Tahirim-pitaovana
Avia, manatòna Azy


Avia, manatòna Azy

Amin-kafanam-po

1Satria tiany isika ka tonga Izy tety.

Ny olon-drehetra no homeny fitia.

Ny haizina koa dia hohazavainy,

Tsy misy alahelo ka tsy mba hovainy.

Ka manatòna Azy.

Ô Avia

mba hihaino Azy.

Malemy fanahy Izy sy mietry am-po.

Ka manatòna Azy.

2Nankety an-tany Izy niaina ny marina

Tsy misy ahiahy ka tsy hainy hotakarina.

Ny mafy rehetra, niainany ihany koa

Ny ratram-po rehetra sitrany avokoa.

Ka manatòna Azy.

Ô Avia

mba hihaino Azy.

Malemy fanahy Izy sy mietry am-po.

Ka manatòna Azy.

3Ny fiainany koa dia tra-pahoriana

’reo ’zay mino Azy omeny fanampiana.

’ireo manetry tena, vonon-kanao

’zay lazainy dia omeny fiainam-baovao.

Ka manatòna Azy.

Ô Avia

mba hihaino Azy.

Malemy fanahy Izy sy mietry am-po.

Ka manatòna Azy.

O, avia, manatòna Azy.

Tonony nataon’i Steven K. Jones

Feony nataon’i Michael F. Moody

© 2016 by Steven K. Jones sy Michael F. Moody. All rights reserved. Ity hira ity dia azo adika raha ilaina any am-piangonana na any an-tokantrano, tsy azo itadiavam-bola.

Hamoaka printy