Antso ao amin’ny misiôna
Toko 12: Manampy ny olona hiomana ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana


“Toko 12: Manampy ny olona hiomana ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 12,” Torio ny filazantsarako

Sary
I Jaona manao batisa an’i Jesoa, nataon’i Greg K. Olsen

Toko 12

Manampy ny olona hiomana ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

Diniho ity

  • Ahoana no ahafahako manampy ny olona hiomana ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana?

  • Ahoana no fomba hitondrako ny tafa sy dinika momba ny batisa?

  • Amin’ny fomba ahoana no handaminana sy hitarihana fotoam-batisa mitondra fankaherezana?

  • Nahoana no zava-dehibe ny famenoana sy fandefasana ny Taratasy fenoina momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana?

  • Ahoana no fomba hanohanako ny mpikambana vaovao?

Ny batisa dia ôrdônansin’ny fanantenana mahafalyizay mitondra ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Izany hery izany dia tonga amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina. Hitohy hatrany izany rehefa maharitra hatramin’ny farany amin’ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa ilay olona.

Ny tanjon’ny fampianaranao dia ny hanampy ny hafa hampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy, hibebaka amin’ny fahotany, ary ho vita batisa omban’ny faniriana an-kitsim-po ny hanara-dia an’i Kristy. Nampianatra i Môrmôna hoe: “Ny voaloham-bokatry ny fibebahana dia ny batisa” (Môrônia 8:25). Rehefa mitandrina ny fanolorantena nasainao ataony ny olona ampianarinao, dia ho vonona ny hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy hianoka ireo fitahiana nampanantenaina izy ireo.

Tsy ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana akory no tanjona farany. Fa izy ireo kosa no vavahady idiran’ny zanak’ Andriamanitra amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Io lalana io dia mitondra mankany amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ary fitahian’ny tempoly mahafaly, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny farany (jereo ny 3 Nefia 11:20–40).

Fepetra takina mialoha ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

Manasa ny zanany rehetra Andriamanitra mba hanatona Azy amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana (jereo ny 2 Nefia 26:33; 3 Nefia 27:20). Mitovy ho an’ny rehetra ny fepetra takina mialoha ny batisa.

Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37:

  • Manetry tena eo anoloan’ Andriamanitra.

  • Maniry ny hatao batisa.

  • Manana fo torotoro sy fanahy manenina.

  • Mibebaka amin’ny fahotanao rehetra ary mivavaka mba hahazo famelan-keloka.

  • Vonona ny hitondra eo aminao ny anaran’i Kristy.

  • Tapa-kevitra ny hanompo an’i Kristy hatramin’ny farany.

  • Mampiseho amin’ny alalan’ny asanao fa nandray ny Fanahin’i Kristy ho amin’ny famelana ny fahotanao ianao.

Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

  • Mamaly araka ny tokony ho izy ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika momba ny batisa.

  • Nandray ireo lesona rehetra ampianarin’ny misiônera.

  • Nihaona tamin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona, ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, ary ny eveka.

  • Nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo maromaro.

Ireo fepetra takina ireo dia mpanondro ny dingana ara-panahin’ny fiovam-po. Rehefa mahafeno ireo fepetra takina ireo ny olona dia vonona ny handray ireo ôrdônansy masin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana izy ireo.

Rehefa nametraka daty voafaritra tsara hanaovana batisa azy ny olona iray dia:

  • Avereno jerena am-pitandremana tsara ny firaketana momba azy ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako mba hakana antoka fa efa nampianarinareo ny fotopampianarana sy didy ilaina rehetra izy.

  • Mamoròna fandaharam-potoana ho an’ireo zavatra atao izay ilaina mba hanomanana ilay batisa sy fandraisana ho mpikambana. Avereno jerena miaraka amin’ilay olona ireo fandaharam-potoana ireo.

  • Raha azo atao dia asao ilay olona hanatrika fivoriana fotoam-batisa iray mialoha ny batisany.

Fandalinana ny soratra masina

Halalino ireto soratra masina manaraka ireto: Ahoana no ahafahanao manampy ireo izay ampianarinao hiomana ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana? Raketo ny zavatra ianaranao avy amin’ny fandalinanao.

Sary
Gentle Healer (Mpanasitrana tsara fanahy), nataon’i Greg K. Olsen

Manampy ny olona hiomana ho amin’ny tafa sy dinika momba ny batisan’izy ireo

Ny tafa sy dinika momba ny batisa dia dingana manan-danja iray mba hakana antoka fa mahafeno ny fepetran’ny Tompo amin’ny batisa ny olona iray. Mandamìna fotoana hanaovana ny tafa sy dinika momba ny batisa rehefa vonona ilay olona.

