“18. Fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2024).
“18. Fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.
18.
Fanatanterahana ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana
18.0
Teny fanolorana
Asa masina tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana ary atao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ireo ôrdônansy sy ny fitsofan-drano. Rehefa manatanteraka ôrdônansy sy fitsofan-drano ireo mpihazona fisoronana dia manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny fitahiana ny hafa. Manome fahafahana hahazo ny herin’ Andriamanitra ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20).
Ireo ôrdônansy sy fitsofan-drano dia tokony hotanterahina amin’ny finoana ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Maka antoka ireo mpitarika fa tanterahina miaraka amin’ny fanomezan-dalana mifanandrify aminy izy ireo (rehefa ilaina izany), amin’ny fahefan’ny fisoronana izay takina amin’izany, amin’ny fomba mety, ary tanterahin’ny mpandray anjara mendrika (jereo ny 18.3).
Raha te hahalala ireo fitsipika mikasika ny ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana dia jereo ny 38.2.
18.1
Ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana
Ny fisoronana dia ahitana ny fahefana hitantanana ireo ôrdônansin’ny filazantsara izay ilaina ho an’ny famonjena sy ny fisandratana. Manao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra ny olona eo am-pandraisany ireo ôrdônansy ireo. Voatanisa eto ambany ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana:
-
Batisa
-
Fandraisana ho mpikambana sy fanomezana ny Fanahy Masina
-
Fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka sy fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray (ho an’ny lehilahy)
-
Ny fanafiana masina any amin’ny tempoly
-
Ny famehezana any amin’ny tempoly
Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanatanterahana ireo ôrdônansy ireo ho an’ireo olona manana fahasembanana ara-tsaina dia jereo izao manaraka izao:
-
Ho an’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana (38.2.8.1)
-
Ho an’ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka (38.2.9.7)
-
Ho an’ny fanafiana masina sy ny famehezana any amin’ny tempoly (27.2.1.3 sy ny 27.3.1.2
Raha maty alohan’ny faha-8 taonany ny ankizy iray teraka tao anatin’ny fanekempihavanana dia tsy misy ôrdônansy ilaina atao na tanterahina. Raha tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana ilay ankizy dia ny famehezana azy amin’ny ray aman-dreniny ihany no ôrdônansy ilainy. Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, ny ankizy rehetra maty alohan’ny faha-8 taonany dia “voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10; jereo koa ny Môrônia 8:8–12).
18.2
Ireo ôrdônansy sy fitsofan-drano hafa
Ireo ôrdônansy sy fitsofan-drano hafa dia ahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra mandray ny heriny, sy ny fanasitranany, sy ny fampiononany, ary ny fitarihany. Voatanisa eto ambany ireo ôrdônansy sy fitsofan-drano ireo:
-
Fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza
-
Ny fanasan’ny Tompo
-
Ny fanomezana ny Fisoronana Aharôna sy fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray (ho an’ny zatovolahy sy ny lehilahy feno taona)
-
Ny fanokanana mpikambana hanompo amin’ny antso
-
Ny fanamasinana menaka
-
Ny fanasitranana marary
-
Tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra, anisan’izany ny tsodrano ataon’ny raim-pianakaviana
-
Ny fanokanana trano
-
Ny fanokanana fasana
-
Ny tsodranon’ny patriarika ataon’ireo patriarika voatendry
18.3
Fandraisana anjara amin’ny ôrdônansy na fitsofan-drano
Ireo izay manatanteraka na mandray anjara amin’ny ôrdônansy na fitsofan-drano dia tsy maintsy manana ny fahefan’ny fisoronana ilaina amin’izany ary mendrika. Amin’ny ankapobeny, ny fenitry ny fahamendrehana dia ilay fenitry ny fihazonana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Kanefa, rehefa tarihin’ny Fanahy sy ireo torolalana ato amin’ity toko ity, dia azon’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka atao ny mamela ireo raim-pianakaviana na vady izay mihazona ny anjara fanompoana ilaina ao amin’ny fisoronana hanatanteraka na handray anjara amin’ny ôrdônansy sy fitsofan-drano sasantsasany na dia tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza izy ireo. Ny mpihazona fisoronana izay nanao fahotana goavana kanefa tsy nibebahana dia tsy tokony handray anjara.
Amin’ny ankapobeny dia ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy mpihazona fisoronana hafa izay havana akaiky sy namana akaiky ihany no mandray anjara amin’ny ôrdônansy na fitsofan-drano.
Miara-midinika ilay olona handray ilay ôrdônansy sy ireo olona ao amin’ny fianakaviana ary ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hanapahana hevitra mikasika an’izay olona handray anjara sy ny isan’izy ireo. Tokony horaisina mialoha lavitra an’ilay fotoana hanatanterahana ilay ôrdônansy ny fanapahan-kevitra.
Raha mpihazona fisoronana iray na roa ihany no mandray anjara, dia samy mametraka moramora ny tanany roa eo ambony lohan’ilay olona izy ireo. Raha maro no mandray anjara dia mijoro manao faribolana manodidina ilay olona mandray ilay ôrdônansy na fitsofan-drano izy ireo. Samy mametraka moramora ny tanany havanana eo ambony lohan’ilay olona izy tsirairay (na eo ambanin’ilay zazakely) ary ny tanan’izy ireo havia dia mipetraka eo ambonin’ny sorok’ilay rahalahy eo an-kaviany. Ny iray amin’izy ireo no mitondra teny manatanteraka ilay ôrdônansy na manome ilay tsodrano.
Ny fanatanterahana na ny fandraisana ôrdônansy sy fitsofan-drano sasany dia mitaky fankatoavana avy amin’ny mpitarika mpiahy iray izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ilaina amin’izany (jereo ny 3.4.1). Raha ilaina dia afaka manome fankatoavana ny mpanolotsaina iray izay omeny fahazoan-dalana. Jereo ireto tabilao manaraka ireto. Ny firesahana momba ny filohan’ny tsatòka dia mihatra ihany koa amin’ny filohan’ny misiôna. Ny firesahana momba ny eveka dia mihatra ihany koa amin’ny filohan’ny sampana.
Iza avy ireo mpitarika mihazona fanalahidy afaka manome fankatoavana hanatanterahana na handraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana?
Ôrdônansy |
Ny olona mihazona ny fanalahidy |
---|---|
Ôrdônansy Batisa | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka (ho an’ireo ankizy 8 taona sy ireo mpikambana 9 taona no ho miakatra voarakitra ao anaty rejisitra ka nahemotra ny batisany noho ny fahasembanana ara-tsaina) Filohan’ny misiôna (ho an’ireo niova fo) |
Ôrdônansy Fandraisana ho mpikambana sy fanomezana ny Fanahy Masina | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka (ho an’ireo ankizy 8 taona sy ireo mpikambana 9 taona no ho miakatra voarakitra ao anaty rejisitra ka nahemotra ny batisany noho ny fahasembanana ara-tsaina) Filohan’ny misiôna (ho an’ireo niova fo) |
Ôrdônansy Fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka sy fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray (ho an’ny lehilahy) | Ny olona mihazona ny fanalahidy Filohan’ny tsatòka |
Ôrdônansy Fanafiana masina any amin’ny tempoly | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka sy filohan’ny tsatòka |
Ôrdônansy Famehezana any amin’ny tempoly | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka sy filohan’ny tsatòka |
Iza avy ireo mpitarika mihazona fanalahidy afaka manome fankatoavana hanatanterahana na handraisana ôrdônansy sy fitsofan-drano hafa?
Ôrdônansy na fitsofan-drano |
Ny olona mihazona ny fanalahidy |
---|---|
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanomezana anarana sy fitsofan-drano zaza | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanasan’ny Tompo | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanomezana ny Fisoronana Aharôna sy fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray (ho an’ny zatovolahy sy ny lehilahy feno taona) | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanokanana mpikambana hanompo amin’ny antso | Ny olona mihazona ny fanalahidy Jereo ny 30.8 |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanamasinana menaka | Ny olona mihazona ny fanalahidy Tsy ilàna fankatoavana |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanasitranana marary | Ny olona mihazona ny fanalahidy Tsy ilàna fankatoavana |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra, anisan’izany ny tsodrano ataon’ny raim-pianakaviana | Ny olona mihazona ny fanalahidy Tsy ilàna fankatoavana |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanokanana trano | Ny olona mihazona ny fanalahidy Tsy ilàna fankatoavana |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Fanokanana fasana | Ny olona mihazona ny fanalahidy Ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana izay miahy ilay fotoam-bavaka |
Ôrdônansy na fitsofan-drano Tsodranon’ny patriarika | Ny olona mihazona ny fanalahidy Eveka |
18.4
Ôrdônansy ho an’ny ankizy tsy ampy taona
Omena ao amin’ireo fizarana voatanisa etsy ambany ireo toromarika amin’ny fahazoana fanomezan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka mba handraisan’ny ankizy tsy ampy taona ireto ôrdônansy sy fitsofan-drano manaraka ireto:
-
Ho an’ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza: 38.2.7.2 sy 38.2.7.3
-
Ho an’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana: 38.2.8.2
-
Ho an’ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana: 38.2.9.2
Ho an’ireo fanontaniana momba ny zo araka ny lalàna ananan’ireo ray aman-dreny na mpiantoka, dia mikatsaka torohevitra momba ny lalàna avy amin’ny Biraon’ny filan-kevitra faobe an’ny Fiangonana na avy amin’ny biraon’ny vondromparitra ny eveka na ny filohan’ny tsatòka (jereo ny 38.8.23).
