Antso ao amin’ny misiôna
Toko 10: Mampianatra mba hanorina finoana an’i Jesoa Kristy


“Toko 10: Mampianatra mba hanorina finoana an’i Jesoa Kristy,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

Toko 10, Ny Torio ny filazantsarako

Sary
Toriteny teo An-tendrombohitra, nataon’i James Tissot

Toko 10

Mampianatra mba hanorina finoana an’i Jesoa Kristy

Diniho ireto

  • Ahoana no ahafahako mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?

  • Ahoana no ahafahako mampianatra avy amin’ny soratra masina?

  • Ahoana no tokony hizarako ny fijoroana ho vavolombelona ananako rehefa mampianatra?

  • Ahoana no ahafahako manomana sy manitsy ny fampianarako mba hanomezana izay ilain’ny olona?

  • Ahoana no ahafahako mametraka fanontaniana tsara kokoa sy ho tonga mpihaino tsara kokoa?

  • Ahoana no ahafahako manampy ny olona hahita ny valin’ny fanontaniany sy hahazo fitarihana sy hery?

Voantso ianao hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’ny olona maro izay handray anao. Ny fampianarana no ivon’ny zavatra rehetra ataonao. Rehefa miantehitra amin’ny Tompo ianao mba hahazoana fanampiana dia nampanantena Izy hoe:

“Ary na zovy na zovy no mandray anareo, dia ho eo koa Aho, fa Izaho handeha eo alohanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88).

Mivavaha, manaova fandalinana sy fanazaran-tena mba hanatsarana ny fahaizanao mampianatra. Ampiharo ireo fitsipika ato amin’ity toko ity sy ao amin’ireo toko hafa ato amin’ity boky ity. Katsaho fatratra ny fanomezam-pahasoavan’ny fampianarana mba hahafahanao mitahy ny hafa sy manome voninahitra an’ Andriamanitra. Hanampy anao hampianatra amin-kery sy fahefana ny Tompo rehefa mikatsaka Azy amim-pahazotoana sy mianatra ny teniny ianao.

Katsaho ny hampianatra tahaka ny nampianaran’ny Mpamonjy

Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia “nandeha … nampianatra …, nitory …, ary nanasitrana” i Jesoa (Matio 4:23). Nampianatra tany amin’ny toerana maro izy—tao amin’ny sinagoga, tao an-trano, ary teny an-dalana. Nampianatra tao anatina fivoriana lehibe sy tao anatina fifampiresahana manokana izy. Ny sasany tamin’ireo fifandraisana mahery vaika nataony dia tena fohy na tao anatin’ny toe-javatra tsy mahazatra. Nampianatra tamin’ny alalan’ny asany sy ny teniny Izy.

Nampianatra ny olona tsirairay araka ny filany manokana ny Mpamonjy. Ohatra, rehefa nanompo lehilahy iray nararin’ny paralysisa Izy dia namela ny fahotany ary nanasitrana azy (jereo ny Marka 2:1–12). Rehefa nanompo vehivavy iray izay nijangajanga Izy dia niaro azy sy nanasa azy tsy hanota intsony (jereo ny Jaona 8:2–11). Rehefa niresaka tamin’ny lehilahy mpanankarena iray izay naniry ny fiainana mandrakizay Izy dia “tia azy” na dia teo aza ny fandavan’ilay tovolahy ny fanasany hanaraka Azy (Marka 10:21; jereo ny andininy 17–21).

Afaka manatsara ny fampianaranao ianao amin’ny alalan’ny fianarana ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy. Ohatra, tia ny Ray sy ireo izay nampianariny Izy. Nivavaka izy. Nampianatra avy amin’ny soratra masina izy. Niomana ara-panahy izy. Nametraka fanontaniana avy amin’ny fanentanam-panahy izy. Nanasa ny olona hanao asa amim-pinoana izy. Nampitahainy tamin’ny fiainana andavanandro ny fitsipiky ny filazantsara.

Ny fikatsahana ny hampianatra toy ny nampianaran’ny Mpamonjy dia zavatra atao mandritra ny fiainana manontolo. Ho tonga aminao andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra izany rehefa manaraka Azy ianao (jereo ny 2 Nefia 28:30; Etera 12:41).

“Katsaho ny hahazo ny teniko”

Mba hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mila mahafantatra ny fotopampianarana sy fitsipika fototra ao anatiny ianao. Mila fahalalana ara-panahy sy fanamafisana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ihany koa ianao. Ny Tompo dia nilaza hoe: “Aza mikatsaka ny hanambara ny teniko fa katsaho aloha ny hahazo azy.”

Ny hoe “mahazo” ny tenin’ny Tompo dia midika hoe mandalina izany ary mamela izany hilentika lalina ao am-ponao. Rehefa manao izany ezaka izany ianao dia nampanantena Izy hoe: “Ary amin’izay dia hovahana ny lelanao; amin’izay raha irinao, dia hanana ny Fanahiko sy ny teniko ianao, eny, ny herin’ Andriamanitra ho fandresen-dahatra ny olona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21).

Sary
olona manisy marika ny soratra masina

Nilaza ihany koa ny Tompo hoe: “Raketo lalandava ao an-tsainareo ny tenin’ny fiainana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85). Ny firaketana ny tenin’ny Tompo dia hampitombo ny fahalalanao sy hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Hitombo toy izany koa ny fanirianao sy ny fahaizanao mampianatra ny filazantsara. (Jereo ny Jakôba 4:6–7; Almà 32:27–42; 36:26; 37:8–9.)

Raiso ombam-bavaka ary raketo ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona ary ny lesona ao amin’ny toko 3.

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no “herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany.” (Romana 1:16). Noho izany antony izany dia ilaina ampianarina amin’ny alalan’ny hery masina, dia ny herin’ny Fanahy Masina izany, ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Zava-dehibe ny fampivelaranao ny fahaizana mampianatra. Zava-dehibe koa ny mianatra ny fotopampianarana sy fitsipika ampianarinao. Rehefa mampianatra fahamarinana ara-panahy anefa ianao, dia tsy miankina amin’ny fahaizanao sy ny fahalalanao manokana ianao voalohany indrindra.

Ampianarina amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ireo fahamarinana ara-panahy. Hoy ny Tompo hoe: “Ary homena anareo ny Fanahy amin’ny fivavaky ny finoana ary raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–22).

Inona no dikan’ny hoe mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?

Rehefa mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ianao dia mivavaka mba hanana ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’ny fampianaranao. Mivavaka koa ianao mba hahazoan’ny olona fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy. Mety ho resy lahatra amina fahamarinana sasany ny olona, kanefa mba hiovana fo dia mila manana traikefa iarahana amin’ny Fanahy izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3).

Omano ny tenanao ho fitaovana izay ahafahan’ny Fanahy mampianatra. Raiso ho mpiara-mitory aminao amin’ny fampianarana ny Fanahy Masina .

Miantehera amin’ny Fanahy mba hanampy anao hahafantatra izay tokony holazaina. Hampahatsiaro anao ny fotopampianarana nianaranao Izy. Hanampy anao handamina sy hanitsy ny zavatra ampianarinao araka izay ilain’ny olona iray Izy.

Rehefa mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ianao dia hitondra ny hafatrao ao am-pon’ny olona Izy. Hanamafy ny hafatrao Izy rehefa mijoro ho vavolombelona ianao. Ianao sy ireo izay mandray ny zavatra ampianarinao amin’ny alalan’ny Fanahy dia hahazo hery sy hifankahazo an-tsaina ary hiara-hifaly. (Jereo ny 2 Nefia 33:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–22.)

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny Fanahy no singa tokana manan-danja indrindra amin’ity asa ity. Afaka manao fahagagana ho an’ny Tompo ianao any amin’ny sahan’ny asa fitorianao miaraka amin’ny Fanahy izay manome hery ny antsonao. Raha tsy miaraka amin’ny Fanahy dia tsy hahomby na oviana na oviana ianao na inona na inona talentanao sy fahaizanao” (Ezra Taft Benson, seminar for new mission presidents, June 25, 1986).

Ny fampanantenana ao anatin’ny antsonao

Nantsoina sy natokana ianao “hitory ny filazantsarako amin’ny alalan’ny Fanahy, dia ny Mpampionona izay nirahina hampianatra ny fahamarinana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:14). Indraindray ianao dia mety hahatsapa ho sahiran-tsaina na ho tsy ampy fahaizana. Angamba ianao miahiahy hoe tsy ampy fahalalana na tsy ampy traikefa.

Ny Rainao any An-danitra, izay mahafantatra anao tanteraka, dia niantso anao noho ny zavatra azonao atolotra amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy manolo-tena anao. Tsy hahafoy anao Izy. Matokia fa hampitombo ny fahaizanao ny Fanahy ary hampianatra ny fahamarinana amin’ireo izay vonona ny hihaino.

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Hoy ny Loholona Neil L. Andersen: “Raha nanao jery todika ilay fanamby mba hitory ny filazantsara aho, dia nahatsapa ho tena tsy ampy fahaizana sy tsy vonona. Tsaroako aho nivavaka hoe, -Ray any An-danitra ô, ahoana no hitoriako ny filazantsara raha kely ny fahalalana ananako?- Nino ny Fiangonana aho, saingy nahatsapa fa voafetra ihany ny fahalalana ara-panahy nananako. Teo am-pivavahana, dia nisy fahatsapana tonga tao amiko: -Tsy mahafantatra ny zavatra rehetra ianao, fa efa ampy ny zavatra fantatrao!- Izany fanomezana toky izany dia nanome ahy faharisihana hanao ny dingana manaraka ho any amin’ny sahan’ny misiôna” (“You Know Enough,” Liahona, Nov. 2008, 13).

Asao ny Fanahy rehefa manomboka mampianatra ianao

Tena zava-dehibe ny fotoana vitsivitsy voalohany iarahana amin’ny olona. Aoka ianao ho tsara fanahy sy feno fanajana. Manehoa fahalianana sy fitiavana marina. Katsaho ny hahazo ny fitokisan’izy ireo. Ny fomba iray hahazoana fitokisana dia rehefa mahatsapa ny Fanahy miaraka aminao ny olona.