Ampio ny olona hiomana ho amin’io tafa sy dinika io mba hampahazo aina azy. Hazava hoe ho toy ny ahoana ilay izy. Lazao azy ireo fa hihaona amina misiônera hafa tahaka anao izy ireo.

Hazavao ny tanjon’ilay tafa sy dinika. Fahafahana iray ho azy ireo izany mba hijoroana ho vavolombelona fa “efa nibebaka marina tokoa tamin’ny fahotany rehetra [izy ireo ary] … maneho marina tokoa amin’ny asany fa efa nandray tamin’ny Fanahin’i Kristy izy ireo ho famelana ny fahotany,” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37).

Zarao ireo fanontaniana hapetraky ny mpanao ny tafa sy dinika (etsy ambany). Hanampy ilay olona hiomana amin’ny famaliana azy ireo izany.

Alaivo antoka fa takatr’ilay olona ny zavatra efa nampianarinareo sy ny fanekempihavanana izay hataony amin’ny batisa. Izany fanekempihavanana izany dia ny:

  • Ho vonona ny hitondra eo aminy ny anaran’i Jesoa Kristy.

  • Hitandrina ireo didin’ Andriamanitra.

  • Hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa.

  • Haharitra hatramin’ny Farany. (Jereo ny lesona 4.)

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana lehibe izay azo avy amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ary ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa. Isan’ireo fitahiana ireo ny famelana ny fahotana sy ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Fanatanterahana ny tafa sy dinika momba ny batisa

Ny olona tsirairay maniry ny hatao batisa dia ataon’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana nahazo lalana iray tafa sy dinika. Raha ny ao amin’ny misiôna dia ny mpitarika ny distrika na faritra izany olona izany. Izy no manao ny tafa sy dinika ho an’ireo:

  • Olona 9 taona no ho miakatra izay tsy mbola natao batisa na noraisina ho mpikambana mihitsy.

  • Ankizy 8 taona no ho miakatra izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ny ray aman-drenin’izy ireo.

  • Ankizy 8 taona no ho miakatra izay hatao batisa sy horaisina ho mpikambana koa ny rainy na ny reniny.

Omena etsy ambany ny toromarika ho an’ny mpanao tafa sy dinika.

  • Ataovy ao amina toerana milamina sy mitokana izay ahafahana mahatsapa ny Fanahy ny tafa sy dinika.

  • Rehefa manao tafa sy dinika amin’ny ankizy, na amin’ny zatovo, na amin’ny vehivavy dia tokony ao akaiky ao foana ny mpiara-mitory, ao amin’ny efitra ao ambadika na ao amin’ny lalantsara. Raha tian’ilay olona, dia azo asaina mba handray anjara amin’ilay tafa sy dinika ny olon-dehibe iray hafa. Ny misiônera dia tokony hisoroka ny toe-javatra rehetra izay mety hiteraka fifandisoan-kevitra.

  • Atombohy amin’ny vavaka.

  • Ampio ilay olona hahazo aina tsara.

  • Ataovy izay hahatonga ilay tafa sy dinika ho fotoana ara-panahy feno fankaherezana.

  • Alaivo antoka fa takatr’ilay olona ny tanjon’ilay tafa sy dinika.

  • Apetraho ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika momba ny batisa izay tanisaina etsy ambany. Ampifanaraho amin’ny taonan’ilay olona sy ny fahamatorany ary ny toe-javatra iainany ireo fanontaniana.

  • Valio ny fanontanian’ilay olona.

  • Avereno jerena ny fampahalalana ao amin’ny Taratasy fenoina momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana mba hanamarinana fa tsy misy diso. Raha toa ka mbola tsy ampy taona ilay zaza dia mila manasonia ilay taratasy fenoina mialoha ny batisa (jereo ny fizarana “Ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana: Fanontaniana sy valiny” ato amin’ity toko ity) ny ray na reny na mpitaiza azy.

  • Asao ilay olona hijoro ho vavolombelona na hizara ny zavatra tsapany.

  • Manehoa fankasitrahana ny amin’ny fahafahanao nihaona tamin’ilay olona.

Fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika momba ny batisa

Toy izao manaraka izao ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika momba ny batisa:

  1. Mino ve ianao fa Andriamanitra dia Raintsika Mandrakizay? Mino ve ianao fa i Jesoa Kristy dia Zanakalahin’ Andriamanitra ary Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao?

