Barnabasy
Anarana nomena an’i Josefa (atao koa hoe Josesy), Levita iray avy any Kiprosy, izay nivarotra ny sahany ary nanolotra ny Apôstôly ny vola (Asa 4:36–37). Na dia tsy anisan’ny Apôstôly Roa ambin’ny folo lahy voalohany aza izy dia lasa Apôstôly (Asa 14:4, 14) ka nanompo ary nandeha nanefa asa fitoriana maro (Asa 11:22–30; 12:25; 13–15; 1 Kor. 9:6; Gal. 2:1, 9; Kol. 4:10).