Mametraha fanontaniana tsotra vitsivitsy mba hanampiana anao hahatakatra ny zavatra niainany sy ny zavatra andrasany momba ny fitsidihanao. Mihainoa tsara.

Alohan’ny hanombohanao dia asao izay rehetra manatrika ao mba handray anjara amin’ny lesona. Amporisiho izy ireo hanala ireo zavatra manelingelina mba hahatsapana ny Fanahin’ny Tompo.

Hazavao fa tianao ny hanomboka sy hamarana ny lesona tsirairay amin’ny vavaka. Manolora tena hanao ny vavaka fanokafana. Manaova vavaka tsotra sy amin-kitsim-po mba hitahian’ Andriamanitra ny olona ampianarinao amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainany. Mivavaha mba hahafahan’izy ireo mahatsapa ny fahamarinan’ny zavatra ampianarinao. Tsarovy fa “ny fivavaky ny [olona] marina dia mahasoa indrindra” (Jakoba 5:16).

Manàna finoana ilay herin’ny Fanahy Masina izay manova fo. Rehefa tarihin’ny Fanahy dia afaka maneho hevitra toy izao manaraka izao ianao rehefa manomboka mampianatra:

  • Andriamanitra dia Ilay Raintsika be Fitiavana any An-danitra. Mpiray tampo isika rehetra. Tiany isika hiaina fifaliana.

  • Samy manana olana sy fahasahiranana isika rehetra. Na inona na inona zavatra atrehanao dia afaka manampy anao i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Afaka manampy anao hahita fiadanana, fanantenana, fahasitranana ary fahasambarana Izy. Afaka manampy anao hanana hery lehibe kokoa hiatrehana ireo olan’ny fiainana i Jesoa.

  • Isika rehetra dia manao fahadisoana, izay mety hiteraka fahatsapana fahamelohana, henatra, ary nenina. Ireo fahatsapana ireo dia tsy hiala raha tsy rehefa mibebaka sy mikatsaka ny famelan’ Andriamanitra isika. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahantsika ho sitrana tanteraka amin’ny fahotantsika.

  • Ho mpitari-dalana izahay mba hahafahanao mahafantatra manokana ny fahamarinan’ny hafatray. Hanasa anao izahay hanao zavatra vitsivitsy, toy ny mamaky teny, mivavaka, ary mandeha miangona. Ny anjara asanay dia ny manampy anao handray andraikitra eo anatrehan’ireo fanasana ireo sy hanazava ireo fitahiana azonao raisina. Mametraha fanontaniana azafady.

  • Nantsoin’ny mpaminanin’ Andriamanitra izahay mba hizara izay fantatray. Fantatray fa marina ny hafatra entinay.

  • Hampianatra anao ny fomba fanaovana fanekempihavanana, na fampanantenana manokana, amin’ Andriamanitra izahay. Ireo fanekempihavanana ireo dia hampifandray anao amin’ Andriamanitra ary hanome fahafahana anao handray fifaliana sy hery ary fampanantenana manokana avy Aminy.

  • Hianatra ny fomba hanovana ny fiainanao sy hanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ianao. Ny fampianarana manan-danja iray an’i Jesoa Kristy, sy ny fanekempihavanana voalohany ataontsika, dia ny fanarahana ny ohatra nasehony ka atao batisa amin’ny alalan’ny fahefana marina (jereo ny Jaona 3:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22).

Sary
misiônera mivavaka

Alohan’ny hampianarana lesona dia manomeza topimaso tsotra momba ny zavatra hampianarinao. Ampio ny olona hahita ny maha-zava-dehibe izany ho azy ireo. Ohatra, azonao atao ny milaza hoe, “Tonga eto izahay hizara hafatra fa nanorina ny Fiangonany eto an-tany i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao ary niantso mpaminany velona mba hitarika antsika.” Na azonao atao ny milaza hoe, “Tonga eto izahay hanampy anao hahafantatra fa tia anao Andriamanitra ary manana drafitra ho an’ny fahasambaranao Izy.”

Hahazo tombony ny olona rehetra rehefa manaiky sy miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo. Mety nomen’ny Ray any An-danitra fahafahana hiaina fanomanana ara-panahy sarobidy ireo olona izay hitanao (jereo ny Almà 16:16–17).

Ny fanasana ny Fanahy sy ny fizarana fahamarinana amin’ny fihaonana voalohany dia hanampy ny olona hamantatra anao amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo anao.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Ampiasao ireo sosokevitra ato amin’ity fizarana ity mba hampiharana fomba samihafa hanombohana lesona iray.

Ampiasao ny soratra masina

Ny soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana no loharano fototra anananao hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Maro ny antony maha-zava-dehibe ny fampiasana ny soratra masina ho fototry ny fampianaranao. Ohatra:

  • Manasa ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fampianaranao ny soratra masina (jereo ny Lioka 24:13–32).

  • Ny soratra masina dia manana fiantraikany mahery vaika kokoa eo amin’ny sain’ny olona noho ny zavatra hafa (jereo ny Almà 31:5).

  • Ny soratra masina dia miresaka mikasika ireo fanontaniana lehiben’ny fanahy (jereo ny toko 5; jereo koa ny 2 Nefia 32:3; Jakôba 2:8).

  • Manome fahefana sy mampanan-kery ny fampianaranao ny soratra masina.

  • Ny Tompo sy ny mpaminaniny dia nilaza ny hanaovana izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12, 56–58; 71:1).

Amin’ny alalan’ny fampiasana ny soratra masina ao amin’ny fampianaranao dia afaka manampy ny hafa handalina samirery ny soratra masina ianao. Rehefa miharihary ny fitiavanao ny soratra masina dia hahazo fandrisihana mba handalina izy ireo. Asehoy ny fomba hanampian’ny fandalinana ny soratra masina azy ireo hianatra ny filazantsara sy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra. Manomeza ohatra mikasika ny fomba ahafahan’ny soratra masina manampy azy ireo hahita ny valin’ny fanontaniany ary hahazo fitarihana sy hery.

Milofosa amin’ny fandalinana ny soratra masina mba hahafahanao mampianatra amin’ny fomba mahomby avy amin’izy ireny (jereo ny toko 2). Hivoatra ny fahaizanao mampianatra avy amin’ny soratra masina rehefa mandalina izany isan’andro ianao, na fandalinana ataon’ny tena manokana izany na miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao.

Ampio ny olona hampitombo finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna. Mety hanampy ity sosokevitra manaraka ity.

Sary
vondron’olona iray mandalina ny soratra masina

Ampahafantaro ilay soratra masina

Lazalazao fohifohy ny mombamomba ilay andinin-tsoratra masina. Ireto ohatra manaraka ireto dia mampiseho fomba vitsivitsy hampahafantarana soratra masina iray:

  • “Ao amin’ny tantaran’i Joseph Smith, i Joseph dia milaza amintsika amin’ny teniny manokana ny zava-nitranga rehefa nankany amin’ilay ala kely izy mba hivavaka. Hoy izy, -Nahita andrim-pahazavana aho…-”

  • “Ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity, ny mpaminany Almà dia mampianatra ny olona mahantra mba hampihatra ny finoan’izy ireo ny tenin’ Andriamanitra. Nampitahainy tamin’ny voa azo ambolena ao am-pontsika ny tenin’ Andriamanitra. Hanomboka hamaky andininy … ve ianao?”

Vakio ilay andinin-tsoratra masina

Vakio mafy ireo andininy na angataho ilay olona ampianarinao mba hamaky mafy. Aoka ianao hitandrina amin’ireo izay sahirana mamaky teny. Raha toa ka sarotra amin’izy ireo ny mahatakatra andinin-tsoratra masina iray, dia iaraho vakina amin’izy ireo izany ary hazavao raha ilaina. Farito izay teny na andian-teny sarotra. Na omeo andinin-tsoratra masina tsotra kokoa izy ireo hovakiny. Asao izy ireo hitady hevitra miavaka ao amin’ilay andinin-tsoratra masina.

Ampiharo ny soratra masina

Hoy i Nefia hoe: “Efa nampihariko taminay ny tenin’ny soratra masina rehetra mba ho tombontsoanay sy ho fianarana ho anay” (1 Nefia 19:23). Ny hoe “mampihatra” dia midika hoe mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainanao.

Ampiharo amin’ireo izay ampianarinao ny soratra masina amin’ny alalan’ny fampisehoana ny maha-zava-dehibe ireo tantara sy ireo fitsipika ho azy ireo manokana. Ohatra:

  • “Tahaka anareo, ny vahoakan’i Almà dia nanana enta-mavesatra, saika mihoatra noho izay zakany. Rehefa nampihatra finoana sy nivavaka anefa izy ireo, dia nampahery azy ireo Andriamanitra mba hahafahany mizaka ireo olana. Avy eo dia nanafaka azy ireo tamin’ireo fitsapana nahazo azy ireo Izy. Fantatro fa Andriamanitra dia hanampy anao amin’ireo fitsapana mahazo anao, tahaka ny nataony tamin’ireo olona ireo, …” (Jereo ny Môzià 24.)

  • “Miantefa amintsika ankehitriny ny torolalan’i Almà tamin’ny olona teo amin’ny Ranon’i Môrmôna. Ry John, vonona ve ianao … ?” (Jereo ny Môzià 18.)

Ampianaro ny olona ny fomba “hampiharana” ny soratra masina amin’ny tenany manokana. Ny fitadiavana ireo fampiharana nataon’ny tena manokana dia hanampy azy ireo hampihatra sy hiaina ny herin’ny tenin’ Andriamanitra.

Asao sy ampio ny olona hamaky samirery

Ny olona ampianarinao dia mila mamaky ny soratra masina, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna, mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pahombiazana ny soratra masina ao amin’ny fampianaranao dia afaka manampy ny olona handalina samirery ny soratra masina ianao.

