“15. Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2024).
“15. Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.
15.
Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara
15.0
Teny fanolorana
Ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara (S&I) dia manampy ny ray aman-dreny sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny fanampiana ny zatovo sy ny tanora hampiorim-paka ny fiovam-pony ho amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Izany dia tontosaina amin’ny alalan’ny fanohanana ny fandalinana mifototra ao an-tokantrano ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona ary ny an’ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana.
Ny fandaharan’asa seminera sy institiota dia fehezin’ireo fitsipika apetraky ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana ato amin’ny Fiangonana. Io filankevi-pitantanana io dia eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana. Ny fiadidian’ny tsatòka no manatanteraka ireo fandaharan’asa ireo ao amin’ny tsatòka sy ireo paroasy. Mijery matetika ny fandraisana anjaran’ny zatovon’izy ireo amin’ny fandaharan’asa seminera sy institiota ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy ny paroasy.
Misy tompon’andraikitra misahana ny S&I tendrena ho an’ny tsatòka tsirairay mba hanampy ireo mpitarika hitantana ny fandaharan’asan’ny S&I.
15.1
Seminera
Ny seminera dia fandaharan’asa maharitra efa-taona izay handalinan’ny zatovo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany. Amin’ny ankapobeny dia 14–18 taona ny mpianatra seminera.
Hatao andavanandro ireo fotoam-pianarana rehefa mandeha ny fianarana any any an-tsekoly. Azo ampifanarahana amin’ny toe-javatra misy eo an-toerana ny isan’ny andro hihaonan’ny kilasin’ny seminera isan-kerinandro. (Jereo ny Safidy amin’ny kilasin’ny seminera raha mila fanazavana fanampiny.) Tokony haharitra eo amin’ny adiny efatra isan-kerinandro eo ireo kilasy na asa ampanaovina an-jotra.
Mamporisika ny zatovo rehetra handray anjara feno amin’ny seminera ny episkôpà sy ireo mpitarika ny zatovo, ary ireo fiadidian’ny kôlejy sy ireo kilasy. Mamporisika ny ray aman-dreny ny episkôpà mba hanoratra ny anaran’ny zanany isan-taona alohan’ny hiantombohan’ireo kilasin’ny seminera. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny Fisoratana anarana ho an’ny Seminera ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Azo atao ny manorina filankevi-pitantanan’ny fampianarana eo an-toerana raha toa ka mifanakaiky sy miatrika olana sy fanamby mitovy ny tsatòka maromaro izay ahitana kilasin’ny seminera (tafiditra ao anatin’izany ny kilasy ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra seminera any an-trano). Jereo ny seminary.ChurchofJesusChrist.org.
15.1.1
Mpampianatra
Ireo mpampianatra seminera dia tokony ho mpikamban’ny Fiangonana izay mino ny Tompo Jesoa Kristy sy manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Tokony hiaina ireo fitsipika ampianariny izy ireo ary hiara-hiasa tsara amin’ny zatovo. Raha azo atao dia tokony hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ireo mpampianatra.
Ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka dia mifampila hevitra amin’ny eveka sy ny mpanara-maso eo anivon’ny tsatòka ary ny tompon’andraikitra misahana ny S&I mikasika ireo azo aroso ho mpampianatra seminera. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay notendrena no miantso sy manokana ary misaotra ireo mpampianatra seminera eo anivon’ny tsatòka sy mpanara-maso eo anivon’ny tsatòka. Rehefa voantso ilay olona ary voatokana dia manofana sy manohana azy ilay tompon’andraikitra misahana ny S&I.
Mba hiarovana ireo mpampianatra sy ny mpianatra dia tokony hisy olon-dehibe roa ao amin’ilay trano na tokantrano izay ampianarana kilasin’ny seminera. Azo atao ny miantso mpampianatra fanampiny na azo atao koa ny manondro olon-dehibe tompon’andraikitra iray hafa hanatrika eo. Mety ho ny vadin’ilay mpampianatra na ny ray na renin’ny mpianatra iray ilay olon-dehibe faharoa. Tokony ho lehilahy na vehivavy tahaka ilay mpampianatra io olona io, raha tsy hoe angaha olon-dehibe iray fianakavian’ilay mpampianatra. Tsy tokony ho irery na oviana na oviana miaraka amin’ny mpianatra iray ny mpampianatra iray raha tsy hoe zanak’ilay mpampianatra ilay mpianatra. Mihatra izany amin’ny toerana rehetra, toy ny any an-dakilasy, na ao anaty trano, na mandritra ny fivoriana amin’ny endrika virtoaly, na ao anaty fiara.
15.1.2
Ireo trano sy fitaovana ary fitaovam-pampianarana
Maka antoka ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy ny paroasy fa misy ny toerana azo ampiasaina ahafahana manatanteraka ny fampianarana seminera toy ny trano fiangonana na tranon’ny mpikambana. Tsy tokony hanofana trano na efitrano hampianarana ny kilasin’ny seminera. Raha mivory ao amin’ny trano fiangonana ireo kilasy dia tokony ho afaka mampiasa ireo fitaovana ao amin’ny trano fitahirizana ireo loharanom-pitaovana ny mpampianatra.
Manome fitaovana ho an’ny mpampianatra sy ny mpianatra ho an’ny kilasy tsirairay ilay tompon’andrakitra misahana ny S&I. Tokony hitondra ny soratra masiny ny mpianatra, na vita printy izany na amin’ny fitaovana elektrônika.
