Toko 14
Naiditra am-ponja sy nokapohina i Almà sy i Amioleka—Nodorana tamin’ny afo ny mpino sy ny soratra masiny—Noraisin’ny Tompo tamim-boninahitra ireo maritiora ireo—Nitresaka sy nirodana ny rindrin’ny fonja—Nafahana i Almà sy i Amioleka, ary voavono ny mpanenjika azy ireo. Tokony ho 82–81 taona talohan’i Kristy.
1 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy namarana ny fitenenany tamin’ny vahoaka izy, dia maro taminy no nino ny teniny sy nanomboka nibebaka ary nandinika ny soratra masina.
2 Nefa ny ankamaroany dia naniry ny hahazoany mamongotra an’i Almà sy i Amioleka; satria tezitra tamin’i Almà izy, noho ny fahatsoran’ny teniny tamin’i Zezrôma; ary noteneniny koa fa efa nandainga taminy i Amioleka ary efa nanevateva ny lalàny ary koa ny mpahay lalàny sy ny mpitsarany.
3 Ary tezitra koa tamin’i Almà sy i Amioleka izy; ary satria efa nambaran’izy ireo tamim-pahatsorana tokoa ny fanoherany ny faharatsiany, dia nokatsahiny ny hamono azy ireo mangingina.
4 Nefa ny zava-nitranga dia tsy nataony izany; fa nalainy izy ireo sy nafatony tamin’ny tady mafy ary nentiny teo anoloan’ny lohan’ny mpitsara eo amin’ny tany izy ireo.
5 Dia nandeha ny vahoaka ary nambarany ny fanoherana azy ireo—nanambara fa efa naniratsira ny lalàna sy ny mpahay lalàny ary ny mpitsarany teo amin’ny tany izy ireo, ary koa ny olona rehetra izay teo amin’ny tany; ary nanamarina koa fa tsy nisy afa-tsy Andriamanitra iray, ary handefa ny Zanany eo anivon’ny olona Izy nefa tsy hamonjy azy Izy; ary zavatra maro toy izany no nambaran’ny vahoaka nanoherana an’i Almà sy i Amioleka. Ankehitriny dia izany no natao teo anatrehan’ny lohan’ny mpitsara teo amin’ny tany.
6 Ary ny zava-nitranga dia talanjona i Zezrôma tamin’ny teny izay efa nolazaina; ary nahalala koa izy ny amin’ny fahajamban-tsaina izay izy no efa nahatonga izany teo anivon’ny vahoaka tamin’ny teniny mandainga; ary nanomboka ho rotidrotika ny fanahiny noho ny fahatsapana ny hadisoany; eny, nanomboka ho nohodidinin’ny fangirifirian’ny helo izy.
7 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka niantso ny olona izy, nanao hoe: Indro, meloka aho, ary ireo lehilahy ireo dia tsisy pentina eo anoloan’ Andriamanitra. Ary hatramin’izay fotoana izay no nanombohany nitalaho ho azy ireo; fa notevatevainy kosa izy, nataony hoe: Azon’ny devoly koa ve ianao? Ary nororany sy noroahany hiala teo aminy izy, ary koa ireo rehetra izay nino ny teny izay efa nolazain’i Almà sy i Amioleka; ary noroahany hiala izy ireo, ary nirahiny ny olona hitora-bato azy ireo.
8 Ary nangoniny miaraka ny vadiny aman-janany sy izay rehetra nino na efa nampianarina hino ny tenin’ Andriamanitra ka nasainy natsipy tany anaty afo; ary nalainy koa ny rakitsorany izay nirakitra ny soratra masina, ary natsipiny tany anaty afo koa izany, mba hodorana izany ary ho levon’ny afo.
9 Ary ny zava-nitranga dia nalainy i Almà sy i Amioleka ary nentiny izy ireo hankeo amin’ny toeran’ireo maritiora mba hahazoany manatri-maso ny famongorana ireo izay nolevonin’ny afo.