18.5
Ireo ôrdônansy tanterahina ho an’ny olona manana fahasembanana na tanterahin’ny olona toy izany
18.6
Fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza
“Ny mpikambana tsirairay amin’ny fiangonan’i Kristy izay manan-janaka dia tokony hitondra azy eo anoloan’ny fiangonana, amin’ireo loholona izay hametra-tanana aminy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy ka hitso-drano azy amin’ny anarany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:70).
Raha ny mahazatra dia mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona ao amin’ny paroasy izay honenan’ireo ray aman-dreniny no omena anarana sy tsofina rano ny zaza. Marina izany na nivady na tsia ny ray aman-drenin’ilay zaza. Raha tsy miara-mipetraka ireo ray aman-dreny dia mazàna ilay ôrdônansy no tanterahina ao amin’ny paroasy izay tena ipetrahan’ilay zaza.
Tsy maintsy ankatoavin’ny eveka ireo tranga maningana amin’ny fotoana sy ny toerana mahazatra hanaovana ny fitsofan-drano ny zaza. Isan’ny tranga maningana mety hiseho ny fitsofan-drano tsy amin’ny alahady fifadian-kanina, indrindra fa any amin’ireo paroasy misy zaza vao teraka maro; ny fitsofan-drano any amin’ny paroasy iray hafa izay misy ny toeram-ponenan’ny ray aman-dreniben’ilay zaza na ny ankamaroan’ny fianakaviany. Afaka manome lalana ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka koa ny eveka mba hitsodrano ilay zaza any an-tranony. Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no mitarika izany.
Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanomezana anarana sy ny fitsofan-drano ny zaza ao anatina toe-javatra manokana dia jereo ny 38.2.7.
18.6.1
Ny olona manome ilay tsodrano
Ny ôrdônansy fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza iray dia tanterahin’ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka, mifanaraka tsara amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:70. Mampahafantatra an’ireo mpikambana mikasika izany ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mialoha ny hanomezana anarana sy hitsofan-drano ny zanak’izy ireo. Tokony hanao ny ezaka rehetra ireo mpitarika hisorohana ny hahamenatra na ny hanafintohina olona na ireo fianakaviana.
Olona iray na fianakaviana izay maniry ny handraisan’ny zaza iray anarana sy fitsofan-drano no mandrindra ilay ôrdônansy miaraka amin’ny eveka. Izy no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana hanaovana ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza ao amin’ny paroasy.
Azon’ny eveka atao ny mamela ny raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka hanome anarana sy hitsodrano ny zanany na dia mbola tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza ilay rainy (jereo ny 18.3). Mamporisika ireo raim-pianakaviana ny eveka hiomana hanome tsodrano ny zanak’izy ireo.
Mba hahafahany mitondra ny teny mandritra ny fitsofan-drano ny zaza iray dia tsy maintsy mampiseho fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery amin’ny mpitarika mpiahy ny olona iray izay ivelan’ny paroasiny. Na azony atao koa ny mampiseho Recommend to Perform an Ordinance (Fahazoan-dalana hanatanteraka ôrdônansy) voasonian’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.
18.6.2
Torolalana
Eo ambany fitarihan’ny episkôpà, no hivondronan’ireo mpihazona Fisoronana Melkizedeka manao faribolana hanome anarana sy hitsodrano zaza. Mametraka ny tanany ao ambanin’ilay zaza izy ireo, na mametraka moramora ny tanany eo ambony lohan’ny zaza iray efa lehibe kokoa. Aorian’izay ilay olona izay mitondra fitenenana dia:
-
Miresaka amin’ny Ray any An-danitra toy ny amin’ny vavaka.
-
Manambara fa tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka ilay fitsofan-drano.
-
Manome anarana ilay zaza.
-
Miresaka amin’ilay zaza.
-
Manome tsodrano ilay zaza araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.6.3
Child Record Form and Blessing Certificate (Taratasy firaketana ny anaran’ny zaza sy fanamarinana ny fitsofan-drano)
Mialoha ny hitsofan-drano ny zaza iray dia mampiasa ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ny mpitamboky mba hanomanana ny Taratasy firaketana ny anaran’ny zaza. Aorian’ilay fitsofan-drano dia mamorona ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ao amin’io rafitra io izy ary manomana Certificat de bénédiction (Fanamarinana ny fitsofan-drano). Soniavin’ny eveka io taratasy fanamarinana io ary omena ny ray aman-drenin’ilay zaza na ny mpiantoka azy.
Ny anarana eo amin’ilay firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana sy ilay taratasy fanamarinana dia tokony hitovy amin’ny anarana ao amin’ny kôpia nahaterahana, na ny rejisitry ny sora-piankohonana, na ny anarana ara-dalàna entin’ilay zaza ankehitriny.
18.7
Batisa
Ny batisa asitrika ao anaty rano izay ataon’ny olona iray manana fahefana dia ilaina mba hahafahan’ny olona iray ho tonga mpikamban’ny Fiangonana sy handray ny Fanahy Masina. Ireo rehetra izay mikatsaka ny fisandratana dia tsy maintsy manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansy ireo. (Jereo ny Matio 3:13–17; Jaona 3:3–7; Asan’ny Apostoly 2:37–38; 2 Nefia 31:5–21.)
Ho fampahalalana momba ny fanaovana batisa ao anatina toe-javatra manokana dia jereo ny 38.2.8.
18.7.1
Fankatoavana ho an’ny olona iray hatao batisa sy raisina ho mpikambana
18.7.1.1
Ireo ankizy mpikambana voarakitra ao anaty rejisitra
Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanaovana batisa ireo ankizy 8 taona izay mpikambana voarakitra ao anaty rejisitra ao amin’ny paroasy iray. Ireo ankizy ireo dia tokony hatao batisa sy raisina ho mpikambana amin’ny tsingerin-taona mahafeno 8 taona azy na fotoana fohy aorian’izany araka izay mety (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:27). Ireo dia ankizy efa voarakitra ao anatin’ny rejisitry ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonana (jereo ny 33.6.2). Rehefa feno 8 taona izy ireo dia ataon’ny eveka izay hahazoan’izy ireo ny fahafahana rehetra manaiky ny filazantsara sy hatao batisa ary horaisina ho mpikambana.
Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ny olona izay manana fahasembanana ara-tsaina dia jereo ny 38.2.4 sy ny 38.2.8.1.
Manao tafa sy dinika amin’ireo ankizy voarakitra ao anaty rejisitra ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatendry. Misy torolalana nomena ao amin’ny 31.2.3.1.
Ho fampahalalana momba ny famenoana ny Firaketana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, dia jereo ny 18.8.3.
Ireo eveka dia mijery akaiky ireo ankizy 7 taona ao amin’ny paroasy mba hakana antoka fa manampy azy ireo hiomana ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ireo ray aman-dreniny sy ireo mpitarika sy mpampianatra azy ireo ao amin’ny Kilonga ary ireo olona izay manompo ny fianakaviany. Ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia mamporisika ihany koa ireo ray aman-dreny hanomana ny zanany ho amin’ireo ôrdônansy ireo.
18.7.1.2
Ireo olona niova fo
Ny filohan’ny misiôna no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanaovana batisa ireo olona niova fo ao amin’ny misiôna. Noho izany antony izany, ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno no manao dinidinika an’ireo olona niova fo mba hirosoana amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Misy torolalana nomena ao amin’ny 31.2.3.2.
Ho fampahalalana momba ny famenoana ny Firaketana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, dia jereo ny 18.8.3
18.7.1.3
Zanaka izay tsy nivady ny ray aman-dreniny (tafiditra ao anatin’izany ny ray aman-dreny izay nisara-panambadiana)
Raha te hahazo torolalana momba ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ireo zaza tsy ampy taona, dia jereo ny 38.2.8.2
18.7.2
Ireo fotoam-bavaka amin’ny batisa
Ny fotoam-bavaka amin’ny batisa dia tokony ho tsotra, fohy, ary manandratra ny ara-panahy. Ireto manaraka ireto no mety ho hita ao anatin’izany:
-
Feon-kira alohan’ny fivoriana
-
Fiarahabana fohy ataon’ilay rahalahy izay mitarika ilay fotoam-bavaka
-
Hira sy vavaka fanombohana
-
Hafatra fohy iray na roa mikasika ireo lohahevitra ao amin’ny filazantsara, toy ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina
-
Hira iray nofidiana manokana
-
Ilay batisa
-
Fotoana hanehoana fanajana amim-pahanginana raha mbola misolo akanjo ireo olona nandray anjara tamin’ny batisa (azo atao ny mitendry na mihira fihirana na hiran’ny ankizy mandritra io fotoana io)
-
Fandraisana ho mpikambana an’ireo mpikambana 8 taona izay voarakitra ao anaty rejisitra; fandraisana ho mpikambana an’ireo olona niova fo (jereo ny 18.8)
-
Fijoroana ho vavolombelona ataon’ireo olona vaovao niova fo, raha maniry ny hanao izany izy ireo.
-
Hira sy vavaka famaranana
-
Feon-kira aorian’ny fivoriana
Rehefa miomana ny hatao batisa ny ankizy iray voarakitra ao anaty rejisitra dia mifampidinika amin’ny fianakaviana ny episkôpà sy ny fiadidian’ny Kilonga mba hanomana sy handamina fotoana hanaovana fotoam-bavaka amin’ny batisa. Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no mitarika ilay fivoriana. Raha ankizy mihoatra ny iray no hatao batisa ao anatin’ny volana iray dia azo atambatra ny fotoam-bavaka amin’ny batisa ho azy ireo.
Ao amin’ireo tsatòka ahitana ankizy maro voarakitra ao anaty rejisitra, dia azo atambatra ny fotoam-bavaka amin’ny batisa ho an’ireo ankizy avy ao amina paroasy maromaro. Amin’ny tranga toy izany dia mifampidinika amin’ny fianakavian’ireo ankizy hatao batisa ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny fiadidian’ny Kilongan’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo mba hanomana sy handamina ny fotoana hanaovana ny fotoam-bavaka amin’ny batisa. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatendry hanao izany no mitarika ilay fivoriana. Afaka mivory mitokana ireo paroasy na fianakaviana mandritra ny ampahany amin’ilay fotoam-bavaka mba hahafahana manome lanja manokana ny ankizy tsirairay avy. Azo atao izany, ohatra, ho an’ny ôrdônansin’ny batisa, na ny fandraisana ho mpikambana, na ny lahateny ataona paroasy na olona iray ao amin’ny fianakaviana. Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no mitarika io ampahany amin’ny fotoam-bavaka io.
Tokony hapetraka ny daty hanaovana fotoam-bavaka amin’ny batisa ho an’ireo niova fo raha vantany vao fenon’izy ireo ireo fepetra ao amin’ny 31.2.3.2. Ny batisan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana dia tsy tokony hahemotra mandra-pahatongan’ny fotoana ahafahan’ny raim-pianakaviana iray mahazo ny fisoronana sy manatanteraka mivantana ilay batisa.
Eo ambany fitarihan’ny episkôpà, ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy (raha misy voantso), na ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izay mitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy no mandrafitra sy mitarika ireo fotoam-bavaka amin’ny batisa ho an’ireo olona niova fo. Mandamina ny fandraisana ho mpikambana ireo niova fo ihany koa izy, raha tsy hoe horaisina ho mpikambana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy ireo. Miara-mandrindra izany amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno izy.
18.7.3
Ireo olona manatanteraka ilay ôrdônansy
Ny ôrdônansin’ny batisa dia tanterahin’ny mpisorona na olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Ilay olona manatanteraka ny batisa dia tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny eveka (na avy amin’ny filohan’ny misiôna raha misiônera manompo amin’ny fotoana feno no manatanteraka ilay batisa).
Azon’ny eveka atao ny mamela ny raim-pianakaviana iray izay mpisorona na mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka hanao batisa ny zanany na dia mbola tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza ilay raim-pianakaviana (jereo ny 18.3). Mamporisika ireo raim-pianakaviana ny eveka hiomana hanao batisa ny zanak’izy ireo.
Mba hahafahany manatanteraka batisa, ny olona iray any ivelan’ny paroasiny dia tsy maintsy mampiseho fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery amin’ny mpitarika mpiahy. Na azony atao koa ny mampiseho Recommend to Perform an Ordinance (Fahazoan-dalana hanatanteraka ôrdônansy) voasonian’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.
18.7.4
Ny toerana hanatanterahana ilay ôrdônansy
Ny batisa dia tokony hotanterahina ao amin’ny dobo fanaovam-batisa iray raha misy izany. Raha tsy misy dobo dia afaka mampiasa rano be velarana tsy mampidi-doza. Tokony ho lehibe tsara izany mba hahafahan’ireo olona manatanteraka ilay batisa sy ilay olona atao batisa mijoro ao anatiny. Tsy tokanana ny rano hanaovana batisa.
Raha dobo no ampiasaina dia mpikambana iray voatondro ao amin’ny paroasin’ny eveka mpitantana no mandrindra ny fotoana hampiasana izany.
Ho fiarovana amin’ny loza dia tsy maintsy misy olon-dehibe iray tompon’andraikitra manatrika eo rehefa fenoina rano ny dobo ary mijanona eo mandra-paharitra tanteraka ny rano ao anatin’izany, sy voadio ary voahidy tsara. Tokony hariana avy hatrany ny rano ao amin’ilay dobo aorian’ny fotoam-bavaka fanaovana batisa tsirairay. Tokony hidina ny varavarana mankao amin’ilay dobo rehefa tsy ampiasaina izany.
18.7.5
Fitafiana
Ny olona iray manatanteraka ny batisa sy ny olona iray atao batisa dia manao akanjo fotsy izay tsy lasa mangarahara rehefa lena. Ny olona iray nahazo fanafiana masina dia manao ny garmentan’ny tempoly ao anatin’io akanjo fotsy io rehefa manatanteraka batisa. Ireo rantsana eo an-toerana dia mividy fitafiana fanao amin’ny batisa amin’ny alalan’ny vatsim-bola ary tsy tokony hampadoa vola olona rehefa mampiasa izany.
18.7.6
Ireo vavolombelona
Vavolombelona roa, nahazo lalana avy amin’ny mpitarika mpiahy, no manara-maso ny batisa tsirairay mba hakana antoka fa notanterahina araka ny tokony ho izy izany. Afaka manao vavolombelona ny mpikamban’ny Fiangonana efa vita batisa, ka tafiditra amin’izany ny ankizy sy ny zatovo.
Tsy maintsy averina atao ny batisa iray raha tsy voatonona tsara ireo teny araka izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:73. Tsy maintsy averina ihany koa izany raha misy tsy nilentika tanteraka ny ampahany tamin’ny vatan’ilay olona, na ny volony, na ny akanjony.
18.7.7
Torolalana
Mba hanatanterahana ny ôrdônansin’ny batisa, ny mpisorona na ny olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia:
-
Mijoro ao anaty rano miaraka amin’ilay olona atao batisa.
-
Mitazona ny hato-tanana havanan’ilay olona amin’ny tanany havia (mba hahazoana aina sy ho fiarovana). Ilay olona atao batisa dia mitazona ny hato-tanana havian’ilay mpihazona ny fisoronana amin’ny tanany havia.
-
Manangana ny tanany havanana haka endrika zoro mahitsy.
-
Milaza ny anarana fenon’ilay olona ary miteny hoe: “Rehefa nomen’i Jesoa Kristy fahefana aho, izaho dia manao batisa anao amin’ny anaran’ny Ray sy ny an’ny Zanaka ary ny an’ny Fanahy Masina. Amena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:73).
-
Manasa ilay olona hanampina ny orony amin’ny tanana havanana (mba hahazoana aina); dia mametraka ny tanany havanana eo amin’ny faritra ambony amin’ny lamosin’ilay olona avy eo ary mandentika tanteraka an’ilay olona, ka tafiditra amin’izany koa ny akanjony. Mora kokoa ny filentehana raha mamoritra ny lohaliny ilay olona.
-
Manampy ilay olona hivoaka avy ao anaty rano.
18.7.8
Firaketana ny batisa
Ho fampahalalana momba ny fanaovana ny firaketana batisa iray, dia jereo ny 18.8.3.
18.8
Fandraisana ho mpikambana sy fanomezana ny Fanahy Masina
Rehefa vita batisa ny olona iray dia raisina ho mpikamban’ny Fiangonana ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:41; Asan’ny Apostoly 19:1–6). Lasa mpikamban’ny Fiangonana ilay olona rehefa vita ireo ôrdônansy roa ireo ary voarakitra araka ny tokony ho izy (jereo ny Jaona 3:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:11; 3 Nefia 27:20).
Ho fampahalalana momba ny fanaovana batisa ao anatina toe-javatra manokana dia jereo ny 38.2.8.
Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fandraisana ho mpikambana ireo mpikambana 8 taona izay voarakitra ao anaty rejisitra ao amin’ny paroasy sahaniny. Ny filohan’ny misiôna no mihazona ny fanalahidy amin’ny fandraisana ho mpikambana ireo olona niova fo (mba hahitana ny famaritana ny atao hoe batisan’ny olona niova fo, dia jereo ny 31.2.3.2).
Ny eveka no manara-maso ny fandraisana ho mpikambana ireo ankizy 8 taona voarakitra ao anaty rejisitra. Ny ankizy valo taona raha ny mahazatra dia raisina ho mpikambana amin’ilay andro anaovana batisa azy ireo.
Ireo misiônera amin’ny fotoana feno no mifandrindra amin’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy mba handaminana ny fandraisana ho mpikambana ireo niova fo, araka ny voalaza ao amin’ny 18.7.2. Ny fandraisana ho mpikambana ireo niova fo dia azo atao mandritra ny fotoam-bavaka amin’ny batisa na amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo ao amin’ny paroasy izay ipetrahan’izy ireo; faran’izay haingana aorian’ny batisan’izy ireo.
Ireo mpikambana vaovao dia hekena sy hatolotra mba ho arahabaina amin’ny maha mpikambana vaovao azy ireo ao amin’ny paroasy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo, aorian’ny fandraisana azy ireo ho mpikambana (jereo ny 29.2.1.1).
18.8.1
Ireo olona manatanteraka ilay ôrdônansy
Ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana dia tanterahin’ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Ilay olona mandray fitenenana dia tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny eveka (na avy amin’ny filohan’ny misiôna raha misiônera manompo amin’ny fotoana feno no manatanteraka ilay fandraisana ho mpikambana).
Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mendrika ny hiditra ny tempoly ihany no afaka mandray fitenenana amin’ny fandraisana ho mpikambana. Azon’ny eveka atao anefa ny mamela raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka hijoro eo amin’ilay faribolana amin’ny fandraisana ny zanany ho mpikambana na dia tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza ilay raim-pianakaviana (jereo ny 18.3).
Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà, farafahakeliny, no mandray anjara amin’io ôrdônansy io. Raha misiônera lehilahy no nampianatra ilay olona niova fo dia manasa azy ireo handray anjara ny eveka.
Mba hahafahan’ny olona iray izay ivelan’ny paroasiny ho mpitondra teny mandritra io ôrdônansy io dia tsy maintsy mampiseho fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery amin’ny mpitarika mpiahy izy. Na azony atao koa ny mampiseho Recommend to Perform an Ordinance (Fahazoan-dalana hanatanteraka ôrdônansy) voasonian’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.
18.8.2
Torolalana
Afaka mandray anjara amin’ny fandraisana ho mpikambana, eo ambany fitarihan’ny episkôpà, ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray na maromaro. Mametraka ny tanany moramora eo ambony lohan’ilay olona izy ireo. Aorian’izay ilay olona izay mitondra fitenenana dia:
-
Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara fa tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka ilay ôrdônansy.
-
Mandray ilay olona ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
-
Miteny hoe “Raiso ny Fanahy Masina” (fa tsy hoe “raiso ny fanomezana ny Fanahy Masina”).
-
Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.8.3
Rejisitra sy taratasy fanamarinana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana
Mialoha ny hanaovana dinidinika momba ny batisa ny ankizy iray izay mpikambana voarakitra ao anaty rejisitra, dia mampiasa ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ny mpitamboky mba hanomanana Taratasy firaketana ny momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatondro no manao ny tafa sy dinika ary manao sonia ilay taratasy. Rehefa vita ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia mampiasa io taratasy io ny mpitamboky mba hanavaozana ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ilay ankizy ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG).
Rehefa manao dinidinika miaraka amin’ny olona iray niova fo mba hirosoana ho amin’ny batisa ny misiônera amin’ny fotoana feno, dia fenoiny ny ao anatin’ny Firaketana momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana amin’ny alalan’ny fampiasana ny application Torio ny filazantsarako. Rehefa vita ilay batisa sy fandraisana ho mpikambana dia raketin’ireo misiônera ao amin’ilay application ny mombamomba ilay olona ary alefan’izy ireo amin’ny fomba elektrônika any amin’ny mpitambokin’ny paroasy izany. Averin’ny mpitambokin’ny paroasy jerena ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ireo mombamomba ilay olona ary mamorona firaketana mombamomba ny maha-mpikambana izy.
Rehefa vita ilay firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana dia manomana Taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ny mpitamboky iray. Soniavin’ny eveka io taratasy fanamarinana io ary omena an’ilay olona.
Ny anarana eo amin’ilay firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana sy ilay taratasy fanamarinana dia tokony hitovy amin’ny anarana ao amin’ny kôpia nahaterahana, na ny rejisitry ny sora-piankohonana, na ny anarana ara-dalàna entin’ilay zaza ankehitriny.
18.9
Ny fanasan’ny Tompo
Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia miara-mivory rehefa Sabata mba hitsaoka an’ Andriamanitra sy handray ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75; 59:9; Môrônia 6:5–6). Mandritra io ôrdônansy io dia mandray ny mofo sy ny rano izy ireo ho fahatsiarovana ny nanaovan’ny Mpamonjy ho sorona ny nofony sy ny rany ary hanavaozana ny fanekempihavanana masina izay nataon’izy ireo (jereo ny Matio 26:26–28; Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 14:20–25; Lioka 22:15–20; 3 Nefia 18; Môrônia 6:6). Tokony haneho fanajana amim-pahanginana ny rehetra mandritra ny fanamasinana sy ny fizarana ny fanasan’ny Tompo.
18.9.1
Fankatoavana hanatanterahana ny fanasan’ny Tompo
Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny paroasy. Ireo rehetra izay mandray anjara amin’ny fanomanana, sy ny fanamasinana, ary ny fizarana ny fanasan’ny Tompo dia tsy maintsy mahazo fankatoavana avy aminy na avy amin’ny olona iray eo ambany fitarihany.
Raha tsy afaka mandray ny fanasan’ny Tompo ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny satria mihiboka ao an-trano izy ireo, na any amin’ny trano fitaizana be antitra, na any amin’ny hôpitaly, dia afaka manome lalana ireo mpihazona ny fisoronana ny eveka hanatanteraka ny fanasan’ny Tompo ho azy ireo. Afaka manome lalana ny hanaovana izany izy na dia tsy ao anatin’ny faritry ny paroasiny mandritra ny fotoana fohy aza izy ireo. Kanefa tsy afaka manome lalana ny hanomezana ny fanasan’ny Tompo an’ireo mpikambana ivelan’ny faritry ny paroasiny izy amin’ny toe-javatra hafa.
Amin’ny toe-javatra tsy mateti-pitranga, dia mety tsy hisy mandritra ny fotoana maharitra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo. Amin’ireo toe-javatra ireo dia afaka manome lalana ireo mpihazona fisoronana mendrika ao amin’ny paroasiny ny eveka hanomana sy hitantana ny fanasan’ny Tompo any an-tokantranon’izy ireo isaky ny Sabata. Afaka manome lalana azy ireo ihany koa ny eveka hanomana sy hitantana ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izay tsy manana mpihazona fisoronana ao an-tokantranony.
Rehefa manome lalana ny hanomanana sy hitantanana ny fanasan’ny Tompo ivelan’ny fenitry ny fotoam-bavaka mahazatra ataon’ny Fiangonana ny eveka dia mbola mihatra hatrany ireo torolanana ao amin’ny 18.9.2 mikasika ny olona manatanteraka ny ôrdônansy.
18.9.2
Ireo olona manatanteraka ilay ôrdônansy
-
Ireo mpampianatra sy mpisorona ary mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manomana ny fanasan’ny Tompo.
-
Afaka manamasina ny fanasan’ny Tompo ny mpisorona sy ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka.
-
Afaka mizara ny fanasan’ny Tompo ny diakona, ny mpampianatra, ny mpisorona ary ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka.
Raha ampy ny isan’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia izy ireo mazàna no manatanteraka ireo andraikitra ireo. Rehefa tsy ampy ny isan’ny diakona hizara ny fanasan’ny Tompo dia mifampidinika amin’ny eveka momba ny olona izay ho asaina hanampy ny filohan’ny kôlejin’ny diakona. Amin’ny ankapobeny dia mangataka mpampianatra sy mpisorona izy hanampy azy mialoha ny hangatahana ny fanampian’ireo loholona sy ny mpisorona avo.
18.9.3
Torolalana ho an’ny fanasan’ny Tompo
Koa satria masina ny fanasan’ny Tompo dia tokony hiomana tsara ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hilamina tsara sy atao anatin’ny fanajana amim-pahanginana izany. Tokony ho fotsy, madio, ary voapasoka ireo lamban-databatry ny fanasan’ny Tompo. Tokony hadio ireo lovian’ny fanasan’ny Tompo. Tokony hafarana ela mialoha ireo lovia sy kaopin’ny fanasan’ny Tompo.
Ireo izay mitantana ny fanasan’ny Tompo dia tokony hanao izany amin’ny fomba feno fanajana, mahatsapa fa misolo tena ny Tompo izy ireo. Mamporisika azy ireo ny episkôpà hisaintsaina ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy rehefa manomana sy manamasina ary mizara ny fanasan’ny Tompo.
Ireo izay mitantana ny fanasan’ny Tompo dia tokony ho tsara fitafy sy endrika ivelany ary madio. Tsy tokony hanao fitafy na firavaka izay mety hisarika ny olona tsy hifantoka amin’ny fitsaohana sy ny fanaovana fanekempihavanana izay antony hanaovana ny fanasan’ny Tompo izy ireo. Raha mila manoro hevitra ny mpihazona fisoronana iray mahakasika izany raharaha izany ny eveka dia ataony am-pitiavana izany. Heveriny ao anatin’izany koa ny fahamatoran’ilay olona ao amin’ny Fiangonana.
Tokony hatao amin’ny fomba tsotra ny fizarana ny fanasan’ny Tompo fa tsy amin’ny fomba manetriketrika loatra. Ohatra hoe, tsy tokony hotakina ny hanaovana ireo fihetsika sasany (toy ny fametrahana ny tanana havia ao an-damosina) na ny endrika ivelany (toy ny fanaovana akanjo mitovy).
Mihira hiran’ny fanasan’ny Tompo ny daholobe rehefa vakina ny mofo. Tsy azo soloina hiran’olon-tokana na feon-kira io fihirana io. Tsy tokony hisy hira hotendrena mandritra ny fizarana ny fanasan’ny Tompo na raha vantany vao vita izany.
Raha misy tsy mahazaka sakafo na tsy mahazaka gluten ny mpikambana dia miresaka amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà izy ny amin’izay fanamboarana tokony hatao amin’ny fanasan’ny Tompo. Raha ilaina dia afaka manova ny fomba fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo ny episkôpà.
