Fikambanana Ifanampiana
Ireo andraikitra


Sary
Vondrona vehivavy miresaka

Ny antsoko amin’ny maha Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ahy

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Ity eto ambany ity dia misy topimaso mikasika ireo andraikitra mifandray amin’ny antsonao.

Tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana

Ny Fikambanana Ifanampiana dia fikambanana natsangan’ Andriamanitra ho an’ireo vehivavy lehibe rehetra ao amin’ny Fiangonana. Manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny Fikambanana Ifanampiana. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny “hamonjy fanahy sy hanamaivana ny fijaliana”—manolotra ny fanamaivanan’ny Mpamonjy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 9.1).

Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka

Manana andraikitra maro ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka, izay ahitana ny fanofanana ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana vao nantsoina eo anivon’ny paroasy sy fanomezana fanohanana mitohy; mampianatra ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy ireo fitsipiky ny fanompoana, ny tantaram-pianakaviana, ary ny asa fitoriana (jereo ny 9.5); fanamafisana orina ireo rahavavy olon-dehibe tokan-tena; fandrindrana ireo ezaka atao amin’ny vonjy taitra; fandraisam-pitenenana ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy amin’ny toe-javatra hafa; ary ny fitsidihana ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 6.7.1).

Fivoriana sy filankevitra

Mifampaka hevitra tsy tapaka ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka. Manompo ao amin’ny kômitin’ny tanora tokan-tena ao amin’ny tsatòka sy ireo kômitin’ny olon-dehibe tokan-tena ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana, raha toa ka voalamina. Manatrika ireo fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka isan-taona ny fiadidiana ary mampianatra ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy mandritra ireo fivoriana ireo (jereo ny 29.3.9), manompo ao amin’ny filankevitry ny mpitarika ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka (ireo filoha ihany) sy kômity, ary manatrika ireo fivorian’ny filankevitra enti-mandrindra rehefa asain’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra (jereo ny 29.4).

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Afaka mandrindra fivoriana iray na roa isan-taona ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka ho an’ny rahavavy rehetra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana manerana ny tsatòka. Mety ho hita ao anatin’izany fivoriana izany ireo asa fanompoana, fampianarana, tetikasa, fihaonambe ary atrikasa (jereo ny 6.7.1.1). Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Zatovovavy ary ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka dia afaka mandrafitra fiaraha-mientana hitambarana indraindray ho an’ireo rafitr’izy ireo (jereo ny 6.7.1).

Torolalana sy Fitsipika

Ahitana torolalana sy fitsipika fanampiny ao amin’ny fizarana 9.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy