Fivorian’ny mpitarika mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Toromarika ho an’ny mpitarika: aprily 2021


Sary
scenes of people participating in ordinances

Voafatotra amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ny ôrdônansy

Ity toromarika ho an’ny mpitarika ity dia nampahafantarina nandritra ny fivorian’ny mpitarika nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, aprily 2021.

Hevi-dehibem-piofanana ho an’ny filankevitry ny vondromparitra, filankevi-pandrindrana, filankevitry ny misiôna, filan-kevitry ny tsatòka sy ny paroasy ary ny sampana

Mandritra ity torolalana ity ianareo dia hahita sy handre zavatra niainana avy amin’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra izay eo amin’ny dingana samihafa amin’ny fivoaran’izy ireo ho tonga voafatotra amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ireo ôrdônansy. Ho renareo ny fomba nanampian’ny fitiavana, sy ny fizarana, ary ny fanasana azy ireo hivoatra amim-pifaliana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mety ho hitanareo hoe mandray anjara amin’izany avokoa ny fizarana ny filazantsara, ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ary ny fikarakarana ireo sahirana. Saingy ambonin’izany rehetra izany dia mety ho tsikaritrareo ny hoe ireo zavatra rehetra ireo dia “[voangona] ho iray ao amin’i Kristy” (Efesiana 1:10).

Dingam-piainana 1: Ankizy

Jereo ny horonan-tsary ahitana ny Filoha Joy D. Jones sy ny ankizy, ary avy eo dia ifanakalozy hevitra ny zavatra andeha hataonareo hanampiana ny ankizy hifamatotra amin’ny Mpamonjy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

  • Inona no nampianarin’ny Fanahy antsika teo am-pijerentsika io horonan-tsary io?

  • Manampy ny ankizy amin’ny fiezahan’izy ireo mizara ny filazantsara amin’ny fomba ahoana ny fitsipiky ny fitiavana sy ny fizarana ary ny fanasana?

  • Ahoana no anampian’ny asa fanompoana an’ireo ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana aorian’ny batisa?

Sary
ankizivavy mipetraka eo ambony seza lava mamaky teny amin’ny ray aman-dreniny

Dingam-piainana 2: Zatovo

Jereo ny horonan-tsary ahitana ny Filoha Bonnie H. Cordon sy ny Filoha Stephen J. Lund sy ny zatovo, ary avy eo dia ifanakalozy hevitra ny zavatra andeha hataonareo hanampiana ny zatovo hifamatotra amin’ny Mpamonjy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ny zatovo hitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny batisa sy hiomana ho amin’ny dingana manaraka eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

  • Manampy ny zatovo handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana amin’ny fomba ahoana ny fitsipiky ny fitiavana sy ny fizarana ary ny fanasana?

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ny zatovo hahatsapa fanantenana sy fiombonana eo am-pahatongavan’izy ireo ho mifamatotra amin’ny Mpamonjy?

Dingam-piainana 3: Tanora

Jereo ny horonan-tsary ahitana ny Filoha Mark L. Pace sy ny tanora tokan-tena sy mpivady vao erotrerony, ary avy eo dia ifanakalozy hevitra ny zavatra andeha hataonareo hanampiana ny tanora hifamatotra amin’ny Mpamonjy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

  • Inona no ianarantsika avy amin’ny fitiavana sy ny fizarana, ary ny fanasana izay omen’ny hafa antsika?

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ny tanora hahatsapa fanantenana sy fiombonana eo am-pitomboan’izy ireo amin’ny lafiny fizakan-tena sy ny fanompoana ny hafa? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahafantatra fa izy ireo dia ilaina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo?

  • Inona no anjara asa sahanin’ireo hetsika manan-danja karakarain’ny Fiangonana sy ireo mpitarika feno fiahiana amin’ny famatorana ny tanora sy ny mpivady vao herotrerony amin’ny Mpamonjy?

