“Lesona 7, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny hery mampaherin’i Jesoa Kristy,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 7, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 7: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Ny hery mampaherin’i Jesoa Kristy
Eritrereto vetivety ireo fotoana izay nitolomanao ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetseham-po na ara-panahy. Eritrereto ihany koa ireo fomba nahatsapanao ho malemy na tsy mahavita azy. Nilaza ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Noho ny Sorompanavotany dia manana hery mba hamonjena—mba hanampiana—amin’ny fanaintainana sy fahoriana ara-batana tsirairay ny Mpamonjy” (“Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 62). Eo am-pandalinanao bebe kokoa momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia diniho ny fomba nanampian’ny Tompo anao sy ny mbola hanampiany anao hatrany hiaritra fahoriana sy handresy ny fahalemena eo amin’ny fiainanao.
Fizarana 1
Ahoana no azon’ny Tompo hanampiana ahy amin’ny fahoriako sy ny rofiko?
Ny Filoha Tad R. Callister, filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha, dia niresaka momba ny halehiben’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy toy izao:
Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy … [dia nanome] fahafahana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra, hitovy bebe kokoa Aminy, ary hanana fifaliana feno. Izany dia tontosa tamin’ny alalan’ny fandresena sakana miisa efatra:
Fahafatesan’ny vatana
Fahafatesana ara-panahy vokatry ny nataon’i Adama sy vokatry ny fahotantsika
Ny fahoriantsika sy ny rofintsika
Ny fahalementsika sy ny tsy fahalavorariantsika
(“Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2019, 85).
Tao amin’ny lesona 6 “Ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy,” isika dia niresaka momba ireo sakana roa voalohany. ’Ndeha ary hojerentsika ny fomba andresen’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ilay sakana fahatelo sy fahefatra.
Manodidina ny 83 talohan’i JK dia niala tamin’ny naha-lehiben’ny mpitsara azy i Almà zanany mba ho afaka nampianatra ny tenin’ Andriamanitra nanerana ny tany. Tao amin’ny tanànan’i Gideona i Almà dia naminany fa ho teraka eto an-tany ny Mpanavotra ary hiaina eo anivon’ny olona ary hiaina ireo fanaintainana rehetra sy fijaliana ary fakam-panahy amin’ny fiainana an-tany Izy.
Nilaza izao ny Eveka Mpiahy Gérald Caussé momba io fampianarana miavaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna io:
Ankoatra ny fitondrana ny enta-mavesatry ny fahotantsika dia nitondra teo Aminy ny alahelo, ny rofy, ny fanaintainana, sy ny aretina, ary ny fijaliana rehetra mihatra amin’ny maha-olombelona i Kristy. Tsy misy fijaliana, fanaintainana, na alahelo tsy niaretany ho antsika [jereo ny Almà 7:11–12]. (“Vavolombelona velona an’ilay Kristy velona,” Liahona, mey 2020, 39)
Nampianatra ihany koa ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Ao anatin’ny fotoana mampahalemy antsika dia mety hiantsoantso isika hoe: “Tsy misy mahafantatra hoe manao ahoana izany. Tsy misy afaka mahatakatra izany.” Kanefa ny Zanakalahin’ Andriamanitra dia mahafantatra tanteraka sy mahatakatra tsara, satria efa nahatsapa sy nitondra ny enta-mavesatsika tsirairay Izy. Ary noho ny sorona tsy manam-petra sy mandrakizay nataony (jereo ny Almà 34:14), dia manana fangorahana tanteraka Izy ary afaka manolotra amintsika ny sandrin’ny famindram-pony. Afaka manolo-tanana Izy, mikasika, manampy, manasitrana ary mampatanjaka antsika mba hahatonga antsika ho lehibe kokoa noho izay azontsika ahatongavana ary hanampy antsika hanao izay tsy ho vitantsika mihitsy raha ny herintsika manokana no ianteherantsika. (“Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 90)
Fizarana 2
Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny Mpamonjy ahy amin’ireo fahalemeko sy ny tsy fahatomombanako?
Amin’ny maha-mpanoratra farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna an’i Môrônia dia nampidiriny ny famintinana ny takelak’i Etera, izay misy ny tantaran’ireo Jaredita sy ny asa soratry ny rahalahin’i Jareda. Talanjona tamin’ny herin’ny asa soratry ny rahalahin’i Jareda i Môrônia ary nilaza ny ahiahiny tamin’ny fahalemena izay tsikariny teo amin’ny fanoratany sy teo amin’ny firaketan’ireo mpaminany hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.