  2. Mino ve ianao fa ny Fiangonana sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith? Mino ve ianao fa mpaminanin’ Andriamanitra ny [Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao]? Midika inona ho anao izany?

  3. Aminao, inona no atao hoe mibebaka? Mahatsapa ve ianao fa efa nibebaka tamin’ireo fahotana nataonao taloha?

  4. Nampianarina ianao fa ny maha-mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia midika hoe miaina ireo fitsipiky ny filazantsara. Inona no fantatrao momba ireto fitsipika manaraka ireto? Vonona ny hitandrina azy ireo ve ianao?

    • Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, izay mandrara ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fatoran’ny fanambadiana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray

    • Ny lalàn’ny fahafolonkarena

    • Ny Tenin’ny Fahendrena

    • Ny fitandremana ny andro Sabata ho masina, tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro sy ny fanompoana ny hafa

  5. Efa nanao heloka bevava ve ianao? Raha izany no izy, moa ve ianao nahazo ny “liberté conditionnelle” (fahafahana arahina fepetra) na ny “liberté sur parole” (fahafahana rehefa nampanantena hanaraka fepetra sasantsasany) amin’izao fotoana izao?

  6. Efa nandray anjara tamina fanalan-jaza ve ianao? (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.6.1.)

  7. Rehefa atao batisa ianao dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra fa vonona ny hitondra eo aminao ny anaran’i Kristy, hanompo ny hafa, hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra ary hitandrina ny didiny mandritra ny androm-piainanao. Vonona ve ianao ny hanao io fanekempihavanana io ary hiezaka ny ho mahatoky amin’izany?

Mba hahitana torolalana raha toa ka eny no havalin’ilay olona ny fanontaniana 5 sy 6, dia jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.2.8.7 sy 38.2.8.8.

Fantaro tsara ireo fitsipika sy torolalana mifandray amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.2.8. Ny sasany amin’ireo fitsipika ireo dia mihatra amina toe-javatra misy manokana izay mety ho atrehanareo.

Aorian’ilay tafa sy dinika dia miverina mamonjy ireo misiônera hafa ilay misiônera sy ilay olona hirotsaka amin’ny batisa. Raha toa ka vonona ho amin’ny batisa ilay olona dia manazava ny zavatra hitranga mandritra ny fotoam-batisa ny misiônera. Manazava ihany koa izy ireo fa raha ny mahazatra dia mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo an’ny paroasy misy ny fonenan’ilay olona no hatao ny fandraisana ho mpikambana.

Rehefa ilaina ahemotra ny batisa

Indraindray dia ilaina ahemotra ny batisa iray noho ny fisian’ny olana mahakasika ny fijoroana ho vavolombelona na ny fahamendrehana. Rehefa izany no mitranga dia atreho amim-pitandremana tsara sy mitokana ilay toe-draharaha. Ampio ilay olona hahatakatra ny fomba iomanana ho amin’ny batisa amin’ny daty iray hafa any aoriana.

Ampaherezo ilay olona ary omeo fanantenana ao amin’i Kristy sy ny Sorompanavotany. Angataho ny mpikambana ao amin’ny paroasy mba hanolo-tanana. Tohizo ny fampianarana ireo fitsipika fototry ny filazantsara mandra-pahavonon’ilay olona ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Andraso io fotoana io vao mametraka datin’ny batisa vaovao indray.

Ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana: Fanontaniana sy valiny

Mila fanomezan-dalana ve aho rehefa hanao batisa zaza tsy ampy taona? Ny Fiangonana dia miahiahy ny amin’izay hahasoa ny ankizy sy ny filaminan’ny tontolo iainany ao an-tranony. Azo atao batisa ny zaza iray tsy ampy taona, araka ny famaritan’ny lalàna eo an-toerana, rehefa feno avokoa ireto fepetra manaraka ireto:

  1. Manome lalana an-tsoratra ny ray na reny na ny ray aman-dreny izay manan-jo hitaiza ilay zaza na ny mpitaiza azy ara-dalàna. Tokony hanana fahatakarana amin’ny ankapobeny ny fotopampianarana izay hampianarina ilay zanany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy izy ireo. Tokony ho vonona ihany koa izy ireo ny hanohana ilay zaza amin’ny fanaovana sy ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa.

  2. Mahatsapa ilay olona manatanteraka ny tafa sy dinika fa mahatakatra ny fanekempihavanan’ny batisa ilay zaza. Tokony hahatsapa fahatokian-tena izy fa hiezaka ny hitandrina io fanekempihavanana io ilay zaza amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy, ka isan’izany ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana.