Amin’ny ankapobeny dia tsy maintsy misy famakiana mofo ao anatin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Kanefa, mba hitandrovana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny mpikambana iray manokana, dia afaka manome mofo tsy ahitana ny zavatra tsy zakan’ny vatany na zavatra hafa azo asolo ny mofo novakina izany mpikambana izany ka atao anatina fonosana plastika mihidy tsara na anaty kaopy. Omen’izy ireo ny mpihazona fisoronana iray izany mba hapetraka ambonina lovia iray mitokana. Ampian’ilay mpikambana ao amin’ny episkôpà ireo izay mizara ny fanasan’ny Tompo mba hahafantatra hoe iza no mpikambana tokony hizarana ilay zavatra tsy misy ny zavatra tsy zakan’ny vatan’izy ireo.
Jereo ny disability.ChurchofJesusChrist.org raha hijery ireo torolalana momba ny tsy fahazakana sakafo.
Na dia natao ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana aza ny fanasan’ny Tompo dia tsy tokony hisy zavatra hatao hanakanana ny hafa tsy handray izany.
18.9.4
Torolalana
-
Ireo izay manomana, na manamasina, na mizara ny fanasan’ny Tompo dia manasa tanana amin’ny savony na zavatra fidiovana hafa aloha.
-
Maka antoka ireo mpampianatra, na mpisorona, na ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka fa tafapetraka amin’ny toerany alohan’ny fivoriana ireo lovia fitondrana mofo izay misy mofo tsy mbola novakina sy ireo lovia fitondrana rano izay misy kaopy feno rano madio, ary ireo lamban-databatra madio.
-
Rehefa mihira ny hiran’ny fanasan’ny Tompo ireo mpikambana ao amin’ny paroasy dia mitsangana amim-panajana ireo mpihazona ny fisoronana izay hanamasina ny fanasan’ny Tompo, manala ilay lamba manarona ireo lovia, ary mamaky ny mofo ho madinidinika azo atao indraim-bava.
-
Aorian’ilay hira dia mandohalika ilay olona manamasina ny mofo ary manolotra ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ho an’ny mofo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77).
-
Maka antoka ny eveka fa tononina mazava tsara sy marina tsara ary amim-pahamendrehana ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo. Raha misy olona manao fahadisoana amin’ny fanononana ireo teny ka manitsy ny tenany ihany, dia tsy ilaina intsony ny hanaovana fanitsiana fanampiny. Raha tsy manitsy ny fahadisoana nataony ilay olona dia mangataka azy amin-katsaram-panahy ny eveka mba hamerina ilay vavaka. Miezaka ny tsy ho hitan’ny olona loatra ny eveka rehefa mangataka ny hamerenana ilay vavaka. Maka antoka izy fa tsy miteraka fahamenarana tafahoatra na manimba ilay ôrdônansy ny fanaovana izany. Afaka manampy araka izay ilaina ilay olona hafa eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo.
-
Aorian’ilay vavaka dia mizara ny mofo amim-panajana amin’ireo mpikambana ireo mpihazona ny fisoronana. Ny mpitarika mpiahy no mandray izany voalohany, ary aorian’izany dia tsy misy laharana tokony arahina. Raha vantany vao atolotra an’ireo mpikambana ny lovia iray, dia afaka mifampitampita izany izy ireo.
-
Mandray amin’ny tanany havanana ireo mpikambana raha azo atao.
-
Rehefa avy nozaraina tamin’ny mpikambana rehetra ny mofo dia mamerina ireo lovia eny amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo ireo mpizara ny fanasan’ny Tompo. Ireo izay manamasina ny fanasan’ny Tompo dia mamerina manarona lamba ireo lovia fasiana mofo ary manala ny lamba eo amin’ireo lovia fasiana rano.
-
Mandohalika ilay olona manamasina ny rano ary manolotra ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ho an’ny rano (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:79). Soloiny hoe rano ny teny hoe divay.
-
Aorian’ilay vavaka dia mizara ny rano amim-panajana amin’ireo mpikambana ireo mpihazona ny fisoronana. Ny mpitarika mpiahy no mandray izany voalohany, ary aorian’izany dia tsy misy laharana tokony arahina.
-
Rehefa avy nozaraina tamin’ny mpikambana rehetra ny rano dia mamerina ireo lovia eny amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo ireo mpizara ny fanasan’ny Tompo. Ireo izay nanamasina ny fanasan’ny Tompo dia mamerina manarona lamba ireo lovia ary miverina eny amin’ny toerany amim-panajana ireo izay nanamasina sy nizara ny fanasan’ny Tompo.
-
Aorian’ilay fivoriana dia manadio ireo olona izay nanomana ny fanasan’ny Tompo, mamalona ireo lamban-databatra, ary manaisotra izay mofo tsy nampiasaina.
18.10
Ny fanomezana ny fisoronana sy ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray
Mizara roa ny fisoronana: ny Aharôna sy ny Melkizedeka (jereo ny 3.3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1, 6). Rehefa omena ny olona iray ny fisoronana dia tendrena ho ao amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’izany fisoronana izany koa izy. Rehefa nomena ny iray amin’ireo fisoronana ireo, dia fanendrena amin’ireo anjara fanompoana ao amin’izany fisoronana izany ihany no ilaina atao amin’ny lehilahy iray aty aoriana.
Mba hahitana fampahalalana momba ny fanendrena ho amin’ny fisoronana ao anatina toe-javatra manokana dia jereo ny 38.2.9.
18.10.1
Fisoronana Melkizedeka
Ny filohan’ny tsatòka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny loholona sy mpisorona avo. Na izany aza anefa dia ny eveka mazàna no manao ny fanolorana ny anaran’ireo olona izay haroso amin’ireo fanendrena ireo.
18.10.1.1
Loholona
Afaka mandray ny Fisoronana Melkizedeka ireo rahalahy mendrika ka azo tendrena ho loholona rehefa feno 18 taona no ho miakatra. Araka ny toe-javatra iainan’ny olona iray no hamaritan’ny eveka raha toa ny tovolahy iray ka tokony hotendrena ho loholona fotoana fohy aorian’ny maha-feno 18 taona azy na tokony hijanona mandritra ny fotoana ela kokoa miaraka amin’ny kôlejin’ny mpisorona. Tafiditra ao anatin’ireo toe-javatra ireo ireto:
-
Fijoroana ho vavolombelona sy fahamatorana ananan’ilay zatovolahy.
-
Fahavitan’ny fianarana.
-
Faniriana hijanona miaraka amin’ny zatovo mitovy taona aminy.
-
Fandrantoana fianarana any amin’ny oniversite.
Rehefa mandray io fanapahan-kevitra io ny eveka dia mifampiresaka amin’ilay zatovolahy sy ny ray aman-dreniny na ny mpiantoka azy aloha. Tokony hotendrena ho loholona ireo lehilahy mendrika rehefa feno 19 taona na mialoha ny handaozany ny trano handranto fianarana any amin’ny oniversite, na hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno, na hirotsaka ho miaramila, na hanao asa raikitra amin’ny fotoana feno.
Ireo lehilahy vao vita batisa izay 18 taona no ho miakatra dia tendrena ho loholona rehefa:
-
Avy nandray ny Fisoronana Aharôna ka efa nanompo tamin’ny naha-mpisorona azy ireo.
-
Ampy ny fahatakarany ny filazantsara.
-
Nanaporofo ny fahamendrehan’izy ireo.
Tsy misy fe-potoana naha-mpikambana voafaritra mazava takina amin’izy ireo.
18.10.1.2
Mpisorona Avo
Tendrena ho mpisorona avo ireo lehilahy rehefa antsoina ho ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ho mpikambana ao amin’ny filankevitra avo, na ho ao amin’ny episkôpà. Azo tendrena amin’ny fotoana hafa koa izy ireo araka izay fanapahan-kevitra raisin’ny filohan’ny tsatòka amin’ny alalan’ny fandinihana ombam-bavaka sy ny fanentanam-panahy azo.
18.10.1.3
Fanaovana tafa sy dinika sy fanohanana
Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka dia manao tafa sy dinika amin’ilay rahalahy ny eveka araka ny torolalana hita ao amin’ny Firaketana ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Manao tafa sy dinika aminy koa avy eo ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny misiôna dia afaka manao tafa sy dinika amin’ny rahalahy iray hotendrena ho loholona ny filohan’ny distrika (jereo ny 6.3). Raha mila torolalana mikasika ireo tafa sy dinika ireo dia jereo ny 31.2.6.
Aorian’ilay tafa sy dinika dia angatahin’ny fiadidian’ny tsatòka ny filankevitra avo mba hanohana ilay fanapahan-kevitra hanendry ilay rahalahy. Atolotry ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka izy mba hotohanana mandritra ny fivoriana ho an’ny daholobe amin’ny fihaonamben’ny tsatòka (jereo ny 18.10.3). Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny misiôna dia azon’ny filohan’ny distrika atolotra mba hotohanana ny rahalahy iray hotendrena ho loholona (jereo ny 6.3).
18.10.2
Fisoronana Aharôna
Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanomezana ny Fisoronana Aharôna sy ireo fanendrena ho amin’ireo anjara fanompoan’ny diakona sy ny mpampianatra ary ny mpisorona. Ireo rahalahy mendrika raha ny mahazatra dia tendrena amin’ireo anjara fanompoana ireo amin’ireto sokajin-taona manaraka ireto, fa tsy alohan’izany:
-
Diakona, amin’ny fiantombohan’ny taona handraisany 12 taona
-
Mpampianatra, amin’ny fiantombohan’ny taona handraisany 14 taona
-
Mpisorona, amin’ny fiantombohan’ny taona handraisany 16 taona
Manao tafa sy dinika amin’ireo izay tokony hotendrena ho diakona na mpampianatra ny eveka na ny mpanolotsaina anankiray voatendry mba hamantarana raha toa ka vonona ara-panahy izy ireo. Ny eveka no manao tafa sy dinika amin’ireo rahalahy izay tokony hotendrena ho mpisorona.
