“Vina,” Torolalana fampahafantarana ho an’ny ankizy sy ny zatovon’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2019)
“Vina,” Torolalana fampahafantarana ho an’ny ankizy sy ny zatovon’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany
Tanjona
Hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy ary hanampy anao sy ny fianakavianao handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana eo am-piatrehanareo ireo fahasarotana amin’ny fiainana.
Mikatsaka fanambarana
Mampiasa ny fahafahana misafidy
Ny faniriana no milaza izay tokony ho laharam-pahamehantsika, ny laharam-pahamehana no mamolavola ny safidintsika ary ny safidy no mamaritra ny zavatra ataontsika. Ireo faniriana izay asehontsika amin’ny asa no mamaritra ireo fiovana misy eo amintsika, ireo tanjona tratrantsika ary ny iafarantsika.
—Filoha Dallin H. Oaks, “Ny faniriana,” Liahona, mey 2011, 42
Manorina fifandraisana
Isika rehetra dia mila namana hitia antsika, hihaino antsika, sy hanoro lalana antsika, ary hijoro ho vavolombelona amintsika momba ny fahamarinana mba hahatonga antsika hihazona ny Fanahy Masina miaraka amintsika. Tokony ho namana tsara toy izany ianao.
—Filoha Henry B. Eyring, “True Friends,” Ensign, May 2002, 29