Antso ao amin’ny misiôna
Toko 13: Miara-miasa amin’ireo mpitarika sy mpikambana mba hampiorenana ny Fiangonana


“Toko 13: Miray hina amin’ireo mpitarika sy ireo mpikambana mba hampiorenana ny Fiangonana,” Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 13,” Torio ny filazantsarako

Sary
Henoy Izy, nataon’i Simon Dewey

Toko 13

Miara-miasa amin’ireo mpitarika sy mpikambana mba hampiorenana ny Fiangonana

Diniho ity

  • Ahoana no ahafahako miara-miasa amin’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy ireo mpikambana mba hampiorenana ny Fiangonana?

  • Inona avy ireo andraikitrʼireo mpitarika ao amin’ny tsatòka sy paroasy amin’ny asa fitoriana?

  • Inona no tokony hitranga mandritra ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro iarahana amin’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy?

  • Ahoana no ahafahako manohana ireo mpitarika amin’ny fizarana ny filazantsara sy fampahatanjahana ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika?

Miara-miasa amin’ny mpitarika sy mpikambana eo an-toerana ny misiônera mba hahitana olona ampianarina sy hitarihana azy ireo mankany amin’ny Mpamonjy. Miray hina amin’ny alalan’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny zanany ianareo. Hampitombo ny ezaka ataonao ka hanjary hiara-hiasa amim-piraisan-kina amin’ireo mpitarika sy mpikambana eo an-toerana Izy. Ataovy ho ampahany manan-danja amin’ny tanjonao sy drafitrao ny fiarahana miasa amin’izy ireo.

Rehefa lasa fantatrao sy tianao ireo mpitarika sy mpikambana eo an-toerana dia hahita fomba ahafahana manohana azy ireo amin’ny antsony sy ny ezaka amin’ny asa fitoriana ataon’izy ireo ianao. Tolory amin’ny fomba izay mankahery sy mampatanjaka azy ireo ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta anananao.

Ity toko ity dia manazava ny fomba ahafahanao miara-miasa amin’ireo mpikambana amin’ny fizarana ny filazantsara sy fampahatanjahana ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika. Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa, jereo ny toko 23 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Avereno jerena ny tantaran’ny fiovam-pon’ny Mpanjaka Lamônia, sy ny vadiny, ary ny vahoakany ao amin’ny Almà 18-19.

  • Inona no anjara asan’i Abisa tamin’io fiovam-po io? Inona no azony natao kanefa tsy azon’i Amôna natao?

  • Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny ohatra nasehony momba ny fiarahan’ny misiônera sy ny mpikambana miasa?

Saintsaino ireto ohatra hafa ireto izay ahitana mpikambana manampy amin’ny asa fitoriana:

Ahoana no ahafahanao mamporisika ireo mpitarika sy mpikambana mba hanaraka ny ohatra nasehon’izy ireo?

Manorena fifandraisana amin’ireo mpitarika sy mpikambana eo an-toerana

Miara-miasa aminao ao amin’ny asan’ Andriamanitra ireo mpitarika sy mpikambana eo an-toerana. Manorena fifandraisana izay hanampy anareo hiaraka hiasa mba hitondrana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny zanaky ny Ray any An-danitra. Afaka mitahy anao mandritra ny andro sisa iainanao ireo fifandraisana ireo.

Manorena fitokisana sy finamanana tsara amin’ireo mpitarika sy mpikambana eo an-toerana. Tsidiho izy ireo ary fantaro ny momba ny fianakaviany, ny mombamomba azy ireo taloha, ny zava-mahaliana azy ireo, ary ny zavatra niainany tato amin’ny Fiangonana. Aoka ianareo tena haneho fahalianana tokoa momba ny fiainan’izy ireo.

Rehefa mitsidika ianareo dia manàna tanjona hanaovana izany. Asehoy fa milofo amin’ny zotom-po amin’ny asa fitadiavana olona sy fampianarana olona ianareo. Hajao ny fotoan’izy ireo sy ny fandaharam-potoan’izy ireo.