Aorian’ny fitsidihana tsirairay dia manolora toko na andininy manokana hovakin’izy ireo. Manomeza fanontaniana hodinihin’izy ireo rehefa mamaky izy ireo. Amporisiho izy ireo handalina samirery sy miaraka amin’ny fianakaviany ny soratra masina isan’andro. Azonao atao koa ny mangataka ny mpikambana hiaraka hamaky amin’izy ireo eny anelanelan’ny lesona.

Alohan’ny hanombohan’ny lesona manaraka dia manaova fanaraha-maso ny fivoarana amin’ny alalan’ny firesahana ny zavatra nasainao novakin’ny olona. Raha ilaina dia ampio izy ireo hahatakatra sy “hampihatra” ireo soratra masina ireo. Amporisiho izy ireo hanoratra ny eritreriny sy ny fanontaniany.

Rehefa manampy olona hamaky sy hahatakatra ary hampihatra ny soratra masina ianao, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna, dia hanana traikefa ara-panahy amin’ny tenin’ Andriamanitra izy ireo. Ho vonona kokoa ny hamaky samirery izy ireo sy hanao ny soratra masina ho ampahany manan-danja amin’ny fiainany.

Sary
misiônera mampianatra fianakaviana

Ampio ny olona hahazo soratra masina

Ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona dia hita amin’ny fomba maro kokoa sy amin’ny fiteny maro kokoa noho ny teo aloha. Fantaro ireo fitaovana vita printy sy fitaovana nomerika azo isafidianana izay afaka ny ho azon’ny olona ampianarinao. Ampio ny olona hahazo soratra masina amin’ny fomba mifanaraka amin’ny filany sy ny zavatra tiany. Hevero ireto manaraka ireto:

  • Anontanio ny olona hoe fiteny inona no tiany hamakiana na hihainoana ny soratra masina.

  • Ireo izay sahirana mamaky teny, na izay sahirana amin’ny fahazoana izay novakiny, dia mety hahazo tombontsoa avy amin’ny famakiana mafy miaraka na fihainoana horonam-peo. Ireo dia azo alaina amin’ny alalan’ny appli sy tranonkala maimaim-poana an’ny Fiangonana.

  • Raha manana fitaovana nomerika ny olona iray dia ampio izy hanana ny soratra masina, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna. Ny appli Bokin’i Môrmôna sy ny Mediathèque de l’Évangile dia maimaim-poana ary mora zaraina.

  • Raha mampiasa hafatra fohy, na chat, na email dia alefaso ny rohy na sarin’ny soratra masina. Rehefa mampianatra amin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ny vidéo dia hevero ny hizara ny efijery mba hahafahanareo miara-mamaky andininy.

  • Ampio ny olona hahazo ny tenin’ireo mpaminany velona.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Ataovy azo antoka fa manana ireo loharanon-tsoratra masina nohavaozina ao amin’ny findainareo ianao sy ny mpiara-mitory aminao, ka tafiditra ao anatin’izany ny appli Bokin’i Môrmôna sy ny Médiathèque de l’Évangile.

Misafidiana iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna; 3 Nefia 11; Môrônia 10:3–8; Jaona 17:3; Romana 8:16–17; 1 Korintiana 15:29; Jakoba 1:5; 1 Petera 3:19–20; Amosa 3:7.

Farito hoe ahoana no hataonao mba:

  • Hampahafantarana ilay andinin-tsoratra masina.

  • Hanomezana fampahalalana fmombamomba izany sy ny sahan-kevitra.

  • Hamakiana ilay andinin-tsoratra masina ary hanazavana ny heviny.

  • Hanazavana ireo teny sarotra.

  • Hanampiana ireo izay ampianarinao hampihatra izany eo amin’ny fiainany.

Fandalinana ny soratra masina

Nahoana no zava-dehibe ny mampianatra avy amin’ny soratra masina?

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Ny fijoroana ho vavolombelona dia tenivavolombelona ara-panahy nomen’ny Fanahy Masina. Ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia ny fanaovana fanambarana tsotra sy mivantana momba ny fahalalana na finoana mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara iray. Ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia manampy ny tenivavolombelonao manokana momba ireo fahamarinana nampianarinao avy ao amin’ny soratra masina.

Ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia fomba mahery vaika hanasana ny Fanahy sy hanampiana ny hafa hahatsapa ny fitaomany. Iray amin’ireo asa nanirahana ny Fanahy Masina ny mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Matetika Izy no manatanteraka izany amin’ny fiarahana aminao rehefa mijoro ho vavolombelona ianao.

Ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika dia tsy miankina amin’ny fahaiza-miteny na ny hamafin’ny feonao, fa amin’ny faharesen-dahatra sy ny fahatsoran’ny fonao. Mitandrema mba tsy hizara maimaika ny fijoroana ho vavolombelona anananao na hanao izany ho toy ny tantara an-tsehatra. Omeo fahafahana ny olona hahatsapa ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona amin’izy ireo fa marina ny zavatra nampianarinao.

Ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia mety ho tsotra toy ny hoe “I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika” na “Nahafantatra manokana aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna.” Azonao atao ihany koa ny mizara zavatra niainana fohy momba ny fomba nahazoanao io fijoroana ho vavolombelona io.

Rehefa mampianatra ianao dia zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao rehefa mahatsapa fa tokony hizara izany ianao, fa tsy any amin’ny farany fotsiny. Rehefa mampianatra ny mpiara-mitory aminao dia zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mba hanomezana fijoroana ho vavolombelona faharoa momba ny zavatra nampianariny.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ilay fitsipika ampianarinao dia hitahy ny fiainan’ilay olona raha toa ka manaraka izany izy. Lazao ny fomba nitahiana ny fiainanao rehefa niaina ilay fitsipika ianao. Ny fijoroanao ho vavolombelona amin-kitsim-po dia hanampy amin’ny famoronana tontolo iray ahafahan’ny olona mahatsapa ny Fanahy Masina manamafy ny fahamarinana.

Fandalinan’ny tena manokana

Ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia ohatra amin’ny fijoroana ho vavolombelona. Diniho ireo fanontaniana rehefa mamaky ny soratra masina tsirairay ianao. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny valinteninao.

Fandalinana ny soratra masina

Inona no ampianarin’ireto soratra masina manaraka ireto momba ireo fitsipika sy fampanantenana momba ny fijoroana ho vavolombelona?

Arafeto ary amboary mba hifanaraka amin’ireo zavatra ilaina ny fampianaranao

Ny olona tsirairay ampianarinao dia miavaka. Katsaho ny hahatakatra ny zavatra mahaliana azy sy ny zavatra ilainy ary ny ahiahiny. Mametraha fanontaniana ary mihainoa tsara. Na dia mety tsy takatrao tanteraka aza ny zavatra ilain’ilay olona dia tsarovy fa ny Ray any An-danitra dia mahafantatra izany. Hitarika anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy.

Sary
misiônera mampianatra mpivady

Avelao ny Fanahy hitarika ny filaharan’ny lesona

Avelao ny Fanahy hitarika ny filaharana hampianaranao ny lesona. Manana fahafahana hanova ny fomba fampianarana ireo lesona ho araka ny filaharany tsara indrindra mety amin’ny zavatra ilaina sy ny fanontaniana ary ny toe-javatra iainan’ireo izay ampianarinao ianao.

Indraindray ianao dia afaka manambatra fitsipika avy amin’ny lesona samy hafa mba hanomezana ny zavatra ilain’ny olona iray sy ny zavatra mahaliana azy. Jereo ireto ohatra telo manaraka ireto.

Nahita anao tao amin’ny internet i Yuki ary manontany ny antony mahatonga ireo namany ato am-piangonana tsy mifoka sy tsy misotro. Azonao atao ny mampianatra azy momba ireo fitahiana avy amin’ny didy amin’ny alalan’ny fampiasana ireto fizarana manaraka ireto ao amin’ny toko 3:

Tsy mahatsapa ho manana ny anjara toerany i Samoela na aiza na aiza. Azonao atao ny mampianatra azy momba ny maha-izy azy sy ny toerana ananany ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampiasana ireto fizarana manaraka ireto ao amin’ny toko 3:

Nianatra momba ny antokom-pivavahana maro i Tatyana, ary te hahafantatra hoe inona no mampiavaka ny Fiangonana. Azonao atao ny mampianatra azy momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fampiasana ireto fizarana manaraka ireto ao amin’ny toko 3:

Fantatry ny Ray any An-danitra ny zanany, koa mitadiava fitaomam-panahy mba handray ireo fanapahan-kevitra ireo rehefa miomana hampianatra ianao. Mivavaha mba hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana manavaka rehefa manapa-kevitra mikasika izay hampianarina ianao. Henoy tsara ireo eritreritra sy zavatra tsapa tonga ao aminao.

Sary
Fianakaviana mamaky soratra masina

Omeo fotoana ny olona hampihatra ny zavatra nianarany

Rehefa mampianatra ianao dia omeo fotoana ny olona hampihatra ny zavatra nianarany (jereo ny 3 Nefia 17:2–3). Mitadiava fomba azo hanohanana azy ireo eo amin’ny fanajana ny fanolorantenany. Mifantoha amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana asa izay hanorina fototry ny finoana, toy ny mivavaka, mamaky boky ary mandeha miangona. Izany dia hahafahan’izy ireo manaja fanolorantena fanampiny.

Rehefa manomana sy mampianatra ianao dia aoka hitandrina amin’ny habetsahan’ny fampahalalana vaovao zarainao. Ny tanjona voalohany amin’ny fampianaranao dia ny hanampy ny olona iray hanorina finoana an’i Jesoa Kristy ka hitarika ho amin’ny fibebahana izany. Tsy ny hahita ny habetsaky ny fampahalalana azonao omena no tanjonao.

Mampianara amin’ny hafainganam-pandeha mety amin’ilay olona. Mametraha fanontaniana ary mihainoa tsara mba hahatakaranao hoe manao ahoana ny fomba fianarany sy fampiharany ny zavatra ampianarinao.

Ireo fahamarinana ampianarinao, miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina, dia afaka mitaona ny olona hampiasa ny fahafahany misafidy amin’ny fomba izay manorina ny finoany an’i Kristy. Rehefa mampihatra finoana ny Tompo izy ireo amin’ny alalan’ny fampiharana ny zavatra nianarany dia ho fantatr’izy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy fa marina ny filazantsara.

Mampiasà fomba fampianarana amin’ny endriny isan-karazany.

Misy endrika maro ny fahafahana mampianatra, toy ny fitsidihana mivantana, fifampiresahana amin’ny vidéo, antso an-telefaonina, hafatra an-tsoratra, ary tambajotran-tserasera.

Hajao ny fotoan’ny olona

Ataovy tsotra sy fohy ny fampianaranao. Vonona kokoa ny hihaona aminao ny olona rehefa manaja ny fotoanany sy ny fangatahany ianao. Anontanio azy ireo ny habetsaky ny fotoana ananany mba hanaovana ilay fitsidihana. Atombohy sy farano amin’ny fotoana nifanarahana ny resaka rehetra, na fampianarana mivantana izany na an-jotra. Fantaro fa mety lafo be ny antso an-telefaonina na ny resaka ifanaovana amin’ny alalan’ny vidéo any amin’ny toerana sasany.

Mila fihaonana maromaro ianao mba hampianarana ireo fitsipika ao anatin’ny lesona iray. Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony hihoatra ny 30 minitra ny fitsidihana iray hanaovana fampianarana, ary afaka mampianatra olona iray ao anatin’ny 5 minitra monja ianao. Ampifanaraho amin’ny fotoan’ny olona ny fampianaranao.

Ampiasao amim-pahendrena ny teknôlôjia

Manana fahafahana maro azo arararaotina ianao mba hampianarana olona amin’ny alalan’ny fampiasana teknôlôjia. Ny olona sasany dia tia ilay fanamorana na ilay fanajana ny fiainana manokana amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika. Na ireo olona tsidihinao mivantana aza dia afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fanohanana fanampiny amin’ny alalan’ny teknôlôjia. Ifanakalozy hevitra ireo loharanom-pitaovana azo ifandraisana. Araho maso ny fivoarana ary mifandraisa hatrany avy eo. Avelao ny safidin’ny olona tsirairay no hitarika ny fifandraisanareo.

Ny teknôlôjia toy ny antso amin’ny alalan’ny vidéo dia mety tena hanampy amin’ny fampianarana olona be atao na mipetraka lavitra. Indraindray dia mora kokoa ho an’ny mpikambana ny mandray anjara amin’ny lesona amin’ny alalan’ny teknôlôjia.

Ampio ireo mpianatra mbola ankizy

Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy dia nilaza tamin’ny mpianany Izy hoe: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra” (Marka 10:14). Rehefa mampianatra ny ankizy ianao, dia ampifanaraho amin’izay ilainy ny fomba fampianaranao sy ny hafatrao. Ampio izy ireo hianatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ireo zavatra izay mahazatra azy ireo. Ataovy izay hahatakaran’izy ireo ny zavatra ampianarinao.

Fandalinana ny soratra masina

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85. Inona no dikan’ny hoe omena “ny ampahany voafatra ho an’ny olona tsirairay”? Ahoana no ahafahanao mampihatra izany ao amin’ny fampianaranao?

Inona no nampanantenain’ny Tompo ireo misiônera mahatoky momba ny fahafantarana izay tokony holazaina?

Mampianara amim-piraisan-kina miaraka amin’ny mpiara-mitory aminao

Hoy ny Tompo hoe: “Handeha tsiroaroa amin’ny anarako ianareo, amin’ny herin’ny Fanahiko, hitory ny filazantsarako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:6). Mandidy anao sy ny mpiara-mitory aminao koa Izy mba “ho iray” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27). Ho mahery vaika sy hahaliana kokoa ny fampianaranao raha miara-miasa amim-piraisan-kina ianao sy ny mpiara-mitory aminao. Mifandimbiasa mizara ampahany fohy amin’ny lesona.

Mandritra ny fandalinan’ny mpiara-mitory dia mifanakaloza hevitra sy manaova fanazaran-tena momba ny fomba hampianaranareo mba hahafahanareo hiray hina. Omano ny fomba hiarahanareo miasa rehefa mampianatra olona an-jotra ianareo. Araho ny aroloza amin’ny fampiasana ny teknôlôjia, voasoritra ao amin’ny toko 2.

Sary
Misiônera mampianatra lehilahy iray

Rehefa mampianatra ny mpiara-mitory aminao dia mivavaha ho azy, mihainoa azy ary jereo izy. Tohano ny namanao amin’ny alalan’ny fanolorana vavolombelona faharoa momba ireo fahamarinana nampianariny (jereo ny Almà 12:1). Araho ny fahatsapanao rehefa mitaona anao hilaza zavatra ny Fanahy.

Aoka ianao tena miahiahy ireo olona ampianarinao. Henoy izy ireo. Jereo ao amin’ny masony izy ireo rehefa miresaka na ianao no miresaka. Diniho tsara ny valintenin’izy ireo, ary henoy ireo bitsika ara-panahy.

Asao ny mpikambana handray anjara

Asao ny mpikambana hanampy anao hampianatra sy hanohana ireo olona miara-miasa aminao. Mety tanterahina mivantana izany na amin’ny endrika virtoaly. Mandritra ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro, dia miresaha amin’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy momba ny hoe iza no afaka manampy.

Rehefa mandray anjara amin’ny fampianarana sy ny fakana ho namana ny mpikambana dia afaka manampy hevi-baovao sy mifandray amin’ny maha-namana azy ireo. Hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny asa fitoriana izy ireo.

Asao ny mpikambana hanampy anao hampianatra

Alohan’ny lesona dia ataovy drafitra miaraka amin’ny mpikambana ny fomba hiarahana miasa. Azonao atao ny mampiasa hafatra an-tsoratra na antso an-telefaonina fohy mba hanamafisana hoe inona no hampianarinareo, iza no hivavaka, iza no hitarika ny resaka, ary ireo antsipiriany hafa.

Ny anjara asa voalohan’ny mpikambana ao amin’ny lesona dia ny manolotra fijoroana ho vavolombelona amin-kitsim-po, mizara zavatra fohy izay niainana manokana ary mamboly fifandraisana amin’ireo izay ampianarina. Azonao atao ny mangataka ny mpikambana mba hizara ny fomba nahafahan’izy ireo nianatra sy nanaiky ary niaina fitsipika iray manokana tao amin’ny lesona. Raha toa ka olona niova fo izy ireo dia asao izy ireo hizara ny fomba nanapahany hevitra hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Rehefa manolotra anarana olona iray ny mpikambana dia angataho izy ireo handray anjara amin’ny fampianarana. Mety handray anjara bebe kokoa amin’ireny toe-javatra ireny ny mpikambana. Miresaha amin’izy ireo momba ny fomba tiany handraisana anjara.

Eritrereto ny mety ho fahafahan’ny mpikambana miaraka mampianatra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia. Ny teknôlôjia dia mamela ny mpikambana handray anjara hiaraka aminao ka tsy misy ilayfotoana ilaina voafaritra tsara izay takina amin’ny fanaovana fitsidihana mivantana.

Mandritra ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro dia manaova drafitra miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy mba hisian’ny mpikambana iray handray anjara amin’ny lesona faran’izay betsaka azo atao (jereo ny toko 13). Hevero ny hangataka ireo mpikambana vaovao hanampy anao hampianatra.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Alaivo sary an-tsaina hoe manana fotoana hampianatra lesona amin’ny fianakaviana iray any amin’ny tranona mpikambana iray ianareo. Ifanakalozy hevitra ny fomba hampandraisanareo anjara ny tsirairay amin’ireto mpikambana manaraka ireto eo amin’ny fanampiana anareo hampianatra:

  • Misiôneran’ny paroasy iray izay vao niverina avy nanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno

  • Mpisorona iray

  • Mpikambana vaovao iray

  • Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona na ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana

Asao ny mpikambana hanolotra fanohanana

Afaka manolotra fanohanana sarobidy ho an’ny olona ihany koa ny mpikambana eny anelanelan’ilay fitsidihana hanaovana fampianarana. Afaka mandefa hafatra an-tsoratra izy ireo, miara-mamaky soratra masina, manasa ny olona ho any an-tranony na hamonjy fiaraha-mientana, na manasa azy ireo hiara-mipetraka aminy any am-piangonana. Afaka mamaly fanontaniana izy ireo ary mampiseho hoe toy ny ahoana ny fiainany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy. Ny zavatra niainany eo amin’ny fiainany sy ny fomba fijeriny dia afaka manampy azy ireo hifandray amin’ny olona amin’ny fomba izay tsy mitovy amin’ny fomba ifandraisan’ny misiônera indraindray.

Miresaha amin’ny mpikambana mikasika ny fomba ahafahanareo miara-miasa mba hanohanana olona any ivelan’ireo fitsidihana hanaovana fampianarana.

Mampianara mba hahazoana fahatakarana

Ampianaro ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mba ho takatry ny olona izany. Halalino ny soratra masina sy ny lesona mba hahafahanao mampianatra mazava avy amin’izany. Arakaraka ny mampazava kokoa ny fampianaranao no ahafahan’ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona kokoa momba ny fahamarinana.

Mametraha fanontaniana mba hanampiana ny olona hieritreritra ny zavatra nampianarinao. Henoy avy eo raha azony sy ekeny izany.

Anisan’ny mandrafitra ny fampianarana mba hahazoana fahatakarana ny fanazavana teny sy andian-teny ary hevitra. Afaka manatsara ny fahaizanao mampianatra ny filazantsara ianao amin’ny alalan’ny:

  • Fahatakarana ny teny ampiasainao.

  • Famaritana ny teny mety tsy azon’ny hafa.

  • Fametrahana fanontaniana amin’ny olona toy ny hoe “Azonao zaraina aminay ve ny fahatakaranao ny zavatra vao nohazavainay?” na “Afaka mamintina ny zavatra noresahintsika ve ianao?”

