Voninahitra Jereo koa Ambaratongam-boninahitra; Fahamarinana (toetra); Fahazavana, Fahazavan’i Kristy Mazàna ao amin’ny soratra masina ny hoe voninahitra dia manondro ny fahazavan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany. Mety manondro koa ny laza izany na ny haja na ny fepetra sasany amin’ny fiainana mandrakizay na ny voninahitr’ Andriamanitra. Masina ny Tompon’ny Maro: Heniky ny voninahiny ny tany manontolo, Isa. 6:3 (2 Ne. 16:3). Isika dia ovana hanahaka izany endrika izany avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra, 2 Kor. 3:18. Hatsangany aho mba hiara-mitoetra aminy amim-boninahitra, Almà 36:28. Ireo voninahitra azo amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia ho samihafa araka ny fahamarinana, F&F 76:50–119. Ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina, F&F 93:36. Ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona, Mos. 1:39. Nahita olona roa aho, izay mihaika ny fitantarana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, JS—T 1:17.