Seminera
Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny fototra avy ao amin’ny soratra masina


“Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny fototra avy ao amin’ny soratra masina,” Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2021)

“Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny fototra avy ao amin’ny soratra masina,” Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana

Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny fototra avy ao amin’ny soratra masina

Testamenta Taloha

Mosesy 1:39:“Izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”

Mosesy 7:18:“Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe Ziona, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina.”

Abrahama 2:9–10:Nampanantena an’i Abrahama ny Tompo fa ny taranany no “[hitondra] ity asa fanompoana ity sy ny Fisoronana ho any amin’ny firenen-drehetra.”

Abrahama 3:22–23:Fony isika mbola fanahy dia “nalamina talohan’ny nisian’izao tontolo izao.”

Genesisy 1:26–27:“Nahary ny olona araka ny endriny Andriamanitra.”

Genesisy 2:24:“Koa ny lehilahy dia … hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.”

Genesisy 39:9:“Koa hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra?”

Eksodosy 20:3–17:Ny didy folo

Josoa 24:15:“Fidionareo anio izay hotompoinareo.”

Salamo 24:3–4:“Iza no hitoetra ao amin’ny fitoerany masina? Izay madio tanana sy mahitsy fo.”

Ohabolana 3:5–6:“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra … fa Izy handamina ny lalanao.”

Isaia 1:18:“Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala.”

Isaia 5:20:“Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy.”

Isaia 29:13–14:“Asa iray mahagaga sy mahatalanjona” ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Isaia 53:3–5:“Nitondra marina tokoa ny fahoriantsika [i Jesoa Kristy] ary nivesatra ny alahelontsika.”

Isaia 58:6–7:Ireo fitahiana azo avy amin’ny fifadian-kanina araka ny tokony ho izy

Isaia 58:13–14:“Miaro ny tongotrao … tsy manao izay tianao amin’ny androko masina; ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana.”

Jeremia 1:4–5:“Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa … notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.”

Ezekiela 3:16–17:Ny mpaminany dia “mpitily ho an’ny mpianakavin’i Isiraely.”

Ezekiela 37:15–17:Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna “dia ho iray eny an-tananao.”

Daniela 2:44–45:Andriamanitra dia “hanorina fanjakana, izay tsy ho rava na oviana na oviana.”

Amosa 3:7:“Jehovah Tompo, [dia]… milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.”

Malakia 3:8–10:Ireo fitahiana avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena

Malakia 3:23–24:I Elia dia “hampody … ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy.”

Testamenta Vaovao

Matio 5:14–16:“Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30:“Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19:Hoy Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Matio 22:36–39:“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 2:10–12:“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Lioka 22:19–20:Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

Lioka 24:36–39:“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Jaona 3:5:“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”

Jaona 3:16:“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy Tokana.”

Jaona 7:17:“Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Jaona 17:3:“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy.”

1 Korintiana 6:19–20:“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

1 Korintiana 11:11:“Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22:“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42:Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Efesiana 1:10:“[Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana], hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20:Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3:“Tsy ho avy ny Fiavian’i Kristy … raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17:“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Hebreo 12:9:Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

Jakoba 1:5–6:“Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18:“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6:“Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Apokalypsy 20:12:“Ary ny maty dia notsaraina … araka ny asany.”

Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 3:7:“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

2 Nefia 2:25:“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

2 Nefia 2:27:“Afaka isika na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

2 Nefia 26:33:“Mitovy daholo isika rehetra amin’ Andriamanitra.”

2 Nefia 28:30:Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

2 Nefia 32:3:“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

2 Nefia 26:8–9:“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianao.”

Môsià 2:17:“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Môzià 2:41:“Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Môzià 3:19:“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [anao ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Môzià 4:9:“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Môzià 18:8–10:Aoka hatao “batisa … amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Almà 7:11–13:“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Almà 34:9–10:“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Almà 39:9:“Aza mandeha intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Almà 41:10:“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Helamàna 5:12:“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

3 Nefia 11:10–11:“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

3 Nefia 12:48:“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

3 Nefia 27:20:“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Etera 12:6:“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Etera 12:27:“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Môrônia 7:45–48:“Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Môrônia 10: 4–5:“Manontany amin-kintsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny Tantaran’ny Fiangonana

Joseph Smith—Tantara 1:15–20:I Joseph Smith “dia nahita Olona roa, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30:“Ilay hany Fiangonana velona sady marina.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38:“Na amin’ny alalan’ny feoko, na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36:“Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3:“Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1:Ny Fisoronana Aharôna no “mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny batisa.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11:“Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16:“Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19:“Izaho, [Jesoa Kristy], dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6:“Fa ny tenin[‘ny mpaminany] dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:10–11:“Fa haneho ny tenako avy any an-danitra amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe Aho … ka hitoetra amim-pahamarinana miaraka amin’ny olona eto an-tany arivo taona.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17:“Voatendrin’ Andriamanitra ny Fanambadiana.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43:“Izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11:“Fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24:“Tamin’ny alalan[’i Jesoa Kristy] no ary sy nahariana ireo tontolo.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10:“Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20–22:“Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118:“Katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21:Ireo fitahiana avy amin’ny Tenin’ny Fahendrena

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8:“Mihazona ny zo … ary manan-kery sy fahefana hitantana ny zavatra ara-panahy [ny Fisoronana Melkizedeka.]”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36, 41–42:“Ireo zon’ny fisoronana … dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23:“Ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana …ny Zanaka koa; fa ny Fanahy Masina … dia vatana Fanahy.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4:“Ny fanekempihavanana vaovao sy mandrakizain’ny fanambadiana.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3:“Namoaka ny Bokin’i Môrmôna [i Joseph Smith], izay nadikany araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra.”

Hamoaka printy