“24. Fandefasana fangatahana hanao asa fitoriana sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2024).
“24. Fandefasana fangatahana hanao asa fitoriana sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
24.
Fandefasana fangatahana hanao asa fitoriana sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana
24.0
Teny fanolorana
Fahiny ny Tompo dia nanome iraka ny hanangonana an’i Isiraely eny anivon’ny “firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” (Matio 28:19; jereo koa ny andininy 20). Navaozin’ny Tompo io iraka io amin’izao andro farany izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:11; 68:6–8; 112:28–30). Ireo mpikambana rehetra ao amin’ ny Fiangonana dia manao fanekempihavanana amin’ny fotoana anaovana batisa azy ny ho vavolombelon’ Andriamanitra sy ny hanompo ny hafa (jereo ny Môzià 18:8–10).
Tombontsoa masina ny fanompoana ny Tompo amin’ny maha misiônera. Mitondra fitahiana mandrakizay izany ho an’ilay olona sy ho an’ireo izay tompoiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:14–16).
Ny antso ho misiônera dia ahitana fampiandraiketana hampianatra filazantsara, na hanohana ny asa ataon’ireo departemanta na rantsana ao amin’ny Fiangonana, na hanompo eo amin’ny fiarahamonina eo an-toerana.
Ny Tompo dia mangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana. Ho an’ny zatovolahy Olomasin’ny Andro Farany dia andraikitry ny fisoronana ny fandehanana manao asa fitoriana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:1, 4–7).
Raisin’ny Tompo ihany koa ireo zatovovavy mendrika sy afaka manao asa fitoriana raha maniry izany izy ireo. Ho an’ny zatovovavy dia fahafahana lehibe ny asa fitoriana saingy tsy voatery hanao izany izy ireo. Ny fiomanana hanao asa fitoriana dia hitahy ny zatovovavy na misafidy ny ho misiônera izy na tsia.
Ilaina ihany koa ireo misiônera zokiolona ary amporisihina mba hiomana hanompo.
24.1
Ilay antso mba hanompo
Ny misiônera tsirairay dia voantso hanampy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny asan’ Izy Ireo. Misolotena an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny ireo misiônera. Manompo ny Tompo amin’ny fomba feno fandavantena izy ireo amin’ny asa iray feno fitiavana eo anivon’ireo zanany. Ny fampianarana sy ny asa fitoriana misahana asa fanompoana dia sady mitahy ny misiônera no mitahy ny hafa. (Jereo ny Matio 16:2522:36–40
Ny antso mba ho misiônera dia atolotra ireo mpikambana izay maniry hanompo, sy mendrika, ary manana fahafahana hanao izany. Ireo mpikambana ireo dia miezaka manompo ny Tompo amin’ny “fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjak’” izy ireo manontolo. Mikolokolo “finoana, sy fanantenana, sy fiantrana ary fitiavana” izy ireo. Ny mason’izy ireo dia “tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.” Raha manao izany izy ireo dia ny Tompo no hahalany azy ireo ho amin’ny asa. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2, 5; jereo ny andininy 1–7.)
Ireo misiônera dia misolotena ny Tompo ary tsy maintsy antsoina amin’ny alalan’ny fahefana tokony ho izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11; Fanekem-pinoana 1:5). Ny antso hanompo hanao asa fitoriana dia amin’ny ankapobeny aroson’ny Filohan’ny Fiangonana. Ho an’ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana dia ny filohan’ny tsatòka no manolotra ny antso.
24.2
Asa anendrena ireo misiônera
Ny antso hanompo amin’ny maha misiônera dia ahitana asa anendrena mazava tsara. Karazany maro samihafa ireo asa anendrena ireo. Mazàna izy ireo no ahitana:
-
Fanendrena ho misiônera mitory amin’ny alalan’ny fampianarana na misiônera manao asa fanompoana.
-
Ny toerana.
-
Ny faharetan’ny fanompoana.
Ny asa anendrena tsirairay dia tarihin’ny fanambarana mba hifanentana tsara amin’ilay misiônera sy amin’ny zavatra ilain’ireo zanak’ Andriamanitra.
Ny asa anendrena iray dia mety hiova amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy, araka ny fiovan’ny toe-javatra. Zava-dehibe ny asa anendrena iray mazava tsara. Na izany aza dia mbola latsa-danja noho ny antso hanompo ho misiônera izany. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80:3.)
24.2.1
Misiônera tanora voatendry hampianatra
Ireo misiônera tanora izay mampianatra dia tendrena hampianatra ny filazantsara lavitry ny toeram-ponenany. Ireny fanendrena ireny dia ataon’ny Apôstôly amin’ny alalan’ny fanambarana. Ireny misiônera ireny dia manompo eo ambany fitarihan’ny filohan’ny misiôna.
Ireo lehilahy tsy manambady izay 18–25 taona dia afaka manompo ho misiônera voatendry hampianatra. Mazàna izy ireo no manompo mandritra ny 24 volana.
Ireo vehivavy tsy manambady izay 19–29 taona dia afaka manompo ho misiônera voatendry hampianatra. Mazàna izy ireo no manompo mandritra ny 18 volana.
24.2.2
Misiônera tanora misahana asa fanompoana
Ny misiônera tanora manao asa fanompoana dia tendrena hanompo ato amin’ny Fiangonana sy eo amin’ny fiarahamonina no sady mipetraka ao amin’ny trano fonenany ihany. Ireny fanendrena ireny dia ataon’ny Apôstôly amin’ny alalan’ny fanambarana. Izany dia atolotra an’ireo mpilatsaka ho misiônera izay mifanentana kokoa amina misiôna manao asa fanompoana ny toe-javatra iainany (jereo ny 24.3.3).
Ho an’ireo olona ireo dia mitovy amin’ny an’ireo izay voatendry hanao misiôna mampianatra ihany ny fenitry ny fiomanana sy ny fahamendrehana. Ireo mpilatsaka ho misiônera tanora rehetra dia anaovana fangatahana amin’ny fomba mitovy ihany.
Ireo misiônera manao asa fanompoana dia manompo eo an-toerana eo ambany fitarihan’ny filohan’ny misiôna, miaraka amin’ny fanohanana akaiky ataon’ireo mpitarika ny misiôna misahana ny asa fanompoana. Ny Filohan’ny tsatòka no manolotra fanohanana amin’ny resaka ara-pivavahana (jereo ny 24.7.3).
Miaraka amin’ny fanampian’ny mpitarika ny misiôna misahana ny asa fanompoana, ny misiônera manao asa fanompoana tsirairay dia mahazo asa anendrena izay mifanaraka amin’ny toe-javatra iainany. Miankina amin’ny fahafahana hanompo misy koa ireo asa anendrena (jereo ny 24.7.1). Manompo tanteraka araka ny fahafahan’izy ireo manontolo ireo misiônera ireo.
Ireo lehilahy tsy manambady izay 18–25 taona dia afaka manompo manao misiônera misahana asa fanompoana. Mazàna izy ireo no manompo mandritra ny 24 volana.
Ireo vehivavy tsy manambady izay 19–29 taona dia afaka ny ho misiônera misahana asa fanompoana. Mazàna izy ireo no manompo mandritra ny 18 volana.
Ny fanaovana misiôna misahana asa fanompoana ho an’ireo misiônera tanora dia tsy mbola hita amin’ny faritra rehetra maneran-tany. Raha mila ny lisitr’ireo faritra izay ahafahana manao misiôna misahana asa fanompoana dia jereo ny ChurchofJesusChrist.org/service-missionary. Io tranonkala io dia manolotra fampahalalana fanampiny koa mikasika ny misiôna misahana asa fanompoana. Any amin’ny toerana izay tsy ahitana fanaovana misiôna misahana asa fanompoana, dia mety hanompo tahaka ny ataon’ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana ireo mpikambana tanora (jereo ny 24.2.4).
24.2.3
Misiônera zokiolona
Ireo mpikambana manambady 40 taona no ho miakatra dia azo antsoina ho misiônera zokiolona mpivady raha toa ka tsy manana zanaka tsy mahavita tena ahiana.
Ireo vehivavy tokan-tena 40 taona no ho miakatra dia azo antsoina koa ho misiônera zokiolona raha toa ka tsy manana zanaka mipetraka ao an-tokantrano.
Ireo lehilahy tsy manambady izay 40 taona no ho miakatra dia tsy azo atao misiônera zokiolona. Na izany aza izy ireo dia afaka manompo atao misiônera misahana asa fanompoana. (Jereo ny 24.2.4.)