Rehefa mihaona na mampianatra ny filazantsara ao an-tokantranon’izy ireo ianareo dia katsaho ny hanampy hampiorina ny finoan’izy ireo. Katsaho ombam-bavaka ny hanana ny Fanahy miaraka aminao. Mizarà zavatra niainanao mahakasika ny asa fitoriana tao amin’ny faritra misy anao.

Sary
fivorian’ny vondrona

Tohano amin’ny anjara asany ireo mpitarika eo an-toerana

Misy ireo antson’ny mpitarika sasany manana andraikitra amin’ny asa fitoriana. Ny fahatakarana ireny andraikitra ireny dia manampy anao hanohana ireo mpitarika ireo. Ireto famaritana manaraka ireto dia avy ao amin’ny toko 23 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Ny filohan’ny tsatòka: Mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana eo anivon’ny tsatòka hizarana ny filazantsara sy hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Manome fitarihana ankapobeny amin’ireo ezaka ireo izy sy ireo mpanolotsainy.

Ny episkôpà: Mandrindra miaraka amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana rehefa mitarika ny ezaka ataon’ny paroasy eo amin’ny fizarana ny filazantsara sy ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika.

Ireo fiadidian’ny kolejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana: Mitarika ireo ezaka isan’andro ataon’ny paroasy hizarana ny filazantsara sy hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Miara-miasa izy ireo hitarihana ireo ezaka ireo miaraka amin’ny filankevitry ny paroasy eo ambany fandrindran’ny eveka. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 8.2.3 sy 9.2.3.

Mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy (raha voantso): Mandrindra ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana sy ny mpitarika ao amin’ny paroasy, sy ny misiôneran’ny paroasy ary ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Raha tsy misy mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy voantso dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitana izany anjara asa izany. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 23.5.3.

Apetraho amin’ny tenanao matetika ny fanontaniana hoe, “Moa ve aho fitahiana ho an’ireo mpitarika eo an-toerana?” Ataovy mikoriana ao aminao ny toe-tsaina hoe “Inona no azoko anampiana?”

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Mandrafeta fotoana hiresahana fohy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny paroasy. Anontanio ny fomba ahafahanao manohana tsara kokoa azy. Manaova drafitra mba hivoatra.

Sary
fivoriana filankevitra

Fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro

Ny fandrindrana miaraka amin’ny mpitarika eo an-toerana, tafiditra ao amin’izany ireo mpitarika ny zatovo, dia manan-danja amin’ny firaisan-kina ao amin’ny ezaka ataonareo amin’ny asa fitoriana. Raha toa ka misy mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy voantso dia izy no mitarika ireo fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro ireo. Raha tsy izany dia ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no manatanteraka izany andraikitra mba hitarika izany.

Ao amin’ireo fivoriana fohy sy tsotsotra ireo no handrindranareo sy ireo mpitarika eo an-toerana ireo ezaka atao hizarana ny filazantsara sy hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 23.5.7). Azo tanterahina mivantana ireo fivoriana ireo na atao avy lavitra. Ny fandrindrana dia tokony hatao ihany koa amin’ny fomba hafa toy ny amin’ny alalan’ny antso an-telefaonina, na ny hafatra an-tsoratra fohy na ny email.

Sary
Loholona Quentin L. Cook

“Mety tena hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa fanangonana an’i Isiraely ny ezaka sy fifantohana iraisana izay hifanandrifian’ny fanaovana drafitra sy tanjona ataon’ny misiônera amin’ny fanaovana drafitra sy tanjona ataon’ny paroasy na sampana” (Quentin L. Cook, “Purpose and Planning,” mission leadership seminar, June 25, 2019).

Miomàna amin’ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro

Tohano ireo mpitarika ao amin’ny paroasy amin’ny alalan’ny fahatongavana mifono fahavononana handray anjara amin’ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro. Mialoha ilay fivoriana, makà fotoana mandritra ny fandalinan’ny mpiara-mitory mba hiresahana ny fomba ahafahanao mandray anjara amim-pahombiazana.

