Kôlejin’ny Loholona
Andraikitra


Sary
vondrona lehilahy miara-mipetraka

Ny antsoko amin’ny maha-mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Kôlejin’ny loholona

Manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny Fisoronana Melkizedeka. Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona dia miara-miasa mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Manompo ny hafa izy ireo, mamita ireo andraikitry ny fisoronana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ( jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 8.1).

Mpanolotsaina

Manohana ny filoha amin’ny andraikiny amin’ny fandaminana ny ezaka iarahana amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny fanaraha-maso ny fanompoana, ny fiaraha-mientana, ny tatitra, ny firaketana ary ny fitantanam-bola ireo mpanolotsaina ao amin’ny kôlejin’ny loholona. Azo tendrena hitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy na ireo ezaka mahakasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ireo mpanolotsaina ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 8.3.3.2).

Fiadidiana

Mivory tsy tapaka ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny mpitantsoratra. Ny fanampiana ireo olona mety ho azo aroso ho loholona mba handray ny Fisoronana Melkizedeka dia iray amin’ireo laharam-pahamehana ambony indrindra an’ny fiadidiana (jereo ny 8.4).

Kôlejin’ny loholona sy Fikambanana Ifanampiana

Ny kôlejin’ny Loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia mandrindra ny fanomezana andraikitra momba ny fanompoana sy manampy amin’ny fitarihana ny asa ho an’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ary ireo ezaka hanasana ny rehetra mba handray ireo fitahian’ny filazantsara. Manana anjara adraikitra lehibe koa izy ireo amin’ny fampianarana an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ireo fitsipiky ny fanompoana, ny tafa sy dinika momba ny fanompoana, ny fiainana ny lalàn’ny fifadian-kanina, ny fanorenana fizakan-tena ary ny fampitomboana ny fiomanan’ny tena manokana sy ny fianakaviana (jereo ny 22.6.2).

Fivoriana Alahady

Ny kôlejin’ny Loholona dia mihaona isaky ny Alahady faharoa sy fahaefatra mba ho an’ny tanjona hampatanjaka ny finoana an’i Jesoa Kristy, hanorina firaisan-kina ary hampatanjaka ny fianakaviana sy ny tokantrano. Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia misafidy amim-bavaka ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra mba hifanakalozana hevitra miankina amin’ny filàn’ireo mpikambana (jereo ny 8.2.1.2).

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia afaka mamolavola fiaraha-mientana mba hampatanjahana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy sy hanomezana azy ireo fahafahana hiara-hanompo. Mifanakalo hevitra momba ireo fiaraha-mientana miaraka amin’ny eveka ny fiadidiana (jereo ny 8.2.1.3).

Hamoaka printy