Kilonga
Andraikitra


Sary
vondrom-behivavy sy ankizy

Ny antsoko amin’ny maha mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika ahy

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Kilonga

Manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Rainy any An-danitra, hianatra mikasika ny drafiny ho an’ny fahasambarana, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary hahatsapa sy hamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary hanao asa mifanaraka amin’izany ny Kilonga. Ny Kilonga koa dia fotoana iray hiomanana amin’ny fanekempihavanana masina sy hanaovana fanekempihavanana masina ary hitandremana izany rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny ankizy. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.1.)

Mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika

Tombontsoa masina ny mampianatra ireo zanak’ Andriamanitra. Ny kilasin’ny zaza madinika dia manampy ny ankizy 18 volana ka hatramin’ny 3 taona hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy hianatra momba ny drafiny ho an’ny fahasambarana. Ireo mpitarika ao amin’ny zaza madinika dia mitia sy mampianatra ary manompo ireo ankizy. Miandraikitra ny fiarovana sy izay mahasoa azy ireo ihany koa izy ireo (12.1. 5).

Kilasy isaky ny Alahady

Mampianatra avy ao amin’ny Voyez vos petits enfantsireo mpitarika ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika. Manaraka ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy sy ny toko 17 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany izy ireo. Rehefa misy olon-dehibe mampianatra ankizy eo amin’ny sehatry ny Fiangonana, dia olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny no tokony hanatrika eo (jereo ny 12.3.5).

Torolalana sy fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy dia tsy maintsy mahatontosa ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana sy fitsipika mikasika ny ankizy manana filana manokana, sy mikasika ireo fepetra takina amin’ny fiarovana, sy mikasika ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ary zavatra hafa ao amin’ny fizarana 12.5 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy