Ny antsoko amin’ny maha-mpanampy ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona
Ireo andraikitra
Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra ao anatin’ny antsonao.
Ny tanjon’ny Fisoronana Aharôna
Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia manampy ireo zatovolahy hanao fanekempihavanana masina sy hitandrina izany ary hampitombo ny fiovam-pony ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny tanjon’ny kôlejy iray dia ny hanampy ireo mpihazona fisoronana hiara-hiasa mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 10.1, Médiathèque de l’Évangile.)
Kôlejin’ny mpisorona
Miditra ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona ny zatovolahy manomboka ny volana janoary ao anatin’ilay taona handraisany 16 taona. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho mpisorona ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika. Mitovy amin’ireo adidin’ny diakona sy ny mpampianatra ny adidin’ireo mpisorona. Adidin’izy ireo ihany koa ny manomana ny fanasan’ny Tompo sy ny manompo amin’ny maha-rahalahy manompo. Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53–59; 84:111 ireo adidy fanampiny. (Jereo ny 10.1.3.2.)
Mpanampy
Ny mpanampy ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona dia manohana ny filohan’ny kôlejy, ny eveka eo anatrehan’ny andraikiny. Izany dia ahitana ny fitarihana ny ezaka ataon’ny kôlejy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana; ny famantarana sy ny fanompoana ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy, anisan’izany ireo izay tsy manatrika ireo fivorian’ny kôlejy; ny fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy ireo mpikambana miverina mavitrika; ny fampianarana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ny andraikiny ao amin’ny fisoronana; ary ny fandrafetana sy ny fitarihana ireo fivorian’ny kôlejy (jereo ny 10.4.2.) Tokony hivory tsy tapaka ny fiadidian’ny kôlejy (jereo ny 10.4.3).
Asa fanompoana sy fiaraha-mientana
Ny episkôpà sy ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo, tohanan’ireo mpanoro hevitra, dia mamolavola drafitra hanaovana asa fanompoana sy fiaraha-mientana. Tokony hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izany. Tokony hampifandanjana ireo sehatra efatry ny fivoaran’ny tena manokana ao anatin’izany: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina. (Jereo ny 10.2.1.3.)
Torolalana sy Fitsipika
Ireo torolalana sy fitsipika fanampiny, anisan’izany ny fanohanana ireo zatovolahy manana fahasembanana, ny fandraisana ireo mari-pamantarana iombonana ho an’ny Ankizy sy Zatovo, ary ny fanangonana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia hita ao amin’ny fizarana 10.8 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.