Hiran’ny zatovo
Haiko avokoa


1

Haiko avokoa

1. Raha tojo ady aho ‘ndraindray,

raha be ny ahiahy,

dia eo ny Mpamonjy

manohana ahy.

Mitarika ahy Izy

na very aza aho.

Ka na dia reraka aho dia Izy tsy handao,

hanoro ahy hoe iza aho moa.

Izy ho eo koa,

fa izaho

[Chorus]

haiko avokoa

ny miatrika ireo onja,

noho ny herin’ny Mpamonjy.

Ny zava-drehetra

haiko avokoa.

Jesoa manampy ahy hamindra

ho am’ny tanjona avo indrindra,

tsy mba misy fetra.

Haiko satria eo Kristy.

Haiko satria eo Kristy.

2. Vonona aho hanao dia

ho any an-tany foana,

raha miely ireo lainga,

na raha sendra noana,

dia hivavaka aho

ka Izy hampitony,

‘lay Mpamonjy no miahy, fa izaho

[Chorus]

haiko avokoa

ny miatrika ireo onja,

noho ny herin’ny Mpamonjy.

Ny zava-drehetra

haiko avokoa.

Jesoa manampy ahy hamindra

ho am’ny tanjona avo indrindra,

tsy mba misy fetra.

Haiko satria eo Kristy.

Haiko satria eo Kristy.

3. Raha voageja am-ponja aho dia Izy hanafaka ahy.

Raha ho faty aho, Izy hampikodia ny rangolahy.

Raha matoky Azy aho ka mino sady tena sahy,

dia homeny hery.

[Chorus]

haiko avokoa

ny miatrika ireo onja,

noho ny herin’ny Mpamonjy.

Ny zava-drehetra

haiko avokoa.

Jesoa manampy ahy hamindra

ho am’ny tanjona avo indrindra,

tsy mba misy fetra.

Haiko satria eo Kristy.

Haiko satria eo Kristy.

Haiko satria eo Kristy.

Tonony sy feony: Nik Day

Arranged by Mitch Davis and Nik Day

Produced by Mitch Davis

© 2022 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. 

Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao am-piangonana na ao an-tokantrano ka tsy atao hitadiavam-bola. 

Ity fanamarihana ity dia tsy maintsy ampidirina ao amin’ny tahadika tsirairay izay atao.

Hamoaka printy