Havaozy ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako ny firaketanao mba hananan’ireo mpitarika ny vaovao farany momba ireo izay iarahanao miasa. Miomàna hanao tatitra momba ireo asa nampiandraiketina tamin’ny fivoriana teo aloha.

Mandraisa anjara amin’ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro

Ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro dia natao hifantohana amin’ny filan’ny tsirairay. Mandritra ilay fivoriana dia manolora fomba ahafahanao manohana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy, anisan’izany ny zatovo, eo amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’ny tsirairay.

Ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro dia mazàna miompana amin’ireto lohahevitra efatra manaraka ireto:

Ahoana no ahafahantsika manampy ireo ampianarina? Zavatra mety azo hanaovana fifanakalozan-kevitra:

  • Iza amin’ireo mpikambana no afaka ny handray anjara amin’ny lesona amin’ity herinandro ho avy ity? Iza no hanasa azy ireo handray anjara?

  • Inona avy ireo olana atrehan’ireo ampianarina? Ahoana no ahafahan’ny mpikambana manampy?

  • Inona avy ireo zavatra ilain’ireo izay manana datina batisa efa voapetraka? Efa voarafitra ve ilay batisa? (Jereo ny “Ny fotoam-batisa” ao amin’ny lesona 12.)

Ahoana ahafahantsika manampy ireo izay natao batisa vao haingana? Zavatra mety azo hanaovana fifanakalozan-kevitra:

  • Iza amin’ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny taona voalohany maha-mpikambana azy ireo no manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo? Ahoana ahafahantsika manampy ireo izay tsy manatrika?

  • Mpikambana vaovao iza no manana namana ao amin’ny paroasy? Ahoana no ahafahan’ireo rahalahy sy rahavavy manompo manampy? Ahoana no ahafahan’ny kôlejin’ny zatovo sy ny kilasin’ny zatovo manampy?

  • Mpikambana vaovao iza no manana asa nampiandraiketana na antso?

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ireo mpikambana vaovao hanomboka hikaroka ireo razambeny mba hahafahana manatanteraka ireo ôrdonansy any amin’ny tempoly ho azy ireo? Manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ve ireo mpikambana vaovao? Raha tsy lavitra ny misy ny tempoly, ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo handeha any amin’ny tempoly mba hanao batisa ho an’ireo razambe ireo?

  • Inona avy ireo lesona avy ao amin’ny toko 3 izay mbola ilaina ampianarina indray? Ahoana no ahafahan’ireo mpikambana mandray anjara?

  • Avereno jerena ny fivoaran’ny Lalan’ny Fanekempihavana hizorako ho an’ny mpikambana vaovao tsirairay.

Ahoana no ahafahantsika manampy ireo mpikambana miverina mavitrika? Zavatra mety azo hanaovana fifanakalozan-kevitra:

  • Fianakaviana ahitana olona mpikambana sy tsy mpikambana izay azon’ny misiônera tsidihina sy ampianarina?

  • Iza amin’ireo mpikambana miverina mavitrika no azon’ny misiônera tsidihina sy ampianarina?

  • Mpikambana miverina mavitrika iza no manana namana ao amin’ny paroasy sy manana fahafahana araka ny tokony ho izy mba hanompo?

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ireny mpikambana ireny?

Ahoana no fomba ahafahantsika mahita olona bebe kokoa mba hampianarina? Zavatra mety azo hanaovana fifanakalozan-kevitra:

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ny tsirairay, tafiditra ao anatin’izany ny zatovo, sy ny fianakaviana, mba hampihatra ireo fitsipika hoe mitia, sy mizara ary manasa? (Jereo ny “Miray hina amin’ireo mpikambana” ao amin’ny toko 9.)

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ireo mpikambana, anisan’izany ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga, hanasa namana hanatrika fiaraha-mientana ao amin’ny paroasy?

