Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna
Ireo andraikitra


andian-jatovolahy

Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratry ny kôlejin’ny mpampianatra ahy

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao.

Ny tanjon’ny Fisoronana Aharôna

Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia manampy ireo zatovolahy hanao fanekempihavanana masina sy hitandrina izany ary hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny tanjon’ny kôlejy iray dia ny hanampy ireo mpihazona fisoronana hiara-hiasa mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 10.1, Médiathèque de l’Évangile.)

Kôlejin’ny mpampianatra

Miditra ao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona maha-feno 14 taona azy. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho mpampianatra ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika. Adidin’ireo mpampianatra ihany koa ireo adidin’ny diakona. Adidin’izy ireo ihany koa ny manomana ny fanasan’ny Tompo sy ny manompo amin’ny maha-rahalahy mpanompo. Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53–59; 84:111 ireo adidy fanampiny. (Jereo ny 10.1.3.2.)

Mpitantsoratra

Rehefa misy mpitantsoratry ny kôlejy voantso dia manomana ny fandaharam-potoan’ireo fivoriana izy ary mandray an-tsoratra. Manampy ny mpitambokin’ny paroasy ihany koa izy ireo na ny mpanoro hevitra iray eo anivon’ny kôlejy eo amin’ny firaketana ny fanatrehana fivoriana. (Jereo ny 10.4.2.)

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Ny episkôpà sy ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo, tohanan’ireo mpanorohevitra, no mamolavola ny drafitra ho an’ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana. Tokony hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa famonjena sy fisandratana izany. Amin’izany dia tokony hampifandanjana ireo sehatra efatry ny fivoaran’ny tena manokana: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina. (Jereo ny 10.2.1.3.)

Torolalana sy Fitsipika

Ireo torolalana sy fitsipika fanampiny, anisan’izany ny fanohanana ireo zatovolahy manana fahasembanana, ny fandraisana ireo mari-pamantaran’ny Ankizy sy Zatovo, ary ny fanangonana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia hita ao amin’ny fizarana 10.8 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.