Seminera
Fampidirana ny Testamenta Vaovao Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera


Fampidirana ny Testamenta Vaovao Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Sary
Young adult men and women can be see taking part in class and interacting with the instructor and with each other.

Ny tanjon’ny Seminera sy ny Institiota fianarana ny filazantsara dia “ny hanampy ireo zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany, ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky torolalana ho an’ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara [2012], x, ChurchofJesusChrist.org).

Ireo lesona sy loharanom-pahalalana hafa hita ato amin’ity boky torolalana ity dia natao hanampiana anao hanatratra izany tanjona izany. Izy ireo dia afaka manampy anao hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy, hifantoka amin’i Jesoa Kristy, hampianatra ny fotopampianarany araka ny hita ao anaty soratra masina sy ao amin’ny tenin’ireo mpaminany, ary hanasa ireo mpianatra hianatra amim-pahazotoana. Rehefa manao izany ianao, dia afaka manampy ireo mpianatra hampiorim-paka ny fiovam-pony amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Fitaovana hanampiana anao hiomana hampianatra

Ny Soratra MasinaNy fandalinana arahana ireto andalan-tsoratra masina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy dia fomba manan-danja iray hiomanana hampianatra ireo mpianatra. Ireo lesona izay voarakitra ato amin’ity boky torolalana ity dia mitaky mpampianatra entanim-panahy izay mandalina tsy tapaka ny soratra masina sy mikatsaka hatrany ny fananana ny Fanahy Masina ho namana. Rehefa mandalina tsy tapaka ny soratra masina ianao, dia afaka matoky fa ny Ray any An-danitra dia hanome fitaomam-panahy anao amin’ny alalan’ny Fanahiny ny amin’ny fomba hampifanarahana ireto fitaovana ireto amin’ny zavatra izay ilain’ireo mpianatrao.

Topimaso ankapobeny isan-kerinandro

Ity boky torolalana ity dia narindra araka ireo andian-tsoratra masina vakiana isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ho an’ny andian-tsoratra masina vakiana isan-kerinandro tsirairay, ity boky torolalana ity dia manome topimaso ankapobeny isan-kerinandro arahana lesona miisa dimy. Ny topimaso ankapobeny isan-kerinandro dia famintinana ny fitaovana izay enti-mampianatra ho an’io herinandro io ary koa fampahalalana mifandraika manokana amin’ny lesona hanampiana anao hiomana hampianatra. Hahita izao fampahalalana manaraka izao ianao ho an’ny lesona tsirairay:

  • tanjon’ny lesona

  • soso-kevitra ho an’ny fiomanan’ny mpianatra

  • lisitr’ireo ireo lesona ampianarina amin’ny alalan’ny zavatra, taratasy zaraina, sary, horonan-tsary, na fitaovana hafa izay mety ilaina omanina mialoha

  • soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence (raha toa ka miditra amin’ny alalan’ny application Bibliothèque de l’Evangile na Bibliothèque de l’Evangile an-jotra izay ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org)

Ny famerenana mijery ny topimaso ankapobeny isan-kerinandro eny amin’ny fiandohan’ny herinandro tsirairay dia afaka manampy anao hanapa-kevitra momba ireo lesona izay tokony hampianarina sy ireo fitaovana izay tokony hangonina na homanina mialoha.

Tadiavo ny topimaso ankapobeny isan-kerinandro ho an’ny lesona hampianarinao amin’ny herinandro manaraka. Inona avy ireo fampahalalana hitanao izay tsara raha fantarinao mialoha? Ahoana ny fomba ahafahanao mampiasa izany fampahalalana izany raha miomana hampianatra ianao?

Torohevitra momba ny fampianarana

Ny torohevitra ho an’ny fampianarana dia manazava ireo fomba sy fitsipika enti-mampianatra izay afaka manampy anao hivoatra amin’ny maha-mpampianatra anao. Ny lesona tsirairay dia ahitana torohevitra mikasika ny fomba enti-mampianatra aorian’ny fampidirana ny lesona. Azonao atao ny mitady fomba sy fitsipika enti-mampianatra fanampiny ao amin’ny tahirim-boky ho an’ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa mahatsapa fa vonona tanteraka ianao, dia andramo ampiharina ireo torohevitra ireo rehefa mampianatra ianao. Rehefa manao izany ianao, dia hahatsikaritra fa nivoatra ny fahaizanao mampianatra.

