka hazokely, dia sitrana haingana ilay rantsan-tanana, ary ankehitriny dia tsy misy diana ratra tavela.

“Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ny fo izay tsy mamela heloka dia mitondra fanaintainana tsy ilaina akory. Rehefa manosotra ilay diloilo manasitran’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika, dia hanalefaka ny fontsika Izy ary hanampy antsika mba hiova. Izy dia afaka manasitrana ny fanahy maratra (jereo ny Jakôba 2:8)” (“Ilay diloilo manasitran’ny famelan-keloka,” Liahona, mey 2016, 33).

Manatsara ny fampianarantsika

Mitranga ao an-trano ny fivoarana ara-panahy. Fotoana fohy monja no hiarahanao amin’ny mpianatrao isan’alahady. Betsaka amin’izy ireo no manana traikefa ara-panahy manan-danja mandritra ny andro sisa amin’ny herinandro. Mametraha fanontaniana izay mandrisika azy ireo hizara ny zavatra nianarany tany ivelan’ny kilasy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 18

Hamoaka printy