Institiota
Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny fahafahantsika ho tonga andriamanitra


“Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny fahafahantsika ho tonga andriamanitra,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

lehilahy mandinika tendrombohitra

Lesona 15, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny fahafahantsika ho tonga andriamanitra

Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith fa: “Ny drafitra lehiben’ny famonjena dia lohahevitra izay tokony hibahana tanteraka ny fisainantsika, ary tokony horaisina ho isan’ny iray amin’ny fanomezana tsara indrindran’ny lanitra ho an’ny olombelona” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 208). Tamin’ny alalan’ny fanambarana sy fahitana dia lasa nahatakatra ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo zanany i Joseph Smith amin’ny fomba izay hanova ny fiainan’olona an-tapitrisany maro manerana izao tontolo izao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra misimisy kokoa ny hoe iza ianao ary ahoana izany hoe fahafahana anananao ho tonga andriamanitra izany.

Fizarana 1

Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny momba ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra teo amin’ny fiainako?

Alaivo sary an-tsaina hoe mpikambana vao niova fo tao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny tamin’ny andron’i Joseph Smith ianao. Ny zavatra takatrao momba ny drafitry ny Ray any An-danitra dia tsy ho feno. Raha Kristiana no nitaizàna anao dia mety nino zavatra mitovitovy amin’ireto manaraka ireto ianao: (1) Andriamanitra, Jesoa, ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra tokana, izay tsy manana vatana, rantsam-batana, na fihetsehampo; (2) tsy nisy ny olombelona talohan’ity fiainana ity, ary namboarin’ Andriamanitra avy amin’ny tsy misy izy ireo; ary (3) Andriamanitra dia tsy mety takarina ary tsy takatry ny saina—ny hoe zanany ireo olombelona dia fanoharana fotsiny.

Tamin’ny alalan’ny fanambarana dia lasa nahatakatra ny toetry ny Ray any An-danitra sy ny drafitry ny famonjeny masina i Joseph Smith sy ireo Olomasina tany am-boalohany. Alaivo sary an-tsaina ny mety ho fahatsapan’izy ireo raha nianatra ny momba ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny sasany momba ny drafitry ny Ray any An-danitra izay ankamamiantsika ankehitriny izy ireo.

Betsaka amin’ny fahatakaran’i Joseph momba ny drafitry ny famonjena no avy amin’ny asa nataony tao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fandikana nentanim-panahy ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Raha nandika ny bokin’i Genesisy tamin’ny 1830 ny Mpaminany Joseph dia nianatra izy fa i Mosesy dia nentina tany amina tendrombohitra avo iray ary nampisehoana ny fidadasiky ny velaran’ireo zavatra noharian’ Andriamanitra. Izany fanambarana izany no ilay fantatsika ankehitriny ho ny toko voalohan’ny bokin’i Mosesy ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Ny Tompo dia nilaza tamin’i Mosesy fa zanak’ Andriamanitra izy. Nampianatra fahamarinana manan-danja iray ihany koa mikasika ny tanjon’ny asany Andriamanitra izay hita ao amin’ny Mosesy 1.

Ny antontan-kintan’ny Nébuleuse à bulles
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Mosesy 1:37–39.

Raha niresaka mikasika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izy hoe:

Loholona Robert D. Hales

Io fanomezana ny fiainana mandrakizay io dia mendrika ny hanaovana izay azo atao mba handalinana sy hianarana ary hampiharana ny filazantsara. Hitsangana amin’ny maty ny olombelona rehetra ary handray ny fitahian’ny tsy fahafatesana. Saingy ny fanatratrarana ny fiainana mandrakizay, ilay fiainana izay iainan’ Andriamanitra, dia mendrika ny hiainana ny drafitry ny famonjena amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjatsika rehetra. (Robert D. Hales, “Ny drafitry ny famonjena: Harem-pahalalana masina mba hitarika antsika,” Liahona, ôkt. 2015, 25)

Mariho fa nofaritan’ny Loholona Hales ho ny “fiainana izay iainan’ Andriamanitra” ny fiainana mandrakizay. Diniho hoe midika inona aminao izany hoe ny asan’ny Ray any An-danitra dia ny hamerina anao hiverina indray eo anatrehany mba hahafahanao mianoka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.

Tao amin’ny fanambarana iray voarainy tamin’ny 6 mey 1833 dia noraketin’i Joseph Smith ny hoe: “Niaraka tamin’ Andriamanitra koa ny olombelona tany am-piandohana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:29). Ny dikantenin’ny bokin’i Abrahama nataon’i Joseph, izay navoaka tamin’ny 1842, dia manome fahatakarana lehibe kokoa momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana sy ireo toetra azontsika ahatongavana aorian’ny fahafatesana.

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Abrahama 3:22–26.

I Jesoa mampianatra anjely
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona araka ny hevitrao no fiantraikan’ny fahalalana momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana sy ny tanjon’ny fiainana an-tany teo amin’ireo Olomasina tany am-boalohany? Inona no fiantraikan’izany amin’ireo zavatra eritreretinao sy ireo fanapahan-kevitra raisinao ary ireo zavatra ataonao ankehitriny?

Fizarana 2

Inona no fampianarana momba ny toetran’ Andriamanitra izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith?