Ireo misiônera zokiolona rehetra dia amporisihana hitady olona hampianarina sy hanampy ireo olona ireo hiomana ho amin’ny batisa. Ireo misiônera zokiolona dia azo tendrena ihany koa hanohana:
-
Ireo mpikambana sy faritra ary mpitarika eo an-toerana.
-
Vondromparitra, Departemantan’ny Fiangonana, ary trano sy fananan’ny Fiangonana.
-
Fikambanana mpanao asa soa.
Mazàna ireo misiônera zokiolona no manompo lavitry ny trano fonenany mandritra ny 6–23 volana. Ireo izay manompo ivelan’ny firenena fonenany dia mazàna manompo mandritra ny 18 volana raha kely indrindra.
Ireo misiônera zokiolona dia tsy angatahana hiasa mandritra ny fotoana mitovy amin’ny an’ireo misiônera tanora, na hanao zavatra mitovy amin’ny azy ireo, na hahavita zavatra mitovy amin’ny andrasana amin’izy ireo. Na izany aza dia mitaky ezaka ny asa fanompoana ataon’izy ireo. Noho izany antony izany dia tokony ho tsara ny toe-pahasalamany ka ampy ahafahany manompo. Tokony koa izy ireo hahafeno ireo fepetra ara-bola (jereo ny 24.3.4.2).
Ireo eveka sy filohan’ny tsatòka ary mpitarika hafa dia mandinika amim-bavaka izay mety ho afaka hanompo. Azon’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka atao dinidinika ireo mpikambana ireo mba hamantarana ny fahafahan’izy ireo ara-potoana, sy hanasana azy ireo hiomana hanompo.
Ny asa anendrena ireo misiônera zokiolona dia omena amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ireo Apôstôly. Azon’ireo mpitarika atao ny mandroso karazana asa ampiandraiketina voafaritra mazava ho an’ireo misiônera zokiolona. Na izany aza ireo mpitarika dia tsy tokony hanome fampanantenana mikasika izay asa anendrena izay ho voarain’izy ireo. Afaka milaza izay mba tiany ireo mpilatsaka ho misiônera mikasika ny asa ampiandraiketina, saingy tokony ho vonona izy ireo hanaiky na inona na inona asa anendrena azy.
Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny SeniorMissionary.ChurchofJesusChrist.org.
24.2.4
Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana
Ankoatra ny antso any amin’ny paroasy na tsatòka misy azy ireo dia azon’ireo mpikambana atao ny manompo ny Tompo amin’ny maha misiônera zokiolona misahana asa fanompoana. Ireny misiônera ireny dia manolotra fanompoana tena manan-danja any amin’ireo departemanta sy trano ary misiônan’ny Fiangonana (jereo ny 24.7.1). Mipetraka ao amin’ny trano fonenan’izy ireo ihany izy ireo.
Ireo lehilahy sy vehivavy 26 taona no ho miakatra dia azo antsoina ho misiônera zokiolona misahana asa fanompoana.
Ankoatra izany, ireo lehilahy tanora 18–25 taona sy ireo vehivavy tanora 19–25 taona dia afaka manompo tahaka ny ataon’ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana raha toa izy ireo ka monina any amin’ny toerana izay tsy ahitana fanaovana misiôna misahana asa fanompoana ho an’ny misiônera tanora. Afaka manompo koa izy ireo raha manambady na efa nanao misiônera mampianatra na misahana asa fanompoana fony tanora.
Ny filohan’ny tsatòka no miantso ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana. Eo ambany fitarihany izy ireo no manompo. Ny halavan’ny fotoana hanompoan’izy ireo isan-kerinandro dia miankina amin’ny fahafahan’izy ireo, sy ny asa fanompoana azo atao eo amin’ny faritra misy azy ireo, ary ny toromarika avy any amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.
Ny filohan’ny tsatòka no miantso ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana. Mifanakalo hevitra miaraka amin’ilay misiônera sy ny hafa izy ary mikatsaka amim-bavaka ny fanambarana mikasika ny asa anendrena tsirairay. Azony jerena ny SeniorMissionary.ChurchofJesusChrist.org rehefa manapa-kevitra mikasika ireo asa anendrena.
Ho fampahalalana fanampiny mikasika ny misiônera zokiolona misahana asa fanompoana, dia jereo ny 24.7.
24.2.5
Famintinana ireo asa anendrena ireo misiônera
Ity tabilao manaraka ity dia mamintina ireo karazana asa anendrena ireo misiônera.
Misiônera tanora voatendry hampianatra |
Misiônera tanora misahana asa fanompoana |
Misiônera zokiolona |
Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana | |
---|---|---|---|---|
Antsoin’ny | Misiônera tanora voatendry hampianatra Filohan’ny Fiangonana | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Filohan’ny Fiangonana | Misiônera zokiolona Filohan’ny Fiangonana | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka |
Tendren’ny | Misiônera tanora voatendry hampianatra Apôstôly | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Apôstôly | Misiônera zokiolona Apôstôly | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka |
Atokan’ny | Misiônera tanora voatendry hampianatra Filohan’ny tsatòka | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka | Misiônera zokiolona Filohan’ny tsatòka | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka na mpanolotsainy |
Toerana hipetrahany | Misiônera tanora voatendry hampianatra Lavitry ny trano fonenany | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Ao amin’ny trano fonenany | Misiônera zokiolona Lavitry ny trano fonenany na ao amin’ny trano fonenany | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Ao amin’ny trano fonenany |
Mpitarika ara-pivavahana | Misiônera tanora voatendry hampianatra Filohan’ny misiôna na filohan’ny toerana manan-tantara | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka | Misiônera zokiolona Filohan’ny misiôna, na filohan’ny tempoly, na filohan’ny toerana manan-tantara; na Filohan’ny Vondromparitra | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Filohan’ny tsatòka |
Manao tatitra amin’ny | Misiônera tanora voatendry hampianatra Filohan’ny misiôna na filohan’ny toerana manan-tantara | Misiônera tanora misahana asa fanompoana Filohan’ny misiôna, amin’ny alalan’ireo misiôna misahana asa fanompoana | Misiônera zokiolona Filohan’ny misiôna, na filohan’ny tempoly, na filohan’ny toerana manan-tantara; Filohan’ny Vondromparitra; talen’ny ivontoerana ho an’ireo vahiny mpitsidika; na ny mpitantana departemanta ato amin’ny Fiangonana na ny mpitantana ny trano sy fananan’ny Fiangonana. | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana Mpitantana ny rafitra misahana ny asa fanompoana anendrena |
Fepetra takina mahakasika ny taona | Misiônera tanora voatendry hampianatra 18–25 (lehilahy) | Misiônera tanora misahana asa fanompoana 18–25 (lehilahy) | Misiônera zokiolona 40 taona na mihoatra raha manambady na raha vehivavy tokan-tena | Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana 26 taona na mihoatra |
24.3
Miomana sy manao izay hahamendrika ny hanao asa fitoriana
Ireo mpirotsaka ho misiônera dia entanina hanao asa fitoriana noho ny fitiavan’izy ireo ny Tompo sy ireo zanany. Tokony ho efa mahazatra an’izy ireo ireo fanontaniana amin’ny dinidinika fanomezan-dalana hanao asa fitoriana.
24.3.1
Fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy
Ireo mety ho misiônera dia miezaka manamafy orina ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Izy ireo dia:
-
Miezaka manamafy orina ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
Manamafy orina ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny (jereo ny Almà 5:45–47).
-
Miaina ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny “[fisafidianana] ny hibebaka sy hanao ny marina” (Almà 13:10; jereo koa ny 2 Nefia 31:9–21).
-
Mivavaka, sy mandalina soratra masina (indrindra ny Bokin’i Môrmôna) sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona, ary mitandrina ny didy (jereo ny Almà 17:2–3).
-
Mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22).
-
Mandray anjara amin’ny seminera sy ny institiota (ho an’ireo zatovo sy ireo tanora).
24.3.2
Manaraka ireo fenitry ny fahamendrehana
Ireo izay azo antsoina ho misiônera dia miezaka ny ho mendrika ny hanana ny Fanahy ho namana. Ilaina izany ho an’ny asa fitoriana feno fahombiazana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:13–14). Ny fahamendrehana ny hanana ny Fanahy ho namana dia ahitana ny hoe voadio amin’ny fahotana (jereo ny Helamàna 4:24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:42).
24.3.2.1
Fibebahana
Ny fibebahana sy ny famelana amin’ny fahotana dia fanomezana izay azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra raisina. Lasa tanteraka ireo fanomezana ireo noho ny hery manavotra ananan’i Jesoa Kristy. Ny fibebahana dia mitaky ny fampiharana finoana an’i Kristy, amin’ny finiavana tena marina, ary fitandremana ny didy. Tafiditra amin’izany ny fiaikena sy ny famoizana ny fahotana. Ho an’ireo fahotana goavana, dia mitaky ny fiaikena amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny fibebahana (jereo ny 32.3 sy ny 32.4 ato amin’ity boky torolalana ity).
Ny olona iray izay mibebaka dia voavela heloka ary voadio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tsy tsaroan’ny Tompo intsony ilay fahotana. “Akory ny halehiben’ny fifaliany amin’ny olona izay mibebaka!” (Fotopampianarana sy Fenekempihavanana 18:13; jereo ihany koa ny Isaia 43:25; Jakôba 6:5; Almà 34:15–17; Helàmana 5:10–11; Fotopampianarana sy Fenekempihavanana 58:42–43; sy ny 32.1 ato amin’ity boky torolalana ity.)
Ireo mpikambana izay maniry hanao asa fitoriana dia tokony hitodika any amin’ny Tompo rehefa mibebaka sy miomana hanompo. Azon’izy ireo atao koa ny mikatsaka fanampiana feno fitiavana avy amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana.
Ny olona iray mpirotsaka ho misiônera dia tsy maintsy efa nibebaka tamin’ny fahotana goavana vao azon’ny filohan’ny tsatòka alefa ny fangatahana ho misiônera (jereo ny 32.6–32.8; jereo koa ny 24.4.4). Ny dingan’ny fibebahana dia ahitana fotoana ampy ahafahan’ilay olona maneho amin’ny alalan’ny fiainana feno fahamarinana fa nandray ny fanahin’i Kristy izy ho famelana ny fahotany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempiahavanana 20:37). Mifanakalo hevitra amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra (na ny Fitopololahin’ny Vondromparitra notendrin’izy ireo) ny filohan’ny tsatòka raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny halavan’ny fotoana ilaina hibebahana izy.
24.3.2.2
Fiaiken-keloka diso aoriana
Ny olona iray izay mandray ny antsony hanao asa fitoriana na manomboka ny fanompoana amin’ny fanaovana asa fitoriana ka tsy nibebaka tamin’ny fahotana goavana dia mety mila mijanona na miverina any an-trano. Arakaraka ny toe-javatra, dia mety afaka manompo izy rehefa avy nibebaka (jereo ny 24.6.3.2).
24.3.3
Fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po
Asa feno fanamby ny asa fitoriana. Ny zavatra takina eo amin’ny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po dia mety hanahirana. Mazàna ireo misiônera no miasa ao anatin’ny toe-javatra tsy mahazatra. Mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana ny fiovan’ny sakafo na ny toetrandro, na ny toe-javatra iainana. Betsaka koa ny zavatra takina ao amin’ny fandaharam-potoan’ny misiônera. (Jereo ny Almà 17:5; 26:27–28, 30.)
Ireo misiônera tanora voatendry hampianatra dia tsy maintsy feno fanolorantena ary mahavita na ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetseham-po manaraka ny fandaharam-potoan’ny misiônera manontolo. (Jereo ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ [2019], 2.4.)
Manaraka fotoana iasana voarafitra tanteraka araka ny talentany, sy ny fahaiza-manaony ary ny fahafahan’izy ireo manontolo ireo misiônera tanora manao asa fanompoana.
Ireo mpirotsaka ho misiônera dia miomana hanompo amin’ny fanatanjahana ny fahasalaman’izy ireo ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po. Miezaka koa izy ireo hanana fahaizana miatrika olana sy fizakan-tena.
Mety ilain’ny mpitarika ny mifampiresaka amim-pitandremana amin’ny mpirotsaka ho misiônera iray mikasika ireo olany ara-pahasalamana mialoha ny handefasana ny fangatahana. Ny sasany amin’ireo izay hirotsaka ho misiônera dia mety mila fitsaboana matihanina amin’ireo olana ara-pahasalamana ananan’izy ireo (jereo ny 31.3.6). Ny mpirotsaka iray izay nomena taratasy momba ny fanafody ho arahana dia tsy maintsy manolo-tena ny hanaraka izany mandritra ny fotoana rehetra hanompoany, araka ny toromariky ny mpiasan’ny fahasalamana.
24.3.4
Fiantohana ara-bola
Tafiditra amin’ny fanompoana eo amin’ny asa fitoriana ny fahafoizan-tena ara-bola (jereo ny Marka 1:17–18; Almà 15:16). Ny misiônera sy ny fianakaviany no manana andraikitra voalohany hiantohana eo amin’ny ara-bola ny fanompoana eo amin’ny asa fitoriana. Tokony hanao ny fiomanana sy fahafoizana sahaza ho an’izany izy ireo. Tokony hizaka tena ara-bola araka izay tratrany izy ireo eo amin’ny fanatanterahana ny fanolorantena handrotsaka anjara biriky.
24.3.4.1
Fiantohana ara-bola ireo misiônera tanora manompo lavitry ny fonenany
Ho an’ireo mpirotsaka ho misiônera tanora izay niomana araka izay fahafahany manao dia tsy tokony hahemotra noho ny antony ara-bola ny fandehanany manompo. Ireo izay mila fanampiana ara-bola mba hahatanteraka ny fanolorantena handrotsaka anjara biriky andrasana aminy dia afaka mandray fanampiana avy amin’ny havana sy ny namana.
Raha mbola tsy feno ny ilaina, dia azon’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka atao ny mangataka ireo mpikambana ao amin’ny paroasy na ny tsatòka handrotsaka anjara biriky ao amin’ny kitapom-bolan’ny paroasy ho an’ny asa fitoriana.
Tsy azo ampiasaina ho amin’izany ny vola ao amin’ny tetibola sy ny kitapom-bolan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina.
Ny fanolorantena handrotsaka anjara biriky isam-bolana. Ireo misiônera tanora voatendry hampianatra sy ny fianakaviany dia mandrotsaka anjara biriky raikitra voafaritra mazava isam-bolana mba hanampiana amin’ny fiatrehana ny saran’ny fandaharan’asa fitoriana ny filazantsara. Faritana amin’ny iray amin’ireto fomba ireto ny habetsak’izany:
-
Ireo misiônera avy amin’ny firenena sasany dia mandray anjara amin’ny anjara biriky natao mitovy tantana. Izany hoe mitovy ny lelavola anjara biriky arotsaky ny misiônera tsirairay na aiza na aiza toerana hanompoan’izy ireo. Any amin’ny foiben’ny Fiangonana no hamaritana ny habetsahany. Afaka mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera (jereo ny 24.9.3) ireo mpitarika na amin’ny biraon’ny vondromparitra hahitana ny lisitr’ireo firenena voakasik’io fandaharan’asa anjara biriky mitovy tantana io.
-
Ho an’ireo firenana hafa dia mifandinika miaraka ny eveka, sy ny filohan’ny tsatòka sy ilay misiônera ary ny fianakaviany mikasika ny habetsak’ilay anjara biriky arotsaka isam-bolana. Mila mihevitra ny haka tari-dalana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Amporisihan’izy ireo ny fanaovana fahafoizana ara-bola araka izay fahafahana sy ny fananana fizakan-tena mifototra amin’ny toe-javatra iainan’ilay misiônera sy ny fianakaviany. Misy anjara biriky ifanarahan’izy ireo izay raketin’izy ireo ao amin’ilay fangatahana hirotsaka. Manolo-tena hanaraka izany ilay misiônera sy ny fianakaviany. Afaka mandray anjara koa hahafeno an’io anjara biriky io ny hafa raha toa ka monina ao amin’ny firenena iavian’ilay misiônera (jereo ny “Kitapom-bolan’ny Paroasy ho an’ny Asa Fitoriana” etsy ambany ato amin’ity fizaràna ity ihany).
Ao amin’ny kitapom-bolan’ny paroasy ho an’ny asa fitoriana no arotsaka ireo anjara biriky. Amarinin’ny eveka fa voarotsaka isam-bolana ny vola. Ireo lelavola ankoatra ilay fandrotsaka isam-bolana dia tsy tokony harotsaka mialoha. Ny vola narotsaka mialoha dia tsy azo averina raha toa ka mody aloha ilay misiônera.