15.1.3
Ireo mpiandraikitra ny kilasy sy ny fiaraha-mientana
Afaka mifidy mpiandraikitra ny kilasy ny mpampianatra seminera, toy ny filoha, filoha lefitra ary mpitantsoratra. Mifandray amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra tsirairay sy ny eveka aloha ilay mpampianatra hahazoana fankatoavana. Tsy tohanana na atokana ireo mpiandraikitra ny kilasy. Afaka manampy ny mpampianatra izy ireo amin’ireo adidy fanao mahazatra ao an-dakilasy ary mamporisika ireo mpianatra hafa hanatrika sy handray anjara.
Ny mpampianatra seminera dia tsy tokony hanao fiaraha-mientana ivelan’ny fotoam-pianarana mahazatra na lavitry ny efitrano fianarana. Ny tranga maningana dia mitaky fankatoavana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana.
15.1.4
Isa tratrarina sy fahavitana fianarana
Afaka mianatra amin’ny fomba mahomby kokoa ireo mpianatra ary afaka mampitombo ny fiovam-pony raha manatrika tsy tapaka ny fotoam-pianarana, sy mandray anjara, ary mandalina ny soratra masina any ivelan’ny kilasy. Rehefa manao ireo zavatra ireo izy ireo dia mahazo ihany koa ny isa tratrarina amin’ny seminera isan-taona ary afaka mamita hatramin’ny farany ny fianarana seminera.
Mety hanana olana ny mpianatra sasany amin’ny fahazoana ny isa tratrarina amin’ny seminera noho ireo olana amin’ny famakian-teny na noho ny antony hafa. Azon’ny mpampianatra amboarina hifanaraka amin’ny filan’ireo mpianatra ireo ny fepetra takina. Afaka mangataka fanamboarana ho an’ny fandaharam-pampianarana iray manontolo ny mpiandraikitra ny S&I. Mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny Birao mpitantana ny S&I ireo fanamboarana ireo.
Mba hahavitana hatramin’ny farany ny seminera dia tsy maintsy mahazo ny isa tratrarina mandritra ny efa-taona ny mpianatra iray ary mahazo fankatoavana avy amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà. Io fankatoavana io dia manamarina fa mendrika ny mpianatra iray ary nanolo-tena hiaina ireo fenitry ny filazantsara.
Manatanteraka lanonana ho an’ny fahavitana seminera ny tsatòka isan-taona. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo no mamolavola ny drafitra hanaovana io hetsika io. Afaka manampy ny tompon’andraikitra misahana ny S&I. Ho fampahalalana fanampiny dia jereo ny Torolalana mikasika ny fotoana fanehoana ny fahavitana fianarana seminera sy institiota.
15.1.5
Fampianarana seminera any an-tsekoly
Any amin’ny faritra sasany any Etazonia sy Kanadà, ny lalàna eo an-toerana dia mamela ny mpianatra handao ny sekoly ka mandeha manatrika seminera mandritra ny ora fianarana. Ny Filankevi-pitantanan’ny Fampianarana ato amin’ny Fiangonana no manome ny fankatoavany any amin’ny toerana izay ampiasana io karazana seminera io. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny Released-Time Seminary (Fampianarana seminera any an-tsekoly) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
15.2
Institiota
Ny institiota dia manolotra kilasy fianarana filazantsara andavan’andro izay mampatanjaka ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka no maka antoka fa azon’ny tanora tokan-tena 18-30 rehetra atrehina ilay institiota.
Ny tanora tokan-tena rehetra dia amporisihina hanatrika ireo kilasin’ny institiota, na mbola mianatra izy ireo na tsia. Afaka manatrika ireo kilasin’ny institiota any amin’ny oniversite izy ireo (raha misy izany). Afaka manatrika ireo kilasin’ny institiota an-jotra na ireo kilasy eny anivon’ny tsatòka koa izy ireo.
Jereo ny Institiota eo anivon’ny tsatòka raha mila torolalana momba ireto manaraka ireto:
-
Manangana sy mampandeha ireo kilasin’ny institiota eny amin’ny tsatòka
-
Manomana ireo toerana
-
Miantso mpampianatra
-
Mankasitraka ny fahombiazan’ny mpianatra
15.2.1
Ireo kilasy hafa fianarana ny filazantsara
Mety maniry ny hanolotra kilasy fianarana ny filazantsara ho an’ny olon-dehibe 31 taona no ho miakatra ireo fiadidian’ny tsatòka. Tsy anjara asa sahanin’ny S&I ireny kilasy ireny ary tsy antsoina hoe kilasin’ny institiota. Azo ampiasaina amin’ireo anefa ireo lesona amin’ny fandaharam-pampianaran’ny institiota.
15.3
Ireo sekolin’ny Fiangonana sy ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana
Ho fampahalalana mikasika ireo sekoly ambaratonga voalohany sy faharoan’ny Fiangonana, ny BYU–Pathway Worldwide, ary ireo ivontoeram-pampianarana ambaratonga ambony, dia jereo ny CES.ChurchofJesusChrist.org. Omena ao koa ny fampahalalana momba ny famitana fankatoavana omen’ny mpitarika ho an’ny mpianatra hahafahana mianatra any amin’ireo sekoly ireo.
Ankoatra izay, ny fampahalalana momba ny fanomezan-dalana avy amin’ny mpitarika momba ny asa amin’ny alalan’ny birao misahana ny fanomezan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny DFF dia azo jerena ao amin’ny help.ChurchofJesusChrist.org.