Avereno jerena ny torohevitra enti-mampianatra ao amin’ny lesona hampianarinao manaraka. Ahoana ny fomba mety hanandramanao mampihatra io soso-kevitra io ao amin’ny lesona?

Torolalana enti-fampianarana

Ny torolalana enti-mampianatra dia natao mba hanampiana anao hiomana hampianatra. Ireo torolalana ireo dia mety manazava ny tanjona kendrena amin’ny sahanasan’ny lesona na manolotra soso-kevitra mikasika ny fomba hampifanarahana ny votoatin-desona mba hahatonga izany hifanaraka kokoa amin’ny zavatra tena ilain’ireo mpianatra. Ireo soso-kevitra ireo dia mety ahitana fomba fiasa hafa azo atao, fanontaniana, na sahanasa izay manampy anao hampifanaraka ny votoatin-desona sy ireo sahanasa raha ilaina izany.

Avereno jerena ny sasany amin’ireo torolalana enti-mampianatra ao amin’ny lesona izay hampianarinao atsy ho atsy. Inona avy ireo fanovana izay mety hataonao mifototra avy amin’ny torolalana enti-mampianatra hitanao?

Fiomanan’ny Mpianatra

Ny lesona tsirairay dia ahitana soso-kevitra hanampiana ireo mpianatra hanomana ny sainy sy ny fony amin’ny zavatra izay ho hitany mandritra nytraikefa amin’ny fianarana. Ny topimaso ankapobeny isan-kerinandro tsirairay dia mitanisa ireo soso-kevitra amin’ny fiomanan’ny mpianatra ho an’ny lesona miisa dimy izay hatao mandritra ’io herinandro io. Azonao atao ny mijery ireo soso-kevitra ireo eo am-piandohan’ny herinandro ary manapa-kevitra ombam-bavaka mikasika ny ireo soso-kevitra izay tsapanao fa mety tena hanampy ireo mpianatrao. Tsy voatery hampiasa ny soso-kevitra rehetra amin’ny fiomanan’ny mpianatra ianao. Azonao atao ny mampifanaraka azy ireo na mamorona ny soso-kevitrao manokana. Maro amin’ireo soso-kevitra ireo no natao mba homena ny mpianatra iray andro mialohan’ny traikefa amin’ny fianarana.

Avereno jerena ny fizarana fiomanan’ny mpianatra ao amin’ny lesona izay hatao manaraka, dia eritrereto na hampiasa, na hampifanaraka izany ianao, na tsy hampiasa ilay fiomanan’ny mpianatra izay naroso. Raha toa ka manapa-kevitra ny hanasa ireo mpianatrao mba hiomana ianao, ahoana ny fomba hizaranao izany soso-kevitra enti-manomana izany amin’izy ireo? Azonao atao ny mizara izany am-bava na mampiseho izany any amin’ny faran’ny fianarana izay natao teo aloha na mandefa izany amin’ny alalan’ny mailaka na appli fandefasan-kafatra hafa, raha azo atao.

Sahanasa fianarana azo ataoIty fizarana ao amin’ny lesona ity dia ahitana ireo fomba hafa azo atao hitondrana ny traikefa amin’ny fianarana. Tsy voatery hampiasa ireto votoatin-kevitra rehetra ireto ianao ao amin’ny lesona ampianarinao. Mba hahafahan’ireo mpianatrao mahazo ny traikefa tsara indrindra, dia tokony hampiasa ilay votoatin-kevitra ato amin’ity fizarana ity ianao hatao tari-dalana fa tsy lahatsoratra vakiana fotsiny ihany. Raha toa ka vao manomboka amin’ny maha-mpampianatra seminera anao ianao, dia mety ho tsara kokoa raha toa ka manomboka amin’ny fanarahana ireo sahanasa fianarana naroso ianao. Rehefa mivoatra ianao amin’ny maha-mpampianatra anao, dia ho lasa zatra ireo zavatra izay ilain’ireo mpianatrao ianao ka hanatsara hatrany ny fahaizanao mandray ny fitaomam-panahy. Ho lasa afaka mampifanaraka tsaratsara kokoa ny votoatin’ity boky torolalana ity ianao mba hanomezana fampianarana mampiova fo sy manan-danja hoan’ireo mpianatrao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-misehoNy ankamaroan’ny lesona dia misy fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” avokoa any amin’ny faran’ny lesona. Ity fizarana ity dia ahitana fampahalalana fanampiny izay afaka manampy hahatonga ny fianarana ho lalim-paka. Azonao atao ny mitady ireo mety ho valin’ireo fanontaniana mety hapetrak’ireo mpianatra na mitady teny nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay tianao hampidirina ao amin’ny lesona. Ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra irery ihany no ahitana ity fizarana ity, noho izany dia tsy maintsy miditra amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile na ny Bibliothèque de l’Evangile an-jotra ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ianao vao afaka mahita izany. Ny ankamaroan’ny fampahalalana ato anatin’ity fizarana ity dia tafiditra ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera an-jotra sy ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpianatra avokoa (eo ambanin’ilay lohateny hoe “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?”) raha nojerena tamin’ny alalan’ny application Bibliothèque de l’Evangile na ny Bibliothèque de l’Evangile an-jotra izany. Ny “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” dia tsy tafiditra ao anatin’ny boky torolalana amin’ny endrika PDF na ho an’ny mpampianatra izany sy na ho an’ny mpianatra.