Fandaniam-bola any am-panompoana. Isam-bolana ireo misiônera tanora dia mandray lelavola ampy avy any amin’ny misiôna hiantohana ny sakafo ara-pahasalamana sy ny fitaterana ary ny fandaniana hafa ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro. Masina ireny vola ireny. Tsy mampiasa izany ny misiônera raha tsy amin’ny zavatra ilaina amin’ny asa fanompoana. Tsy tokony hampiasaina amin’ny fividianana zavatra ho an’ny tena manokana, na tahirizina, na halefa any amin’ny fianakaviana na olon-kafa izy ireny. Averin’ny misiônera any amin’ny misiôna izay lelavola rehetra tsy ilain’izy ireo.
Volan’ny tenany manokana no ampiasain’ny misiônera hiantohana ny fandaniana hafa. Tokony ho faran’izay kely izany fandaniana ho an’ny zavatra ilain’ny tena manokana izany. (Jereo ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ, 4.8.)
24.3.4.2
Fiantohana ara-bola ireo misiônera zokiolona manompo lavitry ny fonenany
Ny fanolorantena handrotsaka anjara biriky isam-bolana. Ireo misiônera zokiolona manompo lavitry ny fonenany dia mandray anjara mandrotsaka isam-bolana ao amin’ny kitapom-bola ho an’ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy niaviny. Izany anjara biriky izany dia manampy amin’ny fiantohana ny vola lany amin’ny trano ipetrahana sy ny fampiasana fiara (jereo koa ny “Fandaniam-bola fanampiny” etsy ambany ao amin’ity fizaràna ity ihany). Ny sandan’ny fandraisana anjara amin’ny trano fonenana dia mifototra amin’ny salanisa amin’ny sandan’izany ao amin’ny misiôna tsirairay. Ireo vola ireo dia mety mihoatra na latsaka noho ny sandan’ny trano fonenana omen’ny Fiangonana.
-
Ireo misiônera zokiolona avy amin’ny firenena izay mandray anjara amin’ilay fandaharan’asa anjara biriky mitovy tantana dia mandrotsaka lelavola voatendry hita ao amin’ilay antontan-taratasy misy ny antso.
-
Ho an’ireo firenana hafa dia miara-mifandinika ny eveka, sy ny filohan’ny tsatòka ary ilay misiônera mikasika ny habetsak’ilay anjara biriky arotsaka isam-bolana. Amporisihan’ireo mpitarika ny fanaovana fahafoizana ara-bola araka ny fahafahany, mifototra amin’ny toe-javatra iainan’ilay misiônera. Misy anjara biriky ifanarahan’izy ireo izay raketin’izy ireo ao amin’ilay fangatahana hirotsaka. Io anjara biriky io dia tsy maintsy farafahakeliky mitovy amin’ny sandam-bola nofaritan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ho an’ny misiônera zokiolona (rehefa nifanakalo hevitra tamin’ny Departemanta misahana ny Misiônera). Afaka mandray anjara mameno an’io anjara biriky io koa ny hafa izay monina ao amin’ny firenena niavian’ilay misiônera.
Amarinin’ny eveka fa voarotsaka isam-bolana ny vola. Ireo lelavola ankoatra ilay fandrotsaka isam-bolana dia tsy tokony harotsaka mialoha.
Fandaniam-bola fanampiny. Ankoatra ny anjara biriky nanolorana tena fa harotsaka isam-bolana, izay manampy amin’ny fiantohana ny saran’ny trano sy ny fiara, dia tsy maintsy miantoka feno ny fandaniam-bola hafa ireo misiônera zokiolona, ka tafiditra ao anatin’izany ny sakafo, ny zavatra ilain’ny tena manokana, ary ny solika ho an’ny fiara.
24.3.4.3
Fiantohana ara-bola ireo misiônera manompo ka mipetraka any amin’ny toerana iaviany
Ireo misiônera izay manompo ka mipetraka any amin’ny toerana iaviany ihany no tompon’andraikitra amin’ny zavatra rehetra ilainy eo amin’ny lafiny ara-bola. Ireo izay mila fanampiana ara-bola dia afaka mandray izany amin’ny havana sy ny namana. Tsy azo ampiasaina ho an’ny zavatra ilaina mifandray amin’ny maha-misiônera ny kitapom-bolan’ny paroasy na ny an’ny tsatòka ho an’ny asa fitoriana.
24.3.4.4
Fiantohana sy fandaniana mahakasika ny fahasalamana
Ireo misiônera rehetra, tafiditra ao anatin’izany ireo tanora mitory amin’ny alalan’ny fampianarana, dia amporisihina mafy hihazona ny fiantohana ara-pahasalamana efa ananan’izy ireo araka izay azo atao.
Ireo misiônera manompo ka mipetraka any amin’ny toerana niaviany ihany dia tsy maintsy mampiseho ny fiantohana ara-pahasalamana sy ny fiantohana hafa ananany. Ireo misiônera zokiolona manompo lavitry ny trano fonenany dia tsy maintsy mampiseho ihany koa io fiantohana io. Ireo misiônera zokiolona izay hanompo ivelan’ny firenena onenany dia mety ho afaka mahazo fiantohana amin’ny alalan’ny Senior Service Medical Plan.
24.3.5
Anjara andraikitry ny fianakaviana sy ny mpitarika eo amin’ny fanomanana misiônera
Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ny eveka ary ireo mpitarika hafa dia manampy ny zatovo hiomana hanao asa fitoriana. Ny eveka dia manasa ny zatovolahy tsirairay ho tonga misiônera, ary manasa ihany koa ny zatovovavy tsirairay izay maniry hanompo.
-
Manampy azy ireo ho tonga misiônera mpikambana mahomby amin’ny fizarana ny filazantsara mialoha ny handraisan’izy ireo antso hanompo.
-
Manome fahafahana azy ireo hanompo sy hampianatra.
-
Manamboatra fotoana ahafahan’izy ireo miaraka amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno.
-
Manasa ireo misiônera manompo amin’izao fotoana izao na ireo efa avy nanao asa fitoriana hizara ny traikefany tamin’izy ireo nampianatra sy nanompo.
-
Mitia sy mitaona ny fanahin’ny olona tsirairay ho vonona hanao asa fitoriana.
-
Mamporisika azy ireo hanokana fotoana fanampiny hivavahana sy handalinana ny soratra masina, indrindra ny Bokin’i Môrmôna.
-
Mametraka fandaharam-pianarana fiomanana ho misiônera.
Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika dia mamporisika ireo mpikambana zokiolona hihevitra ny hanao fanompoana eo amin’ny asa fitoriana ho an’ny zokiolona. Mety ho tafiditra amin’izany ny fanampiana azy ireo:
-
Handinika ny fahafahan’izy ireo hanao asa fitoriana eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-bola, na lavitry ny trano fonenany izany na hoe mijanona ao amin’ny trano fonenany ihany.
-
Mamantatra ireo fahafahana manao asa fitoriana izay azon’izy ireo tanterahana.
-
Ho tonga misiônera mpikambana mahomby amin’ny fizarana ny filazantsara mialoha ny handraisan’izy ireo antso hanompo.
-
Hahatakatra ireo fitahiana izay hoentin’ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana ho an’ny fianakavian’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:5–6).
Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika dia mamporisika ireo rehetra izay mirotsaka ho misiônera handalina:
-
Ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina hafa.
-
Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
-
Adjusting to Missionary Life (Manova ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny fomba fiainan’ny misiônera).
Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika dia manampy ireo mpirotsaka ho misiônera hanolo-tena hanaraka ireo fenitra iainan’ny misiônera. Mamporisika ireo mpirotsaka ho misiônera izy ireo handalina ilay boky torolalana mikasika ireo fenitra iainan’ny misiônera izay mifandray amin’ny asa mety hanendrena azy ireo:
-
Ho an’ireo misiônera tanora voatendry hampianatra: Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy)
-
Ho an’ireo misiônera tanora misahana asa fanompoana: Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ—Service Missions (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy—Asa fitoriana misahana asa fanompoana)
-
Ho an’ny misiônera rehetra: ny fizarana “Mampiasa ny teknôlôjia amim-pahamarinana” ao amin’ny toko 2 ao amin’ny Torio ny filazantsarako.
24.4
Fankatoavana sy fandefasana ny fangatahana ho misiônera
Ny mpirotsaka ho misiônera sasany dia tsy ampy herintaona no nonenany tsy tapaka tao amin’ny paroasy. Amin’ny toe-javatra tahaka izany, dia fotoana aloha be eo amin’ny dingan’ny fikarakarana ny fangatahana dia efa mifandray amin’ny evekan’ilay paroasy taloha nisy an’ilay olona ny eveka.