Fandalinan’ny mpiara-mitory

Jereo ny horonan-tsarin’ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 23.5.7. Inona no nianaranao ka azonao ampiharina mandritra ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro manaraka? Ahoana no ahafahanao miomana tsaratsara kokoa mba hifanakalo hevitra momba ireo zavatra ilaina amin’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy hiaraka hanao drafitra amin’izy ireo? Ao anatin’ny fotoam-panaovanao drafitra manaraka, mametraha tanjona amin’ny fomba hivoaranao.

Tohano ny drafitry ny paroasy mba hizarana ny filazantsara

Ny filankevitry ny paroasy dia mamorona drafitra tsotra mba hizarana ny filazantsara (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 23.5.6.). Fantaro io drafitra io. Mandritra ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro dia mitadiava fomba hanampiana ireo mpitarika hanatratra ny tanjony. Ampahafantaro ireo mpitarika ny zavatra ataonao mba hanohanana ireo mpikambana amin’ny fizarana ny filazantsara.

Raha asaina manatrika ny fivoriana filankevitry ny paroasy ianao dia miomàna hanome vaovao fohy momba ny fandrosoan’ireo izay ampianarinao sy momba izay asa nampandraiketina anao (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 29.2.5). Raiso ho fotoana hanamafisana orina ny fananan’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy fahatokiana io fotoana azo araraotina hanaovan-javatra io.

Sary
lehilahy mifandray tanana

Mizàra amin’ny filan’ny faritra eo an-toerana

Ny paroasy na sampana tsirairay dia manana filana manokana ilainao izarana. Mety hanompo ao amin’ny sampana kely iray na paroasin’ny tanora tokan-tena ianao, na mety hanompo paroasy maromaro. Ny mpitarika sasany dia hanana traikefa bebe kokoa ary ny sasany kelikely noho izany. Ny mpitarika sasany dia hanana fotoana bebe kokoa noho ny hafa.

Mitadiava fomba hanampiana ireo mpitarika eo an-toerana. Mety hangataka anao izy ireo mba hanampy amin’ny fanohanana ireo mpikambana amin’ny fanompoana ataony. Mety hangataka anao izy ireo mba hamporisika ireo mpikambana vaovao mba hanasa ny namany ho tonga any am-piangonana. Afaka manome hevi-baovao manan-danja momba ny asa fitoriana ianao rehefa mianatra fomba hizarana ny filazantsara ireo mpitarika sy mpikambana.

Any amin’ny toerana izay mbola vaovao ny Fiangonana dia mety hangataka anao ireo mpitarika ao amin’ny sampana mba hanampy ireo mpikambana vaovao hahatakatra ny fomba nanorenan’ny Tompo ny Fiangonany.

Ny asanao miaraka amin’ireo mpitarika dia mety tsy hitovy eo amin’ny sehatra samihafa, kanefa ireo asa rehetra ireo dia tena ilaina hitahiana ny tsirairay sy hampiorenana ny Fiangonan’ny Tompo.

Ampio ny mpikambana sy ny mpitarika mba hitia, hizara ary hanasa

Amporisiho ny mpikambana hizara ny filazantsara amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy ianao. Ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany dia manolotra torolalana sy horonan-tsary mba hanampiana ny mpikambana sy ireo mpitarika hanao izany amin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipiky ny fitiavana, fizarana, ary fanasana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 23.1, 1, 23.1, 2, ary ny 23.1.3). Ataovy ao an-tsaina ireo fitsipika ireo rehefa miara-miasa amin’ireo mpitarika ianao.

Ho fitahiana ho an’ireo mpitarika ianao rehefa manohana ny ezaka ataon’izy ireo ao anatin’ity asa ity. Ho setrin’izany dia hanampy ireo mpikambana handray anjara kokoa amin’ny fizarana ny filazantsara sy fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika ny ohatra asehon’izy ireo.

Jereo ny “Miray hina amin’ireo mpikambana” ao amin’ny toko 9 mba hahitana hevitra momba ny fanohanana ireo mpikambana amin’ny ezaka ataon’izy ireo hizara ny filazantsara.