Rehefa mampianatra ny fotopampianarana ao amin’ny toko 3 ianao dia asio marika izay teny sy andian-teny ary hevitra izay mety tsy takatry ny olona. Farito ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharano ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile, toy ny Torolalana ho an’ny Soratra masina sy ny Sujets de l’Évangile.

Ataovy tsotra sy fohy ny fampianaranao. Ataovy mifantoka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany, ka manorina fahatakarana ireo fotopampianarana sy fitsipika fototra. Ampio ny olona hikatsaka ny fahatakarana izay avy amin’ny Fanahy Masina. Rehefa mahazo izany fahatakarana izany izy ireo dia hanjary hino ny hafatry ny filazantsara.

Fandalinana ny soratra masina

Nahoana isika no tokony hanazava amim-pitandremana tsara ny fotopampianarana?

Ahoana no fomba ianarantsika? Nahoana no zava-dehibe ny mampianatra fampahalalana tsikelikely?

Nahoana no manan-danja ny fahatsorana?

Inona no nianaranao avy tamin’ireto andininy manaraka ireto mikasika ny fomba ifandraisan’ Andriamanitra amin’ny zanany?

Mametraha fanontaniana

Ny Mpamonjy dia nametraka fanontaniana izay nanasa ny mpianatra hisaintsaina sy hanana fahatsapana lalina momba ireo fahamarinana nampianariny. Niteraka fandinihan-tena sy fanolorantena ireo fanontaniany.

Manan-danja ao amin’ny fampianaranao koa ireo fanontaniana tsara. Hanampy anao hahatakatra ny zavatra mahaliana ny olona sy ny ahiahiny ary ny fanontaniany izany. Ireo fanontaniana tsara dia afaka manasa ny Fanahy sy manampy ny olona hianatra.

Mametraha fanontaniana avy amin’ny fanentanam-panahy

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mametraka fanontaniana tsara. Ireo fanontaniana mety tsara amin’ny fotoana mety tsara dia afaka manampy ny olona hianatra ny filazantsara sy hahatsapa ny Fanahy.

Ireo fanontaniana avy amin’ny fanentanam-panahy sy ny fihainoana amin-kitsim-po dia hanampy ny olona haahazo aina kokoa hiresaka malalaka sy hizara ny fihetseham-pony. Afaka manampy azy ireo hahita fijoroana ho vavolombelona mitombo izany. Hahazo aina kokoa koa izy ireo hametraka fanontaniana aminareo rehefa misy zavatra tsy azony na misy ahiahy.

Ity tabilao manaraka ity dia mampiseho ireo fitsipika sasantsasany mikasika ny fametrahana fanontaniana avy amin’ny fanentanam-panahy, arahina ohatra vitsivitsy.

Fitsipika sy ohatra momba ireo fanontaniana avy amin’ny fanentanam-panahy

Fitsipika

Ohatra

Mametraha fanontaniana izay manampy ny olona hahatsapa ny Fanahy.

  • Afaka mizara zavatra niainana iray ve ianao izay nahatsapanao ny fitaoman’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no nahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra anao?

Mametraha fanontaniana tsotra sy mora takarina.

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ity soratra masina ity?

Mametraha fanontaniana izay manampy ny olona hieritreritra ny zavatra ampianarinao.

  • Inona no mampitovy izany amin’ny zavatra izay efa inoanao? Inona no tsy mampitovy azy?

Mametraha fanontaniana izay manampy anao hahafantatra hoe hatraiza ny fahatakaran’ny olona ny zavatra ampianarinao.

  • Inona ireo fanontaniana anananao momba ny zavatra nampianarinay androany?

  • Ahoana no hamintinanao ny resatsika androany?

Mametraha fanontaniana izay manampy ny olona hizara ny zavatra tsapany.

  • Ahoana no nanampian’i Jesoa Kristy anao teo amin’ny fiainanao?

  • Inona no zava-dehibe indrindra taminao tamin’izay noresahantsika androany?

Mametraha fanontaniana maneho fitiavana sy fiahiana.

  • Inona no azonay hanampiana anao?

Mametraha fanontaniana izay manampy ny olona hampihatra ny zavatra nianarany.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io soratra masina io?

  • Ahoana no ahafahan’ity soratra masina ity manampy anao eo amin’ny fiainanao?

  • Rehefa niresaka isika dia inona no tsapanao fa tokony hataonao avy amin’ny zavatra nianaranao?

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Avereno jerena ny drafitry ny lesonao avy ao amin’ny lesona iray vao haingana nampianarinao. Manorata fanontaniana iray ho an’ny tsirairay amin’ireo fitsipika lehibe voalaza ao amin’ny drafitrao.

Avereno jerena ireo fanontanianao mba hahitana raha mifanaraka amin’ireo fitsipika ato amin’ity fizarana ity izy ireo.

Avy eo dia valio ny fanontaniana tsirairay toy ireny hoe olona iray ampianarina ireny ianao.

Zarao amin’ny mpiara-mitory aminao ny fanontanianao. Miaraha manao fanombantombanana sy fanatsarana ireo fanontanianao.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Mety hiaina ireo manaraka ireto ny olona ampianarinao:

  • Miaina zavatra ara-panahy izy ireo eo am-pamakiana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Mandrabiraby ireo zavatra ara-panahy foana ireo mpiara-miasa.

  • Mpikambana matanjaka any amina fiangonana iray hafa ireo olona ao amin’ilay fianakaviana.

  • Mino ireo namana fa tsy Kristiana ny “Môrmôna”.

Mieritrereta fanontaniana iray hapetrakao mba hianarana bebe kokoa momba ny tsirairay amin’ireo toe-javatra ireo. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fanontaniana ireo. Resaho amin’ny mpiara-mitory aminao ny fomba hanatsaranao ireo fanontaniana nosoratanao.

Sorohy ny fanontaniana tsy mahomby na tafahoatra ny tokony ho izy

Miezaha tsy hametraka fanontaniana izay:

  • Efa miharihary ny valiny.

  • Mety hahamenatra ny olona iray raha tsy fantany ny valiny.

  • Ahitana hevitra mihoatra ny iray.

  • Mikasika ny fotopampianarana izay tsy mbola nampianarinao.

  • Tsy manana tanjona mazava.

  • Tafahoatra ny tokony ho izy.

  • Mamotopototra na mety hahasosotra sy hanafintohina olona.

Ireto manaraka ireto misy ohatra maneho ireo fanontaniana tsy dia mandaitra:

  • Iza no mpaminany voalohany? (Mety tsy hain’ilay olona ny valiny.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fihazonana ny vatantsika ho madio antsika hanana ny Fanahy sy haneho fa vonona ny hanaraka ny mpaminanin’ Andriamanitra iray isika? (Misy hevitra mihoatra ny iray.)

  • Zava-dehibe ve ny mahafantatra momba ireo didin’ Andriamanitra? (Fanontaniana valina amin’ny hoe eny na tsia izany, ary efa miharihary ny valiny.)

  • Inona no zavatra azontsika atao isan’andro izay hanampy antsika hahatsapa ho akaiky an’ Andriamanitra? (Fanontaniana manjavozavo mitady valiny manokana ity: mivavakaa.)

  • Iza no mpaminany taorian’i Noa? (Mety tsy hain’ilay olona ny valiny, ary tsy zava-dehibe amin’ny hafatrao ilay fanontaniana.)

  • Azonao ve izay lazaiko? (Mety hahatsapa ho toy ny hambanianao ilay olona.)

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Diniho ny zavatra ilain’ny olona ampianarinareo. ifanakalozy hevitra ny momba ny fomba mety hamaliany ireo fanontanianareo. Manomàna fanontaniana hapetraka izay manaraka ny torolalana ato amin’ity fizarana ity. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ireo fanontaniana ireo manasa ny Fanahy sy manampy ilay olona hianatra ny filazantsara.

Mihainoa

Rehefa mihaino ny hafa amim-pitandremana ianao dia hahazo azy ireo tsara. Rehefa fantany fa manan-danja aminao ny eritreriny sy ny zavatra tsapany dia mora mandray kokoa ny fampianaranao izy, sy vonona kokoa hizara zavatra niainany manokana ary hanao fanolorantena.

Rehefa mihaino ianao dia hahazo hevi-baovao momba ny fomba hampifanarahana ny fampianaranao amin’ny zavatra ilain’izy ireo sy ny zavatra mahaliana azy ireo. Hahazo fahatakarana tsara kokoa ianao hoe inona amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara no tena hahasoa azy ireo.

Henoy manokana ny bitsiky ny Fanahy. Rehefa mizara ny fahatsapany ny hafa dia mety hibitsika eritreritra na hevitra aminao ny Fanahy Masina. Afaka manampy anao hahatakatra ny zavatra ezahin’ny hafa ambara koa ny Fanahy.

Sary
misiônera miresaka amina fianakaviana

Mihainoa miaraka amin’ny fiahiana marina

Mitaky ezaka sy fiahiana marina ny fihainoana. Rehefa miresaka ny hafa, dia ataovy izay hifantohana amin’izay lazainy. Sorohy ny fironana amin’ny fanomanana mialoha izay holazainao.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny fihainoana dia manan-danja kokoa noho ny fitenenana. Ireo olona ireo dia tsy zavatra tsy misy aina miendrika antontan’isa momba ny batisa. … Anontanio ireo namana ireo hoe inona no zava-dehibe indrindra amin’izy ireo. Inona no ankamamian’izy ireo, ary inona no tena sarobidy amin’izy ireo? Ary avy eo dia mihainoa. Azonao atao ny manontany hoe inona no zavatra atahorany, na inona no zavatra iriny, na inona no tsapany fa tsy ampy eo amin’ny fiainany raha toa mety amin’izany ilay toe-javatra misy anao. Mampanantena anareo aho fa ny zavatra iray ao amin’ny zavatra holazain’izy ireo dia hanasongadina hatrany ny fahamarinan’ny filazantsara iray izay azonao ijoroana ho vavolombelona ary azonao velabelarina kokoa avy eo. … Raha mihaino amim-pitiavana isika dia tsy hanana ahiahy ny amin’izay tokony holazaina. Homena antsika amin’ny alalan’ny Fanahy sy ny namantsika izany” (“Witnesses unto Me,” Ensign, May 2001, 15).

