Ny antsoko amin’ny maha-filohan’ny kôlejin’ny diakona ahy
Ireo andraikitra
Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao.
Ny tanjon’ny Fisoronana Aharôna
Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia manampy ireo zatovolahy hanao fanekempihavanana masina sy hitandrina izany ary hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny tanjon’ny kôlejy iray dia ny hanampy ireo mpihazona ny fisoronana hiara-hiasa mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 10.1, Médiathèque de l’Évangile.)
Kôlejin’ny diakona
Miditra ao amin’ny kôlejin’ny diakona ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 12 taona. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho diakona ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika. Isan’ireo adidy sahanina ny fizarana ny fanasan’ny Tompo sy ny fanampiana ny eveka amin’ny “fitantanana ny zavatr’izao fiainana izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:68). (Jereo ny 10.1.3.1.)
Ny filoha
Ny andraikitry ny filohan’ny kôlejin’ny diakona dia ahitana ny fitarihana ny ezaka ataon’ny kôlejy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana; mamantatra sy manompo ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy, anisan’izany ireo izay tsy manatrika ireo fivorian’ny kôlejy; mampatanjaka ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika; mampianatra ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ireo andraikiny ao amin’ny fisoronana; ary manomana sy mitarika ireo fivorian’ny kôlejy (jereo ny 10.4.2). Manohana azy amin’ireo andraikiny ireo mpanolotsainy. Tokony hihaona tsy tapaka ny fiadidian’ny kôlejy (jereo ny 10.4.3).
Filankevitry ny zatovo
Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy ny filohan’ny kôlejin’ny diakona. Ny tanjon’ny filankevitra dia ny hanampy ny zatovo hitondra ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy sy hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny eveka no miahy ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy. (Jereo ny 10.4.4.)
Asa fanompoana sy fiaraha-mientana
Ny episkôpà sy ireo mpitariky ny kôlejin’ny zatovo, tohanan’ireo mpanorohevitra, no mamolavola ny drafitra ho an’ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana. Tokony hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana izany. Amin’izany dia tokony hampifandanjana ireo sehatra efatry ny fivoaran’ny tena manokana: ny ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina. (Jereo ny 10.2.1.3.)
Torolalana sy fitsipika
Ireo torolalana sy fitsipika fanampiny, anisan’izany ny fanohanana ireo zatovolahy manana fahasembanana, ny fandraisana ireo mari-pamantarana iombonana ho an’ny Ankizy sy Zatovo, ary ny fanangonana ny fanatitry ny fifadian-kanina dia hita ao amin’ny fizarana 10.8 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.