Miera mba hahazo fahazoan-dalana am-bava avy amin’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka ilay zatovolahy ny eveka mialoha ny hanaovana tafa sy dinika ho fanendrena ho amin’ny fisoronana. Tsy takina ny fahazoan-dalana avy amin’ny ray na reny na ny mpiantoka izay tsy manana antony araka ny lalàna handavana ilay zavatra hatao.
Raha hita fa mendrika ny rahalahy iray nandritra ny tafa sy dinika, dia atolotry ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà izy mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo mba hotohanana (jereo ny 18.10.3).
Ho fampahalalana mikasika ny fanendrena rahalahy vao vita batisa dia jereo ny 38.2.9.1.
18.10.3
Fanolorana mpikambana iray mba hotohanana mialoha ny hanendrena azy
Rehefa vita ny tafa sy dinika natao tamin’ny rahalahy iray ary hita izy fa mendrika hotendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray, dia atolotra mba hotohanana izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:65, 67). Ireo rahalahy izay hotendrena ho loholona na mpisorona avo dia atolotry ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka mba hotohanana mandritra ny fivoriana ho an’ny daholobe amin’ny fihaonamben’ny tsatòka (jereo ny 6.3 mba hahitana ireo torolalana ho an’ireo filohan’ny distrika). Ireo rahalahy izay hotendrena ho diakona na mpampianatra na mpisorona dia atolotry ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà mba hotohanana mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo.
Angatahan’ilay olona mitarika ny fanohanana ilay rahalahy mba hitsangana. Ambarany ilay fandrosoana hanomezana Fisoronana Aharôna na Fisoronana Melkizedeka (raha ilaina) sy ilay fandrosoana ny hanendrena ilay rahalahy ho amin’ilay anjara fanompoan’ny fisoronana. Avy eo izy dia manasa ny mpikambana hanohana ilay zavatra naroso. Ohatra, raha hanolotra rahalahy iray hotendrena ho loholona, dia azony atao ny mampiasa teny tahaka ireto:
“Aroso amintsika [anarana] mba handray ny Fisoronana Melkizedeka sy hotendrena ho loholona. Ireo izay manaiky dia afaka maneho izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana. [Miato kely.] Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany koa. [Miato kely.]”
Ilay olona atolotra dia tokony handray anjara amin’ny fanohanana. Raha mihoatra ny iray ny olona atolotra dia azo tohanana miaraka izy ireo.
Raha misy mpikambana iray izay tsara laza maneho tsy fanohanana ilay fanendrena, dia miresaka manokana aminy aorian’ilay fivoriana ilay mpitarika mpiahy na ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay voatendry hanao izany. Mikatsaka ny hahatakatra ny antony nanoheran’ilay mpikambana ilay mpitarika. Fantariny raha toa ilay mpikambana ka mahafantatra fitondran-tena izay mety tsy hahamendrika ilay olona ny hotendrena ho amin’ilay anjara fanompoana.
Mpikambana tsara laza ihany no afaka mandray anjara amin’ilay fanohanana. Saingy raha toa ka misy mpikambana iray ratsy laza na olona iray tsy mpikambana manohitra ny zavatra aroso, dia afaka mihaino manokana ny ahiahiny ny eveka na ny filohan’ny tsatòka aorian’ilay fivoriana.
Amin’ny toe-javatra sasany, ny rahalahy iray dia mety hilaina tendrena ho loholona na ho mpisorona avo mialoha ny hahafahana manolotra azy mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka. Rehefa mitranga izany dia atolotra mba hotohanana izy mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny paroasiny. Atolotra mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka manaraka izy avy eo mba hampanankery ilay fanendrena (ampifanarahana amin’ny toe-javatra ilay fomba fanaovana fanohanana voafaritra etsy ambony). Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fahafahana an’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka hanohana na hanohitra ilay zavatra naroso.
18.10.4
Ireo olona manatanteraka ilay ôrdônansy
Ny filohan’ny tsatòka na ny olona iray mihazona ny Fisoronana Melkizedeka eo ambany fitarihany no afaka manendry lehilahy iray ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny loholona. Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny misiôna dia afaka manatanteraka ilay fanendrena ny filohan’ny distrika na ny olona iray eo ambany fitarihany (jereo ny 6.3). Ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ihany no afaka mijoro eo amin’ilay faribolana.
Ny filohan’ny tsatòka na ny mpisorona avo iray eo ambany fitarihany no afaka manendry lehilahy iray ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona avo. Mpisorona avo ihany no afaka mijoro eo amin’ilay faribolana.
Tokony ho mendrika ny hiditra ny tempoly ny olona iray izay manendry lehilahy iray ho ao amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Tsy maintsy manatrika eo ny filohan’ny tsatòka na ny olona iray izay tondroiny.
Mpisorona na olona iray mihazona ny Fisoronana Melkizedeka no afaka manendry rahalahy iray ho amin’ny anjara fanompoan’ny diakona, na mpampianatra, na mpisorona. Tsy maintsy mahazo lalana avy amin’ny eveka izy. Tsy maintsy manatrika eo ny eveka na ny olona iray izay tondroiny.
Mba hahafahan’ny olona iray mandray anjara amin’ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Aharôna dia tsy maintsy mpisorona na mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka izy.
Afaka mamela ny raim-pianakaviana iray mpisorona na mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny eveka iray hanendry ny zanany ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny diakona, na mpampianatra, na mpisorona na dia mbola tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza ilay raim-pianakaviana (jereo ny 18.3). Mamporisika ireo raim-pianakaviana ny eveka hiomana amin’ny fanendrena ny zanak’izy ireo.
Mba hahafahan’ny olona iray izay ivelan’ny paroasiny ho mpitondra teny mandritra io ôrdônansy io dia tsy maintsy mampiseho fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery amin’ny mpitarika mpiahy izy. Na azony atao koa ny mampiseho Recommend to Perform an Ordinance (Fahazoan-dalana hanatanteraka ôrdônansy) voasonian’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.
18.10.5
Torolalana
Rehefa manome ny fisoronana sy manendry olona iray ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana dia mpihazona fisoronana nahazo lalana miisa iray na mihoatra no mametraka moramora ny tanan’izy ireo eo ambony lohan’ilay olona. Aorian’izay ilay olona izay mitondra fitenenana dia:
-
Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara ilay fahefana izay hazoniny manokana mba hanatanterahana ilay ôrdônansy (Fisoronana Aharôna na Melkizedeka).
-
Manome ny Fisoronana Aharôna na Melkizedeka raha tsy hoe efa nomena taloha izany.
-
Manendry ilay olona ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny Fisoronana Aharôna na Melkizedeka ary manome ireo zo sy hery ary fahefana ao amin’izany anjara fanompoana izany. (Tsy misy fanalahidin’ny fisoronana omena rehefa manome ny fisoronana na manao fanendrena ho ao amin’ny anjara fanompoana iray, ankoatra ny hoe rehefa manendry eveka.)
-
Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
Rehefa manendry olona iray ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana raha efa nomena ny fisoronana mifandraika amin’izany izy, dia mandingana ny dingana faha 3 ilay olona manatanteraka ilay fanendrena
Fotoana iray hahafahana manome tsodrano ny fanendrena. Omena torohevitra sy torolalana amin’ny antsipiriany momba ny adidiny ny olona iray mialoha sy aorian’ilay fanendrena. Tsy ireo torolalana ireo no tokony hifantohana ao anatin’ilay fitsofan-drano. Tsy ilaina ny manao vavaka, na fijoroana ho vavolombelona, na fampianarana rehefa misy olona atokana.
18.10.6
Ny firaketana ny fanendrena sy ny taratasy fanamarinana
Alohan’ny hanaovana tafa sy dinika amin’ny lehilahy iray izay hotendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia mampiasa ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ny mpitamboky iray mba hanomanana ny Firaketana ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Ny filohan’ny tsatòka na ny mpanolotsaina iray voatendry no manao ny tafa sy dinika ary manao sonia ilay taratasy raha feno avokoa ireo fepetran’ny fahamendrehana.
Rehefa vita ilay fanendrena dia mameno ilay taratasy ny filohan’ny tsatòka na ny solotenany izay voatondro ary manome izany an’ny mpitamboky. Raketiny ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ilay fanendrena ary manomana taratasy fanamarinana ny fanendrena izy. Soniavin’ny filohan’ny tsatòka io taratasy fanamarinana io dia omena an’ilay olona.
Alohan’ny hanaovana tafa sy dinika amin’ny rahalahy iray izay hotendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia mampiasa ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ny mpitamboky iray hanomanana ny taratasy Firaketana ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Aharôna. Ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatondro no manao ny tafa sy dinika ary manao sonia ilay taratasy raha feno avokoa ireo fepetran’ny fahamendrehana.
Rehefa vita ilay fanendrena dia mameno ilay taratasy ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatondro ary manome izany an’ny mpitamboky. Raketiny ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ilay fanendrena ary manomana taratasy fanamarinana ny fanendrena izy.