Raha nijery tamin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny fahalementsika sy ny tsy fahalavorariantsika Rahavavy Michelle D. Craig, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany, dia nampianatra izy hoe:
Marina tokoa fa isika rehetra dia tsy hahatratra tanteraka ny fahafahana masina tokony hananantsika, ary misy fahamarinany ny fahatakarana fa raha mandeha irery isika dia tsy feno. Fa ny vaovao mahafaly avy amin’ny filazantsara dia ny hoe feno isika raha miaraka amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra. …
Ny fahamarinana mahagaga dia hoe ny fahalementsika dia afaka ny ho lasa fitahiana rehefa mampanetry tena antsika izy ireny ary mampitodika antsika any amin’i Kristy. …
Raha ny marina dia matetika ireo fahagagana nataon’i Jesoa no nanomboka tamin’ny famantarana zavatra notadiavina, zavatra nilaina, ny tsy fahombiazana, na tsy fahaizana. (“Tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2018, 54)
Fizarana 3
Ahoana no hanasako ny fahasoavan’ny Tompo hiditra feno kokoa eo amin’ny fiainako?
Tao amin’ny asa sorany i Nefia dia nijoro ho vavolombelona fa i Mosesy dia nitondra ny zanak’i Isiraely niala ny fanandevozana tamin’ny alalan’ny hery sy ny fahasoavan’ Andriamanitra. Hoy ny nosoratan’i Nefia: “Raha velona koa ny Tompo Andriamanitra, dia tsy misy anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra hahafahana mamonjy ny olona afa-tsy ny anaran’i Jesoa Kristy” (2 Nefia 25:20). Nampianatra ny vahoakany i Nefia fa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy irery ihany, fa tsy ny fankatoavana ny lalàn’i Moesy fotsiny, no afaka manavotra azy ireo. Ny fahasoavana dia “fomba masina entina hanampiana na hanomezana hery, omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy mitafotafo” (Bible Dictionary, “Grace”).
Mety ho tsapa ho mavesatra ilay andian-teny hoe “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23). Eritrereto ny mety hanampian’ireto teny nambaran’ny mpikambana roa ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto antsika mba hahatakatra ny dikan’io andian-teny io.
Tsy mila maneho fahaiza-manao kely na hatsaram-panahy kely akory isika dia efa tonga ny fanampian’ Andriamanitra—fanampiana avy Aminy izay afaka ny ho azontsika isan’andro isan’ora, na aiza na aiza misy antsika eo amin’ilay lalan’ny fankatoavana. Saingy fantatro fa ankoatra ny faniriantsika hahazo ilay fanampiany, dia tsy maintsy miezaka, mibebaka, ary misafidy an’ Andriamanitra isika mba hahafahany miasa eo amin’ny fiainantsika araka ny rariny sy ny fahafahantsika misafidy. D. Todd Christofferson, “Afaka mandrakizay hihetsika ho azy,” Liahona, nôv. 2014, 19)
Hanampy antsika tsirairay hitondra ny hazofijaliantsika sy hanamaivana ireo enta-mavesatsika ny Tompo amin’ny alalan’ny fahasoavany. … Aza milavo lefona mihitsy aorian’ny tsy fahombiazana maro misesy ary raiso ho afaka manary ireo fahotana sy mandresy ireo fiankinan-doha ny tenanareo. Tsy afaka mijanona tsy miezaka indray ianareo ka hanohy ao amin’ny fahalemena sy fahotana aorian’izany! Miezaha hatrany hanao ny tsara indrindra vitanareo, maneho amin’ny alalan’ny asanareo ny faniriana hanadio ny atin’ny vazy, araka ny nampianarin’ny Mpamonjy. Indraindray ireo vahaolana ho an’ny olana sasany dia tonga aorian’ny volana maro nanaovana ezaka tsy tapaka. Ilay fampanantenana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa “noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao,”[2 Nefia 25:23] dia mihatra ao anatin’ireo tranga ireo. Mba tsarovy fa ny fanomezan’ny Mpamonjy fahasoavana “dia tsy voatery ho voafetra ao anatin’ny fotoana hoe -aorian’ny- zavatra rehetra azontsika atao. Mety hahazo ny fahasoavany isika mialoha, mandritra, ary aorian’ny fotoana rehefa manitatra ny ezaka ataontsika manokana” [jereo ny Bruce C. Hafen, The Broken Heart: Applying the Atonement to Life’s Experiences (1989), 155–56]. (Ulisses Soares, “Mitondra ny hazofijaliantsika,” Liahona, nôv. 2019, 113–114)