Jereo ny lesona izay hampianarinao manaraka raha toa ka misy “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho.” Moa ve misy fanontaniana, valiny, na teny nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mety ahitana tombontsoa ny fizarana izay amin’ireo mpianatrao?

Sahanasa fianarana fanampinyIty fizarana ity, izay hita any amin’ny faran’ny lesona ihany koa, izay manolotra hevitra fanampiny amin’ny fitondrana ny traikefa amin’ny fianarana. Ny sahanasa fianarana fanampiny dia tafiditra ao anatin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra fotsiny ihany raha toa ka miditra amin’ny alalan’ny application Bibliothèque de l’Evangile na ny Bibliothèque de l’Evangile an-jotra izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ianao. Ity fizarana ity dia tsy tafiditra ao anatin’ny boky torolalana amin’ny endrika PDF na ho an’ny mpampianatra izany na ho an’ny mpianatra.

Raha toa ka misy fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ny lesona izay hataonao manaraka, dia avereno jerena ireto sahanasa ireto. Moa ve misy zavatra heverinao fa mety hahasoa ny fampiasana izany miaraka amin’ny mpianatrao ho fanampin’ireo sahanasa fianarana izay efa misy ao amin’ny lesona fototra na hanoloana izany?

Fifehezana fotopampianarana

Laharam-pahamehana lehibe iray ho anao amin’ny maha-mpampianatra anao ny manampy ireo mpianatra hanatontosa ireo vokatra andrasana avy amin’ny fifehezana fotopampianarana. Tafiditra anatin’ireo vokatra andrasana ireo ny fanampiana ireo mpianatra

  • hianatra sy hampihatra ireo fitsipika amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ary

  • hifehy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana voafantina sy fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianarin’izy ireny.

Ny fifehezana ireo andinin-tsoratra masina voafantina sy ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianarin’ireo andalan-tsoratra masina ireo dia midikafa ireo mpianatra dia

  • hahafantatra sy hahatakatra ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana;

  • hanazava amin’ny fomba mazava tsara ny fotopampianarana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana;

  • hampihatra ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny safidy izay ataon’izy ireo isan’andro sy eo amin’ny fihetsika izay asetrin’izy ireo amin’ireo olana sy fanontaniana ara-potopampianarana, an’ny tena manokana, ara-piarahamonina ary ara-tantara; ary

  • hitadidy sy hitady ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hanao tsianjery ireo andian-teny mana-danja ao amin’ny soratra masina.

Mety ho tena sarotra ny fanaovana izany amin’ny voalohany, fa saingy afaka matoky tsara ianao fa ity boky torolalana ity dia hanoro anao amin’ny fanampiana ireo mpianatrao mba hahavita ny fifehezana fotopampianarana. Isaky ny andian-desona miisa dimy hita ato amin’ity boky torolalana ity, dia hahita lesona anankiray afaka manampy ireo mpianatra mba hahatratra ireo vokatra ireo ianao. Ireo lesona ireo dia mety ho lesona momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na koa lesona famerenana ny fifehezana fotopampianarana.Lesona momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianaranaIreo lesona momba ny fifehezana fotopampianarana—ary koa ny lesona araka ny sahan-kevitra mialoha ny tsirairay amin’izy ireo—dia tokony heverina ho manan-danja avokoa. Ny lesona momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay dia tokony hampianarina mandritra ny taom-pampianarana avokoa, anisan’izany ireo lesona tsy vita rehefa tsy nisy kilasy seminera. Ireo lesona manan-danja ireo dia ahitana:

  • Fampidirana ny fifehezana fotopampianarana

  • Fahazoana fahalalana ara-panahy, Fizarana 1, 2, ary 3

  • ny lesona araka ny sahan-kevitra mialoha ireo lesona momba ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay miisa 24

  • ireo lesona momba ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 24 (Ohatra: “Fifehezana fotopampianarana: Lioka 2:10–12” na “Fifehezana fotopampianarana: Jaona 3:5”)

Ireo lesona momba ny andalan-tsoratrafifehezana fotopampianarana dia manampy ireo mpianatra

  • hitadidy ilay andalan-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina,

  • hanazava ny fotopampianarana, ary

  • hizatra hampihatra ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana izay ampianarina ao anatin’ilay andalan-tsoratra masina.

Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fomba hanampiana ireo mpianatra mba hanatratra ireo vokatra andrasana avy amin’ny fifehezana fotopampianarana, dia jereo ny fiofanana mikasika ny “Fifehezana Fotopampianarana” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Lesona famerenana fifehezana fotopampianarana Ny lesona famerenana fifehezana fotopampianarana dia manome fahafahana hamerina hijery (na amin’ny fotoana sasantsany, hampahafantarana) ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hiasana mba hanatontosana ireo vokatra andrasana amin’ny fifehezana fotopampianarana. Tsy voatery hatao ny lesona famerenana fifehezana fotopampianarana. Raha toa ka tsy nanao lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo mpianatra noho ny tsy fisian’ny fotoam-pampianarana, dia azonao atao ny mampianatra ilay lesona tsy vita ho solon’ny lesona famerenana fifehezana fotopampianarana.

Manampy ireo mpianatra hanombana ny fianarany

Ny fanaovana fanombanana dia ampahany manan-danja iray amin’ny fianarana. Ny fotoana ahafahana miato kely sy misaintsaina ny fianarana dia mety ho traikefa tsara ho an’ireo mpianatra ary mety hamporisika azy ireo amin’ny fitoamboany sy fivoarany tsy mitsaha-mitohy mba ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nanolotra torohevitra feno fahendrena ho an’ny mpampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

“Tsarovy fa ny mpianatra iray dia tsy fitoeran-javatra hofenoina; ny mpianatra dia afo ilaina arehitra”

(“Angels and Astonishment” [Church Educational System Training Broadcast], Juna 12, 2019, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Ny fanomezana fahafahana ireo mpianatra hanao tombana ny fianarana izay nataony dia fomba iray hampiharana ny torohevitra naroson’ny Loholona Holland. Rehefa manao tombana ny fianarany ny mpianatra, dia lasa mpandray anjara mavitrika amin’ny fizotry ny fianarana ary mandray andraikitra bebe kokoa amin’ny fianarany izy ireo. Misy traikefa amin’ny fianarana maromaro nampidirina ato anatin’ity fandaharam-mpampianarana ity izay natao mba hanomezana fotoana ho an’ireo mpianatra hisaintsainana ny zavatra izay ianarany sy ny fomba hivoarany amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo.

Lesona “Tombano ny fianaranao”Ity boky torolalana ity dia ahitana lesona maromaro momba ny “Tombano ny fianaranao”. Ireo lesona ireo dia manome fahafahana ireo mpianatra mba hanazava ny fotopampianarana manan-danja ao amin’ny Testamenta Vaovao, sy hisaintsaina ireo fitondrantena sy fanirian’izy ireo, ary hizara ny fivoaran’izy ireo eo amin’ny fikolokoloana ireo fitondrantena izay afaka manampy azy ireo ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanoloran-tena. Ireo lesona ireo dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa fifaliana rehefa mahita ny fivoaran’izy ireo sy mamantatra ireo zavatra ilana fivoarana fanampiny amin’ny hoavy.

