Ny antsoko amin’ny maha-mpanolotsaina ahy ao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra
Ireo andraikitra
Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao.
Ny tanjon’ny Fisoronana Aharôna
Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia manampy ireo zatovolahy hanao fanekempihavanana masina sy hitandrina izany ary hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny tanjon’ny kôlejy iray dia ny hanampy ireo mpihazona fisoronana hiara-hiasa mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 10.1, Médiathèque de l’Évangile.)
Kôlejin’ny mpampianatra
Miditra ao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 14 taona. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho mpampianatra ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika. Adidin’ireo mpampianatra ihany koa ireo adidin’ny diakona. Adidin’izy ireo ihany koa ny manomana ny fanasan’ny Tompo sy ny manompo amin’ny maha-rahalahy mpanompo. Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53–59; 84:111 ireo adidy fanampiny. (Jereo ny 10.1.3.2.)
Mpanolotsaina
Ireo mpanolotsaina ao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra dia manohana ny filoha amin’ny andraikiny, anisan’izany ny fitarihana ireo ezaka ataon’ny kôlejy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana; ny fahafantarana sy ny fanompoana ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy, anisan’izany ireo izay tsy manatrika ireo fivorian’ny kôlejy; ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika; ny fampianarana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ny andraikiny ao amin’ny fisoronana; ary ny fanomanana sy ny fitarihana ireo fivorian’ny kôlejy (jereo ny 10.4.2). Tokony hivory tsy tapaka ny fiadidian’ny kôlejy (jereo ny 10.4.3).
Asa fanompoana sy fiaraha-mientana
Ny episkôpà sy ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo, tohanan’ireo mpanorohevitra, no mamolavola ny drafitra ho an’ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana. Tokony hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana izany. Amin’izany dia tokony hampifandanjana ireo sehatra efatry ny fivoaran’ny tena manokana: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina. (Jereo ny 10.2.1.3.)
Torolalana sy Fitsipika
Ireo torolalana sy fitsipika fanampiny, anisan’izany ny fanohanana ireo zatovolahy manana fahasembanana, ny fandraisana ireo mari-pamantaran’ny Ankizy sy Zatovo, ary ny fanangonana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia hita ao amin’ny fizarana 10.8 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.