Benjamina, Rain’i Môzià Jereo koa Môzià, Zanakalahin’i Benjamina Mpaminany sady mpanjaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (Môzià 1–6). Tojo olana sarotra tamin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana teo amin’ny tany, Ômn. 1:23–25 (TiM 1:12–18). Nampianatra ny zanany lahy, Môzià 1:1–8. Nanolotra ny fanjakany an’i Môzià zanany lahy, Môzià 1:9–18. Niangona ny vahoakany mba handre ny lahateniny farany, Môzià 2:1–8. Nikabary tamin’ny vahoakany, Môzià 2:9–4:30. Nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo ny vahoakany, Môzià 5–6.