Ny antsoko amin’ny maha-filohan’ny Kilonga ahy
Andraikitra
Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.
Tanjon’ny Kilonga
Ny Kilonga dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Rainy any An-danitra, hianatra mikasika ny drafiny ho an’ny fahasambarana, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary hahatsapa sy hamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary hanao asa mifanaraka amin’izany. Ny Kilonga koa dia fotoana iray hiomanana amin’ny fanekempihavanana masina sy hanaovana fanekempihavanana masina ary hitandremana izany rehefa mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny ankizy. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.1.)
Filoha sy fiadidiana
Ny fiadidian’ny Kilonga dia manampy ny ray aman-dreny mba hanomana ny zanany hiditra sy hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Anisan’ny manan-danja indrindra amin’ireo andraikiny izany. Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy ny filoha. Mihaona tsy tapaka izy sy ireo mpanolotsainy ary mivory miaraka amin’ny eveka na ny mpanolotsainy izay nampiandraiketina izany. Manara-maso ireo fivoriana ao amin’ny Kilonga ny fiadidiana, sy manompo ireo ankizy tsirairay sy ireo mpampianatra ary ireo mpitarika, ary miandraikitra ireo zavatra ilaina ara-pitantanan-draharaha ao amin’ny Kilonga. (Jereo ny 12.3.2.)
Ireo kilasin’ny Kilonga sy ny fotoam-pihirana.
Tombontsoa masina ny mampianatra ankizy. Mitia sy mampianatra ireo ankizy araka ny fomban’ny Mpamonjy ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga. Ireo kilasy ao amin’ny Kilonga dia narindra araka ny taona sy ny isan’ny mpampianatra misy (jereo ny 12.1.3). Ny fotoam-pihirana dia manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy hianatra momba ny drafnyi ho an’ny fahasambarana (jereo ny 12.1.4).
Fivoriana sy filankevitra
Mampiseho ireo zavatra ilain’ny ankizy ny filohan’ny Kilonga mandritra ny fivoriana na filankevitra iarahana amin’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy. Tafiditra ao anatin’izany ireo fivoriana iarahana amin’ny eveka na ny mpanolotsaina nampiandraiketina izany, ny fiadidiana sy ny mpitantsoratra, ary ny ray aman-dreny sy ny hafa. (Jereo ny 12.3.2.)
Ireo mpampianatra sy ireo mpitarika
Tombontsoa masina ny mampianatra ireo zanak’ Andriamanitra. Ny fiadidian’ny kilonga dia manolotra fanohanana ho an’ireo mpampianatra sy ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga mandritra ireo kilasy sy ao amin’ny zaza madinika ary mandritra ny fotoam-pihirana (jereo ny 12.3.5). Ny fiadidian’ny Kilonga dia manolotra anarana lehilahy na vehivavy amin’ny episkôpà mba homena antso hanompo ao amin’ny Kilonga sy ny zaza madinika.
Fiaraha-mientan’ny Kilonga
Ny mpitarika misahana ny fiaraha-mientana ao amin’ny Kilonga dia mandrafitra fiaraha-mientana izay mahafinaritra sy mahaliana izay manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana dia tokony hanorina ny fijoroana ho vavolombelona sy hanamafy orina ny fianakaviana ary hanome fahafahana hitondra fitahiana ho an’ny hafa. Atao indroa isam-bolana ny fiaraha-mientan’ny Kilonga amin’ny ankapobeny ho an’ny ankizy 8 ka hatramin’ny 11 taona. (Jereo ny 12.3.6.)
Torolalana sy fitsipika
Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy dia tsy maintsy mahatontosa ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana sy fitsipika mikasika ny ankizy manana filana manokana, sy mikasika ireo fepetra takina amin’ny fiarovana, sy mikasika ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ary zavatra hafa ao amin’ny fizarana 12.5 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.