Diniho ireo hafatra tsy voaloaky ny vava

Mifandray amin’ny alalan’ny fihetsiky ny vatana koa ny olona. Jereo ny fomba fipetrany, ny endriny, ny zavatra ataony amin’ny tanany, ny feony, ary ny toerana itodihan’ny masony. Ny fandinihana ireo hafatra tsy voambara amin’ny teny ireo dia afaka manampy anao hahatakatra ny fihetseham-pon’ireo izay ampianarinao.

Fantaro koa ny fihetsiky ny vatanao manokana. Mandefasa hafatra iray maneho fahalianana sy hafanam-po amin’ny alalan’ny fihainoana amin-kitsim-po.

Omeo fotoana hieritreretana sy hamaliana ny olona

Matetika ny Mpamonjy no nametraka fanontaniana izay nitaky fotoana ny famalian’ny olona iray azy. Rehefa mametraka fanontaniana ianao dia miatoa kely mba hanomezana fahafahana an’ilay olona hieritreritra sy hamaly. Aza matahotra ny fahanginana Matetika ny olona no mila fotoana hieritreretana sy hamaliana fanontaniana na hanehoana ny fihetseham-pony.

Azonao atao ny miato kely rehefa avy mametraka fanontaniana iray, na rehefa avy nizara zavatra niainana ara-panahy, na rehefa sahirana ny olona maneho hevitra. Ataovy izay hanomezana azy ireo fotoana hamitana ny fieritreretany alohan’ny hamalianao. Aza manapa-teny rehefa miresaka izy ireo.

Mamalia miaraka amin’ny fironam-po

Rehefa mamaly fanontaniana ny olona iray, dia atombohy amin’ny alalan’ny fanehoana fironam-po ny valinteninao raha azo atao. Ny fironam-po dia mampiseho fa maneho fiahiana marina ianao. Aza mitsambikina any amin’ny fanatsoahan-kevitra, na manolotra vahaolana avy hatrany, na miseho ho manana ny valiny rehetra.

Hamafiso fa azonao izay lazain’ny olona

Rehefa mikatsaka ny hahazo izay lazain’ny olona iray ianao dia mametraha fanontaniana mba hahazoana antoka fa mahatakatra ianao. Azonao atao, ohatra, ny manontany hoe, “Izao izany no lazainao . Marina ve izany?” na “Raha azoko tsara dia tsapanao fa .” Rehefa tsy azonao antoka hoe mahatakatra ianao dia mangataha fanazavana amin’ilay olona.

Atreho ireo fifanakalozana sarotra

Tena hanampy ny olona ianao amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mety misy olona sasany te hanao ny ankamaroan’ny resaka. Indraindray ny olona dia mila olona hihaino amim-pangorahana ireo olana atrehany sy ny fihetseham-pony fotsiny. Misy olona hafa mety te hiavaka na hiady hevitra.

Mianara mifehy ny toe-javatra toy izany amim-pahaizana mandanjalanja sy amim-pitiavana. Mety ho azonao atao ny mandrindra ny fampianaranao mba hiresahana ny zavatra nozarain’ny olona iray. Na mety mila miteny amim-pahalalam-pomba ianao fa amin’ny fotoana iray hafa no tianao hiresahana ny ahiahin’izy ireo. Ny Fanahy dia afaka manampy anao hahafantatra ny fomba hamaliana ao anatin’ireo toe-javatra sarotra.

Ampio ny olona hahatsapa ho mahazo aina amin’ny fizarana ny zavatra tsapa marina

Mba hisorohana ny henatra, ny olona sasany dia hamaly fanontaniana araka izay heveriny fa tianao hamaliana izany fa tsy hizara ny tena fihetseham-pony. Katsaho ny hamolavola fifandraisana izay ahafahan’izy ireo mahatsapa ho mahazo aina rehefa mizara aminao ny tena fihetseham-pony.

Ny fahatakarana an-tsaina ny olona sy ny fifandraisana amin’ny olona dia hanome fahafahana anao hanampy azy ireo, sy hanome izay zavatra mahaliana azy ireo sy ny zavatra ilain’izy ireo, ary haneho ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo. Mamoròna fifandraisana feno fahatokiana amin’ny alalan’ny fanehoana fahamarinan-toetra amin’izy ireo, ny fihazonana fifandraisana amin’ny misiônera araka ny tokony ho izy, ary ny fanehoana fanajana.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Saintsaino hoe manao ahoana ny fihainoanao ny hafa. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny valin’ireo fanontaniana etsy ambany. Na ifanakalozy hevitra amin’ny mpiara-mitory aminao izany.

A = Tsy marina mihitsy amiko, B = Marina indraindray amiko, D = Marina matetika amiko, E = Marina foana amiko

  • Rehefa miresaka amiko ny hafa dia mieritreritra zavatra niainana mitovy amin’izany izay azoko zaraina aho fa tsy mihaino tsara.

  • Rehefa misy olona hafa milaza amiko ny zavatra tsapany, dia miezaka ny mametraka ny tenako eo amin’ny toerany aho mba hahitako izay ho tsapako.

  • Rehefa mampianatra olona aho dia mieritreritra izay holazaiko na ampianariko manaraka.

  • Sorena aho rehefa miresaka be loatra ny olona.

  • Sahirana aho manaraka na mahatakatra izay tian’ny hafa holazaina amiko.

  • Mirenireny matetika ny saiko rehefa mampianatra ny mpiara-mitory amiko.

  • Tezitra aho rehefa misy olona miresaka amiko ka tapahin’ny olona hafa izany na helingelenin’izy ireo ny saiko.

  • Mahazo bitsika ara-panahy aho hilaza zavatra na hanao zavatra, saingy tsy miraharaha izany aho.

Ampio ny olona hahita ny valin’ny fanontaniany sy ny olany

Manaova ezaka mafy mba hamaliana ny fanontanian’ny olona ary ampio izy ireo hamaha ny olany. Tsy anjaranao anefa ny mamaly ny fanontaniana rehetra. Amin’ny farany, ny olona dia tsy maintsy mamaha samirery ny fanontaniany sy ny olany.

Fantaro fa tsy ny fanontaniana sy ny olana rehetra no azo valina tanteraka. Ny valiny sasany dia lasa mazava kokoa rehefa mandeha ny fotoana. Ny hafa mbola tsy nambara. Mifantoha amin’ny fananganana fototra mafy orina iorenan’ireo fahamarinana fototra sy manan-danja ao amin’ny filazantsara. Izany fototra iorenana izany dia hanampy anao sy ireo izay ampianarinao handroso hatrany amim-paharetana sy amim-pinoana rehefa misy fanontaniana tsy voavaly na sarotra.

Ny fitsipika sasany momba ny famaliana fanontaniana dia voavelabelatra ato amin’ity fizarana ity.

Sary
I Jesoa sy ilay vehivavy samaritana teo am-patsakana

Manàna fahatakarana an’ilay olana

Ny sasany amin’ireo zavatra ampianarinao ny olona dia mety ho toa sarotra na tsy mahazatra azy ireo. Raha manana fanontaniana na olana ny olona, dia ataovy aloha izay hahatakarana azy ireo mazava tsara. Tahaka ny vongan-dranomandry ny olan’ny olona indraindray. Ampahany kely fotsiny no tazana mitsingevana ety ambony. Mety ho saro-bahana ireo olana ireo. Mivavaha mba hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana manavaka ary araho ny Fanahy amin’ny fomba hamalianao. Fantatry ny Ray any An-danitra ny ao am-po’ny olona rehetra sy ny zavatra niainan’ny olona rehetra (ilay vongan-dranomandry iray manontolo). Hanampy anao hahafantatra izay tsara indrindra ho an’ny olona tsirairay Izy.

Matetika ny olana dia ara-piarahamonina kokoa fa tsy ara-potopampianarana. Ohatra, ny olona sasany dia mety hatahotra ny fanoheran’ny olona ao amin’ny fianakaviany raha miditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy ireo. Na koa mety hatahotra ny fanilihan’ireo namany any am-piasana izy ireo.

Katsaho ny hahatakatra ny loharanon’ilay olana amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana sy fihainoana. Nipoitra ve ilay olana satria tsy nanana fanamafisana ara-panahy momba ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny ilay olona? Nipoitra ve izany satria tsy te hanolo-tena hiaina fitsipiky ny filazantsara ilay olona? Ny fahafantarana ny fototry ny ahiahin’izy ireo dia hanampy anao hahafantatra raha ny fijoroana ho vavolombelona no ifantohana na ny fanolorantena.

Ampiasao ny Soratra Masina, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna, mba hanampiana amin’ny famaliana fanontaniana

Asehoy amin’ny olona ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina manampy hamaliana ny fanontanian’izy ireo sy hiatrehana ny olan’izy ireo. (Jereo ny “Ny Bokin’i Môrmôna dia mamaly ireo fanontanian’ny fanahy” ao amin’ny toko 5.) Rehefa mikatsaka fitaomam-panahy amin’ny alalan’ny fandalinana sy fampiharana ny soratra masina ny olona dia hampitombo ny fahafahany mihaino sy manaraka ny Tompo. Hitombo ny finoan’izy ireo Azy. Ho tonga miaraka amin’ny finoana mitombo ny fijoroana ho vavolombelona, ny fibebahana ary ny ôrdônansin’ny batisa.

Sary
Ny Filoha Henry B. Eyring

“Indraindray aho mankao amin’ny soratra masina mba hijery fotopampianarana. Indraindray aho mankao amin’ny soratra masina mba hahazo torolalana. Mankao miaraka amin’ny fanontaniana iray aho, ary matetika ilay fanontaniana dia hoe ─Inona no tian’ Andriamanitra hataoko?─ na ─Inona no tiany ho tsapako?─ Matetika aho no mahita hevi-baovao, eritreritra izay mbola tsy nananako hatrizay, ary mahazo fitaomam-panahy sy torolalana ary valin’ireo fanontaniako” (Henry B. Eyring, in “A Discussion on Scripture Study,” Ensign, July 2005, 22).