24.4.1
Fijerena ny toe-pahasalamana
Mitaky zavatra betsaka ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po ny asa fitoriana. Ireo mpirotsaka ho misiônera rehetra dia takina ny hanao fizaham-pahasalamana amin’ny mpitsabo hanombatombanana ny fahavononany ara-pahasalamana.
Ireo fanombatombanana ny toe-pahasalamana dia jeren’ny biraon’ny vondromparitra sy ny Departemanta misahana ny Misiônera. Indraindray dia mety hiantraika amin’ny fahafahan’ny olona iray hanompo lavitry ny toeram-ponenany ny olana ara-pahasalamana sasany. Amin’ny toe-javatra sasany dia mety ho averina ilay fangatahana arahina toromarika momba ny fomba ahafahan’ilay olona manatsara ny fahavononany ara-pahasalamana.
24.4.2
Dinidinika sy taratasy fanomezan-dalana
Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia manao tafa sy dinika amin’ny antsipiriany manadihady ny ara-panahy sy mampivoatra amin’ny olona tsirairay mirotsaka ho misiônera. Ireo fanontaniana amin’ny dinidinika fanomezan-dalana hanao asa fitoriana no ampiasain’izy ireo. Resahan’izy ireo ny mombamomba an’ilay mpirotsaka ho misiônera:
-
Ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny (jereo ny 24.3.1).
-
Ny fanarahany ireo fenitry ny fahamendrehana (jereo ny 24.3.2).
-
Ny fahavononany eo amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po (jereo ny 24.3.3).
-
Ny fahavononany ara-bola (jereo ny 24.3.4).
Dinihan’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ihany koa ireo fampahalalana momba ireo fenitry ny fahamendrehana sy ny fahavononana ara-pahasalamana ao amin’ny Système de recommandation missionnaire en ligne. Raha manana fanontaniana ny filohan’ny tsatòka iray any Etazonia na Kanadà dia mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera (jereo ny 24.9.3). Raha any amin’ny toeran-kafa dia mifandray amin’ny biraon’ny vondromparitra izy. Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia tsy tokony hanampy fenitra hafa hahafahan’ny olona iray ho lany. Ary tsy tokony hanova ihany koa ireo fanontaniana amin’ny dinidinika.
Ireo fampahalalana ao amin’ny taratasy fanomezan-dalana dia manampy amin’ny dingan’ny fanambarana eo amin’ny fiantsoana ho amin’ny asa fitoriana. Maka antoka ireo mpitarika fa ambara tsy misy an-kanafina ireo fampahalalana rehetra takina.
Raha toa ka manana olana ilay eveka na ilay filohan’ny tsatòka mikasika ny fahafenoan’ny mpirotsaka iray ireo fenitry ny fahamendrehana na mahakasika ny fahavononany ara-pahasalamana, dia mifanakalo hevitra miaraka amin’ilay olona izy ireo. Azon’izy ireo atao koa ny mifampiresaka amin’ny ray aman-drenin’ilay mpirotsaka ho misiônera, raha toa ka nahazo lalana taminy. Tsy alefan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny taratasy fangatahana iray raha tsy efa nibebaka tamin’ny fahotana goavana ilay olona (jereo ny 24.3.2.1). Arakaraka ny toe-pahasalaman’ilay olona ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetseham-po, dia azon’izy ireo resahana ny mety hanendrena azy ho misiônera misahana asa fanompoana.
Ao anatin’ny hamehana, rehefa tsy eo ny eveka na ny filohan’ny tsatòka, dia azony atao ny manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy hanao ireo dinidinika ireo.
Any amin’ireo distrika dia ny filohan’ny misiôna na ny mpanolotsaina iray voatendry no manao ny dinidinika ary manome fahazoan-dalana ireo mpirotsaka ho misiônera. Tsy manao an’ireo dinidinika ireo ny filohan’ny distrika.
24.4.3
Fandefasana ireo fanomezan-dalana hanao asa fitoriana
Azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny mandefa ny fangatahana ho an’ny misiônera tanora iray hatramin’ny 150 andro mialoha ny daty maha afaka azy. Azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny mandefa ny fangatahana ho an’ny misiônera zokiolona iray hatramin’ny sivy volana mialoha ny daty maha afaka azy. Ny daty maha afaka dia tsy maintsy amin’ny fotoana izay mahatanteraka ireto fepetra rehetra manaraka ireto:
-
Efa nahatratra ny taona ahafahana manompo ilay olona.
-
Efa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny herintaona raha haingana indrindra ilay olona.
-
Efa nahavita ny fianarana tany amin’ny lisea na ambaratonga faharoa na ny mitovy amin’izany ilay olona na tsy manaraka fianarana amin’ireo intsony. (Amin’ireo izay hirotsaka ho misiônera tanora izay tsy mbola ho feno 19 taona amin’ilay daty hahafahany manomboka ihany izany no mihatra.)
Ireo mpirotsaka ho misiônera tanora sy ny filohan’ny tsatòkan’izy ireo dia manao drafitra amin’izay fotoana tokony handefasan’ny filohan’ny tsatòka ny fanomezan-dalana. Azon’izy ireo ampiasaina ny Submission Planning Tool sy ny Mission Release Date Planning Tool raha mila fanampiana.
Mazàna ny taratasy fangatahana dia alefa amin’ny alalan’ny paroasy sy tsatòka misy ilay olona. Ireo eveka ana paroasy lavitry ny tokantrano, toy ny paroasy ho an’ny tanora tokan-tena dia afaka mikarakara taratasy fangatahana ho misiônera. Fa mifampiresaka amin’ny evekan’ilay paroasy niavian’ilay olona aloha izy ireo. Ilay paroasy misy ny trano fonenany no tokony hosoratana hoe paroasy mamatsy ilay mpirotsaka ho misiônera.
24.4.4
Ireo izay tsy afaka manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno
Indraindray misy mpikambana izay maniry hanompo ary atolotra ho misiônera manao asa fanompoana, nefa tsy azo antsoina ho misiônera misahana fampianarana na misiônera manao asa fanompoana. Izany dia mety hoe noho ny olana ara-pahasalamana, na ny tsy fahatratrarana ny fenitry ny fahamendrehana, na ny olana araka ny lalàna, na noho ny toe-javatra hafa. Maneho fitiavana sy fankasitrahana ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka noho ny finiavan’ilay mpikambana hanompo. Afaka mandefa ireo fanontaniana any amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera ao amin’ny 801-240-2179-2179 na ny Missionary.Prefield@ChurchofJesusChrist.org ireo mpitarika.
Mamporisika an’ilay mpikambana ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka handroso hatrany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany azy. Mamporisika azy koa izy ireo hanohy ireo tanjona manan-danja hafa toy ny fandrantoana fianarana sy ny asa ho an’ny mpikambana tanora.
24.5
Aorian’ny fandraisana antso ho amin’ny asa fitoriana
Entanina hamaky sy hamerina hamaky ny Bokin’i Môrmôna ireo misiônera vao nahazo antso mialoha ny hanombohan’izy ireo ny asa fanompoany. Manaraka ny torohevitry ny Mpanjaka Benjamina izy ireo ny “hitandrina ny tenan[’izy ireo] sy ny eritreritr[’izy ireo] ary ny tenin[’izy ireo] sy ny ataon[’izy ireo]” (Môzià 4:30).
Mandray andraikitra avy hatrany izy ireo amin’ireo toromarika nomena niaraka tamin’ilay antso. Mandalina ireo fotopampianarana sy fitsipika ao anatin’ny soratra masina sy ao anatin’ny Torio ny Filazantsarako izy ireo, ary mifantoka kokoa amin’ny toko 3. Averin’izy ireo dinihina koa ilay boky kely hoe Adjusting to Missionary Life (Manova ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny fomba fiainan’ny misiônera) na ny Adjusting to Service Missionary Life: Resource Booklet (Manova ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny fomba fiainan’ny misiônera misahana asa fanompoana: Boky kely loharanon-kevitra). Mandalina ireo fepetra rehetra arahan’izy ireo mandritra ny fanompoana ihany koa izy ireo sy ny fianakaviany.
Manohana ireo misiônera amin’izany ezaka izany ireo fianakaviana sy ireo mpitarika. Antitranterin’izy ireo ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny tsara sy ny fitoerana ho mendrika hanana ny Fanahy.
24.5.1
Ny fanafiana masina sy ny asa fanompoana any amin’ny tempoly
Entanina ireo misiônera vao nantsoina handray haingana araka izay azo atao ny fanafiana masina any amin’ny tempoly ary handeha any amin’ny tempoly matetika araka izay azo atao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:15–16; 105:33). Mihatra amin’ireo misiônera misahana ny fampianarana koa izany raha toa ka mety amin’ny toe-javatra iainany izany. Ho fampahalalana mikasika ny fandraisana fanafiana masina dia jereo ny 27.2.