10 Ary nony efa nahita ny fangirifirian’ny vehivavy sy ny ankizy izay nolevonin’ny afo i Amioleka, dia nangirifiry koa izy; ary hoy izy tamin’i Almà: Ahoana no ahafahantsika manatri-maso ity toe-javatra mahatsiravina ity? Koa aoka isika haninjitra ny tanantsika sy hampiasa ny fahefan’ Andriamanitra izay ao amintsika ary hamonjy azy ireo avy ao amin’ny lelafo.
11 Nefa hoy i Almà taminy: Manery ahy ny Fanahy tsy haninjitra ny tanako; fa indro, mandray azy ireo any Aminy amim-boninahitra ny Tompo; ary Izy dia mamela ny hahazoany manao izao zavatra izao, na ny hanaovan’ny vahoaka izao zavatra izao amin’izy ireo araka ny hamafin’ny fony, ka ny fitsarana izay hampihariny aminy ao amin’ny fahatezerany dia ho marina; ary ny ran’ny tsy manan-tsiny dia hijoro toy ny vavolombelona hanohitra azy, eny, sy hiantso mafy tokoa hanohitra azy amin’ny andro farany.
12 Ankehitriny dia hoy i Amioleka tamin’i Almà: Indro, angamba handoro antsika koa izy.
13 Ary hoy i Almà: Aoka ho to araka ny sitrapon’ny Tompo. Nefa indro, tsy vita ny asantsika; koa tsy handoro antsika izy.
14 Ankehitriny ny zava-nitranga, nony efa levona ny vatan’ireo izay natsipy tanaty afo ary koa ny rakitsoratra izay natsipy tao niaraka taminy, dia avy ny lohan’ny mpitsara amin’ny tany ary nijoro teo anoloan’i Almà sy i Amioleka raha nifatotra izy ireo; ary nasiany teha-maina teo amin’ny takolany izy ireo, ary hoy izy taminy: Rehefa izay hitanareo izay, moa va ianareo mbola hitory indray amin’ity vahoaka ity fa hatsipy any anaty farihy afo sy solifara izy?
15 Indro, hitanareo fa tsy nanana fahefana mba hamonjy ireo izay efa natsipy tanaty afo ianareo; ary tsy namonjy azy ireo koa Andriamanitra, satria iray finoana aminareo izy ireo. Ary nasian’ilay mpitsara indray teo amin’ny takolany izy ireo, ary nanontaniany hoe: Inona no lazainareo ho an’ny tenanareo?
16 Ankehitriny io mpitsara io dia araka ny lamina sy ny finoan’i Nehôra izay namono an’i Gideôna.
17 Ary ny zava-nitranga dia tsy namaly azy na inona na inona i Almà sy i Amioleka; ary nasiany indray izy ireo sy natolony ny sakaizambohitra mba hatsipy any am-ponja.
18 Ary nony efa natsipy tao am-ponja hateloana izy ireo dia tonga tao ny mpahay lalàna sy ny mpitsara, ary ny mpisorona sy ny mpampianatra maro izay avy tamin’ny fandraharahan’i Nehôra; ary nidirany tao am-ponja mba hahitany azy ireo, ary nanontaniany momba ny teny maro izy ireo; fa izy ireo dia tsy namaly azy ireo na inona na inona.
19 Ary ny zava-nitranga dia nijoro teo anoloany ilay mpitsara ary nanao hoe: Nahoana ianareo no tsy mamaly ny tenin’ity vahoaka ity? Tsy fantatrareo ve fa manana fahefana aho hampanipy anareo any anaty afo? Ary nodidiany hiteny izy ireo; fa tsy namaly na inona na inona izy ireo.
20 Ary ny zava-nitranga dia niainga izy ireo ary samy nandeha tamin’ny lalany avy nefa dia niverina indray ny ampitso; ary nasian’ilay mpitsara indray teo amin’ny takolany izy ireo. Dia nandroso koa ny maro sy namely azy ireo, sady nanao hoe: Hijoro indray ve ianareo ary hitsara ity vahoaka ity sy hanameloka ny lalànay? Raha manana fahefana lehibe toy izany ianareo, nahoana no tsy manafaka ny tenanareo?