Fandalinana ny soratra masina

Halalino ireto andininy manaraka ireto. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy sy ireo mpianatra ireo ilay hoe mitia, mizara, ary manasa? Manentana anao hanao inona eo amin’ny fampianaranao ireo ohatra ireo? Ahoana no ahafahanao manampy ny mpikambana hizara ny filazantsara amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy?

Mitia

Mizara

Manasa

Isaky ny mandalina ianao dia raketo an-tsoratra ny zavatra ianaranao.

Sary
lehilahy miresaka

Tohano ny mpitarika eo an-toerana amin’ny fampatanjahana ny mpikambana vaovao

Rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana ny olona dia lasa “mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’ Andriamanitra” (Efesiana 2:19; jereo koa ny 1 Korintiana 12:12–27). Miaraha miasa amin’ireo mpitarika hanampiana ireo mpikambana vaovao mba ho “[voafahana] amin’ny teny soan’ Andriamanitra, hitehirizana azy amin’ny lalana tsara, … tsy hiantehitra afa-tsy amin’ny fahamendrehan’i Kristy” (Môrônia 6:4).

Sary
Loholona Ulisses Soares

“Ny olona vao niova fo dia tonga ao amin’ny Fiangonana miaraka amin’ny hafanam-po amin’ny zavatra hitany. Ary tsy maintsy manorina avy hatrany avy amin’izany hafanam-po izany isika. … Ny misiônera dia afaka manampy amin’ny fampahafantarana sy fampifandraisana ireo olona ampianariny sy ireo vao niova fo amin’ireo mpikambana mahatoky izay hanolo-tanana azy ireo, hihaino azy ireo, hitarika azy ireo ary handray azy ireo any am-piangonana na dia alohan’ny hanaovana batisa azy ireo aza. … Rehefa [manompo] ireo izay miditra ao amin’ny ranon’ny batisa isika, dia hahita zanak’ Andriamanitra maro kokoa izay maharitra hatramin’ny farany ary mahazo ny fiainana mandrakizay” (Ulisses S. Soares, “Convert Retention,” mission leadership seminar, June 25, 2018).

Ampio ny mpikambana vaovao hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Manana anjara asa lehibe ianao amin’ny fanampiana ireo mpikambana vaovao handeha hiangona. Miaraha miasa amin’ireo mpitarika mba hahazoana antoka fa ianao na ireo mpikambana ao amin’ny paroasy dia manampy azy ireo hiangona. Ny mari-pandrefesana ifantohana mampiseho ny fanatrehan’ny mpikambana vaovao iray ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia afaka manampy anao sy ireo mpitarika ao amin’ny paroasy hahita ny fotoana mety hilany famporisihana fanampiny.

Ny mpikambana vaovao dia azo antoka kokoa fa hanohy ny fanatrehana ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo rehefa manana namana ao amin’ny paroasy. Ampio izy ireo hahatsapa ny maha-isan’ny Fiangonana azy, indrindra mandritra ny taona voalohany iainany ny filazantsara. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:106, 108.)

Avereno ampianarina ny lesona ao amin’ny Toko 3

Ampio ireo mpikambana vaovao hanohy hanamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny filazantsarany. Ireo fahamarinana sy fitsipiky ny filazantsara dia mamaka lalina kokoa rehefa manohy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ireo mpikambana vaovao.

Avereno ampianarina indray ireo lesona ampianarin’ny misiônera aorian’ny fandraisana ho mpikambana. Ianao no mitarika ny fampianarana. Kanefa miaraha miasa amin’ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy mba handraisan’ireo misiôneran’ny paroasy na ireo mpikambana hafa anjara. Ny famerenana mampianatra ny lesona ao amin’ny toko 3 dia fomba iray manan-danja hanampiana ireo mpikambana vaovao ho “[voafahana] amin’ny teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4). Rehefa mampianatra ianao dia amporisiho ny mpikambana vaovao mba hitandrina ireo fanolorantena rehetra ao amin’ireo lesona.

Miaraha mamaky soratra masina amin’ireo mpikambana vaovao, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna, ary ampianaro ireo fitsipiky ny filazantsara. Ampio izy ireo hizara ny filazantsara amin’ny namany sy ny fianakaviany. Ny mpikambana vaovao tsirairay dia manana filana manokana, ary azonao atao ny manampy azy hahatsapa ho tiana sy ho voaray tsara.