Ireo misiônera vao naharay antso izay efa nandray fanafiana masina dia afaka manompo any amin’ny tempoly manao mpanatanteraka ôrdônansy mialoha ny hanombohan’ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana raha mety (jereo ny 25.5).
24.5.2
Ireo fivoriana fanasan’ny Tompo
Asain’ny episkôpà ireo misiônera vao naharay antso handray fitenenana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo mialoha ny handehanan’izy ireo hanompo. Fivoriana fanasan’ny Tompo toy ny mahazatra io. Ny fanasan’ny Tompo sy ny Mpamonjy no tokony hifantohana. Tokony hasaina ilay misiônera hiresaka momba an’i Jesoa Kristy, sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, ary ny fifaliana entin’ny fizarana ny filazantsara sy ny fanompoana ny hafa.
Raha ny tokony ho izy dia tsy hasaina handray fitenenana ireo fianakavian’ilay misiônera na ireo namany. Tsy tokony hihoarana ny fotoana mahazatra faharetan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo.
Tokony hialan’ireo mpikambana sy ireo mpitarika izay zavatra mety hampiala ny fifantohana amin’ny maha masina ny antso hitory filazantsara na hiteraka fandaniam-bola tsy ilaina atao. Ohatra, tsy tokony hataon’izy ireo ny:
-
Manao printy fandaharam-potoana manokana ho an’ny fivoriana fanasan’ny Tompo.
-
Manao filaharana handraisan-tanana aorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo.
-
Manao varavarana misokatra, ankoatra ny fivoriam-pianakaviana. Raha misy fivoriana karakarain’ny fianakaviana, dia amporisihana mba tsy hanelingelina ireo fivoriana alahady izany.
24.5.3
Fanokanana ireo misiônera
Ny filohan’ny tsatòka misy an’ilay misiônera no manokana ny misiônera tsirairay fotoana fohy araka izay azo atao mialoha ny daty hanombohany ny fanompoany. Ao anatin’ny hamehana, rehefa tsy eo ny filohan’ny tsatòka, dia azony atao ny manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy hanokana misiônera. Azony atao koa ny mampiandraikitra ny fanokanana misiônera zokiolona misahana asa fanompoana amin’ny mpanolotsaina iray.
Ny filohan’ny misiôna na ny iray amin’ireo mpanolotsainy no manokana ireo misiônera izay voantso avy amin’ireo distrika ao amin’ny misiôna tarihiny. Tsy misahana fanokanana misiônera ny filohan’ny distrika.
Ny rahalahy iray izay hanompo lavitry ny trano fonenany dia tsy maintsy efa nandray ny Fisoronana Melkizedeka mialoha ny hanokanana azy ho misiônera. Ny rahalahy iray izay hanompo amin’ny maha misiônera misahana asa fanompoana dia tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka raha toa ka mety amin’ny toe-javatra misy azy izany. Raha mila toromarika mikasika ny fanendrena ho amina anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia jereo ny 18.10.
Fotoana fohy mialoha ny hanokanana misiônera iray dia ataon’ny filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray voatendry dinidinika izy. Raha toa ilay misiônera ka tsy mahafeno intsony ireo fenitry ny fahamendrehana, na raha toa ka misy fiovana momba ny fahasalamana izay mety hisy fiantraikany amin’ny asa fanompoan’ilay misiônera, dia tsy atokana izy. Mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera (jereo ny 24.9.3) ny filohan’ny tsatòka, na amin’ny biraon’ny vondromparitra mba hahazoana torolalana.
Tokony ho traikefa tena miavaka ny fotoana fanokanana. Afaka manatrika ny fianakaviana sy ireo namana akaiky. Manampy azy ireo ny filohan’ny tsatòka hahatakatra sy hahatsapa ny maha masina sy maha manan-danja ny antso hanompo amin’ny maha solontenan’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.
Tsy tokony ho raketina ilay fanokanana sy ny fitsofan-drano miaraka amin’izany. Na izany aza dia entanina ilay misiônera hanoratra ao amin’ny diariny ny zavatra niainany ary hanoratra ireo ampahany amin’ilay tsodrano izay nanan-danja manokana.
Azavain’ny filohan’ny tsatòka fa tokony hanaraka ireo fitsipika mifehy ireo misiônera ilay olona rehefa vita fanokanana.
Ny fanokanana misiônera iray dia ho an’ny antso hanompo, fa tsy ho an’ny fanendrena iray manokana. Raha miova ny asa hanendrena misiônera iray, dia tsy averina atokana izy. Raha misy misiônera isaorana ka aty aoriana nahazo lalana hiverina hanompo (jereo ny 24.6.3.2), dia averina atokana ho misiônera indray izy.
24.6
Fanompoana lavitry ny trano fonenana
24.6.1
Fandehanana hamonjy ny sahan’ny misiôna
Ho an’ireo misiônera tanora voatendry hampianatra dia iantohan’ny Fiangonana ny saran-dalana mankany amin’ny Ivon-toerana Fanofanana Misiônera (IFM) sy avy any mankany amin’ny asa nanendrena hanompoana. Iantohan’ny Fiangonana koa ireo fandaniana ireo ho an’ireo misiônera zokiolona izay manompo lavitry ny trano fonenany mandritra ny maherin’ny herintaona.
Afaka manatitra misiônera mankany amin’ny IFM ny fianakaviana akaiky. Na izany aza dia tsy voatery hanao izany izy ireo. Tsy manokana fotoana hanaovan’ny fianakaviana veloma ny misiôneran’izy ireo ny IFM.
Noho ny antony ara-piarovana sy antony hafa, dia tsy amporisihana ireo fianakaviana sy ny hafa hihaona amin’ny misiônera any amin’ny seranam-piaramanidina rehefa miala ao amin’ny IFM ny misiônera hankany amin’ny asa nanendrena azy ireo.
24.6.2
Any amin’ny sahan’ny misiôna
24.6.2.1
Faritra hametrahana ireo misiônera
Mifanakalo hevitra ny filohan’ny tsatòka sy ny an’ny misiôna mikasika ny filana misiônera amin’ireo paroasy sy sampana voafaritra mazava. Tsy takina ny hanendrena misiônera amin’ny rantsana rehetra. Ny rantsana sasany dia mety hanana ekipana misiônera mihoatra ny iray. Ny filohan’ny misiôna no mamaritra ny toerana hametrahana ireo misiônera.
24.6.2.2
Fanompoana ireo mpikambana sy ny fiarahamonina
Mifanakalo hevitra ny filohan’ny tsatòka sy ny an’ny misiôna mikasika ny fomba ahafahan’ireo misiônera manolotra fanompoana ho an’ireo mpikambana sy ny fiarahamonina. Afaka mampiasa ny JustServe.org izy ireo any amin’ny toerana misy izany.
24.6.2.3
Trano ipetrahana sy sakafo ary fitaterana
Ny filohan’ny tsatòka sy ny filohan’ny misiôna no mamaritra ny fepetra sy ny fetran’ny fahafahan’ny mpikambana eo an-toerana miantoka trano hipetrahana sy sakafo ho an’ireo misiônera. Tsy tokony hatao hiteraka vesatra ho an’ireo mpikambana eo an-toerana ny fiantohana trano sy sakafo.
Tsy takina amin’ireo mpikambana ny hiantoka tsy tapaka fitaterana ho an’ireo misiônera, na ireo izay ampianariny, na ireo izay vao vita batisa vao haingana.
Mety hanome torolalalana ny Fiadidian’ny Vondromparitra mikasika ny trano ipetrahan’ny misiônera, sy ny sakafo ary ny fitaterana azy ireo eo amin’ny faritra.
24.6.2.4
Misiônera misahana andraikitra ao amin’ny sampana
Amin’ny toe-javatra tena mahalana dia azo tendrena hihazona andraikitra ao amin’ny sampana ny misiônera manompo lavitry ny toeram-ponenany. Raha toa ka ao anatina tsatòka ilay sampana, dia eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka ny fanokanana ilay misiônera, raha ankatoavin’ny filohan’ny misiôna.
Raha eo anivona distrika ilay sampana dia tsy ilaina atokana ilay misiônera. Ny fahefana hanompo ao anaty rantsana iray iandraiketan’ny misiôna dia efa tafiditra ao anatin’ilay fanokanana ho misiônera. Raha misy elder misahana andraikitra izay mitaky fihazonana fanalahidin’ny fisoronana, dia manatontosa izany izy ireo araka ny fahefana nampiandraiketina avy amin’ny filohan’ny misiôna.
