Toko 9
Nanao rakitsoratra roa karazana i Nefia—Samy antsoina hoe ny takelak’i Nefia ny tsirairay avy aminy—Nirakitra ny tantaram-piainana andavanandro ny takelaka lehibe; namaofivaofy indrindra kosa ny momba ny zava-masina ny takelaka madinika. Tokony ho 600–592 taona talohan’i Kristy.
1 Ary ireo zavatra rehetra ireo dia hitan-draiko ary reny sy nolazainy, raha nonina tao anaty lay izy, tao an-dohasahan’i Lemoela, ary miampy zava-maro hafa koa, izay tsy azo soratana eto amin’ireto takelaka ireto.
2 Ary ankehitriny, toy izay efa nolazaiko momba ireto takelaka ireto, dia indro tsy ireto no takelaka izay anaovako fitantarana feno momba ny tantaran’ny oloko; fa ny takelaka izay eo aminy no anaovako ny fitantarana feno ny amin’ny oloko, dia efa nomeko ny anarana hoe Nefia; noho izany, dia nantsoiko hoe ny takelak’i Nefia ireo, araka ny anarako ihany; ary ireto takelaka ireto koa dia antsoina hoe ny takelak’i Nefia.
3 Na dia eo aza izany, dia efa nahazo didy tamin’ny Tompo aho hanao ireto takelaka ireto noho izao antony manokana izao: dia ny mba hisian’ny fitantarana amin’ny alalan’ny sokitra ny asa fanompoan’ny oloko.
4 Eo amin’ny takelaka hafa no tokony hosokirina ny tantaran’ny fitondran’ny mpanjaka sy ny ady ary ny fifandirana teo amin’ny oloko; noho izany dia miompana amin’ny asa fanompoana ny ankamaroany amin’ireto takelaka ireto; ary ireo takelaka hafa kosa dia miompana amin’ny fitondran’ny mpanjaka sy ny ady ary fifandirana teo amin’ny oloko ny ankamaroany.
5 Noho izany, dia efa nandidy ahy ny Tompo hanao ireto takelaka ireto noho ny fikasana hendry ao Aminy, dia fikasana izay tsy fantatro.
6 Nefa ny Tompo mahafantatra ny zavatra rehetra hatrany am-piandohana; noho izany, manomana lalana Izy mba hanantanterahana ny asany rehetra eo anivon’ny zanak’olombelona; fa indro, manana ny hery rehetra Izy hanatontosana ny teniny rehetra. Ary dia toy izany no izy. Amena.