Seminera
Fampidirana ny Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra seminera


Fampidirana ny Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra seminera

Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia “ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany, ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara [2012], x, ChurchofJesusChrist.org).

Ireo lesona ato amin’ity boky torolalana ity dia natao hanampiana anao hanatratra izany tanjona izany rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao ianao. Mirakitra lesona 255 ity boky torolalana ity. (Tsy voatery hovitainao avokoa ireo lesona rehetra ireo.) Maro amin’izy ireo no mifanandrify amin’ny andian-tsoratra masina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy izay hohalalin’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Mifandray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny lesona sasany. Hampian’ny mpampianatrao ianao hahafahantatra hoe inona no lesona mila vitaina any an-trano sy izay lesona hiarahanao miaraka amin’ny iray kilasy.

Ny asa tontosaina ao amin’ny lesona tsirairay dia ahitana vakiteny sy asa ampanaovina an-tsoratra. Ity sary famantarana ity no maneho ireo sahanasa firaketana an-tsoratra:

Saintsaino tsara ireo valin-teninao mialoha ny hanoratanao azy ireny. Izany dia hanampy anao hanana traikefa manan-danja kokoa rehefa mianatra sy mampihatra ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina ianao. Mivavaha mialoha ny hanombohanao ireo lesona ianaranao ary katsaho ny fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao mandritra ny fandalinanao. Mitadiava fahafahana hizarana ny zavatra ianaranao amin’ny hafa, isan’izany ny fianakavianao.

Hamoaka printy