24.6.2.5
Fangatahana hanohana ny hafa eo amin’ny ara-bola na amin’ny fianarana na ny fifindra-monina
Ireo misiônera sy ireo fianakaviany dia tsy tokony hiantoka fanohanana ara-bola ho an’ireo izay monina any amin’ny toerana hanompoan’ireo misiônera, tafiditra amin’izany ny fanohanana ara-bola ho an’ny fianarana. Ary tsy tokony hiantoka olona izay maniry hifindra monina any amin’ny firenena hafa ireo misiônera sy ny fianakaviany (jereo ny 38.8.19).
24.6.2.6
Fanafody
Ireo misiônera dia tompon’andraikitra amin’izay fanafody mety hilainy. Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ny hafa dia tsy mahazo mandefa na mampitondra fanafody ho an’ireo misiônera. Raha misy fanafody tsy hita eo amin’ny faritry ny misiôna dia mifanakalo hevitra amin’ny filohan’ny misiôna ilay misiônera.
24.6.2.7
Fahafatesan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana akaiky
Raha misy fianakavian’ilay misiônera akaiky nindaosin’ny fahafatesana, dia afaka misafidy ilay misiônera ny hody mandritra ny fotoana voafetra hamonjy ny fandevenana. Na izany aza anefa dia amin’ny ankapobeny toroina hevitra ilay misiônera hijanona any amin’ny sahan’ny misiôna. Raha mety, dia azony atao ny mijery ny fotoam-pandevenana amin’ny alalan’ny internet.
Raha misafidy ny hody ilay misiônera, dia mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera ny filohan’ny misiôna.
24.6.2.8
Firaketana ny maha-mpikambana sy Fahafolonkarena
Hazonin’ny paroasy niavian’ilay misiônera ny firaketana ny maha-mpikambana azy. Ny paroasy niaviny ihany koa no mirakitra ny maha mpandoa fahafolonkarena azy. Tsy mandoa fahafolonkarena ireo misiônera amin’ny vatsim-bola fanohanana raisin’izy ireo avy amin’ny misiôna. Na izany aza dia mandoa fahafolonkarena izy ireo raha manana fidiram-bola manokana.
24.6.3
Fiverenana mody avy any amin’ny misiôna
24.6.3.1
Fiverenana mody araka ny fe-potoana napetraka tany am-boalohany
Ireo misiônera sy ny fianakaviany dia tsy tokony hangataka fisaorana mialoha amin’ny antso na fanitarana ny fotoana hanompoana noho ny antony mampetipety azy ireo.
Tokony hody avy hatrany ireo misiônera tanora rehefa avy any amin’ny misiôna. Ny dia hafa rehetra dia tsy azo ankatoavina raha tsy misy ray aman-dreny na mpiantoka iray miaraka amin’ilay misiônera.
Tsy hisaorana ireo misiônera raha tsy efa nahavita tatitra tamin’ny filohan’ny tsatòkany. Manaraka ireo fitsipika mifehy ny misiônera izy ireo mandra-pahatonga an’io fotoana io.
24.6.3.2
Fiverenana mody mialoha ny fotoana
Misy misiônera misahana ny fampianarana sy manao asa fanompoana sasany ampodiana alohan’ny fotoana noho ny antony ara-pahasalamana, na ara-pahamendrehana, na noho ny antony hafa. Manolotra fanohanana manokana an’ireny misiônera nampodiana ireny ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Ampian’ireo mpitarika izy ireo hahazo fahasalamana indray na hiverina hanompo raha azo atao.
Ho an’ireo misiônera misahana ny fampianarana sy manao asa fanompoana izay vonona hiverina hanompo, dia mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera ny filohan’ny tsatòka mba hangatahana izany (jereo ny 24.9.3). Ny misiônera sasany misahana ny fampianarana izay miverina manompo dia mety ho tendrena handeha any amina misiôna hafa misahana fampianarana na misiôna hafa misahana asa fanompoana.
Raha tsy azo atao ny miverina manompo, dia entanin’ireo mpitarika ilay mpikambana handroso hatrany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany azy. Mamporisika azy koa izy ireo hanohy ireo tanjona manan-danja hafa toy ny fandrantoana fianarana sy ny asa ho an’ny misiônera tanora.
24.7
Asa fitoriana misahana fanompoana
24.7.1
Mamantatra ireo sehatra ahafahana mampiasa misiônera misahana asa fanompoana
Ho an’ny misiônera zokiolona misahana asa fanompoana dia manao filankevitra ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ary ny misiônera mba hamantarana ireo sehatra ahafahana manao asa fanompoana eo an-toerana.
Ho an’ireo misiônera tanora manao asa fanompoana, dia mamantatra ireo fahafahana manompo mifanaraka amin’ny zava-misy ireo mpitarika ao amin’ny misiôna misahana asa fanompoana. Mandray anjara amin’ilay fifanakalozan-kevitra ny ray aman-drenin’ilay misiônera na ny mpiantoka ilay misiônera amin’ny ankapobeny.
Ny asa fanompoana dia azo tanterahina hoe atrehana mivantana na avy lavitra amin’ny alalan’ny fampiasana teknôlôjia. Afaka mampiasa ireto loharano manaraka ireto ny mpitarika mba hahitana fampahalalana momba ny sehatra ahafahana manompo:
-
Ao amin’ny Internet: ny ChurchofJesusChrist.org/service-missionary na ny SeniorMissionary.ChurchofJesusChrist.org
-
Telefaonina: 1-801-240-4914
24.7.2
Trano ipetrahana sy fitaterana
Ireo misiônera misahana asa fanompoana dia mipetraka ao an-tranon’izy ireo ihany na miaraka amin’ny olona iray hafa ao amin’ny fianakaviana izay efa nankatoavin’ny Departemanta misahana ny Misiônera. Izy ireo ihany no miantoka ny fitateran’izy ireo mankany amin’ny toerana hanompoany raha ilaina.
Tsy tokony handany ny alina na hipetraka any amin’ny tranon’ny misiônera misahana ny fampianarana ny misiônera tanora manao asa fanompoana.
24.7.3
Fiofanana sy fanaraha-maso
Ireo misiônera misahana asa fanompoana dia hofanina ary arahana maso eo amin’ny toerana hanompoany ihany. Izy ireo koa dia mandray fanaraha-maso, fanampiana, ary fanofanana isan’andro mikasika ny andraikiny avy amin’ny mpitarika ao amin’ny misiôna misahana asa fanompoana (ho an’ireo misiônera tanora misahana asa fanompoana) na avy amin’ny mpitantana misahana ny asa fanompoana anendrena azy ireo (ho an’ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana) momba ny andraikitr’izy ireo.
Ny filohan’ny tsatòka no mpitarika ara-pivavahana ny misiônera zokiolona sy tanora manao asa fanompoana. Manao tafa sy dinika tsy tapaka momba ny fahamendrehana amin’ny misiônera tanora izy sy ny eveka. Manao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ny fandrosoana ho amin’ny fisoronana ary ny tsodranon’ny patriarika koa izy ireo raha azo atao.
Ny filohan’ny misiôna sy ny vadiny dia mametraka ny zavatra andrasana ara-panahy sy ara-pitondrantena ao amin’ilay misiôna. Miara-midinika tsy tapaka amin’ireo mpitarika ao amin’ny misiôna misahana asa fanompoana izay manara-maso ny fandaharam-potoanan’ny misiônera sy ny asa anendrena azy ary ny fahasalamana amin’ny ankapobeny izy ireo. Izy ireo miaraka dia manampy ny misiônera hahatakatra sy hanaraka ireo fenitra arahin’ny misiônera manao asa fanompoana.
Ny filohan’ny misiôna dia miresaka momba ny toe-javatra mahakasika ny fahamendrehan’ny tena manokana amin’ny filohan’ny tsatòkan’ilay misiônera.
Tsy manatrika IFM ny misiônera tanora. Mahazo fanofanana amin’ny endrika virtoaly izy ireo, miaraka amin’ny fanofanana any amin’ny toeram-piasan’izy ireo.
Ho fampahalalana misimisy kokoa momba ny fanofanana sy ny fanaraha-maso dia jereo ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ—Service Missions (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy—Asa fitoriana misahana asa fanompoana).
24.7.4
Misiônera misahana asa fanompoana mihazona antso any amin’ny paroasy na tsatòka
Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia afaka manome antso ao amin’ny paroasy na tsatòka ho an’ireo misiônera misahana asa fanompoana raha toa ilay antso ka tsy manelingelina ny andraikiny na ny fandaharam-potoany amin’ny asa fanompoany. Ho an’ireo misiônera tanora manao asa fanompoana, dia mifandamina amin’ny mpitarika ao amin’ny misiôna misahana asa fanompoana ireo mpitarika ireo.
24.7.5
Famaranana ny asa fanompoana ao amin’ny asa fitoriana
Ireo misiônera tanora manao asa fanompoana dia mazàna antsoina hanompo mandritra ny 18 na 24 volana. Antenaina hamita ny fotoana fanompoana voalaza ao amin’ny fanendrena azy ny misionera tsirairay.
Amin’ny toe-javatra sasany, aorian’ny nahazoan’ny misiônera ny antso, dia afaka mifanakalo hevitra ny misiônera sy ny ray aman-dreny ary ny mpitarika ao amin’ny misiôna misahana asa fanompoana mba hamantatra ny daty hafa hamitany asa fanompoana. Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna misahana asa fanompoana dia manolotra izay fanovana naroso momba io daty io any amin’ny filohan’ny misiôna. Raha manaiky ny fanovana izy dia mampandre ny filohan’ny tsatòkan’ilay misiônera momba ilay daty vaovao hahavitan’ny asa fanompoana ireo mpitarika ao amin’ny misiôna misahana asa fanompoana.
Indraindray ny misiônera manompo dia mila mamarana aloha ny asa fanompoany noho ny fahasalamana, na ny fahamendrehany, na ny antony hafa. Ao anatin’ireo toe-javatra ireo, dia mampandre ny filohan’ny misiôna sy ny mpitarika ao amin’ny misiôna misahana asa fanompoana ary ireo tompon’andraikitra manokana misahana ny asa fanompoana ao amin’ny asa fitoriana ao amin’ny vondromparitra ny filohan’ny tsatòka. Avy eo ny filohan’ny tsatòka dia mifandray amin’ilay solontena voatendry ao amin’ny saha ao amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera mba handinihana ny tsirairay amin’ireo famitana asa fanompoana alohan’ny fotoana sy hankatoavan’ny Manampahefana Ambony iray voatendry izany.
Ny fanaovana misiôna misahana asa fanompoana ho an’ireo misiônera tanora dia tsy mihoatra ny 24 volana ho an’ireo lehilahy. Tsy mihoatra ny 18 volana ireo asa fanompoana ireo ho an’ny vehivavy.
Ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana dia afaka manitatra ny fotoam-panompoan’izy ireo hatramin’ny fe-potoana ifanarahan’ny filohan’ny tsatòka sy ny mpitantana ny rafitra ary ilay misiônera.
24.8
Aorian’ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana
24.8.1
Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly
24.8.1.1
Misiônera tanora manompo lavitry ny fonenany
Ho toromarika mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo misiônera tanora miverina mody dia jereo ny 26.5.3.
24.8.1.2
Misiônera zokiolona manompo lavitry ny fonenany
Afaka manao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny filohan’ny misiôna raha ilaina izany. Raha mendrika ilay misiônera dia omen’ny filohan’ny misiôna fahazoan-dalana vaovao izay lany andro afaka roa taona.
24.8.1.3
Misiônera manao asa fanompoana
Ireo misiônera tanora sy zokiolona manao asa fanompoana dia tokony hifandamina amin’ireo mpitarika eo an-toerana momba ireo tafa sy dinika hanavaozana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny 26.3.1).
24.8.2
Dinidinika hisaorana misiônera
Ny filohan’ny tsatòka no misahana ny fisaorana ireo misiônera misahana ny fampianarana sy manao asa fanompoana ary manao tafa sy dinika hanaovana ny fisaorana. Afaka manao ny fisaorana ho an’ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana ny iray amin’ireo mpanolotsainy. Any amin’ireo distrika, dia mazàna ny filohan’ny misiôna na ny mpanolotsaina iray voatendry no misahana ny fisaorana ireo misiônera. Ho an’ireo tranga maningana, dia jereo ny 6.3.
Mety hanampy ireto torolalana manaraka ireto raha ny mahakasika io dinidinika io.
-
Derao izy ireo noho ny nanaovan’izy ireo misiôna.
-
Asao izy ireo hizara traikefa niainan’izy ireo tany amin’ny misiôna.
-
Amporisiho izy ireo hanohy ny dia amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo mandritra ny androm-piainany.
-
Toroy hevitra izy ireo hiorina eo ambonin’ireo fahazarana tsara izay nananan’izy ireo tamin’izy ireo misiônera.
-
Amporisiho izy ireo hanaraka isan’andro ny Fanahy ary hanana fiainana feno haja.
-
Amporisiho izy ireo hihevitra ny ho avy sy hiomana ho amin’izany, tafiditra ao amin’izany ny fandrantoana fianarana sy ny asa ho an’ireo misiônera tanora. Ampio izy ireo hametraka tanjona sy hanao drafitra araka izay ilaina. Diniho ny fivoarany ao amin’ny My Plan ho an’ireo misiônera tanora.
-
Alaviro ny fampanantenana fitahiana voafaritra mazava ho valisoa noho ny fanompoana nanaovana asa fitoriana.
-
Entano izy ireo hanana fiainana mendrika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hatrany.
24.8.3
Tatitry ny misiônera sy fandraisam-pitenenana amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo
Asain’ny filohan’ny tsatòka sy filohan’ny distrika ireo misiônera nisahana ny fampianarana sy nanao asa fanompoana vao nisaorana vao haingana mba hanao tatitra mikasika ny fanompoana nataony mandritra ny fivorian’ny filankevitra avo na ny filankevitry ny distrika. Azon’ireo eveka asaina ihany koa ireo misiônera vao nisaorana tsy ela hanao tatitra mandritra ny fivoriana filankevitry ny paroasy.
Raha mety, noho ny halavirana na noho ny toe-javatra hafa, dia afaka manolotra ny tatitra ataony ireo misiônera vao nisaorana tsy ela amin’ny fampiasana teknôlôjia na koa amin’ny fivoriana filankevitry ny paroasy ihany.
Mandamina fotoana ny episkôpà hahafahan’ireo misiônera nisahana ny fampianarana sy nanao asa fanompoana vao nisaorana vao haingana mba handray fitenenana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Fivoriana fanasan’ny Tompo toy ny mahazatra io fivoriana io. Maka antoka tsara ny episkôpà fa voahaja ireo fitsipika ao amin’ny 24.5.2.
Afaka mandray fitenenana any amin’ireo paroasy hafa ireo misiônera vao nisaorana tsy ela raha asain’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na distrika. Mety ho asain’ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo na ny filankevitry ny distrika ihany koa izy ireo.
24.8.4
Antso
Omen’ireo mpitarika anjara andraikitra eo amin’ny fanompoana sy antso haingana ireo misiônera nisahana ny fampianarana sy nanao asa fanompoana vao nisaorana vao haingana. Tafiditra amin’izany ny hiheverana ny hiantsoana azy ireo ho mpanatontosa ôrdônansy any amin’ny tempoly raha mety (jereo ny 25.5).
24.9
Loharanom-pitaovana ho an’ny fangatahana hanao asa fitoriana sy asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana
24.9.1
Ireo boky torolalana sy taratasy hofenoina
-
Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
-
Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy
-
Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy—Misiôna misahana asa fanompoana
-
Adjusting to Missionary Life (Manova ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny fomba fiainan’ny misiônera)
-
Adjusting to Service Missionary Life: Resource Booklet (Manova ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny fomba fiainan’ny misiônera: Boky kely loharanon-kevitra)
-
Ireo fanontaniana apetraka mandritra ny dinidinika hanomezan-dalana hanao asa fitoriana
-
My Plan: A Guide for the Returned Missionary and Mentor (Ny drafitro: torolalana ho an’ny misiônera tafaverina sy ny mpiahy azy)
24.9.2
Tranonkala
-
MissionaryRecommendations.ChurchofJesusChrist.org (ireo mpitarika eo an-toerana sy ireo mpirotsaka ho misiônera ihany no afaka miditra ao amin’izany)
24.9.3
Fomba ahafahana mifandray
Departemanta misahana ny misiônera:
-
Laharana an-tariby: 1-801-240-2222 na 1-800-453-3860, Poste 2-2222
Birao misahana ny asa fanompoana ao amin’ny asa fitoriana:
-
Laharana an-tariby: 1-801-240-4914 na 1-800-453-3860, fanitarana 2-4914