I Joseph tao amin’ilay Ala kely, nataon’i Archie D. Shaw

Tamin’ny 1844, volana vitsivitsy monja talohan’ny nahafatesany, dia nandray fitenenana i Joseph Smith tamin’ilay fihaonambe izay ho farany indrindra natrehany. I King Follett namany dia nodimandry vao tsy ela tao anaty loza, ka dia nangataka an’i Joseph ny fianakaviany mba hanao lahateny mandritra ny fivoriam-bavaky ny fandevenana. Nampianatra ny toetoetran’ Andriamanitra sy ny fahafahantsika ho tonga tahaka Azy tamin’ny fomba feno fahasahiana i Joseph. Nanambara i Joseph, tao amin’izany lahateny izay lasa fantatra amin’ny hoe lahateny King Follett izany hoe:

ny Mpaminany Joseph Smith

Tena vitsy ny olombelona ao amin’izao tontolo izao no mahatakatra araka ny tokony ho izy ny toetran’ Andriamanitra. … Raha tsy mahatakatra ny toetran ’Andriamanitra ny olona, dia tsy mahatakatra ny toetrany izy.

Andriamanitra koa dia tahaka antsika izao tany aloha tany, ary olona nisandratra Izy ary mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra ambony any! … Raha toa ka mahita Azy ianareo amin’izao fotoana izao dia hahita Azy tahaka ny endriky ny olona ianareo—tahaka ny endrikareo. …

Rehefa mahatakatra ny toetran’ Andriamanitra isika, ary mahafantatra ny fomba hanatonana Azy, dia hanomboka hanokatra ny lanitra ho antsika Izy, ary hilaza amintsika momba izany. …

… Raha teo anivon’ireo fanahy sy voninahitra Andriamanitra Tenany, satria izy marani-tsaina kokoa, dia nihevitra fa tsara ny hametrahana lalàna izay ahafahan’ny sisa ambiny manana tombontsoa mba hivoatra tahaka azy. Ny fifandraisana izay ananantsika amin’ Andriamanitra dia mamela antsika hivoatra ao anatin’ny fahalalana. …

Izao ary izany ny fiainana mandrakizay—ny mahafantatra an’ilay Andriamanitra izay hany hendry sy marina. Ary mila ianaranareo koa ny fomba hahatongavana ho andriamanitra sy mpanjaka sy mpisorona [ary mpanjakavavy sy mpisoronavavy] ho an’ Andriamanitra, … amin’ny fandehanana avy amin’ny ambaratonga kely iray mankany amin’ny iray hafa, avy amin’ny fahasoavana iray mankamin’ny fahasoavana iray, avy amin’ny fisandratana iray mankamin’ny fisandratana iray. (Teachings: Joseph Smith, 39–40, 210221)

Fanamarihana: Ny lahateny King Follett manontolo dia hita ao amin’ny “Classics in Mormon Thought: The King Follett Sermon,” Ensign, Apr. 1971, 12–17.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Loholona D. Todd Christofferson

Ny tanjon’ Andriamanitra dia ny hahafahantsika zanany hiaina fifaliana sesehena sy hiaraka Aminy mandrakizay ary ho tonga tahaka Azy mihitsy aza. (D. Todd Christofferson, “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko,” Liahona, mey 2011, 97)

sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Valio ao amin’ny diarinao na ao amin’ny toerana natokana hanaovana izany ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no fahamarinana hitanao tao amin’ny lahateny King Follett nataon’i Joseph Smith? Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba fahitanao ny tenanao, ny olona manodidina anao, ary ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra?

Fizarana 3

Ahoana no hahafahako mahazo fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialy?

Alaivo sary an-tsaina hoe mpikambana vao niova fo tao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ianao. Azo inoana mihitsy fa nino tahaka ny ankabetsahan’ny Kristiana tamin’izany fotoana izany ianao hoe rehefa maty ny olona iray dia na izy mankany an-danitra na izy mankany amin’ny afobe. Olona maro tamin’ny andron’i Joseph Smith no nilaza ny tenany ho Kaongregasionalista na Oniversalista. Raha miombona amin’ny fijery “kaongregasionalista” ianao dia nino ianao fa ampahany vitsy kely amin’ny olombelona ihany no ho lasa any an-danitra. Raha nanana fijery “oniversalista” ianao dia mety ho tena nino ianao fa hitondra fanasaziana ihany ho an’ny mpanota Andriamanitra saingy amin’ny farany anefa dia hankany an-danitra daholo ny olombelona rehetra.

tranon’i John Johnson

Ny febroary 1832 dia niaina fahitana izay hanampy antsika hahatakatra tsaratsara kokoa ny momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana i Joseph Smith sy Sidney Rigdon. Ireo lehilahy anankiroa ireo dia nanao ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Testamenta Vaovao tao ambony rihan’ny tranon’i John Johnson ka niato kely izy ireo hisaintsainana ny Jaona 5:29, izay mahakasika ny fitsanganan’ny olo-marina amin’ny maty sy ny fitsanganan’ny ratsy fanahy amin’ny maty. Lehilahy maromaro no tao amin’ilay efitrano niaraka tamin’i Joseph sy Sidney raha niaina ilay fahitana sy namariparitra ny zavatra hitany ireo lehilahy anankiroa. Io fahitana io, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia manampy antsika hahatakatra tsaratsara kokoa ny drafitry ny Ray any An-danitra. Hevero ny hanisy marika fahamarinana avy amin’io fizarana io izay mamelabelatra ny fahatakarantsika ny momba ny fiainana any an-koatra sy manambara ny fanirian’ny Ray any An-danitra hitahy ny zanany rehetra:

sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Mamakia santionany avy amin’ilay fahitana araka ny niraketana azy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:12, 20, 40–42, 50–54, 58, 62, 65, 69–71, 74–76, 79, 81–82, 86, 89–92, 111.

sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona hoy ianao no mety ho fiantraikan’ny fahalalana ao amin’ny fizarana 76 teo aminao raha toa ka olona niova fo tao amin’ny Fiangonana tany am-boalohany ianao? Inona no azontsika ianarana mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’io fahitana io.