Ny anaran’ilay olona araka ny lalàna no tokony hampiasaina ao amin’ilay taratasy firaketana ny fanendrena sy ilay taratasy fanamarinana ny fanendrena.
18.11
Ny fanokanana ny mpikambana hanompo amin’ireo antso
Ireo mpikambana izay nantsoina sy notohanana ho amin’ny ankamaroan’ireo antso ato amin’ny Fiangonana dia tokony hatokana mba hanompo amin’izany antso izany (jereo ny Jaona 15:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11; jereo koa ny 3.4.3.1 ato amin’ity boky torolalana ity). Mandritra ilay fanokanana ilay olona dia omena (1) fahefana hanao asa ao amin’ilay antso sy (2) tsodrano araka izay itarihan’ny Fanahy.
Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka ary ireo filohan’ny kôlejy dia mandray ny fanalahidin’ny fiadidiana rehefa atokana (jereo ny 3.4.1.1). Ny teny hoe fanalahidy anefa dia tsy tokony hampiasaina rehefa manokana ireo mpikambana hanompo amin’ny antso hafa, tafiditra amin’izany ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidiana.
Mba hahitana fampahalalana momba ny fiantsoana sy ny fanendrena ary ny fanokanana ireo eveka dia jereo ny 30.7.
18.11.1
Ireo olona manatanteraka ny fanokanana
Ny fanokanana dia tanterahin’ny olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny mpitarika izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana mifanaraka amin’izany izy. Ireo izay omena lalana hanatanteraka fanokanana dia voalaza ao amin’ny 30.8. Ny loholona iray dia tsy tokony ho mpitondra teny na hijoro eo amin’ilay faribolana rehefa misy lehilahy atokana ao amin’ny antso iray izay mitaky ny maha-mpisorona avo ilay lehilahy.
Afaka mandray anjara amin’ny fanokanana, eo ambany fitarihan’ny episkôpà, ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray na maromaro. Ny filoha no atokana alohan’ireo mpanolotsainy.
Afaka mamela vady na raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka izay atao fanokanana ny vadiny na ireo zanany ny mpitarika mpiahy mba hijoro eo amin’ny faribolana na dia mbola tsy tena mendrika tanteraka ny hiditra ny tempoly aza ilay raim-pianakaviana (jereo ny 18.3).
18.11.2
Torolalana
Mametraka moramora ny tanany eo ambony lohan’ilay olona ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka nahazo lalana iray na maromaro. Aorian’izay ilay olona izay mitondra fitenenana dia:
-
Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no anaovany izany.
-
Manokana ilay olona amin’ilay antso ao amin’ny tsatòka, na paroasy, na kôlejy, na kilasy.
-
Manome ireo fanalahidy raha tokony handray izany ilay olona.
-
Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
Tsy fivoriana ôfisialy asiana vavaka sy fijoroana ho vavolombelona ny fanokanana. Tsy fotoana hanomezana torolalana amin’ny antsipiriany koa izany. Omena mandritra ny fiofanana ireo torolalana ireo fa tsy ampidirina ao anatin’ny fitsofan-drano.
18.12
Ny fanamasinana menaka
Tsy maintsy hamasinin’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka ny menaka ôliva alohan’ny hampiasana izany hanosorana ny marary na ny ory (jereo ny Jakoba 5:14). Tsy misy menaka hafa azo ampiasaina ankoatra izay.
Tsy tokony hampiasa ilay menaka ireo mpikambana na hanosotra izany amin’ireo faritra marary eo amin’ny vatana.
18.12.1
Ireo olona manatanteraka ilay ôrdônansy
Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray na mihoatra no afaka manamasina menaka. Tsy mila maka fahazoan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izy ireo.
18.12.2
Torolalana
Rehefa hanamasina ny menaka ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray dia:
-
Mitazona fitoerana menaka ôliva iray misokatra.
-
Miresaka amin’ny Ray any An-danitra toy ny amin’ny vavaka.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no anaovany izany.
-
Manamasina ny menaka (fa tsy ilay fitoerany) ary manokana izany ho fanosorana sy fitsofan-drano ny marary sy ny ory.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.13
Fanasitranana ny marary
Ny fanasitranana ny marary mazàna dia tokony hatao rehefa angatahin’ilay olona omena ilay tsodrano na rehefa angatahin’ireo olona hafa izay voakasik’izany mba ho tanteraka araka ny finoan’izy ireo ilay tsodrano (jereo ny Jakoba 5:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:13–14; 42:43–44, 48–52).
Misy fizarana roa ny fanasitranana ny marary “amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana”: fanosorana menaka sy famehezana ilay fanosorana arahina tsodrano. Raha tsy misy menaka voahasina azo ampiasaina dia azo atao ihany ny manome tsodrano amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka tsy misy fanosora-menaka.
Raha mangataka tsodrano mihoatra ny indray mandeha ho an’ny aretina iray ihany ny olona iray dia tsy ilaina ny fanosora-menaka iray hafa. Afaka manome tsodrano iray hafa ny mpihazona fisoronana iray amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana sy ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka. Azo atao koa anefa ny manao fanosora-menaka iray hafa.
Ireo mpihazona ny Fisoronana izay mitsidika hôpitaly dia tsy tokony hangataka fahafahana hametra-tanana amin’ny marary.
18.13.1
Ny olona manome ilay tsodrano
Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mendrika ihany no afaka mametra-tanana amin’ny marary na ny ory. Tsy mila maka fahazoan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izy ireo. Raha azo atao dia raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka no mametra-tanana amin’ireo olona marary ao amin’ny fianakaviany.
Raha ny tokony ho izy dia mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka miisa roa na mihoatra izany no mametra-tanana amin’ilay marary. Afaka sady manatanteraka ny fanosorana no manao ny famehezana anefa ny olona iray.
18.13.2
Torolalana
Misy fizarana roa ny fametrahan-tanana amin’ny marary: fanosorana menaka sy famehezana ilay fanosorana.
Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray no manao ny fanosorana menaka. Izy dia:
-
Mametraka menaka voahasina indray mitete eo ambonin’ny lohan’ilay olona.
-
Mametraka moramora ny tanany eo ambonin’ny lohan’ilay olona ary miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no anaovany izany.
-
Manambara fa izy dia manosotra amin’ny menaka voahasina fanosorana sy fitsofan-drano ny marary sy ny ory.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
Ho famehezana ny fanosorana dia mpihazona ny Fisoronana Melikizedeka iray na mihoatra izany no mametraka moramora ny tanan’izy ireo eo ambonin’ny lohan’ilay olona. Avy eo ilay iray izay mamehy ny fanosorana dia:
-
Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no hamehezany ny fanosorana.
-
Manome tsodrano araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.14
Ny tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra, anisan’izany ny tsodranon’ny raim-pianakaviana
18.14.1
Ny olona manome ilay tsodrano
Afaka manome tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra an’ireo olona ao amin’ny fianakaviany sy ireo olona hafa izay mangataka izany ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka. Ireo tsodrano ireo raha ny mahazatra dia omen’ny olona ao amin’ny fianakaviana, na ireo rahalahy mpanompo, na ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana.
Ny raim-pianakaviana iray izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manome tsodranon’ny raim-pianakaviana ho an’ireo zanany. Izany dia mety hanampy manokana indrindra fa rehefa hiditra hianatra ireo zanaka, na handeha hanao asa fitoriana, na hanambady, na hirotsaka amin’ny fanompoam-pirenena any amin’ny tafika, na rehefa miatrika olana manokana. Mamporisika ireo zanany ireo ray aman-dreny hangataka tsodranon’ny raim-pianakaviana rehefa sahirana. Azo raketina an-tsoratra ho ampiasain’ny tena manokana ireo tsodranon’ny raim-pianakaviana.
Ny olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia tsy mila mangataka fankatoavana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana rehefa hanome tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra na tsodranon’ny raim-pianakaviana.
18.14.2
Torolalana
Rehefa hanome tsodrano fankaherezana sy fanoroana hevitra na tsodranon’ny raim-pianakaviana dia mametraka moramora ny tanany eo ambonin’ny lohan’ilay olona ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray na mihoatra izany. Aorian’izay ilay olona izay mitondra fitenenana dia:
-
Miantso ilay olona amin’ny anarany feno.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no hanatanterahany ilay fitsofan-drano.
-
Manome tsodrano, fankaherezana, ary torohevitra araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.15
Ny fanokanana trano
Afaka mangataka ny hanokanana ny tranony amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka ireo mpikamban’ny Fiangonana. Tsy voatery ho efa an’ny tena ny trano na afa-trosa tanteraka vao azo atokana. Ireo trano fonenana dia tsy atokana ho an’ny Tompo tahaka ireo tranon’ny Fiangonana.
18.15.1
Ireo olona manatanteraka ny ôrdônansy
Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka no manokana ny trano iray. Raha tsy misy mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ao amin’ilay tokantrano dia:
-
Afaka manasa namana akaiky, na havana, na rahalahy mpanompo mihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny fianakaviana iray mba hanokana ilay trano. Tsy mila maka fahazoan-dalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ilay olona.
-
Afaka miara-mivory sy manolotra vavaka araka izay hitarihan’ny Fanahy azy ny fianakaviana iray. Azo ampidirina ao anatin’ilay vavaka ireo zavatra voalaza ao amin’ny 18.15.2, laharana faha-3.