Moa ve aho mila fanomezan-dalan’ny vady raha hanao batisa ny vadiny? Eny. Ny olona iray izay manambady dia tsy maintsy mahazo ny fankatoavan’ny vadiny alohan’ny hanaovana batisa azy.

Raha toa ka mbola tsy vonona ho amin’ny batisa ny ray na reny ao amin’ny fianakaviana iray, dia tokony hanao batisa ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana ve aho sa miandry ny hahavonona ilay ray na reny? Tsara kokoa raha atao batisa miaraka ny olona ao amin’ny fianakaviana iray. Raha misy tsy vonona anefa, dia azo atao batisa ny olona sasany ao amin’ny fianakaviana iray rehefa azo araka ny tokony ho izy ny fanomezan-dalana ilaina.

Moa ve tokony hahemotra ny batisan’ny olona ao amin’ny fianakaviana mandra-pahatongan’ny fotoana ahafahan’ny raim-pianakaviana mandray ny Fisoronana Aharôna ka ahafahan’ny tenany manao ireo batisa? Tsia. Ny lehilahy mpikambana vaovao dia tsy mandray ny Fisoronana Aharôna amin’ny andro anaovana batisa azy ireo. Mila manao tafa sy dinika amin’ny eveka sy tohanan’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy aloha izy ireo.

Azoko atao ve ny mampianatra sy manao batisa olona iray izay nangataka ny hanalana ny maha-mpikambana azy na nesorina tsy ho mpikambana? Ny olona izay nangataka ny hanalana ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Fiangonana na nesorina tsy ho mpikambana intsony dia azo ampidirina ho mpikambana indray amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Raha toa ka maniry ny hampianarina izy ireo dia makà hevitra amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana sy ny filohan’ny misiônanao mahakasika ny anjara asa mety ho sahaninao.

Ao amin’ny tsatòka, dia eo ambany fitarihan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny fampidirana ho mpikambana indray. Ao amin’ny misiôna, dia eo ambany fitarihan’ny filohan’ny misiôna ny fampidirana ho mpikambana indray. Ireo mpitarika ireo dia handray fitarihana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany raha ilaina. Tsy manao ny tafa sy dinika momba ireo batisa ireo ary tsy mameno ny Taratasy fenoina momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ny misiônera. Saingy azo asaina hanatanteraka ny batisa ny misiônera iray.

Ny mpikamban’ny Fiangonana izay efa niala ka miverina indray dia tsy raisina ho toy ny mpikambana vaovao. Na izany aza dia afaka mitana anjara asa lehibe ny misiônera indraindray amin’ny fanampiana azy ireo mba handray ireo fitahian’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana indray.

Inona no atao raha toa ka manana datina batisa efa voapetraka ny olona iray saingy tsy manatanteraka ireo fanolorantena rehetra izy? Aza mametraka daty hanaovana ny tafa sy dinika momba ny batisa raha tsy rehefa mahatandrina ireo fanolorantena sy mahafeno ireo fepetra takina amin’ny batisa ilay olona. Jereo ny “Rehefa ilaina ahemotra ny batisa” ato amin’ity toko ity.

Inona no atao raha te hatao batisa ny mpifankatia iray nefa miara-mipetraka izy ireo? Ny mpifankatia miara-mipetraka ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tsy azo atao batisa raha tsy rehefa miaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izy ireo. Izany dia midika hoe tsy miara-mipetraka intsony izy roa—na mpifankatia lahy sy vavy izany; na mpifankatia lahy sy lahy izany; na mpifankatia vavy sy vavy izany—na, ho an’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, dia midika hoe mivady izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fananana finoana ho amin’ny fibebahana araka ny voalazalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37. Lafiny iray tena manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray.

Ny fanontaniana 5 sy 6 ao amin’ny tafa sy dinika momba ny batisa dia manontany raha toa ka efa nahavita heloka bevava na nandray anjara tamina fanalan-jaza ilay olona. Inona no tokony hataoko raha toa ka mamaly hoe “eny” amin’ny iray amin’ireo fanontaniana ireo ilay olona? Raha toa ianao ka lasa nahafantatra ny fisian’ny iray amin’ireo toe-javatra ireo mandritra ny tafa sy dinika momba ny batisa, dia aza manontany ny antsipiriany. Aza mampanantena fa hahazo fankatoavana ny hanaovana batisa azy ilay olona. Fa asehoy azy kosa ny fitiavanao ary hazavao amin-katsaram-panahy fa hisy olona iraymanana fahamatorana sy traikefa kokoa hiresaka amin’ilay olona sy hanampy azy.