21 Ary zavatra maro toy izany no nolazainy taminy sady nanidiany vazana taminy no nandrorany azy ary nataony hoe: Toa inona ny endrikay rehefa voaheloka izahay?
22 Ary zavatra maro toy izany, eny, ny karazan-javatra rehetra toy izany no nolazainy azy ireo; ary dia toy izany no nanesoany azy ireo nandritra ny andro maro. Ary nofihininy ny hanina tsy ho azy ireo mba hahamosarena azy ireo, ary ny rano mba hampangetaheta azy ireo; ary nesoriny taminy koa ny fitafiany ka dia nitanjaka izy ireo; ary dia toy izany no nifatorany tamin’ny tady mafy sy nihiboany tao am-ponja.
23 Ary ny zava-nitranga rehefa avy niaritra toy izany nandritra ny andro maro izy ireo (ary izany dia tamin’ny andro faharoa ambin’ny folo, tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahafolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia) dia nandeha nankao am-ponja izay nifatoran’i Almà sy i Amioleka tamin’ny tady ny filohan’ny mpitsara nanerana ny tanin’i Amônihà ary ny maro tamin’ireo mpampianany sy ny mpahay lalàny.
24 Ary nijoro teo anoloan’izy ireo ny filohan’ny mpitsara sy namely azy ireo indray, ary nanao taminy hoe: Raha manana ny fahefan’ Andriamanitra ianareo, dia afaho ny tenanareo hiala amin’ireo fatorana ireo, ary amin’izay dia hino izahay fa hamongotra ity vahoaka ity ny Tompo araka ny teninareo.
25 Ary ny zava-nitranga dia nanatona izy rehetra sy namely azy ireo sady nilaza ireo teny ireo ihany mandra-pandalon’ny farany; ary rehefa avy niteny taminy ilay farany, dia tonga tamin’i Almà sy i Amioleka ny fahefan’ Andriamanitra, ary nitsangana izy ireo sady nijoro tamin’ny tongony.
26 Ary niantso i Almà, nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiaretanay izao fahoriana lehibe izao, Tompo ô? Tompo ô, omeo anay ny hery araka ny finoanay izay ao amin’i Kristy ho fanafahana. Ary notapatapahiny ny tady izay nifatorany; ary rehefa nahita izany ny olona, dia nanomboka nitsoaka, satria tonga taminy ny fahatahorana ny famongorana.
27 Ary ny zava-nitranga dia lehibe loatra ny tahony ka lavo tamin’ny tany izy ireo, ary tsy nahavonjy ny varavarana ivelan’ny fonja; ary nihovitrovitra mafy tokoa ny tany ary nitresaka roa ny rindrin’ny fonja ka nirodana tamin’ny tany; ary ny lohan’ny mpitsara sy ny mpahay lalàna ary ny mpisorona sy ny mpampianatra, izay namely an’i Almà sy i Amioleka, dia maty noho ny firodanany.
28 Ary nandeha nivoaka ny fonja i Almà sy i Amioleka, ary tsy naratra izy ireo; satria efa nomen’ny Tompo fahefana izy ireo, araka ny finoany izay tao amin’i Kristy. Ary avy hatrany dia nivoaka ny fonja izy ireo; ary nafahana tamin’ny fatorany izy ireo, ary efa nidaraboka tamin’ny tany ny fonja, ary ny olona rehetra tanatin’ny rindriny, afa-tsy i Almà sy Amioleka, dia efa maty; ary nandeha avy hatrany izy ireo nankao an-tanàna.
29 Ankehitriny rehefa avy nandre rohondrohona be ny vahoaka, dia tonga niara-nirohitra maro mba hahalala ny anton’izany; ary rehefa nahita an’i Almà sy i Amioleka nivoaka avy tao amin’ny fonja izy, sy ny rindrina efa nianjera tamin’ny tany, dia nozoin’ny tahotra be ary nandositra niala ny fifanatrehana tamin’i Almà sy i Amioleka, miova tsy ny osy sy ny zanany milefa liona roa; ary dia toy izany no nandosirany niala ny fifanatrehana tamin’i Almà sy i Amioleka.