Mety hanampy ny manazava fa ny ankamaroan’ny fahatakarantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia avy amin’ny zavatra nambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo izay nandimby azy. Ireo fanontaniana mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara dia azo vahana amin’ny alalan’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Ny famakiana sy ny fivavahana momba ny Bokin’i Môrmôna dia fomba iray tena ilaina hahazoana izany fijoroana ho vavolombelona izany.

Ampio ny olona hifantoka amin’ny fanamafisana orina ny finoany an’i Jesoa Kristy. Ny famakiana sy ny fivavahana momba ny Bokin’i Môrmôna dia fomba iray manan-danja hanamafisana ny finoan’izy ireo.

Asao ny olona hanao asa amim-pinoana

Rehefa mampivelatra sy manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny olona dia ho afaka hamaly ny fanontaniany sy hamaha ny olany avy amin’ny fototry ny finoana. Rehefa manao asa amim-pinoana amin’ireo fahamarinana izay inoany izy ireo dia ho afaka hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana hafa ao amin’ny filazantsara.

Ny fomba sasany hanaovana asa amim-pinoana dia ahitana ny:

  • Fivavahana matetika sy amin’ny tena finiavana hahazoana fitaomam-panahy sy fitarihana.

  • Fandalinana ny soratra masina, indrindra ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fandehanana any am-piangonana.

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Misafidiana fanasana iray hatolotra rehefa mampianatra lesona iray ianao. Dia fantaro avy eo ireo olana izay mety hanakana ny olona iray tsy hanaiky ilay fanasana na hanaja ilay fanolorantena. Ifanakalozy hevitra sy ampiharo ny fomba ahafahanao manampy ny olona hanao asa mba hamahana ny olany.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny fomba hiresahanao momba an’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna mba hamaliana ireto olana manaraka ireto:

  • “Tsy mino aho fa mbola miresaka amin’ny olona Andriamanitra.”

  • “Mino aho fa afaka mitsaoka an’ Andriamanitra amin’ny fombako manokana fa tsy amin’ny alalan’ny antokom-pivavahana iray.”

  • “Nahoana aho no tokony hiala amin’ny fisotroana divay rehefa misakafo raha hiditra ho mpikamban’ny fiangonanareo?”

  • “Nahoana aho no mila fivavahana?”

Mamelà zavatra hianarana sy hivavahana

Isaky ny faran’ny fitsidihana hanaovana fampianarana dia omeo zavatra hohalalinina sy hosaintsainina ary hivavahana ny olona mba hiomanana amin’ny fihaonana manaraka. Ny famakiana sy ny fivavahana ary ny fisaintsainana eo anelanelan’ireo fitsidihana hanaovana fampianarana dia manasa ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Azonao atao ny manasa olona hamaky toko manokana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Na azonao atao ny mamporisika azy ireo hampiasa ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana, toy ny Médiathèque de l’Évangile, mba hitadiavana valina fanontaniana, na hianarana lohahevitra iray, na hijerena horonan-tsary iray. Mety ho lasa lohahevitra fanokafana fifanakalozan-kevitra izany amin’ny fotoana manaraka hihaonanareo.

Sary
olona mandalina ny soratra masina

Aza manome zavatra be loatra ny olona mba hataony, indrindra raha fohy sy matetika ny fotoana fampianarana iarahanao amin’izy ireo.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Eritrereto ny olona tsirairay izay kasainao hampianarina amin’ity herinandro ity. Inona avy ireo toko ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay tena hanampy azy ireo? Inona avy ireo loharano hafa mety hahasoa azy ireo? Soraty ny zavatra kasainao homena ny olona tsirairay. Raketo an-tsoratra koa izay hataonao hanarahana maso ny fivoarana amin’ny fitsidihanao manaraka.

Manampy olona tratran’ny fiankinan-doha

Azonao atao ny manampy ny olona izay mitolona amin’ny fandresena ny fiankinan-doha amin’ny alalan’ny firesahana amim-pitiavana momba ny tolona atrehany, amin’ny alalan’ny fanohanana azy ireo, ary amin’ny alalan’ny fampifandraisana azy ireo amin’ny loharanom-panampiana. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hanatrika ny iray amin’ireo vondrona mpanohana ny fanasitranana amin’ny fiankinan-doha ato amin’ny Fiangonana. Ireo vondrona ireo dia mety mihaona mivantana na an-jotra. (Jereo ny AddictionRecovery.ChurchofJesusChrist.org.) Amporisiho izy ireo hampiasa ireo loharano ao amin’ny fizarana “Dépendance” ao amin’ny Faire face aux défis de la vie ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Afaka manome fanohanana koa ireo mpitarika sy mpikambana ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana. Ny olona sasany izay manana fiankinan-doha dia mety mila fitsaboana ara-pahasalamana sy fitsaboana ny aretin-tsaina avy amin’ny matihanina.

Ireto misy sosokevitra vitsivitsy momba ny fomba ahafahanao manohana ny olona miady amin’ny fiankinan-doha:

  • Hamafiso ny ezaka ataon’izy ireo hanatona an’i Kristy. Ampio izy ireo hahita fa fantatry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary manan-danja amin’izy ireo ny ezaka ataony mba hiarina sy ho sitrana. Ampianaro izy ireo fa afaka mahazo hery amin’ny alalan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany izy ireo. Fantany tanteraka ny fikasan’ny fon’izy ireo mba hanao ny tsara.

  • Mivavaha ho azy ireo ao anatin’ny vavaka ataonao manokana, ary mivavaha miaraka amin’izy ireo. Raha ilaina dia amporisiho izy ireo hangataka tsodranon’ny fisoronana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana.

  • Tohizo ny fampianarana azy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ampianaro izy ireo fa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ary ny Fanahy Masina dia tia azy ireo ary maniry ny hahombiazany.

  • Amporisiho izy ireo handeha hiangana tsy tapaka sy hampivelatra finamanana amin’ireo mpikambana.

  • Aoka ianao hijery ny lafy tsaran-javatra sy hanohana, indrindra raha miverina amin’ny fiankinan-doha indray izy ireo.

Sary
I Jesoa nanampy vehivavy iray

Sarotra resena ny fiankinan-doha, ary mety hitranga indray ny fiverenana amin’izany. Tsy tokony ho tohina amin’izany ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikamban’ny Fiangonana. Tokony haneho fitiavana izy ireo, fa tsy hitsara.

Ny mpikambana vaovao iray izay nitsahatra tsy niangona dia mety niverina tamin’ny fiankinan-doha iray taloha ary mety mahatsapa tsy fahamendrehana sy fahakiviana. Mety manampy ny fitsidihana azy avy hatrany hanomezana fampaherezana sy fanohanana. Ny mpikambana dia tokony haneho amin’ny teny sy ny asa fa ny Fiangonana dia toerana iray ahitana ny fitiavan’i Kristy (jereo ny 3 Nefia 18:32).

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Mieritrereta olona iray ampianarinao na mpikambana vaovao na vao miverina mavitrika izay miezaka ny handresy ny fiankinan-doha. Avereno jerena ny “Finoana an’i Jesoa Kristy” sy ny “Fibebahana” avy amin’ny lesona “Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” ao amin’ny toko 3.

  • Inona no azonao ampianarina izany olona izany avy amin’io lesona io sy avy amin’ity toko ity ka afaka manampy azy?

  • Mamoròna drafitrana lesona iray hanampiana io olona io.

Mampianatra ny olona tsy avy amina finoana kristiana

Ny sasany amin’ireo olona ampianarinao dia mety tsy avy amina finoana kristiana na mety tsy mino ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Na izany aza, maro amin’ireo olona ireo no manana finoana sy fomba fanao ary toerana izay raisin’izy ireo ho masina. Tena ilaina ny manaja ny finoany ara-pivavahana sy ny fomban-drazany.

Ampio izy ireo hahatakatra hoe iza Andriamanitra

Mety hanontany tena ianao hoe ahoana no tokony handrindranao ny fampianaranao ho an’ny olona izay tsy avy amina finoana kristiana. Ireo fitsipika manampy ny olona iray hanorina finoana dia mitovy ao amin’ny kolontsaina rehetra. Ampio ny olona hahazo fahatakarana marina momba an’ Andriamanitra sy ny iraka masina nampanaovina an’i Jesoa Kristy. Ny fomba tsara indrindra hianaran’izy ireo ireo fahamarinana ireo dia ny fiainana zavatra ara-panahy manokana. Aseho eto ambany ireo fomba sasany ahafahanao manampy azy ireo hiaina ireo zavatra ireo:

  • Ampianaro fa Raintsika any An-danitra Andriamanitra ary tia antsika Izy. Zanany isika. Asao izy ireo hikatsaka izany fijoroana ho vavolombelona izany ho an’ny tenany manokana.

  • Mampianara momba ny drafitry ny famonjena.

  • Ampianaro fa niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy.

  • Mijoroa ho vavolombelona amin-kitsim-po momba ny filazantsara, tafiditra ao anatin’izany ny fahatsapanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny antony hisafidiananao ny hanaraka an’i Jesoa Kristy.

  • Asao izy ireo hanao vavaka tsotra sy avy amin’ny fo, miaraka aminao sy samirery.

  • Asao izy ireo hamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro, miaraka aminao sy samirery.

  • Asao izy ireo handeha hiangona.

  • Ampahafantaro azy ireo ireo mpikamban’ny Fiangonana izay afaka manazava ny fomba nahatonga azy ireo hino ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Asao izy ireo hitandrina ireo didy.