Tatitra momba ny fandrosoana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy Ny lalan’ny fanekempihavanako

Ireo mpitarika eo an-toerana dia manana loharanom-pitaovana ho an’ny ezaka ataony amin’ny asa fitoriana tahaka ny ataonao. Ny iray amin’ireo dia ny tatitra momba ny Fandrosoana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, hita ao amin’ny appli Member Tools na Leader and Clerk Resources. Ity tatitra ity dia mamela ireo mpitarika eo an-toerana hahita ireo zavatra manan-danja ilain’ny olona iray iainana mba hitohizan’ny fandrosoana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mialoha sy aorian’ny batisa.

Ny Lalan’ny Fanekempihavanako dia loharano iray hanampiana ireo mpikambana vaovao “hifantoka amin’ny finoan[’izy ireo] an’i Jesoa Kristy sy hahatsapa ho ao an-trano ao amin’ny Fiangonana” (Ny lalan’ny fanekempihavanakoiv). Izy io dia mampahafantatra ireo mpikambana vaovao momba ireo fiaraha-mientana sy fahafahana manao zavatra azo araraotina, toy ny tantaram-pianakaviana sy ny fanampiana ireo razambe handray ireo ôrdônansy masina any amin’ny tempoly. Amporisiho ireo mpikambana eo an-toerana hitarika ireo mpikambana vaovao ao anatin’ireo zavatra iainana ireo. Manomeza fanohanana araka izay angatahina.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Halalino ny Ny lalan’ny fanekempihavanako. Inona no nianaranao momba ny anjara asanao amin’ny fanampiana ireo mpikambana hampatanjaka ireo vao niova fo? Ahoana no ahafahanao manohana ireo ezaka ataon’ny filankevitry ny paroasy? Isaky ny mandalina ity toko ity ianao dia raketo ny zavatra nianaranao.

Tohano ireo mpitarika eo an-toerana amin’ny fanamafisana orina ireo mpikambana miverina mavitrika

Misy mpikambana sasany nisafidy ny hitsahatra tsy handray anjara intsony ao am-piangonana. Ny mpitarika eo an-toerana sy ny mpikambana hafa dia miezaka ny manorina fifandraisana matanjaka amin’izy ireo sy manolo-tanana azy ireo. Hoy ny Mpamonjy hoe:

“Fa ho an’ny toa azy no hanohizanareo ny fiahianareo; satria tsy fantatrareo raha toa ka hiverina sy hibebaka izy ary hanatona Ahy amin’ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana azy; ary ianareo no ho fitaovana amin’ny fitondrana ny famonjena ho azy” (3 Nefia 18:32).

Ireo mpitarika eo an-toerana dia mety hangataka anao mba hanampy ireo mpikambana miverina mavitrika amin’ny fampiorenana ny finoany. Matetika ireo asa ampandraiketina ireo dia tanterahina eo anivona fianakaviana ahitana olona mpikambana sy tsy mpikambana. Eritrereto ombam-bavaka ny fomba ahafahanao manasa ny Fanahy ho ao an-tokantranon’ireo mpikambana miverina mavitrika rehefa mampianatra azy ireo ireo fitsipiky ny filazantsara sy manasa azy ireo hanao asa ianao. Manehoa fahatakarana an-tsaina sy fangorahana eo anatrehan’ny ahiahin’izy ireo.

Ampianaro amin’ireo izay mbola tsy vita batisa ao an-tokantrano ny filazantsara, raha mamela izany ny toe-javatra iainana. Ny fitiavanao sy ny fanohananao dia afaka manampy azy ireo hampitombo ny finoany an’i Kristy sy hampitombo ny faniriany hanao sy hitandrina fanekempihavanana.

Miaraha manao fandrindrana amin’ireo mpitarika eo an-toerana rehefa misahana mpikambana miverina mavitrika ianao. Mety hisy vokany maharitra eo amin’ny isam-batan’olona sy ny mpiangona eo an-toerana ireny ezaka ireny.