Mandefasa fangatahana fanaovana tafa sy dinika momba ny batisa any amin’ny filohan’ny misiônanao. Izy na ny mpanolotsainy iray no hihaona amin’ilay olona. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.2.8.7 sy 38.2.8.8.

Inona no tokony hataoko raha toa ka noforonina mialoha ny nandefasako ny Taratasy fenoina momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ny firaketana ny maha-mpikambana? Mifandraisa amin’ny filohan’ny misiônanao mba hahazoana torolalana.

Fandalinan’ny tena manokana

Eritrereto hoe mety inona no ho tsapanao raha toa ka hatao tafa sy dinika ianao. Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto ary raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanao.

  • Amin’ny lafiny ahoana no mety hahatonga ilay tafa sy dinika ho tsy hampahazo aina anao? Inona no zavatra azon’ilay mpanao tafa sy dinika atao na tenenina mba hampahazo aina anao?

  • Amin’ny fomba ahoana no tianao hifandraisan’ilay mpanao tafa sy dinika aminao?

  • Amin’ny fomba ahoana no tianao hamalian’ilay mpanao tafa sy dinika raha toa ka naneho fisalasalana na tsy fahatakarana na nibaboka fahotana goavana ianao?

Sary
batisa

Ny fotoam-batisa

Ny fotoam-batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia tokony ho fotoana misongadina ara-panahy ho an’ilay mpikambana vaovao. Ny fotoam-batisa dia tokony halamina vantany vao mahafeno ireo fepetra takina amin’ny batisa ilay olona. Hazavao ny zavatra halamina sy ny anton’izany. Resadresaho ny akanjo tokony hanaovana, ka tafiditra ao anatin’izany ny firesahana ny hoe homena akanjo fotsy hanaovany mandritra ny batisany ilay olona.

Ireo fotoam-batisa ho an’ireo niova fo dia alamina eo ambany fitarihan’ny episkôpà. Ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy (raha misy voantso), na ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izay mitarika ny asa fitoriana no mandrafitra sy mitarika ireo fotoam-batisa ireo. Miara-mandrindra izany amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno izy. Ny fotoam-batisa dia tokony ho tsotra, fohy, ary mampahery ara-panahy.

Asao ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà, ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana, ary ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona (raha tsy izy no mitarika ny fotoana) mba hanatrika ny fotoam-batisa. Rehefa toa ka ilaina, dia asao ireo mpitarika rafitra hafa, ny mpitarika ny zatovo, ary ireo rahalahy sy rahavavy manompo (raha efa voatendry) mba hanatrika. Miasà miaraka amin’ilay olona ho atao batisa mba hanasana namana sy fianakaviana mba hanatrika ny fotoam-batisa sy ny fandraisana ho mpikambana.

Hevero ny hanasa olona hafa ampianarinareo. Ireo zavatra iainana ireo dia hanampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy sy hianatra bebe kokoa momba ny filazantsara. Aorian’ny fotoam-batisa, dia tohizo ny fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny firesahana ny momba ny zavatra niainan’izy ireo ary asao izy ireo mba handray fampianarana.

Ny fotoam-batisa iray dia mety ahitana izao manaraka izao:

  1. Feon-kira alohan’ny fivoriana

  2. Fiarahabana fohy ataon’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mitarika ilay fotoam-batisa (ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no tokony hiahy ny fotoana raha azo atao)

  3. Hira sy vavaka fanombohana

  4. Hafatra fohy iray na roa mikasika ireo lohahevitra ao amin’ny filazantsara, toy ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina

  5. Hira iray nofidina manokana

  6. Ilay batisa

  7. Fotoana hanehoana fanajana amim-pahanginana eo am-pisoloan’ireo olona nandray anjara tamin’ny batisa akanjo. (Azo atao ny mitendry na mihira hira ao amin’ny fihirana na hiran’ny ankizy mandritra io fotoana io. Na afaka manolotra hafatry ny filazantsara fohy ireo misiônera.)

  8. Fijoroana ho vavolombelona ataon’ireo mpikambana vaovao raha tian’izy ireo ny hanao izany.

  9. Hira sy vavaka famaranana

  10. Feon-kira aorian’ny fivoriana

Raha mandrindra batisa tanterahina ny andro alahady ianao dia misafidiana fotoana iray izay tsy manelingelina mihitsy araka izay azo atao ireo fivoriana fanao isaky ny alahady mahazatra.

Sary
fandraisana ho mpikambana

Fandraisana ho mpikambana

Mandray ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana aorian’ny nanaovana batisa azy ny olona iray (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:41). Tsy heverina ho mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray raha tsy rehefa vita sy voarakitra araka ny tokony ho izy ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana.

Ny fandraisana ho mpikambana dia eo ambany fitarihan’ny eveka. Tsy manao tafa sy dinika iray hafa ho an’ny fandraisana ho mpikambana anefa izy.

Miaraha miasa akaiky amin’ny eveka sy ny mpitarika ny asa fitoriana eo anivon’ny paraosy (raha misy voantso) mba hakana antoka fa efa notanterahina tamin’ilay olona niova fo ny fandraisana ho mpikambana. Ny fandraisana ho mpikambana dia tokony hotanterahina fotoana fohy araka izay azo atao aorian’ny batisa, ka ny alahady manaraka raha ny tsara indrindra. Afaka manome lalana ny hanaovana tranga maningana anefa ny eveka hanatantarehana fandraisana ho mpikambana mandritra ny fotoam-batisa (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana, 18.8).

Ireo niova fo raha ny mahazatra dia raisina ho mpikambana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ao amin’ny paroasy misy ny fonenan’izy ireo. Raha ny mahazatra dia manasa ireo misiônera lehilahy manompo ao amin’ny paroasy mba handray anjara amin’ny fandraisana ho mpikambana ny eveka. Raha manao ny fandraisana ho mpikambana ny misiônera iray, dia mila ny fankatoavana avy amin’ny filohan’ny misiôna ihany koa izy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana, 18.8.1). Tokony handray anjara ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà farafahakeliny.

Famenoana ny Taratasy fenoina momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

Tena manan-danja ny hamoronana firaketana mombamoma ny maha-mpikambana fotoana fohy aorian’ny nanaovana batisa sy nandraisana ho mpikambana ny olona iray. Raha ny momba ny firaketana toy izany tamin’ny fotoan’androny, i Môrônia dia nanoratra, fa ireo mpikambana vaovao dia “noraisina ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy; ary nalaina ny anarany mba hahatsiarovana azy sy hamahanana azy amin’ny teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4).

Rehefa mampianatra olona iray izay eo am-piomanana ho amin’ny batisa ianao dia atombohy ny famenoana ny Taratasy fenoina momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako. Hazavao fa io taratasy fenoina io dia ho ampiasaina mba hamoronana firaketana mombamomba ny maha-mpikambana azy. Io firaketana io dia hirakitra fampahalalana manan-danja momba ireo ôrdônansy izay raisin’ilay olona. Rehefa mifindra fonenana ny mpikamban’ny Fiangonana dia hafindra any amin’ny paroasiny vaovao ny firaketana mombamomba ny maha-mpikambana azy ireo mba hahafahan’ireo mpitarika sy mpikambana eo an-toerana manohana azy ireo.

Vantany vao vita batisa sy noraisina ho mpikambana ny mpikambana vaovao dia hampidiro ny fampahalalana vaovao momba ny ôrdônansy tsirairay avy, ka tafiditra ao anatin’izany ny hoe iza no nanatanteraka ilay izy. Rehefa nofenoinao ilay taratasy fenoina dia raketo ao amin’ny appli Torio ny filazantsarako ilay fampahalalana ary alefaso amin’ny fomba elektrônika any amin’ny mpitambokin’ny paroasy izany. Vantany vao voarain’ilay mpitamboky ilay taratasy nofenoina dia mamerina mijery izany izy ary mamorona ny firaketana mombamomba ny maha-mpikambana.

Rehefa vita ilay firaketana mombamomba ny maha-mpikambana dia manomana Taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ny mpitamboky iray. Soniavin’ny eveka io taratasy fanamarinana io ary omena an’ilay olona.

Ny anarana sy ny hoe lahy sa vavy eo amin’ilay firaketana mombamomba ny maha-mpikambana sy ilay taratasy fanamarinana dia tokony hitovy amin’ny anarana ao amin’ny kôpia nahaterahana, na ny rejisitry ny soram-piankohonana, na ny anarana ara-dalàna entin’ilay olona ankehitriny.

Fandalinan’ny tena manokana na fandalinan’ny mpiara-mitory

Halalino ny Môzià 6:1–3 sy ny Môrônia 6:1–4. Inona no ifandraisan’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fihazonana firaketana marina momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana?