18.15.2
Torolalana
Rehefa hanokana trano iray ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray dia:
-
Miresaka amin’ny Ray any An-danitra toy ny amin’ny vavaka.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no anaovany izany.
-
Manokana ilay trano ho toerana masina izay azon’ny Fanahy Masina hitoerana ary milaza teny hafa araka izay hitarihan’ny Fanahy azy. Ohatra hoe, afaka manamasina ilay trano izy mba ho toerana ahafahan’ny fianakaviana mivavaka, mahazo fiarovana amin’izao tontolo izao, mitombo ara-panahy, ary miomana ho amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana mandrakizay.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
18.16
Ny fanokanana fasana
18.16.1
Ny olona manokana fasana
Ny olona iray manokana fasana dia tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka ary nahazo lalana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay miahy ilay fotoam-bavaka.
Raha tian’ilay fianakaviana dia azo atao ny manolotra vavaka eo akaikin’ilay fasana fa tsy vavaka fanokanana. Afaka manolotra izany na iza na iza olona safidian’ny fianakaviana.
Mba hahafahan’ny olona iray izay tsy ao anatin’ny faritry ny paroasiny ho mpitondra teny mandritra ny fanokanana fasana dia tsy maintsy mampiseho fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana mpiahy ilay fotoam-bavaka izy. Na azony atao koa ny mampiseho Recommend to Perform an Ordinance (Fahazoan-dalana hanatanteraka ôrdônansy) voasonian’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.
18.16.2
Torolalana
Rehefa hanokana fasana iray ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray dia:
-
Miresaka amin’ny Ray any An-danitra toy ny amin’ny vavaka.
-
Manambara fa amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka no anaovany izany.
-
Manokana ilay toeram-pandevenana mba ho toerana fialan-tsasatra ho an’ny vatan’ilay maty.
-
Mivavaka mba hanamasinana sy hiarovana ilay toerana mandra-pahatongan’ny Fitsanganana amin’ny maty (raha mety ny hanaovana izany).
-
Mangataka ny Ray any An-danitra mba hampahery ilay fianakaviana ary milaza ireo zavatra tonga ao an-tsainy araka izay hitarihan’ny Fanahy azy.
-
Mamarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
Raha dorana ny vata-mangatsiakan’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiangonana dia mampiasa ny fahaizany mandanjalanja ilay mpitarika mpiahy mba hanapahana hevitra raha toa ka hatokana ilay toerana izay hitehirizana ny lavenona. Omeny lanja lehibe ny fanirian’ilay fianakaviana sy ireo fomba amam-panao sy lalàna eo an-toerana. Amboarin’ilay rahalahy mitondra teny hifanaraka amin’izay ilaina ireo torolalana ho an’ny fanokanana fasana.
18.17
Ny tsodranon’ny patriarika
Ny mpikambana mendrika sy vita batisa rehetra dia manana zo handray ny tsodranon’ny patriarika, izay manome fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra (jereo ny Genesisy 48:14–16; 49; 2 Nefia 4:3–11). Ireo ray aman-dreny sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mamporisika ireo mpikambana mba hiomana ara-panahy haka ny tsodranon’ny patriarika ho azy ireo.
Ny eveka na ny mpanolotsaina iray voatendry no manao dinidinika miaraka amin’ireo mpikambana izay maniry ny hahazo tsodranon’ny patriarika. Raha mendrika ilay mpikambana dia manomana Fahazoan-dalana hahazo tsodranon’ny patriarika ilay mpanao dinidinika. Alefany ao amin’ny Patriarchal Blessing System ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org izany.
Ilay olona izay manome ilay fahazoan-dalana handraisana tsodranon’ny patriarika dia maka antoka tsara fa manana fahamatorana ampy hahatakarana ny maha-zava-dehibe sy ny maha-masina ilay tsodrano ilay mpikambana. Ny tena tsara dia tokony ho mbola tanora ilay mpikambana no mandray izany ka mbola maro ireo fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainana izay miandry azy . Na izany aza dia amporisihina koa ireo olona efa lehibe mba handray ny tsodranon’ny patriarika. Tsy tokony hametraka ny taona kely indrindra ahafahan’ny mpikambana mandray ny tsodranon’ny patriarika ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana.
Tokony hahatakatra ny fotopampianarana fototry ny filazantsara aloha ny olona vao niova fo iray mialoha ny handraisana ny tsodranon’ny patriarika.
Jereo ny 38.2.10mba hahitana fampahalalana momba ny tsodranon’ny patriarika ao anatin’ireo toe-javatra manokana.
18.17.1
Fandraisana ny tsodranon’ny patriarika
Rehefa mahazo fahazoan-dalana ilay mpikambana dia mifandray amin’ny patriarika mba hakana fotoana handraisana tsodranon’ny patriarika. Amin’ilay fotoana nifanomezana dia tokony mankany amin’ny patriarika amim-pisaintsainana ombam-bavaka sy manao fitafy fanao alahady ilay mpikambana. Afaka mifady hanina ireo mpikambana, kanefa tsy takina ny hanaovana izany.
Masina sy tsiambaratelo ary an’ny tena manokana ny tsodranon’ny patriarika tsirairay avy. Noho izany dia omena mangingina izany raha tsy hoe misy fianakaviana vitsivitsy izay afaka manatrika izany.
Ny olona iray izay mandray ny tsodranon’ny patriarika dia tokony hankamamy ny teny ao anatin’izany, hisaintsaina izany, ary hiaina mba ho mendrika handray ireo fitahiana nampanantenaina eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay.
Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony hampitaha ireo tsodrano ary tsy tokony hizara izany afa-tsy amin’ireo havana akaiky. Tsy tokony hovakina mandritra ireo fivoriana ao am-piangonana na mandritra ireo fivoriana hafa iarahana amin’ny besinimaro ireo tsodranon’ny patriarika.
Raha tsy ahitana fanambarana fitohizan-taranaka ny tsodrano iray avy amin’ny patriarika dia afaka manome fanitsiana fanampiny ilay patriarika aty aoriana hanambarana ny fitohizan-taranaka.
18.17.2
Fahazoana tahadikan’ny tsodranon’ny patriarika
Ny olona iray izay nahazo tsodranon’ny patriarika dia tokony hitahiry tsara ilay taratasy vita printy. Raha very anefa io tahadika io na potika dia afaka mangataka iray vaovao ilay olona. Afaka manao izany fangatahana izany izy ao amin’ny Bénédiction patriarcale ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Raha tsy azo atao izany dia mifandray amin’ny evekany ilay olona mba hangatahana fanampiana.
18.17.3
Fampahalalana misimisy kokoa
Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny tsodranon’ny patriarika, dia jereo ny 38.2.10 sy ny “Tsodranon’ny patriarika.”
18.18
Ny fanafiana masina sy ny famehezana any amin’ny tempoly
Ho fampahalalana momba ny ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana any amin’ny tempoly, dia jereo ny toko faha-27.
18.19
Tabilaon’ny fanendrena
Anjara fanompoana |
Atolotry ny |
Ankatoavin’ny |
Tohanan’ny |
Manao ny tafa sy dinika ary ny fanendrena |
---|---|---|---|---|
Anjara fanompoana Patriarika | Atolotry ny Fiadidian’ny tsatòka | Ankatoavin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo | Tohanan’ny Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka | Manao ny tafa sy dinika ary ny fanendrena Filohan’ny tsatòka rehefa avy nahazo fankatoavana avy amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo; na mpikambana iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na mpikambana iray ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. |
Anjara fanompoana Mpisorona Avo | Atolotry ny Eveka sy fiadidian’ny tsatòka | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo | Tohanan’ny Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka | Manao ny tafa sy dinika ary ny fanendrena Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray voatendry no manao ny tafa sy dinika ary eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka ny fanendrena |
Anjara fanompoana Loholona | Atolotry ny Eveka | Ankatoavin’ny Fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo | Tohanan’ny Ireo mpikambana manatrika ny fihaonamben’ny tsatòka na fihaonamben’ny distrika | Manao ny tafa sy dinika ary ny fanendrena Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray voatendry no manao ny tafa sy dinika (ao anatin’ny distrika dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny misiôna, na ny filohan’ny distrika raha voatendry hanao izany, no manao ny tafa sy dinika; jereo ny 6.3) Tendrena eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka (ao anatin’ny distrika, ny fanendrena dia atao eo ambany fitarihan’ny filohan’ny misiôna na ny filohan’ny distrika raha voatendry hanao izany) |
Anjara fanompoana Eveka | Atolotry ny Fiadidian’ny tsatòka, mampiasa ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) | Ankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany sy Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo | Tohanan’ny Ireo mpikambana manatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo | Manao ny tafa sy dinika ary ny fanendrena Ny filohan’ny tsatòka rehefa avy nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany (jereo ny 30.7) |
Anjara fanompoana Mpisorona | Atolotry ny Eveka | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana manatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo | Manao ny tafa sy dinika ary ny fanendrena Ny eveka no manao ny tafa sy dinika ary eo ambany fitarihan’ny eveka ny fanendrena |
Anjara fanompoana Mpampianatra na diakona | Atolotry ny Eveka | Ankatoavin’ny Ny episkôpà | Tohanan’ny Ireo mpikambana manatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo | Manao ny tafa sy dinika ary ny fanendrena Nataon’i eveka tafa sy dinika na mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany ary teo ambanin’ny fitarihan’ny eveka ny fanendrena |