Tahirim-pitaovana
Tari-dalana hoenti-manomboka


Sary
Mpiangona manangana ny tanany

Tari-dalana hoenti-manomboka

“Ny hany zavatra angatahiny dia ny hanomezanao ny ezaka tsara indrindra avy aminao sy ny fonao manontolo. Ataovy amim-pifaliana sy amin’ny vavaky ny finoana izany.” —Filoha Henry B. Eyring1

Manasa anao izahay hanomboka ny antsonao vaovao omban’ny fanampiana sy ny fitaomana rehetra omen’ny Tompo anao. Azo atao izany amin’ny alalan’ny fanekena ireto fanasana mba hanao asa roa manaraka ireto.

Voalohany, mivavaha. Mivavaha ho an’ireo izay tarihinao. Mivavaha ho an’ireo izay tompoinao. Mivavaha matetika mba hanana fahafahana hanaovan-javatra, fahatakarana, ary fitahiana. Miantehera fatratra amin’ny Tompo dia hitahy anao amin’ny antsonao Izy.

Faharoa, aoka ianao hotohanana sy hatokana ho amin’ny antsonao vaovao. Manome anao ny fahefan’ny fisoronana hanaovanao ny antsonao io dingana manan-danja io. Afaka ny handray fitahiana sy fitaomam-panahy avy amin’ny fitarihan’ny Fanahy ho an’ireo olona tarihinao sy tompoinao ianao amin’ny alalan’io fahefana io.

Tohizo vakina hatrany amin’ny fizarana misy ireo Andraikitra mba hahitanao amin’ny ankapobeny ny mombamomba ny antsonao.

  1. Élevez-vous jusqu’à votre appel,” Ensign, nov. 2002, 78.

Hamoaka printy