Aorian’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

Tohizo hatrany ny fanompoana

Tohizo hatrany ny fanompoana sy fanohanana ny mpikambana vaovao aorian’ny batisany sy ny fandraisana azy ho mpikambana. Ampio izy ireo hiangona sy hanorina fifandraisana amin’ireo mpikambana. Miaraha mamaky ny Bokin’i Môrmôna amin’izy ireo, ary ampio izy ireo hizara ny filazantsara amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany sy ny namany. Ampahafantaro azy ireo ilay boky kely hoe Ny lalan’ny fanekempihavanako. Tohizo hatrany ny fampiasana ny appli Torio ny filazantsarako mba hiraketana ny fivoaran’izy ireo, toy ny fanatrehany fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo lesona efa noraisiny.

Sary
lehilahy mifamihina

Avereno ampianarina indray ireo lesona ampianarin’ny misiônera aorian’ny fandraisana ho mpikambana. Ianao no mitarika ny fampianarana. Kanefa miaraha miasa amin’ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy mba handraisan’ireo misiôneran’ny paroasy na ireo mpikambana hafa anjara. Rehefa mampianatra ianao dia amporisiho ny mpikambana vaovao mba hitandrina ireo fanolorantena rehetra ao amin’ireo lesona.

Mandritra ny fivoriana enti-mandrindra, manaova fikaonan-doha momba ny fomba ahafahan’ny mpikambana manohana ireo mpikambana vaovao sy manampy azy ireo hitoetra ho mavitrika amin’ny fandraisana anjara ao amin’ny Fiangonana. Alamino hoe iza no hampihaona azy ireo amin’ireo mpitarika ao amin’ny kôlejy na ireo mpitarika rafitra. Arindrao ny fandraisana anjaran’ny mpikambana hafa rehefa hampianatra indray ireo lesona ianao. Angataho ny hanendrena rahalahy manompo (ary rahavavy manompo ho an’ireo rahavavy).

Rehefa noraisina ho mpikambana ny rahalahy iray, dia afaka mandray ny Fisoronana Aharôna raha toa ka feno 12 taona izy farafahakeliny alohan’ny fiafaran’ny taona. Ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Aharôna dia eo ambany fitarihan’ny eveka (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 38.2.9.1).

Mifandraisa araka izay azo atao amin’ireo izay nampianarinao mandritra ny fiainanao. Tohano izy ireo amin’ny fandraisany ireo fitahiana rehetra ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
Loholona Gerrit W. Gong

“Rehefa manana fo torotoro sy fanahy manenina isika dia afaka ny hahita fitarihana ao amin’i Jesoa Kristy ary ho voahodidin’ny sandrin’ny fiantohany mahatakatra izay mahazo antsika. Ireo ôrdônansy masina dia manolotra ny fanekempihavanan’ny fiombonana ho mpikambana sy ny -herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra- mba hanamasinana ny fikasana ao anaty sy ny fihetsika aseho ety ivelany [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20]. Lasa Tranom-bahinintsika ny Fiangonany miaraka amin’ilay hatsaram-panahiny feno fitiavana sy ny faharipony” (Gerrit W. Gong, “Toerana ao an-tranom-bahiny,” Liahona, mey 2021, 27).

Ampio ny mpikambana vaovao handray anjara amin’ireo fitahian’ny tempoly

Ny mpikambana vaovao izay efa ao anatin’ny taona takina amin’izany dia afaka mandray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay hanome fahafahana azy ireo ho atao batisa ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviany efa nodimandry (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 26.4.2). Mandray izany fahazoan-dalana izany avy amin’ny evekany izy ireo. Amporisiho sy ampio ny mpikambana vaovao mba haka fahazoan-dalana hidirana ny tempoly faran’izay haingana azo atao. Raha tsy lavitra ny misy ny tempoly, dia hevero ny hanolotra fanasana amina fotoana voafaritra tsara mba hanatanterahan’ny mpikambana vaovao batisa ho an’ny razambeny.

Mandritra ny fivoriana enti-mandrindra, alamino hoe iza no hampihaona ny mpikambana vaovao amin’ny mpitarika misahana ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Io mpitarika io dia afaka manampy azy ireo hiomana handray ireo fitahian’ny tempoly amin’ny alalan’ny fanaovan’izy ireo ny fanekempihavanan’ny tempoly ho azy ireo manokana.


Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana

Fandalinan’ny tena manokana

  • Tanisao ireo olanamety hatrehan’ilay hirotsaka amin’ny batisa. Nahoana no zava-dehibe ny hahatsapan’ny olona iray ny fitiavan’ny mpikamban’ny Fiangonana sy finamanan’ny mpikamban’ny Fiangonana?