Dingam-piainana 4: Olon-dehibe

Jereo ny horonan-tsary ahitana ny Filoha Jean B. Bingham sy ny olon-dehibe, ary avy eo dia ifanakalozy hevitra ny zavatra andeha hataonareo hanampiana ny olon-dehibe hifamatotra amin’ny Mpamonjy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

  • Amin’ny fomba ahoana no hitondran’ireo fanekempihavanantsika fanasitranana sy hanampy antsika hijanona eo amin’ilay lalana, eny na dia amin’ireo fotoan-tsarotra aza?

  • Inona avy ireo fomba hitantsika mba hanampiana ireo mpikambana sy ny hafa hampifamatotra ny tenan’izy ireo amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ireo ôrdônansy?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fananana fizakan-tena ara-panahy antsika hitia sy hizara ary hanasa?

Loharanom-pitaovana ho an’ny filankevitry ny Vondromparitra, filankevi-pandrindrana, filankevitry ny misiôna, filan-kevitry ny tsatòka sy ny paroasy ary ny sampana

Ho an’ny ankizy sy ny zatovo

Topimaso momba ny Ankizy sy Zatovo

Ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo dia natao hanamafy orina ny finoan’ny taranaka vao misondrotra an’i Jesoa Kristy ary hanampy ny ankizy sy ny zatovo ary ny fianakavian’izy ireo handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana eo am-piatrehan’izy ireo ireo olan’ny fiainana. Manampy ny ankizy sy ny zatovo izany amin’ireo ezaka ataon’izy ireo mba handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny asa famonjena ary ho an’ny fisandratana eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro. Mifototra amin’ny ao an-tokantrano ary hamafisina any am-piangonana izany.

Sary
fianakaviana manao dia an-tongotra lavitra

Fanantenana ho an’ny taranaka vao misondrotra

Ny Ankizy sy Zatovo dia manampy ny taranaka vao misondrotra hivoatra amin’ny fomba maro, anisan’izany ny amin’ny alalan’ny fandraisana fanambarana, sy ny fampiasana ny fahafahana misafidy, ary ny fifandraisana. Mianatra mandray fanambarana ho an’ny tena manokana sy manao asa mifanaraka amin’izany ny olon-drehetra rehefa mampiasa ny fahafahan’izy ireo misafidy sy misafidy ny hivoatra ho an’ny tenany. Mitranga ihany koa izany rehefa mianatra mitarika ao amin’ny kôlejy sy ny fiadidian’ny kilasy ny zatovo. Mikolokolo fifandraisana amin’ny fianakavian’izy ireo, sy ireo mpitarika azy ireo sy ny hafa mitovy taona aminy izy ireo rehefa miara-miasa sy miara-manompo ary lasa mahafantatra fa izy ireo dia tsy vahiny ary ilaina ao amin’ny asan’ny Tompo.

Inona no hanombohantsika izany anio?

Asaintsika ny ankizy, sy ny zatovo, ary ny ray aman-drenin’izy ireo sy ny mpitarika azy ireo mba hanolo-tena na hamerina hanolo-tena ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny asany. Tsy voatery ho sarotra akory ny ezaka toy izany! Ireto misy zavatra atao hanombohana azy:

Ray aman-dreny
  • Avorio ny fianakavianao mba handalina ny filazantsara. Mety hanampy ireo loharanom-pitaovana Avia, hanaraka Ahy. Azonao heverina ny hanao fifanakalozan-kevitra momba-na lohahevitra toy ny fanekempihavanana, fanambarana, sy ny fahafahana misafidy, ary ny tsodranon’ny patriarika.

  • Manaova drafitra ho ana hetsika iarahan’ny mpianakavy manao. Ahoana no ahafahanareo manompo amim-pitandremana olona iray eo amin’ny manodidina anareo na ao amin’ny fiarahamonina misy anareo? Ny JustServe raha misy amin’ny fiteninareo, dia afaka manampy anareo hahita hevitra.

  • Iresaho ny zanaka lahy sy ny zanaka vavy tsirairay. Resaho ny zavatra mahaliana azy ireo sy ny amin’ny fomba irian’izy ireo hivoarana. Ampio sy tohano izy ireo eo amin’ny fivoaran’ny tena manokana. Resaho ny momba ireo tanjona napetrak’izy ireo na izay tian’izy ireo hotanterahina.

Mpitarika ao amin’ny Kilonga
  • Fantaro ireo toe-javatra iainan’ny ankizy any an-tokantrano ary mikatsaha fanambarana hanampiana azy ireo tsirairay avy.

  • Atombohyny fanaovana fivoriana isan’alahady sy hetsika ho an’ny Kilonga, mivantana na virtoaly (rehefa tsy misy loza atahorana sy nahazoana lalana).

  • Aza miahiahy ny amin’ny fampifandraisana ny tanjon’ny olona tsirairay amin’ireo hetsika! Ny zavatra ifantohanao dia ny fifandraisana amin’ny ankizy sy ny ray aman-drenin’izy ireo ary ny fitahiana azy ireo—indrindra rehefa mila fanampiana na mangataka fanampiana izy ireo.

Olon-dehibe mpitarika zatovo
  • Atombohy ny fanaovana fivoriana sy kôlejy isan’alahady sy hetsika iarahan’ny kilasy, mivantana na virtoaly (rehefa tsy misy loza atahorana sy nahazoana lalana). Amporisiho ny zatovo hanao tsianjery ny faneva vaovaon’ny Zatovovavy sy ny an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ka hanomboka ireo fivoriana amin’izany.

  • Miantsoa sy manokàna fiadidian’ny kôlejy sy fiadidian’ny kilasy, tendreo ho amin’izany izy ireo ary asaivo mandray andraikitra izy ireo. Ampio izy ireo hanao fivorian’ny fiadidiana tsy tapaka sy hanao drafitra ary hitarika ireo fivoriana isan’alahady sy ireo hetsika. Manaova filan-kevitry ny zatovo, ary amporisiho ny fandraisana anjara amin’ireo fivoriam-pandrindrana ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny tantaram-pianakaviana. Tariho sy tohano araka izay ilaina ireo fiadidiana kanefa tsy misalovana ny andraikitr’izy ireo. Ampio ireo fiadidiana hianatra ireo fahaiza-manao amin’ny fitarihana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharanom-pitaovana ho an’ny fiadidian’ny kôlejy sy ny fiadidian’ny kilasy.

  • Manaova drafitra manaraka ireo torolalana ho an’ny fiarovana ho an’ny lasin’ny zatovo sy ny fihaonamben’ny zatovo amin’ny 2021.

  • Aza miahiahy ny amin’ny fampifandraisana ny tanjon’ny olona tsirairay amin’ireo hetsika! Afantohy any amin’ny fifandraisanareo amin’ireo zatovo ny herinareo. Mety hanampy ireo fiadidian’ny kôlejy sy ny kilasy ihany koa ianareo mba hampifandray ireo hetsika amin’ireo zavatra ilain’ny zatovo.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.

Ho an’ny olon-dehibe

Ireo toeram-pivoriana ho an’ny tanora tokan-tena

Ny Fiadidiana Voalohany dia nanome lalana ireo vondromparitra ny hanangana toeram-pivoriana ho an’ireo tanora tokan-tena arakaraka ny filan’ny vondromparitra. Ny toeram-pivoriana iray dia toerana iray voatondro ao amina trano iray efa misy (toy ny trano fiangonana na trano fivoriana ho an’ny institiota) izay ahafahan’ireo tanora tokan-tena sy ireo namany mivory mba handray anjara amin’ny sasany na ireto rehetra manaraka ireto (arakaraka ny filana sy loharano misy eo an-toerana):

  • Fampianarana sy fianarana ny filazantsara (isan’izany ny institiota)

  • Asa fanompoana sy fiaraha-mientana ara-tsôsialy

  • Fiaraha-mientana momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana

  • Zavatra azo atao momba ny fizakan-tena sy ny fahafahana mandranto fianarana

  • Hetsika itoriana ny filazantsara sy hanaovana tolo-tanana ao amin’ny fiarahamonina

  • Fandaharan’asa hafa karakarain’ny Fiangonana

Ny toeram-pivoriana rehetra dia tsy maintsy ahazoana fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra sy voaramason’ireo filohan’ny tsatòka sy eveka.

