Boky torolalana sy antso
Famintinana ireo fanavaozana farany


“Famintinana ireo fanavaozana farany,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2024).

“Famintinana ireo fanavaozana farany,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Famintinana ireo fanavaozana farany

Mey 2024

Toko 6: Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka

  • 6.2.1.1. Fisoronana Melkizedeka (nofafana ny filazana momba ny fivorian’ny kôlejin’ny mpisorona avo ao amin’ny tsatòka, izay tsy hatao intsony)

  • 6.8. Tompon’andraikitra manokana eo anivon’ny tsatòka (nampiana mpandrindra ny fandikan-teny ao amin’ny lisitr’ireo mety ho tompon’andraikitra manokana eo anivon’ny tsatòka)

Toko 10: Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna

  • 10.3. Episkôpà (novaina ho “tanora vao misondrotra” ny hoe “zatovolahy sy zatovovavy” [jereo ny 7.1])

Toko 11: Ny Zatovovavy

  • 11.3.1. Episkôpà (novaina ho “tanora vao misondrotra” ny hoe “zatovolahy sy zatovovavy” [jereo ny 7.1])

Toko 12: Ny Kilonga

  • 12.1. Tanjona sy firafitra (tanjon’ny Kilonga nohavaozina)

  • 12.1.2. Fanevan’ny Kilonga (nafindra ao amin’ny 12.3.5 ny andiam-pehezanteny voalohany)

  • 12.1.3. Zaza madinika (fizarana nafindra avy tao amin’ny 12.1.5; aseho ny laharana vaovaon’ny fizarana; nomena laharana vaovao ireo fizarana manaraka ao amin’ny 12.1)

  • 12.1.4. Kilasy (aseho ny laharana vaovaon’ny fizarana; nampiana andiam-pehezanteny iray manazava ny fandaharam-pampianarana ampiasaina ao amin’ireo kilasin’ny Kilonga)

  • 12.1.6. Fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo (fizarana vaovao; fampahalalana nafindra avy tao amin’ny 12.2.1.2)

  • 12.1.7. Fivoriana fiomanana ho amin’ny tempoly sy ny fisoronana (fizarana vaovao; fampahalalana nafindra avy tao amin’ny 12.2.1.2)

  • 12.2.1.2. Fianarana ny Filazantsara (nafindra ho ao amin’ny 12.1.6 ny “Fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo” ary ho ao amin’ny 12.1.7 ny “Fivoriana fiomanana ho amin’ny tempoly sy ny fisoronana”)

  • 12.2.1.3. Asa fanompoana sy fiaraha-mientana (notsorina ireo tanjon’ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana)

  • 12.3.3. Mpitantsoratra (nohavaozina ny fanoratra ireo teboka misongadina momba ny ankizy efa tokony hisondrotra avy ao amin’ny Kilonga)

  • 12.3.5. Ireo mpampianatra sy ireo mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika (nampiana ilay andiam-pehezanteny voalohany izay tao amin’ny 12.1.2 teo aloha; fandaharam-pampianarana ho an’ny Kilonga nohazavaina)

Toko 13: Sekoly Alahady

  • 13.2.2.2. Andraikitra (fampahalalana nohavaozina momba ny firaketana ny mpanatrika Sekoly Alahady)

  • 13.5. Fampivoarana ny fianarana sy ny fampianarana ao amin’ny tokantrano (fampahalalana nohavaozina momba ny fivoriana filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny)

Toko 15: Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara

  • Nasiam-panovana ny Toko 15 mba hampihenana ny halehiben’ny toko.

Toko 16: Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

  • Nasiam-panovana ny toko 16 mba hampihenana ny halehiben’ny toko.

Toko 17: Fampianarana ny filazantsara

  • 17.4. Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra (nafindra any amin’ny 17.5 ny andiam-pehezan-teny momba ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny)

  • 17.5. Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny (fizarana vaovao)

Toko 18: Fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana

  • 18.7.2. Ireo fotoam-bavaka amin’ny batisa (drafitra amin’ny fandraisana ho mpikambana ireo niova fo nohazavaina)

  • 18.8. Fandraisana ho mpikambana sy fanomezana ny Fanahy Masina (nohazavaina fa ny eveka no mihazona ireo fanalahidy amin’ny fandraisana ho mpikambana ireo ankizy 8 taona izay ao anaty rejisitra ihany; fiteny nohavaozina mba hamela ireo niova fo ho raisina ho mpikambana na mandritra ny fotoam-bavaka amin’ny batisa na mandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo)

Toko 20: Fiaraha-mientana

  • 20.5.5. Ireo fiaraha-mientana atao amin’ny alina (fanazavana ireo fitsipika momba ny fandrindrana ny trano mandritra ny alina)

  • 20.7.7. Dia (fitsipika nohavaozina momba ny dia lavitra)

Toko 22. Manome ireo zavatra ilaina ara-batana ary manorina fizakan-tena

  • Nasiam-panovana ny toko 22 mba hampihenana ny halehiben’ny toko.

  • 22.3.4. Manompo ireo izay mila fanampiana ara-pihetseham-po (fanovozan-kevitra fanampiny ho an’ilay loharanom-panampiana an’ny Fiangonana Healing through the Savior: The Addiction Recovery Program)

  • 22.10.1. Loharanom-panampiana arindran’ny tsatòka (fanovozan-kevitra fanampiny ho an’ny Healing through the Savior: The Addiction Recovery Program)

Toko 23. Mizara ny filazantsara sy manamafy orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika

  • 23.1. Zarao ny filazantsara (nampiana horonan-tsary “Simple Ways to Love, Share, and Invite”)

  • 23.1.3. Manasà (nofafana ny horonan-tsary telo, izay nosoloina horonan-tsary vaovao ao amin’ny 23.1; nampiana andiam-pehezanteny vaovao mifandray amin’ny “Miraisa hina amin’ny mpikambana” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, sy manasa ny hafa, ary mizara ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana)

  • 23.4. Fanatanterahana fivoriana fandrindrana isan-kerinandro (nafindra ny fizarana avy ao amin’ny 23.5.7; nomena laharana vaovao ireo fizarana manaraka; nasiana fanovana ireo lohateny sy fizarana; nampiana horonan-tsary)

  • 23.6.3. Ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy (aseho ny laharan’ny fizarana vaovao; teboka 5 nasiana fanovana)

  • 23.6.5. Filankevitry ny paroasy sy Filankevitry ny zatovon’ny paroasy (aseho ny laharan’ny fizarana vaovao; lisitr’ireo loharanom-pitaovana nasiana fanovana)

  • 23.5.7. Fivoriana fandrindrana (nofafana; nafindra ao amin’ny 23.4 ny fizarana)

Toko 24: Fandefasana fangatahana hanao asa fitoriana sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana

  • 24.2.2. Misiônera tanora manao asa fanompoana (ireo misiônera manao asa fanompoana dia manompo eo ambany fitarihan’ny filohan’ny misiôna ankehitriny, miaraka amin’ny fanohanana akaiky ataon’ireo mpitarika eo anivon’ny misiôna misahana asa fanompoana sy ny filohan’ny tsatòka)

  • 24.2.4. Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana (tsy “manome” asa anendrena intsony ny filohan’ny tsatòka fa “manome fankatoavana”)

  • 24.2.5. Famintinana ireo asa anendrena ireo misiônera (nohazavaina fa ireo misiônera tanora manao asa fanompoana dia manao tatitra amin’ny filohan’ny misiôna, amin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny misiôna misahana asa fanompoana)

  • 24.3.2.1. Fibebahana (nampiana fanazavana fa afaka maka hevitra any amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny halavan’ny fotoana ilaina hibebahana)

  • 24.3.4.2. Fiantohana ara-bola ireo misiônera zokiolona manompo lavitry ny fonenany (fampahalalana nohazavaina mikasika ny sandam-bola atao anjara biriky ho an’ny trano ipetrahana sy ny fandaniam-bola fanampiny)