  • Halalino ny Môrônia 6 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:68–69. Inona no azonao ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fanampiana ny olona hiomana ho amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana? Raiso an-tsoratra izay zavatra ianaranao. Zarao amin’ny mpiara-mitory aminao ny eritreritrao mandritra ny fandalinana iarahan’ny mpiara-mitory.

Fandalinan’ny mpiara-mitory sy Fifanakalozana mpiara-mitory

  • Nanazava ny antony maha-manan-danja ireo fitsipiky ny filazantsara ny Filoha Henry B. Eyring. Ifanakalozy hevitra ity torohevitra manaraka ity. Ahoana no anampianareo ny olona mba haniry hiaina ireo fitsipika ireo?

    “Nametraka ireo fitsipika ny Tompo mba hahafahany mitahy antsika. Eritrereto ireo fitahiana ireo: Mampanantena ny fanampian’ny Fanahy Masina amin’ireo izay miaina ireo fitsipika Izy. Mampanantena fiadanana an’ny tena manokana Izy. Mampanantena fahafahana handray ireo ôrdônansy masina ao amin’ny tranony Izy. Ary mampanantena amin’ireo izay maharitra amin’ny fiainana ireo fitsipika Izy fa hahazo ny fiainana mandrakizay izy ireo. …

    “Koa satria tiantsika ny olona tompointsika, dia samy maniry ny hanao zavatra tsara kokoa isika rehetra amin’ny fanandratana ny zanak’ Andriamanitra ho amin’ny fahatokiana sy ny fahadiovana ilain’izy ireo mba handraisana ireo fitahian’ny Tompo. …

    “… Atombokao izany amin’ny fihazonana ireo fitsipiky ny Tompo mazava tsara sy tsy am-pihambahambana. Ary arakaraka ny fikisahan’izao tontolo izao miala amin’izy ireo sy ny fanevatevan’izy ireo azy ireo no tsy maintsy hanaovantsika izany amim-pahasahiana kokoa” (“Standards of Worthiness,” First Worldwide Leadership Training Meeting, Jan. 2003, 10–11).

  • Famerenana mijery ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika momba ny batisa. Diniho ny fomba hiatrehanareo ny toe-javatra toy ireto manaraka ireto:

    • Tsy nilaza taminao ilay olona fa izy dia ao anatin’ny fahafahana arahina fepetra (“liberté conditionnelle”) noho ny heloka bevava nataony.

    • Mbola tsy nandray valim-bavaka ny olona iray fa mpaminany i Joseph Smith.

    • Nifoka sigara ilay olona roa andro lasa izay.

    • Tsy azon’ilay olona antoka raha toa ka efa nahazo valin’ny vavaka nataony izy.

    • Nahatsapa tsindry avy amin’ny namana ilay fianakaviana ka tsy azon’izy ireo antoka hoe vonona ny hatao batisa ve izy ireo.

  • Famerenana mijery ny Taratasy fenoina momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Nahoana no tokony ho marina sy feno ny fampahalalana omenareo?

Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna

  • Avereno dinihina ny lanjan’ny tafa sy dinika momba ny batisa. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ny misiônera manampy ny olona hiomana ho amin’ilay tafa sy dinika.

  • Ifanakalozy hevitra ny fomba fampiasana ny fotoam-batisa sy ny fandraisana ho mpikambana mba ho fotoana azo araraotina mba hitadiavana olona hampianarina.

Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna

  • Miaraha miasa amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ny mpitarika rafitra eo an-toerana mba hakana antoka fa mampiasa ny tatitra momba ny Fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny fomba mahomby izy ireo.

  • Ampianaro ny mpitarika ny distrika sy ny mpitarika ny faritra ary ny rahavavy mpitarika mpampiofana ny fomba hanomanana ny olona ho amin’ny tafa sy dinika momba ny batisa. Asao izy ireo hanofana ireo misiônera hafa amin’ny fanomanana ny olona ho amin’io tafa sy dinika io.

  • Ampianaro ny mpitarika ny distrika sy ny mpitarika ny faritra ny fomba fanatanterahana ny tafa sy dinika momba ny batisa.

  • Ampianaro ny zavatra atao mandritra ny tafa sy dinika momba ny batisa rehefa manambara ny olona iray fa efa nanao heloka bevava izy.

  • Raha azo atao dia manatreha fotoana anaovana batisa mpikambana vaovao. Miresaha amin’ireo mpikambana vaovao ary fantaro ny tantaran’ny fiovam-pon’izy ireo. Zarao amin’ny mpiara-mitory aminao sy ireo misiônera ny zavatra nianaranao.

Hamoaka printy