Lesona famerenana nyfanombanana ny fianaranaEny amin’ny faran’ny antsasaky ny taranja tsirairay, dia hampanao fanombanana ny fianarana an’ireo mpianatra ianao hanampiana azy ireo hanombana ny fahaizany manatratra ny vokatry andrasana avy amin’ny fifehezana fotopampianarana. Ny lesona famerenana ny fanombanana ny fianarana dia tokony hampianarina mandritra ny fotoam-pianarana hafa mialoha kely ny hampanaovana ilay fanombanana. Ny lesona famerenana nyfanombanana ny fianarana dia hita ao amin’ny tovana ho an’ity boky torolalana ity. Ireo lesona ireo dia ahitana sahanasa famerenana izay afaka manampy ireo mpianatra hamerina hijery ny fotopampianarana, sy ireo andalan-tsoratra masina ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay izay nianaran’izy ireo tao amin’ny tapany voalohany na faharoan’ilay taranja. Ireo lesona ireo dia manampy ihany koa ireo mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Fanombanana fianaranaNy fanaovana tombana ho an’ireo tapany voalohany sy faharoa amin’ny fianarana dia mifantoka amin’ny fifehezana fotopampianarana ary izany dia tafiditra ao anatin’ny tovana ho an’ity boky torolalana ity. Afaka manao ilay tombana ny mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana iray ary manitsy izany ao an-dakilasy miaraka amin’ny fanampian’ny mpampianatra sy ireo mpiara-mianatra aminy hafa. Mba ho afaka amin’ity taranja seminera ity, dia mila mahazo isa 75% na mihoatra ny mpianatra isaky ny manao fanombanana ny fianarana. Afaka mamerina manao tombana imbetsaka araka izay ilaina ny mpianatra.

Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fomba fampiasana ity boky torolalana ity mba hanampiana ireo mpianatra hanao tombana ny fianarany, dia jereo ny “Assessments Training” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mpampianatra seminera an-jotra

Raha toa ka mpampianatra seminera an-jotra ianao, dia mety hanampy anao ny mijery ny votoatin-kevitra izay voarakitra ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera rehefa manomana lesona ianao. Na dia mitovitovy aza ny votoatin’ireo lesona hita ato anatin’ity boky torolalana ity sy ireo izay hita ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera an-jotra, ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera dia ahitana ihany koa torolalana enti-mampianatra sy sahanasa fianarana fanampiny. Ireo loharanom-pahalalana ireo dia afaka manampy anao hamaly ireo fanontaniana apetraky ny mpianatra, hampifanaraka ny votoatin-kevitra amin’ny fandaharam-pampianarana an-jotra, ary hiomana amin’ny fampianarana izay atao mifanatri-tava (na mivantana na virtoaly).

Ho fanampin’ity boky torolalana ity sy fandaharam-pampianarana seminera an-jotra, dia misy loharanom-pahalalana fanampiny izay afaka manampy anao hampianatra seminera an-jotra. Ny herinandro tsirairay amin’ny fandaharam-pianarana seminera an-jotra dia ahitana pejy iray tsy natonta mitondra lohateny hoe “Soso-kevitra ho an’ny mpampianatra an-jotra” izay natokana ho an’ny mpampianatra fotsiny ihany. Io pejy io dia ahitana soso-kevitra maro isan-karazany hanampiana anao hanao ny traikefa amin’ny fianarana ho manan-danja kokoa ho an’ny mpianatrao. Ireo soso-kevitra ireo dia ahitana ireto manaraka ireto:

  • torohevitra momba ny fampianarana an-jotra

  • tanjon’ny lesona

  • soso-kevitra ho an’ny fiomanan’ny mpianatra

  • soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence

  • soso-kevitra amin’ny fampifanarahana ny votoatin-kevitra en ligne

Amporisihina ianao hampifanaraka ny fandaharam-pampianarana seminera an-jotra amin’ny zavatra izay tena ilain’ireo mpianatrao. Ny pejy rehetra ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera an-jotra dia azo amboarina sy ovaina avokoa. Ny fampifanarahana sasany izay mety hataonao amin’ny fandaharam-pamianarana an-jotra dia mety ahitana

  • sahanasa famerenana mijeryy lesona iray mba ho manan-danja sy hahaliana kokoa an’ireo mpianatra,

  • famafana votoatin-kevitra sasany izay mety ho be loatra na sarotra loatra ho an’ireo mpianatra ny hanakatra azy,

  • fanoloana ny votoatin-kevitra amin’ny firaketana horonan-tsarinao na an’olon-kafa izay mijoro ho vavolombelona mikasika ny fitsipika na fotopampianarana iray hita ao amin’ny soratra masina na fizarana zavatra niainana manokana, na

  • fanoloana teniny nindramina amina teny natao iraynomena vao haingana na amin’ny izay mora kokoa ho an’ireo mpianatra ny manakatra azy.