Fandalinana ny soratra masina

Inona no nampianarin’i Jesoa Kristy momba ny fanampiana ireo izay mety ho sahirana?

Nampianatra olona maro izay nisintaka tamin’ny Fiangonana i Almà sy i Amioleka. Inona no azonao ianarana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo momba ny fanamafisana orina ireo mpikambana izay miverina mavitrika?


Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana

Fandalinana an’ny tena manokana

  • Ampiasao ny appli Torio ny filazantsarako hanaovana drafitra hiresahana amin’ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika izay manova ny fiainan’izy ireo sy mandeha miangona. Inona no tena nanampy azy ireo? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao mikasika ireo zavatra niainan’izy ireo. Inona no nianaranao ka hanampy anao hisahana ireo olona izay ampianarinao amin’izao fotoana izao?

  • Halalino ny 2 Nefia 31:18–20, Almà 26:1–7, Almà 32:32–43, ary Môrônia 6. Soraty izay ianaranao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fampatanjahana ireo mpikambana vaovao.

Fandalinan’ny mpiara-mitory sy Fifanakalozana mpiara-mitory

  • Vakio sy ifanakalozy hevitra ny toko 23 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany. Ahoana no ahafahanareo manohana ireo mpitarika eo an-toerana amin’ny andraikiny?

  • Mandritra ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro dia anontanio ireo mpitarika ao amin’ny paroasy raha misy mpikambana miverina mavitrika ao amin’ny faritra misy anareo ka tian’izy ireo hotsidihinareo amin’ity herinandro ity. Rehefa mitsidika azy ireo ianareo dia katsaho ny hanorina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

  • Fantaro izay rehetra natao batisa sy noraisina ho mpikambana tao anatin’ny taon-dasa. Avereno jerena ny firaketana momba ny iray amin’izy ireo ary ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahanao miara-miasa amin’ireo mpitarika mandritra ny fivoriana enti-mandrindra ny herinandro manaraka mba hanampiana io olona io. Raketo ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako ny hevitrareo sy ny soso-kevitrareo. Avereno izany ho an’ireo vao niova fo rehetra ao amin’ny faritra misy anareo.

Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna

  • Manasà eveka na mpitarika hafa ao amin’ny paroasy hiresaka momba ny fanamafisana orina ireo mpikambana vaovao sy miverina mavitrika. Angataho io olona io mba hanantitrantitra ny fomba ahafahan’ny misiônera manampy.

  • Ifanakalozy hevitra ny fanoharana momba ilay ondry very, ilay farantsakely very ary ilay zanaka adala (jereo ny Lioka 15). Asao ny misiônera hizara izay nianarany sy ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra izany ao amin’ny asa fitoriana ataony.

Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna

  • Miaraha miasa amin’ireo mpitarika eo an-toerana mba hamporisihana azy ireo hanampy ireo mpikambana vaovao mba:

    • Ho tendrena amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana (ho an’ny lehilahy amin’ny taona mahamety azy).

    • Ho tendrena ho rahalahy manompo (sy rahavavy manompo ho an’ny vehivavy).

    • Handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hatao batisa any amin’ny tempoly ho an’ireo razambeny.

    • Hanomana anarana razambe iray hoentina any amin’ny tempoly.

    • Handray asa ampandraiketina na antso hanompo ao amin’ny paroasy na sampana misy azy ireo.

  • Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny filohan’ny tsatòka dia ampianaro ireo mpitarika eo an-toerana ny fomba hanaovana fivoriana enti-mandrindra mahomby isan-kerinandro.

  • Araho maso tsindraindray ny fivoaran’ireo mpikambana vaovao mba hahitana hoe manao ahoana izy ireo ary ahoana no ahafahan’ny misiônera sy ny mpikambana manampy.

  • Asao ireo mpikambana vaovao hiresaka amin’ny misiônera sy hitantara ny zavatra niainany tao amin’ny Fiangonana.

Hamoaka printy