Sary
tanora mifampiresaka

Antso ho an’ny tanora tokan-tena sy ireo olon-dehibe tokan-tena

Ireo fanovana teo amin’ny fenitra arahina sy ireo fanazavana natao vao tsy ela dia nampisava ireo mety ho tsy fahatakarana sy fomba fanao momba ireo famerana mikasika ireo fahafahan’ireo mpikambana tokan-tena manompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Ireny fanovàna teo amin’ny fenitra arahina sy ireny fanazavana ireny, izay nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy nampidirina ao amin’ny Boky torolalana maneran-tany dia manazava fa ireo tanora tokan-tena sy ireo olon-dehibe tokan-tena dia afaka mandray fitahiana avy amin’ny hafa sy mitahy ny hafa amina antso maro, isan’izany ny antso amin’ny maha-mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy any amin’ny paroasy. Mihatra ireo fitsipika ireo ankehitriny any amin’ireo rantsana rehetra ato amin’ny Fiangonana, anisan’izany ireo rantsan’ny tanora tokan-tena sy ny olon-dehibe tokan-tena. Nofoanana ireo famerana manakana ireo tanora tokan-tena sy ireo olon-dehibe tokan-tena tsy hanompo ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, sy ny episkôpà, ary ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ireo rantsan’ny tanora tokan-tena sy ny an’ny olon-dehibe tokan-tena.

Ireo mpikambana tokan-tena dia afaka manompo amina andraikitra maha-mpitarika, tafiditra ao anatin’izany ireo rafi-piadidiana eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy, ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona, mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà, mpikambana ao amin’ny filankevitra avo, ary mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka.

Mila sy mandray ny rehetra—Mitia, sy mizara ary manasa

Rehefa manana olana amin’ny fahatsapan-tena ho voaray tsara ireo mpikambana, indraindray ireo mpitarika sy ireo hafa dia mety hahateny zavatra tsy nahy izay manamafy ny finoan’izy ireo fa tsy amin’ny toerana misy azy ireo izy ireo na tsy ilaina.

Sary
tanora mifampiresaka

Ny fitadidiana ireto fitsipika momba ny fitiavana, sy ny fizarana ary ny fanasana ireto dia mety hanampy amin’ny fandraisana ny rehetra amin’ireo fiaraha-mientana, sy fandraisana ho namana, ary hahatsiaro ho mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy:

  • Ny olona tsirairay dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ary manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra. Ankoatra ireo fitahiana mandrakizay ampanantenainy ireo mahatoky dia te hitahy ireo zanany rehetra Izy amin’izao fotoana izao, ary mandritra izao fiainana izao.

  • Ny zanak’ Andriamanitra tsirairay dia ilaina ao amin’ny asa fanorenana ny fanjakany.

  • Mba hanampiana ny olona iray hahatsapa fa mpikambana feno sy ilaina izy, dia atombohy amin’ny fitiavana. Mihainoa mba hahatakarana ireo zavatra niainany. Aza mihevitra hoe efa fantatrao na takatrao.

  • Tsy manana ny valin’ireo fanontaniana rehetra atrehantsika na ny hafa eo amin’ity fiainana ity isika. Ohatra, tsy fantatsika ireo anton-javatra mety mahatonga ny olona iray hiatrika fanamby iray voafaritra.

  • Mihainoa ary aza mitsaratsara. Raiso tsara ny olona tsirairay na aiza na aiza misy azy eo amin’ny lalana diavy. Manolora tena hanampy, ary mifantoha amin’ilay fahamarinana fa ny olona tsirairay dia ilaina ato amin’ny Fiangonana.

  • Raha toa ianao ka nahateny zavatra mandratra tsy nahy, dia aza manamarin-tena; mialà tsiny ary avy eo mikatsaha famelan-keloka sy fiovàna.

Ho fampahalalana momba ny fanampiana ireo mpikambana miaina toe-javatra manokana, dia jereo ny Counseling Resources.

Ny nivoaran’ny fiovam-po ho tonga Tariky ny Mpirahalahy

Fitsipiky ny fitiavana sy fizarana ary fanasana

Ireo fitahiana nampanantenaina raha toa isika ka mitia sy mizara ary manompo

Hamoaka printy