Ny mpampianatra seminera an-jotra dia mila mampifanaraka ny filaharan’ireo lesona vitsivitsy izay hita ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera an-jotra mba hanarahana ireo tari-dalana famitana lesona misy eo an-toerana.

Mpampianatra seminera ho an’ireo izay manaraka fandaharam-pianarana any an-trano

Raha toa ka mpampianatra seminera ho an’ireo izay manaraka fandaharam-pianarana any an-trano ianao, dia mila manana dika mitovin’ilay boky torolalana ho an’ny mpianatra seminera na afaka miditra ao amin’ny appli Bibliothèque de l’Evangile na ny Bibliothèque de l’Evangile an-jotra izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ilainao ampahafantarina ny mpianatra ireo lesona izay hohalalinin’izy ireo any an-trano sy ireo lesona izay hiarahanareo mianatra virtoaly na mivantana. Ireo lesona ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpianatra dia mifanaraka amin’ny lesona izay mitovy amin’izany ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra.

Rehefa manapa-kevitra momba ny lesona izay hampianarina mifanatri-tava ianao, dia eritrereto ireo lesona izay mety hahomby indrindra rehefa atao anaty vondrona. Azonao tolorana fanasana izay hanampy azy ireo hiomana ho amin’ny fianarana ny mpianatra. Ireo soso-kevitra ho an’ny fiomanan’ny mpianatra izay hita any am-piandohan’ny lesona tsirairay dia afaka manome hevitra anao mikasika ny fomba ahafahana manao izany. Rehefa manomana ireo traikefa amin’ny fianarana ho an’ireo fampianarana hatao mifanatri-tava ianao, dia makà fotoana fohy mandritra ny fampianarana mba hamerenana mijery ireo toko sy andininy ary andian-teny manan-danja ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianaran’ireo mpianatra vao haingana.

Ny mpianatra dia tokony hamita ireo asa atao voatanisa ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpianatra ary handefa izany aminao isan-kerinandro farafahakeliny. Ny mpianatra dia afaka mandefa ny asany amin’ny alàlan’ny fitaovana elektronika (mailaka, application fandefasan-kafatra, na zavatra toy izany) na ao anatin’ny diary fandalinana soratra masina. Raha toa ka mandefa ny asa izay nataony ao anatin’ny diary fandalinana soratra masina ireo mpianatra, dia tokony hanana diary fandalinana soratra masina roa izy ireo mba hahafahan’izy ireo mamela ny anankiray any aminao raha ilaina izany ary manohy ny asany ao amin’ilay anankiray hafa, ka mifanakalo ireo diary fanadalinany soratra masina ireo isaky ny mihaona ianareo.

Rehefa mamerina mijery ny asan’ireo mpianatra ianao, dia manehoa hevitra manokana sy manan-danja. Mitadiava fomba ahafahana mankahery ireo mpianatrao sy hanampiana azy ireo hivoatra amin’ny fianarana ataony. Raha ohatra ka mahita fomba ifandraisana amin’izy ireo mandritra ny herinandro ianao dia tena hanampy ireo mpianatra ihany koa izany. Ohatra, raha toa ka mandalina ireo lesona izay hita ato amin’ity boky torolalana ity ianao sady mamita ireo lesona mitovy amin’izany any an-trano ireo mpianatra, dia mety hahazo fitaomam-panahy hizara fanontaniana, horonan-tsary mirakitra tari-dalana, na loharanom-pahalalana hafa avy amin’ity boky torolalana ity amin’ireo mpianatra ianao amin’ny alalan’ny mailaka, vondrona hifandefasana hafatra an-tsoratra, na fomba hafa ahafahana mifanerasera. Azonao atao ihany koa ny manolotra fampahatsiahivana na fankaherezana ho an’ny mpianatra mba hanorenana firaisan-kinan’ny iray kilasy sy hanampiana ireo mpianatra hahatsapa manana anjara toerana anaty vondrona iray izy ireo rehefa miara-mandalina ny filazantsara sy miara-mitombo.

Hamoaka printy