Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratry ny kôlejin’ny mpisorona
Andraikitra
Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra ao anatin’ny antsonao.
Ny tanjon’ny Fisoronana Aharôna
Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia manampy ireo zatovolahy hanao fanekempihavanana masina sy hitandrina izany ary hampitombo ny fiovam-pony ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny tanjon’ny kôlejy iray dia ny hanampy ireo mpihazona fisoronana hiara-hiasa mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 10.1, Médiathèque de l’Évangile.)
Kôlejin’ny mpisorona
Miditra ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 16 taona. Raha toa izy ireo ka vonona sy mendrika, dia azo tendrena ho mpisorona ihany koa. Adidin’ireo mpisorona ihany koa ireo adidin’ny diakona sy ny mpampianatra. Afaka manatanteraka ny fanasan’ny Tompo ihany koa ireo mpisorona, manao batisa (anisan’izany ny batisa ao amin’ny tempoly), ary manendry mpisorona, mpampianatra, na diakona hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:46–52, 73–79; Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.1.3.3).
Mpitantsoratra
Rehefa misy mpitantsoratry ny kôlejy voantso dia manomana ny fandaharam-potoan’ireo fivoriana izy ary mandray an-tsoratra. Manampy ny mpitambokin’ny paroasy ihany koa izy ireo na ny mpanoro hevitra iray eo anivon’ny kôlejy eo amin’ny firaketana ny fanatrehana fivoriana. (Jereo ny 10.4.2.)
Fanompoana sy fiaraha-mientana
Ny eveka sy ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo, tohanan’ireo mpanoro hevitra, no mamolavola ny drafitra ho an’ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana. Tokony hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izany. Tokony hampifandanjana amin’ireo sehatra efatry ny fivoaran’ny tena manokana izy ireo: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina. (Jereo ny 10.2.1.3.)
Torolalana sy Fitsipika
Ireo torolalana sy fitsipika fanampiny, anisan’izany ny fanohanana ireo zatovolahy manana fahasembanana, ny fandraisana ireo mari-pamantaran’ny Ankizy sy Zatovo, ary ny fanangonana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia hita ao amin’ny fizarana 10.8 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.