  • 24.3.5. Anjara asan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika amin’ny fanomanana misiônera (fanovozan-kevitra fanampiny ho an’ny Adjusting to Missionary Life (Manova ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny fomba fiainan’ny misiônera) sy ny fizarana “Ampiasao amim-pahamarinana ny teknôlôjia” ao amin’ny toko 2 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako)

  • 24.4.3. Fandefasana ireo fangatahana hanao asa fitoriana (novaina ny fotoana ahafahan’ny filohan’ny tsatòka mandefa fangatahana hanao asa fitoriana izay 120 andro mialohan’ny ahafahan’ilay mpilatsaka ho misiônera manomboka ho lasa 150 andro; teboka 3 nohazavaina)

  • 24.4.4. Ireo izay tsy afaka manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno (nampiana fampahalalana ny fomba ahafahana mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera)

  • 24.5.1. Fanafiana masina any amin’ny tempoly sy ny fanompoana any amin’ny tempoly (nampiana teny famporisihana ireo misiônera vao nandray antso mba handeha ho any amin’ny tempoly matetika araka izay ahafahana manao izany)

  • 24.7.1. Mamantatra ireo sehatra ahafahana mampiasa misiônera misahana asa fanompoana (nohazavaina fa ireo mpitarika ao amin’ny misiôna misahana asa fanompoana dia mamantatra fahafahana azon’ireo tanora misiônera manao asa fanompoana araraotina; lisitra nohavaozina ahitana ireo ohatrana fahafahana azon’ireo misiônera manao asa fanompoana araraotina)

  • 24.7.2. Trano ipetrahana sy fitaterana (torolalana momba ny trano ipetrahana nohazavaina)

  • 24.7.3. Fiofanana sy fanaraha-maso (nampiana fampahalalana momba ireo anjara asan’ny filohan’ny tsatòka, ny filohan’ny misiôna sy ny vadiny, ary ireo mpitarika ao amin’ny misiôna misahana asa fanompoana)

  • 24.7.5. Famaranana ny asa fanompoana ao amin’ny asa fitoriana (fizarana nasiana fanovana sy nitarina)

  • 24.9.3. Fampahalalana ny fomba ahafahana mifandray (nasiana fanovana ny lohateny; nampiana fampahalalana ny fomba ahafahana mifandray amin’ny Birao misahana ny asa fanompoana ao amin’ny asa fitoriana)

Toko 26: Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  • 26.3.3.1. Fanontaniana apetraka mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (Fanontaniana mikasika ny fanaovana ny garmentan’ny tempoly nahitsy)

  • 26.3.3.2. Fanaovana ny garmentan’ny tempoly (fanambarana nasiam-panovana mikasika ny fanaovana ny garmenta)

Toko 27: Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny velona

  • 27.4.4. Iza no afaka manatrika ny famehezana zanaka mbola velona amin’ireo ray aman-dreny (nampiana fanazavana ny andiam-pehezanteny farany)

Toko 29: Ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana

  • 29.2.1.4. Fisafidianana izay handaha-teny (nampidirina eo anivon’ireo izay afaka mandaha-teny mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny ankizy)

  • 29.3.5. Ny fivorian’ny kôlejin’ny mpisorona avo ao amin’ny tsatòka (nofafana satria tsy hisy intsony ilay fivoriana; nomena laharana vaovao ireo fizarana manaraka)

  • 29.7. Fampitana an-tsary ireo fivoriana sy fanaovana fivoriana amin’ny alalan’ny visioconférence (torolalana nohavaozina mba hamelana ny mpikambana hitahiry tahadikan’ny fampitana an-tsary ny fanambadiana na fotoam-pandevenana)

  • 29.9. Fandikan-teny ho an’ireo fivoriana (fizarana vaovao)

Toko 30: Ireo antso ao amin’ny Fiangonana

  • 30.8.1. Ireo antso ao amin’ny paroasy (nampiana “mpandika teny”)

  • 30.8.3. Ireo antso ao amin’ny tsatòka (nampiana “mpandrindra ny fandikan-teny eo anivon’ny tsatòka”)

Toko 32: Fibebahana sy ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana

  • 32.8.2. Manampy olona hamaha ny olana eo amin’ny fiankinan-doha sy ny fampiasana pôrnôgrafia (fanovozan-kevitra fanampiny ho an’ilay loharanom-panampiana an’ny Fiangonana Healing through the Savior: The Addiction Recovery Program; ny fandaharan’asa ôfisialin’ny Fiangonana ihany no tokony hotohanana na hotanterahina ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana)

  • 32.16.1 Filankevitra mandinika ny maha-mpikambana hanalana ny famerana ireo zo amin’ny fomba ôfisialy na famerenana olona (loharanom-pitaovana nampifandraisina tamin’ny 32.6.3.2 nampiana tao amin’ny zavatra 9f)

Toko 33: Rejisitra sy tatitra

  • Nasiam-panovana ny toko 33 mba hampihenana ny halehiben’ny toko.

Toko 36: Fananganana sy fanovana ary fanomezana anarana rantsana vaovao

  • 36.1. Fananganana na fanovana tsatòka sy distrika (zavatra takina farafahakeliny nohavaozina)

  • 36.2. Fananganana na fanovana paroasy sy sampana ao anatina tsatòka (zavatra takina farafahakeliny nohavaozina)

Toko 37: Tsatòka sy paroasy ary sampana ho an’ny sokajin’olona manokana

  • 37.1. Paroasy sy sampana miteny amin’ny fiteny hafa (zavatra takina farafahakeliny nohavaozina)

  • 37.2. Paroasy sy sampana ho an’ny tanora tokan-tena ao anatin’ny tsatòka mahazatra misy azy ireo (zavatra takina farafahakeliny nohavaozina)

  • 37.3. Ireo tsatòka ho an’ny tanora tokan-tena sy ireo paroasy sy sampana ao anatiny (zavatra takiana farafahakeliny nohavaozina)

  • 37.4. Tsatòka sy paroasy ho an’ny mpianatra manambady (zavatra takina farafahakeliny nohavaozina)

  • 37.5. Paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena (zavatra takina farafahakeliny nohavaozina)

Toko 38. Ireo fitsipika sy torolalan’ny Fiangonana

  • 38.4.1.3. Famehezana ny mpikambana mbola velona aorian’ny nahafatesan’ny vadiny (nohazavaina fa ny lehilahy velona iray dia azo fehezina amin’ny vehivavy vadiny iray efa maty “raha toa ka tsy mbola nofehezina tamin’ny lehilahy iray hafa io vehivavy io”)

  • 38.4.1.7. Famehezana olona efa maty (nohazavaina fa ny lehilahy iray efa maty dia azo fehezina amin’ny vehivavy mbola velona izay nalainy ho vady raha toa ka “tsy mbola manambady izy ankehitriny”)

  • 38.5.4. Fanjairana ny akanjon’ny tempoly (nasiana fanovana ny lohateny; tsy afaka manjaitra ny aron’akanjony manokana fanao any amin’ny tempoly intsony ny mpikambana)

  • 38.5.5. Fanaovana ny garmenta (fanambarana nasiam-panovana mikasika ny fanaovana ny garmenta)

  • 38.6.9. Fitsaboana ny fahafaha-miteraka (nampiana loharanon-kevitra mifandray amin’ny 38.4.2.6 ho an’ny fampahalalana momba ny famehezana ny zanaka azo avy amin’ny insémination artificielle na fertilisation in vitro)

  • 38.9.1. Mpitarika eo amin’ny fifandraisana amin’ny miaramila eo anivon’ny tsatòka (nampiana fampahalalana mikasika ny fiantsoana mpiandraikitra ny fifandraisana amin’ny miaramila)

  • 38.9.3. Fanofanana alohan’ny hirotsahana ho miaramila (nasiana fanovana ny lohateny; fampahalalana momba ity fanofanana ity nohavaozina)

Hamoaka printy