Ny ankamaroan’ny olona dia maniry ny hanana fifandraisana bebe kokoa amin’ Andriamanitra sy hahita ny tanjona eo amin’ny fiainana sy ny dikan’ny fiainana. Ampio izy ireo hahita ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana azy ireo sy ny fananany drafitra ho azy ireo. Ohatra, azonao atao ny manomboka amin’ny filazana zavatra toy izao manaraka izao:

Raintsika any An-danitra Andriamanitra ary tia antsika Izy. Zanany isika. Niaina niaraka Taminy isika talohan’ny nahaterahantsika. Satria zanany avokoa isika dia mpirahalahy sy mpirahavavy isika rehetra. Maniry antsika hiverina any Aminy Izy. Noho ny fitiavany antsika dia nanome fomba hiverenantsika any Aminy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izy.

Arindrao mba hifanaraka amin’ny zavatra ilaina ny fampianaranao

Maro ireo olona niova fo izay tsy avy amina finoana kristiana no milaza fa tsy azony loatra ny zavatra nampianarin’ireo misiônera. Na izany aza dia nahatsapa ny Fanahy izy ireo ary naniry ny hanao izay nangatahan’ireo misiônera. Ataovy izay rehetra azonao atao mba hanampiana ny olona hahatakatra ny fotopampianaran’ny filazantsara. Aoka ianao mba hanam-paharetana sy hanohana. Mety hila fotoana ny fahaizan’ny olona mamantatra sy maneho ny fahatsapan’izy ireo. Mety mila manitsy ny hafainganan’ny fampianaranao sy ny halaliny ianao mba hanampiana azy ireo.

Ireto sosokevitra manaraka ireto dia mety hanampy rehefa miomana hampianatra olona tsy avy amina finoana kristiana ianao:

  • Fantaro hoe inona ilay filana ara-panahy na zavatra mahaliana ara-panahy izay manosika azy ireo hihaona aminao.

  • Manomeza topimaso sy famerenana tsotra ho an’ny lesona tsirairay.

  • Angataho izy ireo hilaza aminao ny zavatra azony sy ny zavatra niainany.

  • Farito ireo teny sy fitsipika tena ilaina. Mety tsy fantatry ny olona ny ankamaroan’ny teny ampiasainao rehefa mampianatra ianao.

  • Miverena any amin’ny lesona iray nampianarina teo aloha mba hampianarana mazava kokoa ny fotopampianarana. Mety ilaina izany amin’ny fotoana rehetra mandritra ny fampianarana.

  • Fantaro ireo fanasana izay azonao atolotra mba hanampiana ny olona hiaina ireo fitahian’ny filazantsara.

Ireto ambany ireto ny loharano sasany ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile izay azonao ampiasaina hanampiana ireo tsy avy amina finoana kristiana:

  • Iza moa Andriamanitra?

  • Iza moa i Jesoa Kristy?

  • Jesoa Kristy, Zanak’ Andriamanitra

  • Inona no andrasana rehefa mitsidika ireo misiôneran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

  • Muslims and Latter-day Saints: Beliefs, Values, and Lifestyles (Ny Silamo sy ny Olomasin’ny Andro Farany: Ireo zavatra inoana, soatoavina, ary fomba fiaina)

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Raha azo atao dia mitadiava olona niova fo iray izay tsy avy amina finoana kristiana alohan’ny fihaonana amin’ny misiônera. Manaova fotoana mba hihaonana sy hanontaniana mikasika ny zavatra niainany izay nitondra tany amin’ny fiovam-pony. Azonao atao, ohatra, ny manontany ilay olona momba:

  • Izay zavatra nitarika azy hino ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Ny zavatra niainana rehefa nanao vavaka voalohany.

  • Ny fotoana voalohany nahatsapany valina vavaka iray.

  • Ny anjara asan’ny soratra masina teo amin’ny fiovam-pony.

  • Ny fandehanana tany am-piangonana.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao.

Asao ilay olona hanampy anao hampianatra olona iray tsy avy amina finoana kristiana.


Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana

Fandalinan’ny tena manokana

  • Eritrereto hoe apetraka ao amin’ireto toe-javatra manaraka ireto ianao. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo fitsipika sy fahaiza-manao ato amin’ity toko ity mba hanampiana ireto olona ireto hivoatra? Manomàna fomba hampiharanao azy ireo amin’ireto toe-javatra tsirairay ireto.

    • Misy olona efa niomana ho amin’ny batisa milaza aminao fa tsy te hihaona aminao intsony izy.

    • Mihaona fanimpitony amin’ny olona iray izay nampianarin’ny misiônera maromaro tao anatin’ny roa taona ianao. Vitsy ihany raha misy ny famantarana ny fandrosoana.

  • Misafidiana iray amin’ireo lesona ampianarin’ny misiônera. Mitadiava andinin-tsoratra masina iray na roa avy amin’ny fitsipika fototra tsirairay. Manaova fanazaran-tena mampianatra avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo araka ny voasoritra ao amin’ny fizarana “Ampiasao ny soratra masina” ao amin’ity toko ity.

Fandalinan’ny mpiara-mitory sy fifanakalozana mpiara-mitory

  • Vakio ny tantaran’i Amôna sy i Lamônia Mpanjaka ao amin’ny Almà 18–19 ary ny tantaran’i Aharôna ao amin’ny Almà 22:4–18. Eo am-pamakianao dia tadiavo sy farito ny fomba nataon’i Amôna sy i Aharôna mba:

    • Hanarahana ny Fanahy ary hampianarana amim-pitiavana.

    • Hanombohana mampianatra.

    • Hampifanarahana ny fampianarany amin’ny zavatra ilaina.

    • Hijoroana ho vavolombelona

    • Hampiasana ny soratra masina.

    • Hametrahana fanontaniana, hihainoana, ary hanampiana ireo izay nampianariny hamaha ny olana mahazo azy ireo.

    • Hamporisihana ireo izay nampianariny mba hanao fanolorantena.

    Mifanakaloza hevitra mikasika ny fiantraikan’ny asa fanompoana sy ny fampianaran’izy ireo tamin’ny Mpanjaka Lamônia sy ny rainy ary i Abisa.

Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna

  • Asao ireo mpikambana na ireo izay ampianarina amin’izao fotoana izao hanatrika ny fivorianareo. Hazavao amin’ny vondrona fa tianao ny hanatsaran’ny misiônera ny fahaizany mizara ny hafatra manan-danja entin’izy ireo. Mifidiana lesona sy fahaiza-manao iray. Asaivo ampianarin’ny misiônera an’ilay olona mandritra ny 20 minitra ny lesona nofidinao, ka hifantoka amin’ilay fahaiza-manao natolotrao. Asaivo mampifamadika izay ampianariny izy ireo afaka 20 minitra. Rehefa avy nampianatra ireo misiônera dia ampivondrony indray ilay vondrona. Angataho ilay olona mba hilaza amin’ny misiônera hoe inona no nahomby indrindra sy ny fomba iray ahafahan’izy ireo mivoatra.

  • Mampisehoa horonan-tsary ahitana ohatra mampiseho misiônera mampianatra na mifandray amin’ny olona. Misafidiana fahaiza-manao iray ary resaho ny fomba nampiharan’ireo misiônera ireo fitsipika momba izany fahaiza-manao izany.

  • Misafidiana fahaiza-manao iray ary fantaro ny fotopampianarana na andinin-tsoratra masina izay manohana izany. Ampianaro ireo misiônera ny fototra ara-potopampianarana momba ilay fahaiza-manao.

Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna

  • Miaraha amin’ny misiônera indraindray rehefa mampianatra izy ireo. Manaova drafitra ny amin’ny fomba ahafahanao mandray anjara ao amin’ilay fampianarana.

  • Amporisiho ireo mpitarika eo an-toerana mba handray anjara miaraka amin’ny misiônera ao amin’ireo fitsidihana hanaovan’izy ireo fampianarana.

  • Asehoy ny iray amin’ireo fahaiza-manao enti-mampianatra izay voalaza ato amin’ity toko ity ary ampio ny misiônera hanao fanazaran-tena mikasika izany, toy ny fametrahana fanontaniana tsara sy fihainoana.

  • Asehoy ny fampiasana amim-pahombiazana ny soratra masina rehefa mampianatra misiônera mandritra ny fihaonamben’ny faritra, ny filankevitry ny mpitarika ao amin’ny misiôna ary ny tafa sy dinika. Ataovy toy izany koa rehefa mampianatra miaraka amin’izy ireo ianao.

  • Ampio ny misiônera hahatakatra ny soratra masina sy hampitombo fitiavana azy ireo. Nanoro hevitra ireo mpitarika ao amin’ny misiôna ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

    “Ataovy ho ivon’ny kolontsaina ao amin’ny misiôna misy anareo ny fitiavana ny tenin’ Andriamanitra. … Ataovy ho iray amin’ireo toetra lehibe ananan’ny misiôneranao mandritra ny androm-piainany sisa ny fahafantarana tsara ireo fanambarana sy ny fampiasana tsy tapaka ireo soratra masina nankatoavina.

    “Rehefa mampianatra ny misiôneranao ianao, ary mampianatra azy ireo foana moa ianao, dia ampianaro avy amin’ny soratra masina izy ireo. Avelao izy ireo hahita hoe aiza no ahazoanao hery sy aingam-panahy. Ampianaro izy ireo hitia sy hiantehitra amin’ireo fanambarana voangona ireo.

    “Ny filohan’ny misiôna[ko] dia nampianatra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina [hafa] isaky ny teo anatrehany izahay, na izany no toa hita. Ny tafa sy dinika manokana dia nampifandraisina tamin’ny soratra masina. Ny rindran-damina ho an’ny … fivoriana dia nalaina avy tao amin’ireo soratra masina nankatoavina. …

    “Tsy fantatray izany tamin’izany fotoana izany, fa ny filohanay dia nampirongo fiadiana anay teo amin’ny ankavanana sy teo amin’ny ankavia, namporisika anay tamin’ny herin’ny fanahiny rehetra sy tamin’ny fahaiza-manao rehetra izay nananany mba hifikitra mafy amin’ny anja-by mba tsy ho faty na oviana na oviana izahay [jereo ny 1 Nefia 15:23–25]” (“The Power of the Scriptures” seminar for new mission leaders, June 25, 2022).

Hamoaka printy